Razafisambatra Louis de Mon Désir : « Ataovy ny zavatra tenina ary teneno ny zavatra atao »

Mardi, 02 Avril 2013 07:43 Madagate affiche
Imprimer

Razafisambatra Louis de Mon Désir

 

FANAMBARANA

Manoloana ny fihazakazahana hampiroso ny fifidianana ho filohan’ny repoblika, Andriamatoa RAZAFISAMBATRA Louis De Mon Désir dia manao fanambarana manaraka etoana :

-Amin’ny lafin’ny pedagojia sy ny fomba nitantanana ny firenena, dia miisa telo ambivalopolo sy roanjato farafahakeliny ny olana fototra tsy napetraka amin’ny adi-hevitra demokratika ka nahatonga izao fasahiranam-bahoaka izao ;

-Nanampy-trotraka an’izay ny tsy fanajana ny fitsipika demokratika manao hoe : « ataovy ny zavatra tenina ary teneno ny zavatra atao » ;

-Raisiko ohatra amin’izany ny tsy fananganana ny « Haute Cour de Justice » mandrak’androany ;

-Dikan’izany, ny fifidianana dia mety ho vaha-olona fototra anankiray fotsiny fa tsy fanekena mazava hamatoran’ny vahoaka ny mpitondra manaraka amin’ny fampanantenana nataony nandritry ny fampielezan-kevitra ;

-Mba tsy hisian’ny krizy aorian’ny fifidianana, ilaina ny fiverenan’ny hery rehetra amin’ny latabatra boribory hamolavolana izany fanekena izany, izay hatao fanampin’ny lalam-panorenana ;

-Nilaozan’ny toetr’andro ny fanarahana an-jambany ny toromarika tsy voadinika amin’ny fomba demokratika ;

-Ny fanaovana tery vaimanta ny fanantanterahana ny fifidianana dia fivarotana tanindrazana amin’ny “fomba moderna”, izay mety hiteraka revolisiona izay tsy fantatra ny hiafarany;

-Tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hitranga eto amin’ny firenena ireo olona  mbola te-hanohy sy hanome vahana ny politika mifototra amin’ny « omaly tsy miova » ;

-Ilaina ny adi-hevitra matotra sy tony satria ady seza sy fitakiana ministera afahana manao hala-bato amin’ny fifidianana no natao nandritry efa taona ka nahatonga izao tetezamitatra izao.

 

Natao teto Paris ny zoma faha 29 marsa 2013

Razafisambatra Louis De Mon Désir

Mis à jour ( Mardi, 02 Avril 2013 07:50 )