CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

Mardi, 17 Octobre 2023 17:23 Madagate affiche
Imprimer

Mpitandro filaminana i Christian Andrianarisoa taloha ela be izay. Nanomboka mpanao gazety matihanina izy rehefa niasa tao amin’ny DMD («Dans les Medias Demain»), gazety natsangan’i Honore Razafintsalama (nodimandry ny taona 2011) ny taona 1986, izay sehatra nanoratan’i Jean Eric Rakotoarisoa ihany koa. Ary tena Talen’ny Famohanana (« Directeur de publication ») mihitsy ity farany.

Ny an’i Rakrisy indray dia tontolon’ny Ekonomia no tena nahavanana azy. Raha te-hamaky ny lahatsoratra nosoratan’i Christian Andrianarisoa, mankanesa ao amin’ny CIDST (CENTRE D'INFORMATION ET DE DOCUMENTATION SCIENTIFIQUE ET TECHNIQUE), Làlana Fernand Kasanga eny Tsimbazaza, Antananarivo.

Anisan’ireo mpanao gazety voalohany niasa tao amin’ny « La Gazette de la Grande ile » i Christian Andrianarisoa. Io gazety io dia natsangan-dry Lola Rasoamaharo, Franck Raharison (+2020); Salomon Ravelontsalama, (+2020); Patrick Andrianjafy (+20033); Adelson Razafy ary James Ramarosaona, ny volana marsa 2003.

Nisy fotoana no niditra tao amin’ny HJRA i Rakrisy. Tsy tadidiko fa mbola mitady ny sary nalaiko niaraka taminy tao amin’io hopitaly aho. Efa ela ihany nefa izay ary tamin’io no nahitako azy sy niresahako taminy farany.


66 taona i Rakrisy izao nandao ity tany fandalovana ity.

Miara-ory amin’ny fianakavian’i Christian Andrianarisoa tsy ankanavaka, ny tenako manokana sy ny ekipan’ny madagate.

Mandria am-piadanana Rakrisy fa efa voatahiry ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny Fanaovan-gazety eto Madagasikara ny anaranao.


Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 18 Octobre 2023 05:16 )