Alahady 04 Jona 2023. Andro ankalazana ny Fetin’ny Reny eto Madagasikara

Dimanche, 04 Juin 2023 08:55 A la une
Imprimer

Arahabaina manokana ny « Premiere Dame de Madagascar », Ramatoa Mialy Razakandisa Rajoelina. NY RAIAMANDRENY, rankizy, na firy taona ianao na firy taona (ireo niteraka anao, ireo zokiolona, ireo ray aman-dreny ara-panahy, ireo mpitaiza sy mpanabe) DIA FANAJA. Manozon-tena ny zanaka maniratsira sy mikasi-tànana azy ireo. Ary tsarovy ao am-po sy ao an-tsaina mandrakariva ireo nialohan-tsika any ankoatra tsy taka-maso any.


Farany : hajao ny Nosy Madagasikara, tanindrazan’ny Malagasy. Izy no Renin-tany na « Mère-Patrie ».

Ity tononkalo ity no atolotray roa ho an’ny Reny Malagasy maneran-tany. Fohy fa mafonja ny tian’ny mpanoratra am-pitaina ho mariky ny fitiavany an’i Neny, Mama, mother, maman.

Mpanoratra izay mpanao gazety ihany koa, vao avy nanokafan’ny Ministeran’ny Kolontsaina fotoana manokana amin’ny fanokafana ny jobily fankalazana ny faha-100 taonan’ny nahaterahany.

Nicole sy Jeannot Ramambazafy

* * * * *  * *

NENY

Na dia tsy voateny

toy ny an'i Dada

ny anaranao, ry Neny,

Izaho dia mahalala

fa ianao irery

no loharano mavana

manome ny hery

sy tena Fitiavana.

Mey 1991


Georges Andriamanantena

RADO (1 Oktobra 1923 - 15 Septambra 2008)

Mis à jour ( Dimanche, 04 Juin 2023 09:26 )