Tena lalin-tsaina be mihitsy ity hoe Ihanta Ralitera Randriamandrato ity ary miseho manam-pahaizana noho ny manam-pahaizana eto Madagasikara. Ny mahavariana ahy manokana dia tsy nisy nifidy azy ho Solombavambahoaka taty amin'ny boriboritany faha-2 misy anay, ny taona 2007. Tamin'ny anaran'ny antoko Teza izy tamin'izay no mody nanao propagandy taty amin'ireo anelakelan-trano izay tsy nandalovany na iray segondra nandritra ny taona maro.
Izao moa izy tsy tazana aty mihitsy efa 13 taona be izao. Ny 25 marsa 2020 teo dia nipoitra tao amin'ny Real Tv izay an'i Onitiana Realy, ny anao vavy ary misalotra ny hoe Sekretera jeneralin'izany antoko “Monde et Justice” izay noforonin'ingahy tapi-pahaizana Fleury Rakotomala mialokaloka any Andafy any.
Tsy anao dokam-barotra mikasika ny redirediny aho eto, fa azy sy ny taranany no mifanazava any aoriana any rehefa hiverina hijery ilay vidéo feno hevi-diso sy fankahalana. Tsotra ny fanontaniako : maninona ianao no nanozona ny taranakao ry Ihanta ? Olona iray no tsy tianao dia ny saim-bahoaka no nokorontaninao amina kabary diso tsara lahatra loatra ka tsy hitaratra fahamarinana afaka volana vitsy fotsiny ?
Tohizo fa ity ny valin-kafatry ny Filoham-pirenena izay nataonao tsinontsinona. Fa tsy ho ianao irery fa ao koa ireo vitsy an'isa tsy sahy miseho masoandro toa ny kanosa rehetra. Ny nanenina, hono, any afara handatsa. Nankaiza izao ilay hoe “Gazety Ny Marina” tao amin'ny Facebook ? Ho fanta-tsika iza ry zalahy ireo rehefa tafavoakan'ny coronavirus ny firenena... Ho an'ikaly Ihanta manokana : efa voalatsan'ny zava-misy sahady ianao sy ireo Malagasy an-tapitrisany aorian'ny Filoha Andry Rajaoelina.
Farany, ho an'ny manan-tsaina : Italie, Espagne, France. Firenena mifampizara sisin-tany ao Eoropa ao ary be mpizahan-tany sy olona efa be taona (70 taona miakatra). Madagasikara dia Nosy ka tanora ny ankamaroan’ny mponina ao aminy ary fiaramanidina sy sambo ihany no afahana tonga eto, fa tsy fiara, na tongotra, na soavaly, na ampondra. Sa ity farany no heverin'ity Ihanta ity ny vahoaka malagasy maro an'isa ? Asa... Andao ary.
Jeannot Ramambazafy
******************************
Ampahan'ny fanambaran'ny Filoha Andry Rajoelina tao amin'ny Tvm, ny 26 marsa 2020, namalian'ireo Malagasy maniry fahafatesana ho an'ny Malagasy toa azy
“ (...) Efa nolazaiko hatramin'izaho nanao fanambarana tamin'ny vao niditra na tafatsofoka eto amintsika ity aretina coronavirus ity. Nisy fanambarana nataoko dia ny hoe : MANGARAHARA. Ny marina no ho lazaina amin'ny vahoaka malagasy.
Ka eto kosa dia mba miteny amin'ireo izay miezaka foana hanakorontana ny saim-bahoaka, izay miezaka hatramin'izay taona maro izay manaparitaka virus. Io virus io, any amin-dry zareo no misy an'ilay virus, ka aoka kosa ny zavatra ofisialy izay lazainay eto, izay miala avy any amin'ny Institut Pasteur tsy ho ambanimbaniana ary indrindra indrindra, tsy misy maniry ny hoe fahavoazana hahazo ny vahoaka malagasy izany angamba.
Izao ny zavatra manahirana eto amin'ity firenena ity : misy ny olona izay -soa ihany fa vitsy an'isa izy ireo- mieritreritra foana fa tsy mila fampandrosoana ho entin'izao fitondrana izao eto amin'ny firenena. Izany hoe raha tian-dry zareo dia vao mainka hahantra ny firenena. Ny faharoa dia ny fanirian'izy ireo, araka ny zavatra noteneniny hatramin'izay, dia hoe : efa 200 no tratry ny aretina; efa misy maty ary tsy normal raha tsy misy maty satria any Italie efa marobe, efa 7.000 no maty. Ny fanirian-dry zareo koa dia ho faty ringana koa ny Malagasy. Ka aoka kosa tsy atao kilalao fa manjary mahasorena ny fomba fanaovanareo politika. Satria tsy izany izao.
Fahavalo iray ny antsika, dia ny coronavirus fa kosa aoka ny filazana hoe : mandainga, manafina ny fitondram-panjakana. Raha manana antontan'isa hafa ianareo, ohatran'ny hatramin'izay filazanareo, dia avoay, dia lazao indray hoe aiza ny maty. Fa mbola tsy misy maty hatreto.
Efa niteny isika androany fa io ny antontan'isa nivoaka ary io avy any amin'ny Institut Pasteur. Tsy ny Filoha Andry Rajoelina no manao test; tsy ny any amin'ny minisitra no manao test fa ny Institut Pasteur. Ny OMS no manara-maso an'izany. Ka izay no teneniko hoe : ohatran'ny tsy mety loatra.
Fa ireny olona milaza an'ireny zavatra ireny alohan'ny makarary ny hafa aloha, dia tsara ho fanta-tsika fa ny ao an-tsain'ireny dia ny maloto, ny maizina no an an-tsain'ireny olona ireny, satria zavatra ratsy foana no hitany. Mifoha vao maraina ireny olona ireny dia fankahalana ny ao am-pony. Vao miteny ireny olona ireny dia fanaratsiana ny zavatra mivoaka ny vavany. Ka aiza moa no androso ilay firenena rehefa mbola izany ny fisainanareo ?
Rehefa tsy anao ianareo avelao izahay f'efa manao ny ezaka rehetra mba hoentina anavotana ny Malagasy. Miasa, tsy matory andro aman'alina ireo minisitra tompon'andraikitra rehetra rehetra. Ataoko kosa angamba fa tsy mety ny zavatra tsy fiteny, tsy misy fanajana, fandrabirabiana, fanakorontan-tsaina atao ohatran'ireny.
Aoka izay ny fanavaona politika maloto izay mahazatra anareo. Aoka izay ny fanakorontanana izay mahazatra anareo fa izahay dia hiaro ny vahoaka malagasy ary, indrindra indrindra, ny fanirian-tsika dia ny hoe : mba tsy hisy areti-mandringana, izany hoe handringana ny olona toa ny any am-pita ny eto Madagasikara.
Ny fanirian-dry zareo dia ny hoe : tsy normal raha tsy misy maty, f'efa tokony be dia be ny maty. O lereitsy a ! Malagasy ve ianao io ? Malagasy ray, Malagasy reny ve ianao miteny io ? Tsy tokony atao an'izany ilay raharaham-pirenena fa any amin'ny fifidianana indray no miresaka ianareo raha tsy mahavita ny fitondrana. Izaho efa niteny hoe hanolo-tena ary manao ny ezaka rehetra mba hoentina anavotana ity Firenena ity.
Omaly aho nihaona tamin'ny OMS. Manontany ny OMS sy ny firenena hafa hoe ohatry ny ahoana ny fandehanan'ity Centre opérationnel de commandement (COC) ao Madagasikara ity ? Ohatry ny mahomby ny zavatra mitranga ao Madagasikara. Ahoana ny ataonareo ao Madagasikara ? Nisy Filoham-pirenena vao niantso ahy ary nifampiresaka tamiko, Afrikana. Niresaka ary nifampizara izahay hoe : tena loza ity aretina ity, inona ny expériences any aminareo ? Ry zareo mba maka modely antsika. Fa ny olan-tsika Malagasy dia isika samy isika eto ihany no mifampandrabiraby; isika samy isika eto ihany no mifanaratsy ary isika samy isika eto ihany no maniry loza ho an'ny Firenena izay samy Malagasy isika rehetra eto.
Izany zavatra izany kosa tokony tsy mety araka ny nolazaiko ombieny ombieny, niteny am-pitoniana hoe : fotoan'ny firaisankina izao, fotoanan'ny firaisam-po izao, fotoan'ny firaisan-tsaina izao fa tsy fotoana kosa angamba ny ilazana izay tiana rehetra. Aiza ve ny sasany dia miteny hoe : aiza ny vola novidianana ireny 4X4 ireny. Atao inona ireny 4X4 ireny? O lereitsy a ! Raha misy olona maty ve ao ka misy ambulance tonga hamonjy ilay olona dia ianao hiteny hoe tsy hitaingina ity ambulance ity aho fa aiza aloha ny vola novidianana io na tsy hinana ity fanafody ity aho fa avy aiza io fanafody io ?
Tsy izany angamba no atao hoe tokony fiarahamonina misy eto amintsika fa tokony fiarahamonina mirindra, tokony fiarahamonina milamina ary izay indrindra no tokony apetra-tsika mba hoentina anavotana sy hiarahana miatrika izao aretina coronarivus izao.
Ireo 4X4 ireo dia napetraka indrindra mba hoentin-tsika manaraka ny fivoatry ny toe-pahasalaman'ireo olona izay avy any ivelany izay efa nolazaiko fa ananan-tsika ny liste, ananan-tsika ny adiresin'izy ireo. Dia nametraka isika tamin'ireo olona ireo mise en quarantaine. Mise en quarantaine izany dia tsy mivoaka ny trano mandritra ny 14 andro, satria ao anatin'izay 14 andro izay no mety hivoatra sy hitsimoka ao anatin'ny vatan'ny olombelona ilay valan'aretina. Dia napetra-tsika ireo 4X4 ireo misy mpitandro filaminana ao anatiny; misy mpitsabo; misy mpisabo mpanampy ary misy biologiste izay ho avy isaky ny tokan-tranon'ireo olona avy any ivelany hijery an'izy ireo hoe : ao an-trano ve ilay olona ary manao ahoana ny toe-pahasalaman'ilay olona ? Nianarary ve ary mila ampidirina hopitaly ve sa inona ny toe-pahasalamany ? Izay izany no ilaina ireo 4X4 ireo.
Ny antsika dia any amina faux débat, any amin'ny tokony tsy asiana adihevitra no entina adihevitra. Aotomobilin-tsika, tamin'ny volam-panjakana; aotomobilin'ny ministeran'ny Intérieur izay tokony nomena ny Chefs de District; aotomobilin'ny ministeran'ny Fahasalamana; aotomobilin'ny ministeran'ny Agriculture. Izany. Fa ny an'ny sasany any amina zavatra hafa no zavatra resahina. Ohatran'ny mampahatsiahy ahy ilay tenin'ny profesora anankiray ny hoe : ao anatin'ny ady anankiray izao, hoy izy -profesora any ivelany izy io-, dia ny discussion ataon-tsika dia hoe : mety ve ny conception-ny parachute ? Izay no notenenin'ilay profesora anankiray hoe : ity misy fanafody fiarovana ampiasao fa io no hanavotra antsika, dia ny sasany mbola miteny hoe : mety ve ny parachute ? Dia hoy izy (ilay profesora) hoe : maka ianao olona 100 avy dia ataovy eny ambony raoplanina dia asaivo mitondra parachute ny zato dia aza asaina mitondra parachute ny zato, dia ho hitanao eo hoe iza no nanavotra ilay olona.
Izay noteneniko hoe : ohatran'izay ny eto amintsika eto Madagasikara izao : fotoanan'ny fanavotana an'ireo olona marary izao fa tsy fotoanan'ny fametrahana adihevitra any amina adihevitra tsy izy. Ary tena mampitehiteny mihitsy hoe : tokony tsy asiana intsony ny adihevitra satria loza ho an'izay manome fanafintoana ho an’ny sasany. Satria mitondra fanafitoana ilay fanambarana izay mahita foana tsikera izay atao ao amin'ny zavatra rehetra izay atao. Izay no noteneniko hoe : fotoan'ny fandraisan-tànan'ny tsirairay izao; mba fotoanan'ny fifanomezan-tànana fa tsy fotoan'ny fanaovana tsikera satria fahavalo anankiray no fahavalon-tsika mianakavy.
Io aretina io tsy hoe fahavalo natao ho tonga teto ho an'ny mpitondra fanjakana; tsy hoe io aretina io dia hoentina mpitondra fanjakana na ho an'ny mpanohatra fa fahavalo iraisana, antsika rehetra io ary izay no noteneniko hoe : tsy maintsy miatrika izay isika rehetra (...).
Nandray an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy
Nivoaka ihany koa ao amin’ny « La Gazette de la Grande île », sabotsy 28 mars 2020