Madagasikara : ankizy sahirana mahafehy teny anglisy

Lundi, 09 Mai 2011 11:02 Madagate affiche
Imprimer

Mpianatra  miisa 250 no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Asabotsy faha-7 mey lasa teo. Teny amin’ny Kianja mitafo Ankorondrano no nanatanterahina ny famoahana ireto mpianatra ireto. Mpianatra izay nofanina manokana momba ny teny Anglisy, nandritra ny efa-bolana ary afaka mandray asa avy hatrany.

Nahavariana sy nahatalanjona ny fahaizan’ireto mpianatra ny teny Anglisy, izay nanaovan’izy ireo fampiharana rahateo nandritra ny lanonana famoahana azy ireo. Hita tamin’izany fa dia mahafehy tsara izay teny vahiny izay ireto ankizy ireto. Ity teny ity rahateo no nifandimbiasana  tao anatin’ny kabarin’ny tsirairay.


Raha mitodika amin’ny  tantara momba ireto ankizy ireto dia izao : ankizy avy amin’ireo Tanàna ambany (“bas quartiers”) izy ireo. Izany hoe zanaky ny fianakaviana sahirana  avokoa ireto vao nivoaka ireto. Ny tena tombon’ity nahazoana izy ireo mari-paizana dia ny fahafahany miasa avy hatrany. Ohatra : “ guides touristique”, hotely, sehatrin’ny Fizahatany, sns. Satria dia tena mahafehy tantareraka ny teny Anglisy izy rehetra ireo.  Ny FMS na Fikambanana Miahy ny Sahirana izay mikarakara ny ankizy sahirana no niara-niasa tamin’ny minisiteran’ny Mponina, nahafahana nanatontosa izao fampianarana  ireto ankizy izao.


Tsy mahagaga raha tonga nanatrika teny Ankorondrano Andriamatoa  Ravelosaona Bernard, Talen’ny DRSP (“Direction de l’Insertion sociale et professionnelle”), sampana iray eo anivon’ny  Minisiteran’ny Mponina sy ny Raharahara sosialy. Tsy adino koa Ramatoa Nadine Ramaroson, Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, izay nanolotra ny  mari-pahaizana ho an’ireto ankizy ireto.


Ankoatra ireo nahazo  ny mari-pahaizana  amin’ny fifehezana ny teny anglisy, nisy 40 hafa nahazo  ny mari-pahaizana  afaka mampianatra teny anglisy.

Tsy vitan’izany fa misy ankizy roa no handeha hiasa amina orisana mpanao fromazy any Amerika (U.S.A). Porofo mitoaka amin’ny tenda, araka izany, fa azo atao tsara  ny mampiakatra avo ny fahaizan’ireo  ankizy sahirana eny ambany Tanàna ambany.

Jeannot Ramambazafy

Sary : Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Lundi, 09 Mai 2011 11:16 )