Madagasikara. Ny CRAM sy ny Fanorenena ifotony ny Firenena

Lundi, 12 Septembre 2016 06:05 Madagate affiche
Imprimer

NY CRAM SY NY FANORENANA IFOTONY NY FIRENENA

Ny mpikambana mpanorina ny « Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar » (CRAM) dia nandalina ny fiaraha-monina mifototra amin’ny « Fokonolona fototry ny Firenena » sy ny rafitra ara-toekarena isam-paritra ary ny fomba hitantanana ny raharaham-bahoaka mifanentana amin’izany rafitra izany nandritra ny taona maro.

Ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana ny firenena (la refondation et la reconstruction de Madagascar) no foto-kevi-dehibe nananganana ny CRAM ny 18 avril 2009. (Récépissé N° 167 – MI/ANT/SPAT/ASS du 14 mai 2009).

Amin’ny CRAM ny fanorenana ifotony ny firenena dia tsy azo hatao ankamehana satria ny fanovana tanteraka ny rafitra sy ny toe-tsaina dia miantoka ny ho avin’ny taranaka faramandimby.

Nandritra ny « Symposium national pour la restitution des îles malagasy » izay notarihan’ny « Association Nosy Malagasy » (ANM) tamin’ny 23 jolay 2016 tao amin’ny Lapan’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra dia nandray « FEHIN-KEVITRA NASIONALY » ny mpizaika manerana an’i Madagasikara. Nambaran’ireo mpizaika ao anatin’izany Fehin-kevitra nasionaly izany fa tsy maintsy hirosoana ny « Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana ifotony ny firenena». (Forum national pour la refondation et la reconstruction de Madagascar).

Efa mitsangana ny Komitim-pirenena izay ahitana solontena avy amin’ny Faritra 22 manomana ny « Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana sy fanarenana an’i Madagasikara ».

Afaka andro vitsivitsy dia ho fantatra ny daty sy ny toerana hanaovana izany « Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana ifotony ny firenena » izany.

Alasora, faha 12 septambra 2016

JOEL HARISON Marie René

Filohan’ny CRAM