]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Taona 2021. Arahabaina f'efa atao ny famotorana...

Taona 2021. Arahabaina f'efa atao ny famotorana...

Ankoatry ny fiarahabana anarao mpamaky eto amin’ny madagate, amin’izao Krismasy 2020 mitsidika izao, alohan’ny taom-baovao 2021 tsy lavitra ihany koa, dia ity misy tsiahy ireo tranga maro mbola tsy voavaha eto amin’ny firenena. Ka asa lahy, amin’ireo taona ho avy sy hifandimby fa ho vita daholo ireo famotorana rehefa ka ho voasazy daholo ireo fanetry ben’ny Tanindrazana Malagasy ? Izany no fanirian’ny ambany lanitra maro an’isa


Jeannot Ramambazafy

EFA ATAO NY FAMOTORANA

Rehefa misy zava-doza zay mitranga eto Imerina
ka mandalo fitsarana dia izao no averimberina:
Tsy azo afenina ny marina fa holazaina am-pahatsorana
Saingy mahandrasa kely f'efa hatao ny famotorana.

Io ny lapan'ny tanĂ na, kila rava fa nodorana
fa izao no teny re : efa atao ny famotorana
Maty koa Ratsimandrava, tapi-dalana nizorana,
fa izao no teny re: efa ato ny famotorana.

Forehitra Andafiavaratra, ny tenanao nagorangorana,
fa mbola izao no teny re : efa atao ny famotorana!
Kila koa Anatirova, tomany isika torantorana,
fa mbola izao no teny re : efa tao ny famotorana.

Efa tao ny famotorana? taona firy lasa izay?
Tsy nisy valiny mba re, fa ny may dia tena may!
Ireo izay fototry ny afo, angamba tojo famotsorana;
Hany ka tsy nisy re ny vokatry ny famotorana!

Raha izany Ă ry, no mitranga, mitandrema koa ianao ry Ambohitsorohitra,
Sao mandady any indray ny asan'ireo mpanani-bohitra!
Tsotra kosa izao ny teny izay omeko anao ry Imerina:
Aza dia mpiasabe, manaiky foana ampandeferina!

RADO

Fa iza moa i Rado ?

Anarana : ANDRIAMANANTENA

Fanampin'anarana : Georges

Teraka tamin'ny : 01 Oktobra 1923

Nodimandry tamin'ny : 15 Septambra 2008

Ray : + ANDRIAMANANTENA Gaston, Mpitandrina

Reny : + RAZAFINDRAFARA

Vady : + RAVOLOLONA Edwige

Zanaka : Enina mianadahy (4 vavy, 2 lahy)

Zafikely : 13 mianadahy

Zana-jafy : 23 mianadahy

Sekoly nianarana :

- Ecole Officielle Faravohitra - Ambohijatovo Atsimo (FFMA) - CollĂšge Paul Minault - Chambre de Commerce

- Centre International d'Enseignement Supérieur de Journalisme (Université de Strasbourg)

Asa natao :

- 1942-1955 : Tranom-piantohana « La Préservatrice »

- 1955-1966 : Gazety Hehy

- 1967-1974 : Trano Famoaham-boky Protestanta Imarivolanitra

- 1975-1977 : Gazety Hehy

- 1977-1989 : Ministeran'ny fanolokoloina ny zavakanto Revolisionera

Asa soratra :

- 1973 : Dinitra

- 1977 : Ando

- 1989 : Zo

- 1993 : Sedra

- 1994 : Ny teny Malagasy

- 2002 : Tsy maintsy mipoaka ny sarom- bilany

- 2003 : Voninkazo adaladala

- 2005 : Fiteny roa

Fikambanana :

- UPEM (Union des PoĂštes et Ecrivains Malgaches ) " HAVATSA "

- Fikambanana Mpikabary Malagasy " FI.MPI.MA "

- Mpikambana Mahefa ao amin'ny Akademia Malagasy

- Tily eto Madagasikara

Talenta hafa :

- Sary hosodoko

- Paikafo (« pyrogravure »)

- Tosi- by (« métal repoussé »)

- Kiky fitaratra (« gravure sur verre »)

- Famoronana hiram-bavaka

Mari-boninahitra :

- Chevalier de l'Ordre National Malagasy

- Officier de l'Ordre National Malagasy

- Commandeur de l'Ordre National Malagasy

- Grand Officier de l'Ordre National Malagasy

- Grand-Croix de 2Ăš Classe de l'Ordre National Malagasy

Fanalanandro :

- Jono (ranomamy sy ranomasina)

- Filalaovana amin-jafikely

Nanana asa soratra voavadika amin'ny teny :

- Anglisy

- Alema

- Frantsay

- Rosianina

Fampiratiana sary :

- 1988 : Antananarivo

- 1989 : Franconville (Frantsa)

- 1990 : Antananarivo

- 1994 : Paris (Frantsa)

- 1996 : Antananarivo

- 2002 : Lycée Jean Joseph Rabearivelo Antananarivo

**************************************************

Aza avela hahalala ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala na ireo maraina vao.

Tsy ho takatry ny saiko zay rehetra alahatrao.
Ny angatahako ry Raiko, aoka aho hatoky Anao
.

Aza avela hanontany ny hafaliana atolotrao,
Na ny anton’ny tomany efa hitako hatrizao.

Aza avelanao hanefy ny ampitso zay Anao.
Aza avelanao handrefy zay ho fitantananao.

Rado (Georges Andriamanantena)

Jeannot Ramambazafy – 22 Febroary 2016

Mis Ă  jour ( Lundi, 07 DĂ©cembre 2020 07:28 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...