Maro ny resaka mikasika ireo Malagasy avy any Atsimo mifindra monina ho any Avaratra noho ny Kere misy aminâizao fotoana izao. Isika tsy hiady amina olona very jery na koa adala, anisanâireo misalotra ho mpanohitra kanefa tsy manao hafa-tsy ny mitsikera fahatany. Ny marina iray sy tokana ihany ka ity manaraka ity ny fanazavana miala avy aminâny zava-nisy sy misy ankehitriny. Dia avelao ireo « mpanohitra » ho kendanâny laingany sy ny fahaizany mamorona angano maizina ho anâny taranany.
Fa isika vahoaka kosa aoka hahay hanavaka ny vary aminâny tsiparifara ka ho anâireo tsy mifaditrovana dia tsy maintsy ho avy ilay hoe : ny tody tsy misy fa ny ataony ihany no hiverina aminy. Fantatrareo daholo ry zareo mitatata ao aminâilay hoe « radio miara-manonja » ho voaraikitry ny lafi-maizainâny Tantaram-pirenena malagasy dia : ny IBC Radio, ny MBS Radio, Ny AZ Radio ary ny Radio MADA.
Tsy misy tia tanindrazana na ny iray ireo be vava rehetra ao. Manantena fisamborana ry zareo. Ho avy rehefa voaporofo fa tsy manaraka ny lalana velona. Ka dia tohizo hatrany fa mbola tsy fantatrareo tsara tokoa ny fomba sy toetranâi Marc Ravalomanana lahy !
Mpanao gazety matihanina tsy manaiky ny sarintsarina fandaharana manabado ny vahoaka malagasy
**********************
TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO
TAO AMINâNY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA
ALAROBIA 13 JANOARY 2021
I- FAMPAHAFANTARANA :
IREO MIFINDRA MONINA AVY ANY ATSIMO :
30% ny mponina any aminâireo kaominina vitsivitsy any Atsimo no nanomboka nifindra monina namonjy ny faritra avaratra sy andrefanâny Nosy nanomboka ny taona 2015 no mankaty araka ny fanadihadiana nataonâny OIM. Saika isan-taona rehefa main-tany no tena hiantombohanâizy io noho ny hain-tany, ny fahasimbanâny tontolo iainana vokatry ny fiovanâny toetrandro ary ny tsy fanjarian-tsakafo. Isanâny miteraka olana ho anâireo faritra hifindra-monina sy ireo faritra nialana koa anefa izy ity na eo aminâny lafiny fiaraha-monina na ny lafiny ara-toekarena na ny ara-tsosialy.
Tany am-boalohany lehilahy no maro aminâireo nifindra monina saingy nitombo izany ka lasa fianakaviana iray manontolo mihitsy no mifindra monina ankehitriny noho ny antony maro samihafa toy ny faharavanâny tokantrano, tsy fahampianâny hoenti-manana ary fikorontananâny fiarahamonina vokatrâilay fijanonana irery na an-tany nilana ravinahitra na an-tany nihaviana nonenanâny fianakaviana. Noho ireo antony ireo dia nivoatra ireo karazana olona mifindra monina avy any Atsimo. Hita taminâny fanisana natao fa misy mpianatra na mpila ravinahitra namonjy fodiana, nitondra ny fianakaviany niala tany noho ny tahotra ny tsy fanjarian-tsakafo.
Tao koa ireo mpanararaotra na voarebireby ka nisy namitaka ny hahazo fanampiana. Hisy ireo vaomiera manokana iraisanâny ministera isan-tokony aminâny fanampiana azy ireo sy fanarahana ny fipetrahany any aminâireo toerana nosafidianâizy ireo hipetrahana toy ny any Aavaratra sy ny Bongolava izay afaka mandray fianakaviana miisa 1200. Misy filĂ na mpiasa manao asa tanĂ na sy asa fambolena any Tsiroanomandidy, ka izay vonona ny hamboly dia afaka omena ilay antsoina hoe « titre vert» hahafahanâizy ireo mamboly sy miavotra.
Tsy azo amidy na hanaovana sehatrâasa hafa ankoatra ny fambolena sy fiompiana ny sombin-tany azonâizy ireo. Araka ny tatitra ara-tsosialy voaray, ny mponina avy any aminâny faritra Atsimo dia tsy mahafoy ny tany nipoirany. Noho izany hohafainganina ny fametrahana ireo zara-tany hambolena sy hiompiana mirefy 1000mÂČ isampianakaviana hatao ao Ifotaka.
Izany no natao dia ho fitazomana ireo mbola tavela any aminâny faritra nihaviany hiaina ara-dalĂ na any, na ihany koa hamerenana ireo niala sy voafitaka mba hiverina ka ho afaka miaina tsara sady miasa no miaro ny tontolo iainana.
Ho anâireo mandalo eto an-drenivohitra izay hihazo ny faritra nosafidiany nefa lany vatsy kosa dia noraisinâny ministeranâny mponina sy ireo tomponâandraikitra isan-tokony, tahaka izay efa natao tany Fianarantsoa, ny fanampiana azy ireo hamonjy ilay faritra nosafidiany.
(âŠ)
Natao androany faha 13 Janoary 2021
Ny sampan-draharahanâny serasera sy ny fifandraisana
eo anivonâny Fiadidiana ny Repoblika