Andriamatoa Sylvain Willy Rabetsaroana
Eo anatrehin’ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, hatao ny 09 Novambra 2023 dia manan-kolazaina ihany koa Andriamatoa Sylvain Willy Rabetsaroana, Loholona teo aloha, Kandida tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 ary mpikambana ao amin’ny antoko Avi.
« Mikasika ny G7 (Fivondronan’ny firenena fito matanjaka dia : Allemagne, Canada, Etats-Unis, France, Italie, Japon, Royaume-Uni) ? Tsy dia mazava loatra ilay zavatra resahin-dry zareo. Fa izy moa izany « partenaire financier et technique » manome vola dia miditra amin’ilay izy, izy.
Fa ry zareo ve mahalala ny olona eto Madagasikara ? Mametraka fanontaniana fotsiny ahy… Ohatran’ny manao fanambarana ry zareo nefa ny fanambarany tsy mazava loatra, dia avelao ny Malagasy no hanao ilay izy (fikarakarana ny fifidianana). Malagasy ihany no mahalala ny mahasoa azy anie e ! Malagasy no mahalala ny fahorian’ny malagasy ; Malagasy no mahalala ny fampandrosoana atao amin’ny fireneny.
Â
Ny mpanao politika koa tokony mba hiova ny foto-pisainany fa tsy hikorontana foana. F’andao isika hiroso amin’ny fifidianana dia ho hitan-tsika eo. Izay maharesy harabaina, izay resy tsy hakoraina.
Efa nandalovan-tsika matetika ny resaka Tetezamita fa mitondra ny firenena any amin’ny là lana tsy tokony andehanany. F’efa mipetrapetraka daholo ny kalendrie : efa vonombonona daholo ny kara-pifidianana ; ny Ceni manao ny asany.
Mikasika ny kandida folo ? Ny kandida anie tsy maintsy miteny foana e ! Fifidanana izany anie ady saritaka izany e ! Samy mieritreritra izay hahasoa azy, samy mieritreritra izay hazoany fitondrana. Fa ny vahoaka anie ny tompon’ny teny farany e ! Dia ho hitan-tsika eo. Hanao fanambarana ihany koa ny antoko Avi tsy ho ela, momban’io fifidiana io »./.
Nandray an-tsoratra ny feo : Jeannot Ramambazafy - 21.09.2023