Eo amin’ny sary nalaina ny 25 Septambra 2015, tao amin'ny foiben'ny ONU ao New York: Charlotte Scaddan, miasa ao amin’ny « Social Media Team» ao aminy Departemantan’ny Filazam-baovao ho an’ny rehetra (DPI), nitondra fitaratra atao hoe « Twitter Mirror » ahitana ny Papa Ray Masina François sy ny Sekretra Jeneraly Ban-Ki-moon
Tsy ny Malagasy rehetra akory no mahay miteny frantsay sy mamaky izany teny izany. Ny ao amin’ny Firenena Mikambana (ONU) dia ireto avy ny teny miisa enina ampiasana ara-pomba ofisialy: Anglisy, Arabo, Sinoa, Espagnola, Frantsay ary Rosiana. Tsy misy miteny malagasy mihitsy izany ny ao ary ny taratasy rehetra dia atao na adika amin’ireo teny ireo.
"Handao atao izay hatratrarà na ireo tanjona ireo"
22 Septambra 2015. Nalefa tamin’ny alà lana «rétro-projecteur» teo amin’ny rindrin’ny foiben’ny ONU ao New-York ireo sarin’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra (ODD) miisa 17. Izany dia tao anatina horonan-tsary naharitra 10 minitra manainga ny rehetra hifanampy hanatontosana azy ireo rehefa tonga ny taona 2030
Tsy dia fomban’ny solontenan’i Madagasikara koa moa ny mandika na mampandika ny zavatra goavana tapaka ao New York ao. Kanefa isika mpikambana feno ao amin’ny ONU ary ny vahoaka malagasy tokony hahalala ny vaovao avy ao, satria ao anatin’ny hoe fanatontoloina (« Mondialisation ») ka voakasik’ireo fanapahan-kevitra mivoaka ao ny Malagasy rehetra.
Noho izany dia nataoko adidy ny nandika ny tena fanapahan-kevitra mikasika ny fampandrosoan’izao tontolo izao mihitsy, dia ireo Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra (« Objectifs pour le Développement Durable » na ODD), ka heverina ho tontosa any amin’ny taona 2030 daholo. Aza tsiny raha misy diso kely fa efa ezaka be izy ity. Ny tsy nanao ihany koa moa no be kritikà , fa hazava aminao daholo na izany aza.
Ireo tanjona miisa valo ao amin'ny OMD (2005-2015)
Ny antony nandrafetana io praograma vaovao io dia tsotra: tsy tratra daholo ireo Tanjon’ny Taon-jato arivo [fahatelo] ho an’ny Fampandrosoana (« Objectifs du Millénaire pour le Développement » na OMD) natomboka tamin’ny taona 2005 ary nifarana tamin’ity taona 2015 ity. Ireo OMD ireo dia natokana ho an’ireo firenena an-dalam-pandrosoana ihany ary nisy valo (08) ireo tanjona tokony notratrarina ireo. Velom-bolo tokoa ny rehetra tamin’izany fotoana izany...
Ireo loza voajanahary mitranga eto an-tany. Ny tondra-drano no tena be indrindra, arahin'ny rivo-doza sy ny valan'aretina mifindra, ny doro-tanety sy ny horohoron-tany. Ao koa ny valala sy ny hain-tany. Ny fipoahan'ny volkano sy ny "tsunamis" no any tsy misy eto Madagasikara. Hatreto aloha...
Indrisy anefa… Marina fa nisy firenena nahatratra ny am-pahan’ireo tanjona ireo, kanefa toa zary lasa namono afo ihany satria ny etsy vitavita, ny atsy vonjena dia tsy nisy tontonsa hatramin’ny farany ka zary nandringa foana. Be ny tranga tsy nampoizina: tondra-drano, horohoron-tany, ady, fiovaovan’ny toetrandro, krizy politika, sns. Tsy nilamina ary mbola tsy milamina mihitsy ny planeta Tany.
Rehefa tsy mandroso anefa dia mihemotra. Narafitry ny ONU ary ireto hoe ODD ireto. Ka tao amin’ny foibeny tao New York, tamin’ny fanokafana ny Fihaonam-be faha-70 no nanambarana azy ireo ampahibemaso. Firenena miisa 193, mpikambana ao amin’ny ONU, no nandany ireto ODD izay miisa 17 ireo, ny 25 Septambra 2015. Mazava fa tafiditra amin’izany i Madagasikara.
1. Ho foanà na tanteraka ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra maneran-tany
2. Ho foanana tsy hisy intsony ny hanoanana; tandrovina ny fahampian’ny sakafo ka tsy hisy izany mosary na kere izany intsony; hatsaraina ny fomba fisakafoanana ary haely ny fomba fanaovana fambolena maharitra
3. Homena antoka fa afaka misabo tsena ny rehetra ary ho mora sy haharitra izany fitsaboana izany ka hitondra ny tsirairay ao anaty fiadanana tanteraka
4. Hatao izay afahan’ny rehetra mahazo fampianarana avo lenta sy tsy misy fanavakavahana ary harindra ny fomba fampianaran’asa maharitra mandritra ny androm-piainana
5. Hatao izay fomba ampitoviana ny vavy sy ny lahy ho mira lenta ary homena fahalalahana bebe kokoa ny ankizy vavy sy ny vehivavy rehetra
6. Homena antoka ny fahazoan’ny rehetra rano madio sy ny fahadiovan'ny tontolo iainany, ary koa ny fandrindrana maharitra ny toerana ipoiran'ny rano madio rehetra
7. Homena antoka ny fahazoan’ny mpanjifa rehetra angovo (jiro) maharitra, madio sy manaraka ny toetrandro ary amina sarany mora
8. Homena antoka fa hanana asa mendrika mahatitra sy mamokatra tsara ny rehetra ary hangana foto-drafitrasa mafy sy maharitra, hampiroborobo indostria maharitra ho an’ny tombontsoan’ny rehetra, ary hamporisihina ny fikaroana hanatsara zavatra
9. Hampiakarina ny fitomboana ara-ekonomika maharitra, itokisana sy manaraka ny toetrandro, eo amin’ny lafiny ara-ekonomika
10. Hahena ny tsy fitoviana eo amin’ny lafiny maro ao anatina firenena iray sy eo amin’ny firenena samihafa
11. Hatao izay mampaharitra sy mampirindra tsara ny tanà na sy ny fiaraha-monina ao aminy
Â
12. Hapetraka ny fanjifana sy ny famokarana ao anatin’ny fandraisana andraikitra maharitra
Â
13. Hapetraka mialoha ny paik’ady sy ny fepetra maharitra rehetra mifanaraka amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny voka-dratsiny
Â
14. Hapetraka ny fomba sy ny fepetra rehetra fiarovana sy fanarenana maharitra ny tontolo iainana any anaty rano rehetra any (ranomasina, renirano, farihy, sns)
Â
15. Hapetraka ny fomba sy ny fepetra rehetra fiarovana sy fanarenana maharitra ny tontolo iainana ety an-tanety (Ala, tendrombohitra, tontolo ambanivohitra, zava-boary, biby, lalà na, sns.)
Â
16. Hapetraka sy hamafisina ny fandriampahalemana maharitra, ny fitsarana tsy mitanila ary ny andry sy rafi-panjakana misokatra ho an’ny rehetra (tsy miavona fa sariaka), mahomby ary mahay maka andraikitra tandrify azy tsirairay
Â
17. Hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra famokarana anatiny sy manerana eran’izao tontolo izao hafahana manatontosa ireo tanjona ireo.
Tsy mahakasika ny firenena an-dà lam-pandrosoana ihany ireto tanjona ireto fa tena ny firenena maneran-tany mihitsy. Ka ho vitaina ao anatin’ireo ihany koa ny Tanjona tsy tratra tao anatin’ireo OMD. Izany hoe fanohizana sy fanamafisana ny efa vita, fa tsy avela eo akory ny « vary mangatsiaka » dia manao zavatra hafa indray. Tsia.Tsy ady gasy akory izy ity.
Hoy ihany koa ny Sekretera Jeneralin'ny ONU, momba ireto ODD ireto: "Tonga eo amina dingana makadiry eo amin'ny Tantaran'ny Zanakolombelona isika izao"
Hoy, Andriamaroa Ban-Ki-moon, mikasika ireo ODD ireo : « Tsy manam-paharoa ireo ODD ireo, eo amin’ny tanjona tian-ko tratrarina, ary ny fomba hanatanterahana azy ireo, amin’ny alà lan’ny fandraisan’anjaran’ny orinasa mpamokatra dia tsy hiova. Orinasa izay tsy maintsy mahafehy izany hoe fandraisana andraikitra eo amin’ny fandrarahana kosa anefa ». Tsy ny orinasa ihany anefa no tokony andray anjara amin’ny fanatontosana ireo ODD ireo, fa ao ny mpampiasa vola («Investisseurs»), ny mpikambana ao amin’ny fiaraha-monina sivily («Société civile») ary indrindra indrindra ny tomponandraikitra ara-panjakana («Responsables gouvernementaux»).
Fotsifotsy fanahy koa ireto vazaha ireto an! Sarin'Ilakaka ao Isalo sy ny safirany no atao eo amina boky miresaka OMD! Ahoana ny fandraisan-dRamalagasy izany? Fampandrosoana amin'ny ahoana marina?
Raha mikasika an’i Madagasikara manokana aloha -arak'ilay tombanezaka novelaberan-dRamatoa Fatma Samoura, solontenan'ny PNUD- dia toa ny tanjona faha-6 ao amin’ireo OMD, mikasika ny VIH/SIDA ihany no voafehy (0,02% ny tahan’ny voany tamin’ny taona 2010). Fa ny ambiny 1, 2, 3, 4, 5, 7, dia mazava ny resaka fa tsy nisy tratra na ny iray aza…
Ka hanao ahoana indray ny mikasika ireto ODD ireto, izay haharitra mandritra ny 15 taona be izao ny fanatontosana azy? Raha isaina ity taona 2015 ity. Raha jerena mantsy ny zava-nisy ary misy nanomboka tamin'ny nandraisan’Ingahy Hery Rajaonarimampianina ny fitondrana sy ny hoe fiverenana eo amin’ny ara-dalà na (« retour à l’ordre constitutionnel ») dia nihemotra 40 taona ny firenena malagasy eo amin’ny lafiny maro izay tanisain’ireto ODD ho tratrarina ireto.
Efa tamin'ny taona 2014 no novolavolaina ireto ODD ireto. Raha 17 ny tanjona, 169 kosa ny tarigetra ary 300 ny mari-pahafantarana vinavinaina ho jerena, hanatontosana ireo tanjona ireo. Tsy nasian-dresaka mihitsy ireo teto Madagasikara fa variana mividy olona ny mpitondra hanamafisany ny fahefany efa miompampana. Io ambony io izao dia asana minisitra avu ao amin'ny firenena Bénin, mitovy grady amin'Ingahy Rivo Rakotovao izay toa mibaikobaiko fotsiny ihany. Indrindra ao amin'ny antoko Hvm izay izy ihany ny Filoha. Be Filoha (sy "filous") eto Madagasikara an... Amin'Ingahy Amoussouga Gero dia mifototra amina lamina telo mazava ireo ODD ireo. 1. Mijanona ao ihany ny OMD ary hamafisina; 2. Hisy ny tanjona hafa hamisongadinana ny firenena; 3. Hipoitra ny fanamby vaovao. Rehefa ny tompnandraikitra no tena mandray andraikitra dia mandroso ho azy ny firenena iray, Tompoko
Tsy fantatra marina rahoviana izy ireo no hatomboka ary aiza ny hoenti-manana amin’izany? Fa ny azo antoka aloha dia tsy misy izany Hery Rajaonarimampianina filoha izany intsony amin’ny taona 2030 izany. Eny, na dia misy aza ny fahagagana sampona ka ho lany indray izy amin’ny taona 2018. Io aza mety tsy ho tratrany raha mitohy ny tsy fahaizany mitantana sy ny fanaovany tsinontsinona ny vahoaka malagasy iray manontolo ka ny tanindrazan’izy ireo indray no hamidy tsotra izao amina vahiny…
Vakio tsara ireo tanjona 17 nadikako amin’ny teny malagasy ery ambony ery. Dia jereo ny manodidina anao. Mbola tena lavitry ny afo ny kitay ô ? Delestazy lava-reny (fangaha moa tsy hoe afaka telo na enim-bolana aorian'ny handraisana ny fahefana indray?); fandrobana mitam-piadiana tsy misy farany na amin’ny atoandro be nanahary aza; fidangan’ny vidin’ireo zavatra ilaina andavanandro (ireo atao hoe PPN na "Produits de première nécessité" toa vary, sira, siramamy, menaka, labozia...); fanaparam-pahefana manginy fotsiny, sns. Tsy mbola amin’ity taona 2015 ity mihitsy, eny na amin’ny taona 2016 vao hatomboka ny fanatontosana ireo ODD ireo raha ny eto Madagasikara. Mpampiesona izay sahy milaza izany. Zavatra hafa ny mahamaika ireto mpitondra efa halam-bahoaka tanteraka ireto. Ary resaka hampiesona indray no ho re rehefa avy any ry zalahy… Ka ODD ve ? Odoy e !
Aza mamaky ireo ny teny vazaha akory fa banjino tsara ireo sora-bola amina ariary. Tena revin-gadra tokoa ny an'ity fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina ity. Ary izao manaraka izao ny hita ao anatin'io PND io: L’estimation du coût du PND consiste à évaluer le montant total de financement nécessaire afin d’atteindre les objectifs de croissance à moyen et à court termes fixés par le Plan: 5,0% en 2015, 7,0% en 2016, 9,0% en 2017, 10,4% en 2018 et 10,5% en 2019. L’approche consiste à évaluer les besoins sans contrainte de disponibilité de fonds. Les montants issus des estimations indiquent les besoins globaux pour financer les croissances fixées dans le plan ("top down macro costing").
Ataoko fa tsy mila adikako fa dia manao ny vahoaka malagasy sy ny mpamatsy vola ho vendrena sy kentrona tokoa. Dia ry zalahy indray no gaga satria mbola tsy azo ilay vola be nandrandraina herintaona mahery aty aoriana. Ka hiampy zato andro firy indray izany, Andriamatoa Praiminisitra Jean Ravelonarivo ô!?
Ka raha iverenenana kely ireo ODD miisa 17 ireo dia tranga roa ny hiseho.
"Roman" araky ny fiteny frantsay io PND novolavolain'ingahy Hery Vaovao sy ny ekipany. Amin'izay tsy mba misy dikan-teny malagasy akory. Asa iza marina no tian-dry zareo "handroso"?... Tsy ny vahoaka malagasy mihitsy aloha e!
Voalohany: tsy maintsy hamorona praograman’asa vaovao mikasika ny fampandrosoana indray ity fitondrana ity, izay hifandray amin’ireo ODD ireo. Ilay PND teo izany dia ho lasa tantara tsara lahatra fotsiny satria niainga avy amin’ireo OMD tsy tontosa. Mazava fa ho peta-toko indray izany praograma "vaovao" izany ary mbola ho ela vao hanome vola ry Fmi sy ny tariny. Amin'ny volana marsa 2016 no re farany.
Faharoa, dia mahavariana satria ny tena olana eto Madagasikara eto anie dia ity fitondrana tsy manara-dalà na ity mihitsy e! Kanefa, eo amin’ireo ODD, dia laharana faha-16 ny mikasika io fanitsakitsahana lalampanorenenana sy lalà na io! Eo izany isika vahoaka malagasy no ho raisina satria tsy laharam-pahamehana izany fanarahan-dalà na izany fa dia ho vokisany HIMO sy fanomezana samihafa (vola sy sakafo) izay tsy haharitra na oviana na oviana. Laharana faha-1 mantsy ny fanafoanana ny fahantrana. Fa tsy ho foana mihitsy izany raha toa ka tondro no omena ny olona fa tsy fintana. Dia hangataka eny ihany isika izany. Manomboka amin’ny mpitondra anefa io toe-tsaina mangataka io. 1.000 ariary, ohatra, no hampindramin’ny mpamatsy vola ? Zary raha ariary no tonga any amin’ny vahoaka. Nefa anie trosa mira famerenem-bola miampy zanany e!
"Hitako tamin'ny télé ianao r'ingahy minisitra nanao sonia fifaranarahana mitentina lavitrisa maromaro tamin'ny Fmi. Afaka mampindrana ahy arivo ariary ve ianao?". Raha vitan'ny fiomehezana fotsiny mantsy ny fiainana
Ka lasa nankaiza ary ilay vola nindramina? Jereo fotsiny ry zalahy e! Lasa be atoka sy be takolaka ary ny tranony sy ny fiarany tsy ho takatrao mpamaky io na afaka 15 taona aza. Ssss. Aoka izay fa sao marary an-doha eto isika.
Hoy io vazaha ambony io, raha miresaka ny fisintahin’ny fanjakana amina orinasa iray, na ny hanomezany azy ana orinasa vahiny hitantana azy (na « privatisation » io na « concession » io): « Ny paik’ady mahazatra rehefa omena ny sehatry ny tsy miankina ny orinasa iray dia ny fametrahana tontolon’asa tsy mandeha amin’izay laoniny eo amin’ny lafiny ara-sosialy sy ny fitadiavana ny fomba rehetra tsy iodinany ara-dalà na. Rehefa mipetraka ireo dia miandry ny atezeran’ny olona sisa, ka handeha ho azy ny fanomezana ny fitantà nana ho ana orinasa tsy miankina ».
Jereo amin’izay ny nanjo ny ADEMA sy ny seranam-piaramanidina ao Ivato sy any Nosy Be; diniho ny mikasika ny Symbion Power. Ny fehiny? Isika vahoaka mihitsy ny tsy nampafahantarana ny tena fifanarahana satria tsy mahari-pery sy tia tena ary toa vola. Isika vahoaka mbola velona amin’izao ihany no manozona ny taranan-tsika. Tsy hanasoa anao velively akory ny antony hitantanany mandritra ny 20, 30 taona, fa ny hahazo tombontsoa tsy hita velively. Ka rahoviana ihany Ra-Malagasy vao ho tonga saina e?
Â
Ny vahaolana? Tsy misy raha mbola tsy tonga saina ny tsirairay fa ny volan-tsika no mamelona ireo ratsy fanahy ireo; raha tsy tonga saina isika fa ireo no mpanompon-tsika fa tsy ianao indray no miankohoka eo aminy izay mpandalo fotsiny ihany. Ary tsy hisy mihitsy ny vahaolana raha mbola misy ireo mihevitra fa ho eo mandrakizay satria vahoaka noana ny mifanatrika aminy, ka mora rebirebena amina vola kely izay azy ihany anefa.
Farany: tsy misy olona nozonina akory eto amban’ny lanitra fa be ny manozo-tena satria tia kely sy tia tena. Koa rehefa handao ity tany fandalovana ity dia mbola loza noho izao ny ho lovain’ny taranaky ny Malagasy. Tsy ho azy intsony ilay hoe Tanindrazana. Diniho tsara izany rehetra izany dieny izao satria tsy maintsy ho faty ny zanakolombelona amin’ny andro sy ora tsy ampoizina.
Jeannot Ramambazafy – 27 Septambra 2015