]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Hery Rajaonarimampianina. Filoha kitoatoa tokoa

Hery Rajaonarimampianina. Filoha kitoatoa tokoa

Nariany any anaty zaoridira ny Sata Repoblikana fa tiany haverina eto Madagasikara ny fitondrana tamin'ny Tany Gasy (taloha'ny niverenan'ny Fahaleovantena)

Efa nilaza aho tao aminy radio Antsiva (ETO) fa aza ampiasaina intsony ny voambolana « Fanjakana » satria ao anatin’io teny io misy ny Mpanjaka, misy ny fanjanahana ary misy ny fanjakazakana.


Inona tokoa ? Rehefa mijery, mihaino ary mamaky ireto fanambaran’ilay filoha feno 57 taona manaraka ireto ianareo, dia hatsapa fa tsy repoblika intsony no misy eto Madagasikara fa lasa niverina tamin’ny Tany Gasy ka tsy ampiarina intsony ilay Lalampanorenena repoblikana izay teo amboniny anefa io filoha io no nanao fianianana eo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy fa hajainy sy ho tandremany toa ny anakandriamaso. Fa filoha inona re ity ry zalahy a ! Tena filoha kitoatoa tokoa. Io ambony io ny video, porofo tsy azo ivalozana ho an’ny fitsaran’ny Tantara.


«Nametraka fanontaniana ianao teo momba ny fifandraisako amin’ny «AssemblĂ©e nationale». Izaho moa dia efa niresaka tamin’ireo foana hatramin’izay an, fa misy ilay «mĂ©morandum de stabilité». «MĂ©morandum de stabilité», amin’ny ankapobeny, heu, no ilazana azy. Io moa izany dia iantsoko ny maro an’isa ao anatin’ny, heu, AssemblĂ©e nationale, mba ivondrona manodidina ny praograma izay natolotro. Hoy aho hoe: ny Filohampirenena anie no nanao fanamby tamin’ny vahoaka e! Ny Filohampirenena anie no nametraka ny praogramany amin’ny alalĂ n’ny «Politique gĂ©nĂ©rale de l’Etat»; amin’ny alalĂ n’ny «Programme national de dĂ©veloppement» notsinjaraina amin’ny alalĂ n’ny PMO izany.


«Ka io, izay efa nolanian’ny governamenta, efa nolanian’ny «AssemblĂ©e nationale», io no ivondronan-tsika hampandroso ny firenena. Iza ianareo no vonona manodidina izany. Dia nisy ny nolazaiko hoe 90. Misy nanao tamiko hoe: avohay ny taratasy. Teo anoloan’izay tonga tao amin’ny biraoko dia navoakako ny taratasy. Fa hoy aho mantsy an’ilay niresaka tamiko, nisy maromaro; fa maninona ianareo no mitaky taratasy foana. Be dia be anie izay olona nanao sonia izay, nefa rehefa avy tsy nanĂ ja ny soniany. Fa hoy aho hoe: ny tena zava-dehibe dia ny olona resy lahatra ao amin’ny fony sy ao amin’ny sainy fa tombontsoam-pirenena no jerena ka miroso mifanohana amin’ny alalĂ n’izany maro an’isa izany.


Rehefa niresaka tamina «dĂ©putĂ©s» samihafa moa aho dia hoy aho mantsy azy hoe: eto amintsika anie no mifanaraka ny Malagasy fa tsy any e. Dia ranom-bolamena fotsiny alaina dia atao ao anatin’ny rano iny an, dia iny no iaraha-misotra ary mifanaraka isika. Angaha misy zavatra soratĂ na izany. Nefa dia matotra ny fiaraha-monina. Vonoina ny omba an, dia atsatsika ny hena aminy an, dia iny no ifanarahana. Misy aza didiany mihitsy ny tenany dia misotro amin’iny, izay ny fanarahana. Mihoatra noho ny sonia! Izany rehefa resy lahatra ny olona, mihoatra ny sonia. Fa ny sonia (Ttf: ireo hoe miisa 90) tena misy./.»

Izao no tian'ny Mpanjaka Mampiesona I ataon'ny solombavambahoaka "maro an'isa". Tsy mila sonia tokoa aloha e

Koa inona tokoa moa izany fa tsy firenena no entiny fa fanjakana kely, ka izy ny Mpanjaka ary amin’ny alalĂ n’ny hoe fati-drĂ  no hitondrany izany fanjakana kely izany. Tsy arahina intsony ny Lalampanorenana izay mamaritra no toeran’ny tsirairay ao anatin’ny fiaraha-monina fa dia io. Ny loza dia ny HCC tarihin’ingahikely Jean Eric Rakotoarisoa mihitsy no nanome alalĂ na satria izy ny namoaka didy fa tsy maintsy misy ny « pacte de responsabilité » izay ivelan’io Lalampanorenena io.


Fa dia vahoaka dondrona sy kentrona daholo no misy hatreto. Matoa izy sahy manaotao foana toa io satria manaiky daholo. Ianao mimenomenona any anaty « couloir », fa mifitsaka rehefa mifanatrika aminy anie no mandoa ny karamany e! Tsy milaza aho hoe aza hajaina izy fa izy no tsy mahay manaja-tena velively.

Jean-Eric Rakotoarisoa, Filohan'ny HCC sy Panja Ramanoelina, Filohan'ny Oniversite Antananarivo. Ity faharoa ity moa nanao "fati-drĂ " fony Marc Ravalomanana Filoham-pirenena, nahazoan'ity farany ny tany etsy Andohatapenaka, amin'ny anaran'ny orinasa Tiko

Ka tsotra: avelao izy eo hatramin’ny taona 2013. Any indray manarina fa ny taranakareo aloha dia voa mainka hahantra mihoatra ianareo noana lava amin’izao fotoana izao. Tsy mandatsa aho fa izany no hitranga satria raha ny ara-dalàna voasoritra ao anatin’ny Lalampanorenena no hantenaina dia e e e! Ao Ramose kely Jean Eric Rakotoarisoa hanolana azy tsy afahan’iza n’iza hihetsika satria izy no lalàna eto Madagasikara. Ny mainty ho lasa fotsy ary hivadika manga tanteraka (manga Hvm io an). Mitomania ry Tanindrazako fa mbola mafy kokoa no hanjo anao satria tsy ho Malagasy intsony.

Jeannot Ramambazafy – 7 Novambra 2015

Mis Ă  jour ( Mardi, 10 Novembre 2015 20:12 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...