]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Roland Ratsiraka: Hery «tonta» sy «kandida tonga tampoka» no naha minisitra azy !

Roland Ratsiraka: Hery «tonta» sy «kandida tonga tampoka» no naha minisitra azy !

Ny lasa tokoa tsy fanadino ary samy ho tsarain’ny Tantara tokoa ny tsirairay, na dia mora manadino aza ny zanak'olombelona. Herintaona lasa izay, ny 18 Oktobra 2013 no marimarina kokoa, dia nisy fandaharana « L’invité du Zoma » manokana, tao amin’ny Tv Plus Madagascar. Nahavariana tokoa ny fanambaran’ny kandida Roland Ratsiraka (jereo sy henoy io vidéo ambony io).


« Betsaka ny zavatra mety ho lazainao, Monsieur Hery vaovao, fa aminà ianao tsy Hery vaovao mihitsy fa somary tonta an ! Satria maninona ? Raha jerenao ny délestage rehetra manerana an’i Madagasikara, ianao no tomponandraikitra voalohany. Ary Andriamatoa Filohan’ny Tetezamita dia mampalahelo satria -eo koa moa ilay tsy manana traikefa loatra- ilay kandida tonga tampoka.


Ny délestage tsy afaka miteny ianao hoe tsy tomponandraikitra; tomponandraikitra direct ianao; ny tsy fahazoan’ny mpiasam-panjakana -indrindra indrindra ny mampianatra- ny karamany amin’ny ora tokony hatongavany, ianao ihany. Ny tsy fahazoan’ny ankizy [bourses] -ankizy anie ataonareo ohatry ny ondry! Alefa any Chine any dia tonga any dia lasa manao zavatra hafa satria tsy tonga ny vola-. Aza alefa ny ankizy, Tompokô, rehefa tsy misy ny vola. Aleho mazava. Izaho, tamin’izaho Ben’ny Tanàna, Monsieur Rajaonarimampianina, Hery tonta, aza fady, nandefa mpiasa tany ivelany aho, bourses communales (…).


(…) Ianareo maka andraikitra, tsy tohizanareo ilay andraikitra raisinareo fa ataotao fahatany, ary ho tsarain’ny tantara ianao. Tsy ary nikitika volam-panjakana ? Misy dossier, Monsieur Hery ao amiko ao. Avoakako sa tsy avoakako ? ».

Tsy nisy n’inona n’inona navoaka moa teo satria tsy fotoanany tamin’io fa fampielezan-kevitra fotsiny ihany aloha…

Dia io i Roland Ratsiraka (misy X) miara-maka sary amin'i Hery Tonta, nanandratra azy ho minisitry ny Asa vaventy, sao mamoaka dossier eo...

18 Avril 2014. Voatendry ho minisitry ny Asa vaventy i Roland Ratsiraka izay nanao azy hoe Hery tonta sy nanendrikendrika azy, ary nilaza ihany koa kandida tonga tampoka io Hery tonta io. Tahotra ilay dossier mety hivoaka ve ? Ka rehefa ho avy ny fanovàna ny governemanta dia ahoana ny mikasika an’i Roland Ratsiraka ? Tazomina sao manao ampamoaka ? Ary aza adino fa niaro ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, i Roland Iarovana Ratsiraka.


Volana Oktobra 2014 isika izao. Ny délestage dia mafotaka manerana an’i Madagasikara. Nefa efa nampanantena ingahy Hery tonta fa rehefa lasa Filohan’ny repoblika izy dia tsy hisy intsony ao anatina 6 volana ho an’Antananarivo, ary 3 volana ho an’ny faritra rehetra. Mikasika ireo mpampianatra FRAM moa dia fanta-tsika ny olana sedrain’izy ireo amin’izao fotoana izao. Natao daholo ny fampanantenana azo atao nefa ny vola sy ny fampiarana ny tetik’asa dia mbola anatin’ny kibon’ny omby.

Ity fifidianana nanaraka ny ara-dalàna no nodikaina natao tsinontsinona (ETO). Ny iray lasa filoha lefitra (tsy nisy mpifandrina) -nefa tokony mpanohitra natioraly- ary ny iray lasa Filoha feno, lany tamina isa 100%. Izany ve dia no demokrasian'i Rajaonarimampianina ?

Ny mahavariana dia ireo rehetra nanompa azy -toan-dry Me Hanitra Razafimanantsoa, ohatra, izay lasa filoha lefitry ny Antenimierampirenena, satria nodikain'ny fitondrana Rajaonarimampianina ny Lalampanorenana- dia tsara toerana daholo ao anatin’ity fitondrana tarihiny ity. Ho kendan’ny politikan’ny vola sy chantage ihany ingahy Hery tonta atsy ho atsy ka tsy hahavita ny mandat-ny tokoa satria ny aminy dia be laotra ireo « namany » no ho lasa fahavalony…


Ary amin’izao valo volana aty aorian’ny naha filoham-pirenena an’i Hery tonta (asa koa na tontabe na tontakely...) izao dia mitombona ny filazan’i Roland Ratsiraka, herintaona lasa izay fa: « Ianareo maka andraikitra, tsy tohizanareo ilay andraikitra raisinareo fa ataotao fahatany, ary ho tsarain’ny tantara ianao ». Sa mbola ho avy indray fa ny mpanao gazety no mandainga, sns ? Dia gadrao indray ary, fa ny marina marina foana ary tokana.

Jeannot Ramambazafy – 15 Septambra 2014

Mis à jour ( Lundi, 15 Septembre 2014 15:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...