KabarinâAndriamatoa Praiminisitra RAVELONARIVO Jean
FANDAHARANASA HO FANATANTERAHANA
NY POLITIKA ANKAPOBENâNY FANJAKANA
Tsimbazaza : 11 febroary 2015
TENY FAMPIDIRANA
Andriamatoa Filoha,
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao aminâny Birao maharitra,
Ramatoa sy Andriamatoa isany Solombavambahoaka,
Araka ny voalazanâny andininy faha-99 ao aminâny LalĂ m-panorenana dia raisiko ho voninahitra aminâny maha-Praiminisitra Lehibenâny Governemanta ahy, ny manolotra anareo ato aminâny Antenimieram-pirenena ny fandaharanâasako ho fanatanterahana ny Politika ankapobenâny Fanjakana, araka ny nofaritanâny Filohanâny Repoblika.
Miainga avy aminâny fampiasana ny Drafitra nasionalinâny fampandrosoana-Plan National de DĂ©veloppement (PND), ny Politika ankapobenâny fanjakana, izay fanamby goavana, dia mikendry indrindra hamaly ny hetahetam-bahoaka tsy ankanavaka.
Maro sy ara-drariny ireo hetaheta ireo ary mendrika hasiana fijerena manokana. Mba hanamora izany dia havondrontsika ho lohahevitra 08 izy ireo.
1. Ny Fanamafisana orina ny Fanjakana tan-dalĂ na sy ny Fitondrana tsara tantana;
2. Ny fanomezana aina vao indray ny toekarena ho aminâny fampandrosoana maharitra ahazoanâny rehetra tombontsoa ;
3. Ny fampandrosoana ara-tsosialy ;
4. Ny fanamafisana ny fandriampahalemana ;
5. Ny Politikanâny Tontolo iainana ho aminâny fampandrosoana maharitra ;
6. Diplomasia andrinâny fampandrosoana ;
7. Ny Fanapariaham-pahefana tena izy sy mirindra ;
8. Ny Fampihavanam-pirenena
1-FANAMAFISANA ORINA NY FANJAKANA TAN-DALĂNA
SY NY FITONDRANA TSARA TANTANA
Ny fahaizana mitantana ny raharaham-panjakana dia miteraka fampandrosoana maharitra izay miantoka ny fahaiza-mitantana ireo loharanon-karena eo aminâny lafiny toekarena, ny maha-olona, ny kolontsaina ary ny lafiny voajanahary.
Izany no mahatonga ny Governemanta tarihiko hampiroborobo sy hanamafy ny kolontsainâny mangarahara sy ny kolontsainâny Fahombiazana ary ny tamberinâandraikitra sosialy.
a- Fitondrana tsara tantana
Ny Fitondrana tsara tantana no hahafahantsika manamafy ny fahefanâny Fanjakana sy manome aina vao indray ireo Andrim-panjakana aminâny alalanâny fanamafisana sy fanapariahana ny fitsipi-pitondran-tena ary ny fampiharana ny tamberinâandraikitra eo aminâny fiaraha-monina.
Ny fitondrana tsara tantana no fanalahadinâny fahombiazana aminâny politika fampandrosoana rehetra ary miteraka ny fitokisanâny olom-pirenena sy ireo mpampiasa vola teratany na vahiny ary ireo mpiara-miombonantoka amintsika ara-teknika sy ara-bola -Partenaires Techniques et Financiers (PTF).
Araka izany, ny Governemanta tarihiko dia hiezaka :
- hanatsara ny faharetanâny fikirakirana antontan-taratasy, hanamora ny fepetra arahina ary hiantoka ny fanaparitahana izany;
- hampiasa ny « Gestion PrĂ©visionnelle des Effectifs, des Emplois et des CompĂ©tences » (GPEEC) mba hitantanana aminâny fomba mahomby ny mpiasam-panjakana ;
- hanamafy ny mangaraharaha eo aminâny fitantanana ny fananan-tany ;
- hifehy ireo fandaniam-bolam-panjakana;
- hanavao ny fitantanan-draharaha momba ny hetra sy ny fadin-tseranana ary ny fitantanana ny Raharaham-panjakana aminâny ankapobeny.
Hotontosaina aminâity taona 2015 ity ireo fifidianana tsy mbola vita (kĂŽminaly, eny anivonâny faritra, Loholona). Hapetraka koa ireo Andrim-panjakana voalazanâny LalĂ m-panorenana tsy mbola tafajoro toy ny Fitsarana Avo ho anâ ny Tomponâandraiki-panjakana (Haute Cour de Justice), ny Filan-kevitra amboninâny Fiarovam-pirenena sy ny Filan-kevitra ambony momba ny Fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalĂ na âHaut Conseil pour la DĂ©fense de la DĂ©mocratie et de lâEtat de Droitâ (HCDDE).
Ny firenentsika dia nanao sonia fifanarahana iraisam-pirenena maro hiantohana ny fanajana sy fampanajana ny zonâolombelona. Hankatoavina ireo rijantenin-dalĂ na sy lalĂ na mifanaraka aminâizany.
Ny governemanta dia hanao ny fandrindrana ireo fanapahan-kevitra raisina anivonâireo rafitra tsy miankina aminâny fanjakana, hanavao ny lalĂ na momba ny « cybercriminalité » ary koa ny lalĂ na mifehy ny serasera; ireo rehetra ireo dia ao anatinâny fitsinjovana sy ny fanajana ny fahafahana maneho hevitra.
b- Fanjakana tan-dalĂ na
Tsy hisy dikany ny ezaka ataontsika hanatsarana ny fitantanana raha tsy mbola mahazo ny fitokisanâny olom-pirenena ny fitsarana.
Aminâny maha Lehibenâny governemanta ahy, hotohanako ireo ezaky ny Filohanâny Repoblika izay miantoka ny fahaleovantenanâny fitsarana, indrindra aminâny fanomanana atrikasa fanentanana momba io fahaleovantenanâny fitsarana io. Eo koa ny tsy maintsy hitondrana ireo Mpitsara nanao zavatra tsy mety eo anatrehananâny « Conseil de Discipline » ao aminâny Filankevitra amboninâny Mpitsara.
Ankoatrâizay, dia hisy ny fanarenana sy fampitomboana ny fotodrafitrasa, koa tribonaly vaovao miisa efatra no hosokafana : any FĂ©nĂ©rive-Est, Vangaindrano, VohĂ©mar ary Antananarivo-Atsimondrano.
Anisanâny laharam-pahamehanâny governemanta koa ny fanatanterahana ireo fenitra iraisam-pirenena aminâny fijerena ny zo maha-olona any anivonâny fonja sy ny fanomanana ny fiverenanâireo voafonja eo anivonâny fiaraha-monina indray, ny fanarenana ary fanabeazana ireo ankizy tsy ampy taona voafonja.
d- Ady aminâny kolikoly
Hohamafisina ny ady aminâny kolikoly ary ireto ny lahasa hatao :
- fanovana ny rafitry ny fomba fanaovana fisafoana sy fanamafisana ny fanaraha-maso ireo sampan-draharaha ;
- fanatanterahana ny sazy avoaka ;
- fivoizana ny fahamendrehanâny mpiasa-panjakana ;
- fanamafisana ny mangarahara eo aminâny fanadinam-panjakana ;
- fanitarana ny fiaraha-miasa aminâny Birao Mahaleo tena Iadiana aminâny Kolikoky (BIANCO) sy ny Sampan-draharaha Malagasy Iadiana amin'ny Famotsiam-bola (SAMIFIN) ao anatinâny ady atao aminâny kolikoly sy famotsiam-bola, ary fitandroana ny fahaleovantenanâizy ireo ;
- famoronana ekipa mpanao fanadihadiana lalina hiadiana aminâny kolikoly (eo aminâny sehatry ny Fitsarana, Famorian-ketra sy Haban-tseranana).
2- NY FANOMEZANA AINA VAO INDRAY NY TOEKARENA HO AMINâNY FAMPANDROSOANA MAHARITRA SY AHAZOANâNY REHETRA TOMBONTSOA
Tokony hitombo mihoatra ny fitomboanâny mponina ny toekarentsika. Izany no ikatsahana Fitomboana haingana sy maharitra.
Izay no mahatonga ny Governemantako :
- hanavao ny rafitra fitantanam-bola sy hanamora ny fahafahana mahazo mindram-bola ka hahazoanâny isan-tokantrano sy ny orinasa madinika sy salantsalany tombony.
- hametraka politikanâny hetra misarika ny mpandraharaha
- hanamafy ny fiaraha-midinika eo aminâny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina, ka hetsehina ilay volavolan-dalĂ na momba ny âPartenariat Public PrivĂ©â (PPP).
- handinika ny fomba mety hananganana banky ho aminâny fampiasam-bola, ny Fonds de garantie ary ny fametrahana lalĂ na vaovao hifehy ny fampiasam-bola.
Koa satria ny 85%nâny Malagasy dia mivelona aminâny fambolena, fiompiana, ary jono, aminâity taona ity dia zezika milanja 7500 tonnes no homena ny tantsaha, masomboly 500 tonnes no hozaraina ary hohamafisina ny ady atao aminâny valala.
Ankoatrâizay, efa eo an-dĂ lam-pametrahana ny paikady hahafahana :
- mampitombo aminâny fomba maharitra ny vokatra sy mampiroborobo ireo fomba famokarana mahomby ;
- mandray anjara aminâny fiahiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo ;
- manofana tanora ho tonga mpamboly matihanina.
Eo aminâny sehatry ny Fiompiana, toy izao ny vina arosonay :
- fampitomboana ireo foibe mpamokatra masomboly nohatsaraina sy ny fitaovana fampitomboan- taranaka (matériel génétique);
- fanofanana ireo mpiompy ary fanamorĂ na ny fahafahanâizy ireo mindram-bola;
- fametrahana ireo mpiasa manentana eny ambanivohitra ;
- fanamafisana ireo fepetra fanaraha-maso ara-pahasalamana.
b. Eo aminâny sehatry ny Jono kosa dia ho tanterahanay ny :
- fanatsarĂ na ny fandraisanâanjaranâny sehatry ny jono aminâny fampidirana vola ao aminâny kitapom-bolam-panjakana; aminâizao fotoana izao dia mahatratra 3,8 tapitrisa dĂŽlara ny haba niditra ;
- fanohanana ny fizarana ara-drariny ireo tombontsoa azo avy aminâny fitrandrahana ireo harena anaty rano, aminâny fanomezana taratasy fanamarinana sy mari-pamantarana ho anâny vokatra (Ă©co certifications et labellisation) ;
- fanohanana ny Foibe mpanara-maso ny jono na Centre de Surveillance de la PĂȘche (CSP) ;
- fanatsarĂ na ny fomba fahazoana mitrandraka ny jono indostrialy sy ny fiompiana makamba ;
- ady aminâny fahantrana aminâny alalanâny fanatsarĂ na ny vokatra sy fanohanana ny fiahiana ara-tsakafo sy fanjarian-tsakafo.
Hisy ny fepetra horaisina hanomezana lanja ny tsenanâny Africa Growth Opportunuty Act (AGOA) sy ny fampiroboroboana ny orinasa afa-kaba lamba , aminâny alalanâny fandrafetana paikady momba ny fambolena hasy.
Ankoatrâizay dia :
- hotohanana ny fanamafisana ny fifaninanana anatiny sy ivelany ;
- hiantohana ny fiarovana ny mpanjifa sy ny fampandehanana tsara ny tsena.
Anisanâny manana toerana stratejika eo aminâny toekarena ny Fizahantany. Tanjona napetraka, ny hahatongavanâny mpizahantany miisa 300.000 aminâity taona ity. Ny governemanta dia hiezaka hametraka tontolo mampiroborobo ny fizahantany maharitra. Koa ilaina ny :
- fampivelarana ny vina â Madagasikara raitraâ ary anapariahana ny âkolontsaina mandray mpizahantanyâ eo anivonâny Malagasy mba ho lasa ambasadaoronâny firenentsika ny olom-pirenena tsirairay ;
- fampiroboroboana ny mpiandraikitra ny fizahantany aminâio sehatra io ;
- fanohanana ny fampandrosoana ny sehatry ny fizahantany any aminâny faritra manodidina antsika sy eto an-toerana ;
- fanavaozana ny lalĂ na mifehy ny fizahantany sy fanaraha-maso ireo toerana fandraisana mpizahantany ;
- fametrahana « Compte Satellite du Tourisme » (CST) ;
- fanaovana fanadihadiana ny hanomezana ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina 44 anâny ADEMA, ary fanitarana sy fanavaozana ny seranam-piaramanidina eny Ivato, Nosy Be, Antsiranana, Fort-Dauphin ary Toliary ;
- fanohanana ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar.
d. Hojerena akaiky manokana koa ny sehatry ny Harena an-kibonâny tany sy ny Harena stratejika satria anisanâireo mora andairanâireo fanondranana sy asa fitrandrahana tsy manara-dalĂ na.
Ny Governemanta dia hanohy ny :
- fanatsarĂ na ny lalĂ na mifehy izany sy ny fifehezana ireo mpisehatra eo aminâny harena an-kibonâny tany sy ny harena stratejika ;
- fametrahana fomba fiasa vaovao fanangonana hetra sy fitsinjarana ny vola miditra avy aminâny harena an-kibonâny tany ;
- ny fanomezana aina vao ny « Institut de Gemmologie de Madagascar (IGM) », ny famaritana indray ny andraikitry ny âBureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM)â ary ny fanovana ny rafitry ny âLaboratoire National des Minesâ.
Ho fanohanana ireo sehatra stratejika ireo, dia hisy ny fanamboarana sy fanarenana fotodrafitrâasa :
- mba hanamorana ny famoahana ny vary : RN44, RN4, RNT8B, RN5, RNT3B;
- ho fampitomboana ny fahatongavanâny mpizahantany : RN34, RNT8, RNS21, RN7, RN13 ;
- ho fanamorĂ na ny fitaterana ny vokatry ny harena an-kibonâny tany : RN13, RNT33, RN1bis, RNT9 ;
- Hisy ny fanamboarana lĂ lam-be migodĂ na (autoroute) mampitohy anâ Antananarivo renivohitra sy Ivato alohanâny volana novambra 2017;
- fanarenana ny seranan-tsambonâi Manakara sy Toamasina ;
- fanamboarana « espaces de croissance » miisa 03 miaraka aminâny tetikasa âPĂŽle IntegrĂ© de Croissaneâ andiany faharoa (PIC-2) : Diana, Atsimo-Andrefana, Anosy, Toamasina, axe RN7 (Fianarantsoa).
e. Eo aminâny sehatry ny Fitaterana dia tsy maintsy atao ny:
- fanavaozana ny lalĂ na mifehy ny fitaterana an-dranomasina ;
- fametrahana seranan-tsambo mahaleo tena ;
- fampiroboroboana ny fitaterana an-dranomasina sy fanohizana ireo asa fanitarana any aminâny seranan-tsambonâi Toamasina sy Ehoala (Tolagnaro).
f. Fanambinâny Governemanta ny hanome Angovo aminâny vidiny mirary ho fanohanana ny fampitomboana ny harinkarena sy ho fampitomboana ny fahafahana mahazo herinâaratra, na an-tanĂ n-dehibe na eny ambanivohitra.
Koa tsy maintsy :
- havaozina sy hatsaraina ny fomba fitantanana sy fitrandrahana ny JIRAMA;
- amporisihina ny Sehatra tsy miankina aminâny Fanjakanhampiasa vola aminâio sehatry ny angovo io ary hamafisina ny fiaraha-miombonâantoky ny Fanjakana sy ny tsy miankina ;
- ampiroboroboina ny fitrandrahana ireo angovo azo havaozina.
Efa an-dĂ lam-panatanterahana ny fanamboarana foibe mpamokatra herinaratra aminâny alalanâny rano sy ny riandrano ary tsy maintsy ho azo ampiasaina ato anatinâny roa taona: Farahantsana Sahalanona, Anjialava, Ampitabepoaka.
Anisanâireo tetikasa hotanterahina aminâity taona ity ny :
- asa fanitarana ny fanomezan-jiro any ambanivohitra sy manodidina ny renivohitra ;
- fametrahana fitaovana ahazoana herinaratra avy aminâny masoandro, hasolo ireo milina mampiasa gas-oil sy solika mavesatra ;
- fametrahana « parcs éoliens » any avaratry ny Nosy ;
- fankatoavana ny drafitrâasa any aminâny faritra ho fanomezan-jiro ny eny ambanivohitra : any aminâny faritra Atsinanana, Atsimo-Atsinanana, Analanjirofo, Amoron'Imania, Haute Matsiatra, Melaky, Diana, Betsiboka ;
- fametrahana ny angovo azo havaozina any Nosy Be.
Hisy ihany koa ny fananganana foibe mpamokatra herinaratra goavana : Mahavola (300 MW) sy Sahofika (105MW). Eo koa ny fanamboarana foibe mpamokatra herinaratra âcentrale thermiqueâ any Benenitra (90MW) izay heverina ho vita aminâity taona ity.
Eny ambanivohitra kosa dia hisy ny :
- tetikasa JIRO KANTO ( ho anâireo kominina manodidina ny farihinâi Alaotra);
- tetikasa PICO centrale HydroĂ©lectrique ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra (PHEDER) : herinaratra azo avy aminâny rano ho anâi Andina, Kianjandrakefina ary Ambatomanoina ;
- tetikasa mahakasika ny angovo azo avy aminâny masoandro âProjet solaire Best Options for Rural Energy and Access to Light and Electricityâ (BOREALE): ho anâireo renivohitry ny kominina miisa 7 any aminâny faritra Anosy sy Androy; fampidiran-jiro any aminâny renivohitry ny kominina miisa 4 any aminâny faritra Atsimo-Andrefana (St. Augustin, Antanimeva, Manombo Sud, Mahaboboke) ;
- fampidirana jiro ao aminâny tanĂ nanâi Befandefa sy Andavadoaka any Morombe ;
g. Eo aminâny sehatry ny Fifandraisan-davitra sy ny Teknolojia vaovao, ny governemanta dia hiroso aminâny :
- fanatanterahana ny drafitrâasa idirana aminâny âPlan NumĂ©riqueâ ;
- fametrahana foibe VOHIKALA miisa 20 ho fanapariahana ny fampiasana ny teknolojia vaovaonâny fifandraisana âTIC communautairesâ (Ministera, commune, association locale)Â ;
- fandrafetana Fandaharanâasa « Commune NumĂ©rique » ;
- fanavaozana ireo fahazoan-dĂ lana sy fanavaozana ny bokinâandraikitra ho anâireo mpandraharaha ;
- Fanavaozana ny drafi-pirenena momba ny âFrĂ©quencesâ.
3- FAMPANDROSOANA NY LAFINY SOSIALY
Ny fanomezan-danja ny harena maha-olona dia ilaina eo aminâny fampandrosoana. Koa hampiharina ny lalĂ na ahazoanâny mpiasa tombontsoa ary hampiasaina ireo rafitra mpandrindra ny ady atao aminâny fampiasana ankizy.
a. Mahakasika ny Fahasalamana, ny Governemanta tarihiko dia mihevitra ny :
- fanokafana indray ireo Centre de SantĂ© de Base (CSB) nikatona, fanarenana CSB miisa 43, fanomezana mpiasanâny fahasalamana mahay ny asany ho anâny CSB miisa 48 ;
- fanavaozana ireo fitsaboana maika momba ny fiterahana sy fanabeazana aizana eo anivonâny Centre de SantĂ© de Base sy ny « Centre Hospitalier de RĂ©fĂ©rence de Disctrict » CHRD miisa 100 ;
- fanamafisana ny fiarovana ny reny sy ny zaza sy ny ady aminâireo valanâaretina sy aretina miverimberina maharitra ;
- fanamorana ny fahazoanâny rehetra fitsaboana any aminâny tobim-pahasamana tantananâny fanjakana ;
- famonjena ireo iharam-boina noho ny andro ratsy sy vokatry ny loza voajanahary ;
- fanapariahana ny fanaovam-baksiny ;
- ady aminâny VIH/SIDA, Tazo, Tuberculose ;
- fanovana CSB miisa 144 ho lasa « Soin ObstĂ©trical NĂ©onatal dâUrgence de Base » (SONUB) sy « Soins ObstĂ©tricaux et NĂ©onatals dâUrgence Clinique » (SONUC) ;
- fanatanterahana ny rafitra fizarana fanafody ho anâny daholobe â Distributions en Masse des MĂ©dicaments â (DMM) ;
- fampihenana ho 9% hatraminâny 8% ny tahanâny tsy fanjariantsakafo ho anâireo zaza latsaky ny dimy taona.
b. Eo aminâny sehatry ny Fanabeazana, maro ny fandaminana hatao, indrindra ny:
- fanamafisana ny fahaiza-manaonâny mpampianatra,
- fanaovana fanadihadiana mba hampitomboana ny tahanâny fidirana an-tsekoly sy hiadiana aminâireo antony mahatonga ny fihenanâizany taha izany.
Eo aminâny dinganâny âPrĂ©scolaireâ, ny Governemanta tarihiko dia hampitombo ny fahafahana mandray mpianatra, indrindra any aminâny faritra tena sahirana. Efitrano fianarana miisa telo arivo (3 000) no haorina sy hasiana fitaovana, mpampianatra miisa valo arivo (8000) no horaisina. Ary ho fametrahana miandalana ny fampianarana maimaimpoana any aminâny fanabeazana fototra dia hisy mpampianatra tsy miankina miisa 63062 homena fanampiana.
Eo aminâny dinganâny Ambaratonga faharoa, efitrano fianarana vaovao miisa 1500 no hamboarina sy hasiana fitaovana. Mpampianatra vaovao miisa 1300 no horaisina. Ary mba hanalefahana ny fahasahirananâireo ray aman-dreny dia mpianatra miisa 6250 no homena fanampiana. Ary farany, mba hanamafisana ny fiaraha-miasa aminâny sehatra tsy miankina, dia mpampianatra 11413 no hahazo fanampiana.
d.;Ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa dia tsy maintsy manatanteraka ny fidirana any aminâny rafitra LMD ary ny fikarohana/famoronana dia tsy maintsy mandray anjara aminâny fandrisihana ireo âEcoles Doctoralesâ.
Ny fidiranâireo vitsy anâisa aminâny dinganâny fampandrosoana ny lafiny sosialy, sy ny fanatsarana ny fari-piainanâny mponina ho fanatsarana ny fahazoana ireo filĂ na fototra, dia anisanâireo fanamby goavana ho anâny Governemanta. Anisanâireo ny :
- fanamafisana ireo rafitra fampiroboroboana, fisorohana, ny fiarovana ary ny fanovĂ na ara-tsosialinâny mponina ;
- fanamboarana fotodrafitrasa manokana ho anâireo olona sembana ;
- fametrahana tambazotra fiarovana ny zaza, toerana/fianakaviana mpandray ireo zaza (tsy misy mpiahy) sy akany sosialy ho anâny vehivavy ;
- famerenana indray ireo âvillages communautairesâ mba hametrahana ireo olona sahirana (tanananâi Andranofeno) ;
- fanampiana ireo mponina ianjadianâny olana voajanahary sy sosialy ary olana ara-toekarena ;
- fanomezana fotodrafitrasa momba ny fanatanjahantena ho anâireo distrika ;
- fametrahana rafitra mpiandraikitra sy mpanomana ireo tanora tia fanatanjahantena ;
- fanomanana atleta malagasy sangany miisa 300 hiatrika ny Lalaonâny Nosy aty aminâny Ranomasimbe Indianina aminâity taona 2015 ity ;
- fanomanana atleta malagasy sangany miisa 50 hiatrika ny Lalao afrikanina na ny âJeux Africainsâ, hatao aminâity taona ity koa.
e. Eo aminâny lafiny Fiahiana ara-tsosialy sy ny Politikanâny asa, ny Governemanta dia hanatanteraka ny :
- fandrafetana sy fanapariahana ny Politikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy ;
- fananganana toerana fantsakana rano miisa 7210 sy fanarenana fotodrafitrasa miisa 1883 efa maherinâny 10 taona;
- fanomezana toeram-pidiovana ho anâny CSB sy sekoly (3800) ;
- fandrafetana ireo âschĂ©mas directeurs » aminâny tanĂ n-dehibe 8 ;
4- FANAMAFISANA NY FANDRIAMPAHALEMANA
a. Ny fanamafisana ny fahafahanâny sehatry ny fiarovana manatanteraka ny andraikiny no laharam-pahamehana voalohany aminâireo laharam-pahamehana rehetra. Koa hohamafisina ny filaminana na an-tanĂ n-dehibe na eny ambanivohitra, hiadiana aminâny tsy fandriampahalemana aminâny ankapobeny sy aminâny famongorana ny asan-dahalo, ny fakĂ na an-keriny sy ny fitazonana olona tsy ara-dalĂ na.
b. Ny Governemanta tarihiko dia hametraka ireo fomba rehetra ilaina hiarovana ny fari-dranomasina malagasy, hiadiana aminâny fanondranana an-tsokosoko sy ny jono tsy manara-dalĂ na.
Ho fantanterahana izany, ny Fanjakana dia mikendry ny :
- fahazoana trano sy fitaovana aminâny alalanâny âPartenariat-public-privĂ©-populationâ (4P) ary aminâny alalanâny fanohananâireo mpiara-miombonâantoka teknika sy ara-bola ;
- fanamafisana ny fifandraisanâny asa eo aminâny mpisehatra EMMO sy ny Fitsarana, hisorohana ireo heloka sy fanenjehana ny mpanao ratsy ;
- fametrahana ny Dina sy fampahombiazana azy ary fampifanarahana izany aminâny lalĂ na misy ;
- fampihenanâny ny tahanâny heloka an-tanĂ n-dehibe sy fandefasana mpitandro filaminana any aminâny faritra mena ;
- fampitomboana ny asa fanaraha-maso ny âZone Economique Exclusiveâ (ZEE) ;
- fandaminana sy fiarovana ny lĂ la-pihariana omby ;
- fandravana ireo tambazotra mpanao heloka ara-toekarena sy ara-bola ;
- fanavaozana ny sehatry ny fitandroana ny filaminana;
- fametrahana rafitra nasionaly mpanoro lĂ lana aminâny ady atao aminâny asa fampihorohoroana sy ny heloka â Structure Nationale dâOrientation de la Lutte contre le Terrorisme et la criminalitĂ© Transnationale organisĂ©eâ (SNOLT).
5 â POLITIKANâNY TONTOLO IAINANA
HO AMINâNY FAMPANDROSOANA MAHARITRA
Fanamby goavana ny famahana ireo olana mahakasika ny lafiny tontolo iainana.
Ny Governemanta tarihiko dia handray anjara aminâny fanatanterahana ny fandaharanâasanâny Firenena Mikambana momba ny tontolo iainana âProgramme des Nations Unies pour lâEnvironnementâ (PNUE) : âMamboly ho anâny Planeta isika « Plantons pour la PlanĂšte » ary tanjona ny hamboly hazo 14 milliards.
Ny fanomezana lanja ny harena maha-olona dia hatao miaraka aminâny « approche paysage » sy ny fanorenana faritra arovana vaovao.
Mahakasika ny fanekena nataonâi Madagasikara taminâny âCongrĂšs Mondial des Parcs » andiany faha- 6 tany Sydney, ny Governemanta dia hampihatra ny âtolĂ©rance zĂ©ro » aminâireo fanondranana an-tsokosoko ireo harena voajanahary toy ny andramena, ary ny fitondrana ireo faritra arovana araka ny vinanâi Durban âVision Durbanâ.
Ny Governemanta tarihiko dia hanatanteraka ny :
- fanoloana ireo tomponandraikitra tsy an-kanaavaka/rehetra any aminâny faritra isianâny fanondranana andramena an-tsokosoko, fametrahana Fitsarana manokana araka ny didy hitsivolana 2011/001 ;
- fametrahana fomba fanaraha-maso hentitra aminâny fanapahana ireo hazo sarobidy sy ny fitantanana ireo tahiry ;
- famerenana an-tanindrazana ireo andramena nogiazana any ivelanâi Madagasikara, na koa fivarotana izany aminâny fomba manara-dalĂ na;
- fanamafisana ny fisorohana aminâny alalanâny fepetra fanabeazana ;
- fametrahana rafitra fitantanana sy fanodinana ireo fako ;
- fametrahana rafitra mitantana sy mijery manokana ireo fako mivangongo aminâny tanĂ n-dehibe telo eto Madagasikara: Antananarivo sy Antsirabe ary Toamasina;
- fampiroboroboana ireo « Gestion IntĂ©grĂ©e des Ressources en Eau » (GIRE) aminâireo dobon-drano telo : Andapa, Tsiazompaniry, Ambatondrazaka;
- fampitomboana ny velaran-tany hambolena hazo (5000ha) ;
- fanamafisana ny ady atao aminâny doro tanety ;
- Fanomezana vahana ny fampiasana ny « biocarburant », toy ny « ethanolâ sy ny âbiodieselâ.
6- DIPLOMASIA ANDRINâNY FAMPANDROSOANA
Diplomasia politika sy ara-toekarena, diplomasia afaka miaro ireo tombontsoantsika, misarika mpampiasa vola ary mampifandray aminâireo tera-tany Malagasy monina sy miasa any ivelany (diaspora), io no tena diplomasia ho aminâny fampandrosoana.
Ho fanatanerahana izany dia tsy maintsy :
- havaozina ny « carte diplomatique » izany hoe: fijerena ireo firenena any ivelany nametrahantsika sy hametrahantsika Masoivoho. Soloina ireo Ambasadaoronâi Madagasikara any ivelany ;
- apetraka ny fomba hisarihana izao tontolo izao hahafantatra bebe kokoa anâ i Madagasikara ;
- iantohana ny fanomanana ny fihaonana an-tamponâny firenena mampiasa ny teny frantsay, izay hatao eto Antananarivo aminâny volana novambra 2016.
7- FITSINJARAM-PAHEFANA TENA IZY SY MIRINDRA
Hahatongavana aminâizany, dia fepetra roa no tsy azo ihodivirana : fahaiza-manao voafaritra mazava anananâireo manampahefana voafidy, tetibola manokana tsy miankina aminâny fanjakana foibe.
Ny fitsinjaram-pahefana mirindra dia mitaky fandrindrana ara-paritra sy fanajariana ny tany (SchĂ©ma National dâAmĂ©nagement du Territoire, SchĂ©mas RĂ©gionaux dâAmĂ©nagement du Territoire), anomezana vahaolana aminâny alalanâireo tetikasa voafaritrâireo toromarika sy fitantanana ary fampiasana ny tany.
Ny fitsinjaram-pahefana mirindra ihany koa dia mandalo aminâny ady aminâny fananganana trano tsy ara-dalĂ na ary ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe hanadiovana ny tanĂ na.
Harafitra aminâity taona ity ny Fandaharanâasam-pirenena momba ny Fanapariahana sy ny Fitsinjaram-pahefana (PNDD : programme national de dĂ©concentration et de dĂ©centralisation).
8- FAMPIHAVANAM-PIRENENA
Ny tanjona dia ny hahazoana fampandrosoana maharitra, mirindra sy tsy mitanila eo anivonâny firenena isianâny fihavanana ary anjakanâny fiaraha-monina ara-drariny.
Ny Governemanta dia hivoy ny soa toavim-pirenena mba hampiakatra ny hambom-po maha Malagasy. Izay no atao dia ny mba hialana aminâny tsy fahatokisan-tena ankehitriny. Ny fivoizana izany dia tokony hitondra fitoniana ary koa firaisankinam-pirenena.
Madagasikara dia itoeranâny valan-javaboahary tsy manam-paharoa ary koa kolontsaina mampiavaka azy, manana harena tsy hita noanoa ary vahoaka hendry sy mitandro ny fihavanana, miaina eo anivonâny tontolo raitra sy kanto.
Izany no ilazana fa tokony hohaintsika ny mitrandraka izany, hahafahana mivelatra eo anivonâny soa toavinâny Fihavanana.
TENY FAMARANANA
Andriamatoa Filohanâny Antenimieram-pirenena,
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao aminâny Birao maharitra,
Ramatoa sy Andriamatoa isany Solombavambahoaka,
Ity fandaharanâasa izay natolotro anareo androany ity dia fanamby napetraky ny governemanta araka ny lalĂ m-panorenana. Sady taratry ny Plan National de DĂ©veloppement (PND) sy ny Projet dâUrgences PrĂ©sidentiel (PUP) ihany koa. Raisinay am-panetren-tena ny sosonkevitra avy aminareo.
Ireo fihaonana samihafa izay hataonâny governemanta eto anivonâny Antenimieram-pirenena dia inoako fa hahafahantsika manamafy ny fifandraisana eo aminâny Mpanatanteraka sy ny Mpanao lalĂ na ho tombontsoanâny Malagasy tsy an-kanavaka.
Ny finiavana ara-politika no lĂ lana tsy maintsy iaingana sy antoky ny fitomboanâny harinkarena maharitra.
âNy fiarahana no maha lasa lavitraâ araka ny ohabolan-drazantsika manao hoe: âNy mita be tsy laninâny mambaâ , ary â ny akanga maro tsy vakinâamboaâ
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.
www.madagate.com