Eo afovoany: Hery Rakotomanana, efa Filohan'ny CENI talohan'ny CENI-T ary Filohan'ny CENI amin'izao fotoana izao
Groupe des Experts Nationaux (GEN)
Rue Rajakoba Augustin Ankadivato Antananarivo
Fax : 22 663 59
---------
N/Réf. : GEN-493.12.15/MR/rh
CENI: Inona marina no andrasana aminy?
Mba ho rafitra manana fasahina hampanjaka ny fahamarinana eo aminâny tontolonâny fifidianana ary hijoro manoloana ny fandikandalana ataonâireo mpisehatra politika mandray anjara ao anatinâny fifidianana : avo feo raha misy fandikana lalana (ohatra : niseho tany aminâny faritra Anosy).
Manoloana ny fitsangananâny biraonâny CENI vaovao taminâny 02 novembre 2015 lasa teo sy ny fiatrehana ny fifidianana senatorialy aminâny 29 decembre 2015 izao, izay ho tanterahina eny anivonâny kaomina miisa 1695, dia mipetraka ny fanontaniana: Inona marina no andrasana aminâny CENI? Hanatanteraka ny baikonâny fitondrana foibe tahaka ny mahazatra ve sa mba tena hijoro sy hanana ny fahaleovantenany?
Mampanahy mafy ny besinimaro ny aminâny hanatontosana ny fifidianana senatorialy eo anivonâny kaomina fa mety hisy teritery aminâny endriny maro hiatra aminâireo mpifidy lehibe na âgrands Ă©lecteursâ mba ahazoanâny fitondrana foibe ny vatonâizy ireo. Dia toy izany foana ve no atao aminâity firenena malalantsika ity? Tombontsoanâny olon-tokana ve no arahina sa tombontsoa iombonanâny firenena?
Mampametram-panontanina ihany koa ny tsy nahitana taratra ny teti-bola ho anâny CENI tao aminâny « Loi de finance 2016 » izay vao nolanianâny depiote farany teo, nefa voafaritra ao aminâny « Andininy 106, ao aminâny Loi n°2015 LOI n° 2015 â 020 » fa ny « La loi de finances » mamaritra isan-taona ny tetibola fampandehanan-draharaha ny CENI, ankoatrâizany ny tetibola manokana momba ny raharaham-pifidianana. Midika ve izany fa tsy manana vaindohandraharaha ny CENI aminâny taona ho avy, manoloana anâireo tsy fahatomombanana niseho teto aminâny tany sy ny firenena teo aminâny fikarakarana sy ny fitantanana ny fifidiana?
Ny fametrahana ny rafitra mahaleotena misahana ny fifidianana, ao anatinâizao Repoblika faha-4 izao dia midika ny fitsaharanâny CENIT aminâny asany, fa toa misafotofoto ny fomba fitantanana eto aminâny firenena ; zany hoe tokony hirosoana ny famindrampahefana ary ho hita taratra eto aminâny firenena fa ny CENI no rafitra napetraka sy miasa ankehitriny.
Mifangaro ny andraikitra raisinâny ministeranâny atitany sy ny CENI koa tsy fantatry ny olompirenena intsony ny lalĂ na tanterahina.
Vokany:
- Ho voahosihosy ny zonâny mpifidy aminâny fifidianana « senatorialy » izay ho tanterahina afaka andro vitsivitsy;
- Mety hiteraka krizy vaovao eo anivonâireo andrim-panjakana samihafa ny fifidianana izay noteren-ko masaka toy ny voalobo-jaza;
- Miha-marisa hatrany ny andrim-panjakana mpanao lalana vokatry ny safidy tsy araky ny tokony ho izy ka hiteraka fiankinan-doha tanteraka aminâny fanjakana mpanatanteraka izany;
- Hiteraka tsy fahamarinan-toeranâny fitondrana misy ankehitriny na instabilitĂ© politique;
- Mihena ny âcredibilitĂ©â-ny CENI, ary io rafitra io no mibaby ny lalana hapetraky ny governementa izay manelingelina ny fiasanâny rafitra CENI.
- Tsy ahavita ny asany ara-dalana ny CENI raha tokony tsy hitanila aminâiza na iza, tsy hiandany, hangarahara, hahaleotena ary ho tena matianina. Ahiana araka izany ny mety ho fandikana ny « Adininy faha 5 ny « LOI n° 2015 â 020 ».
Eo anatrehanâizany dia takiana ny:
- Fanajana:
* ny LalĂ na
* ny fahaleovantenanâny CENI hampiatra ny fahefana napetraka taminy;
* ny âneutralitĂ© de lâadministrationâ
* ny zonâny mpifidy
- Hanatsaharana tanteraka ireo endrika samihafa faneriterena atao aminâireo mpifidy lehibe na âgrands electeursâ;
- Famoahana faranâizay haingana ny vokatra vonjimaikanâny fifidianana havoakanâny CENI mba hialana aminâny ahihay (Art 121 du Code electoral).
Soso-kevitra:
- Fanamafisana ny communication eo anivonâny ceni ka hifantoka bebe kokoa aminâny fanazavana ny atao hoe fifidianana demokratika sy ny sakana eo hampanantanterahana izany.
- Tokony atomboka dienâizao ny fanatsarahana rehetra aminâny fikarakarana sy ny fitantanana ny fifidiana manaraka toy ny: fanovana ny kara-panondro âelectroniqueâ ho fitaovana tokana ahafahana mifidy, fanavaozana ny lisim-pifidianana, logiciel hikirakirana ny valim-pifidianana,âŠ;
- Entanina ny CENI mba hanana fivelarana sy fisokafana aminâireo olona na vondronâolona manana hevitra ho fanatsarana ny asa izay ataony; soritana manokana ny fahavonona eo aminâny Gen hitondra ny fahaiza manao hanantanterahana ny soatoavina efa novohizina nandritra ny taona maro eo aminâny tontolo ny fifidianana demokratika
- Entanina ny olom-pirenena sy vondronâolona isan-tsokajiny mba hanao « critique constructiveâ ho fanatsarana ny tontolonâny fifidianana;
- Asiana ny tombana sy jeritodika nasionaly ny asa vita ny CENI-T sy CENI aorianâny fifidiana senatora: Senatora, Benâny Tanana, Depiote ary Filoham-pirenena mba ho fanatsarana ny dingana manaraka;izany dia manery antsika handrafitra lalam-pifidianana vaovao,sy ireo lalana rehetra mifandraika aminâizany.
- Asiana ny fifanakalozana traikefa, haizatra ary ny fahaizamanao aminâireo mpisehatra ny fifidianana eto an-toerana sy iraisam-pirenena;
- Hamafisina ny fanabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena mpifidy handray andarikitra aminâny fanaraha-maso mivantana ny safidiny.
Antananarivo, faha-21 desambra 2015
Madeleine Ramaholimihaso
Bruno Rakotoarison
Charles Rakotonirina
Hasina Rakotoson
Cocken Razafiarison
Â