]
Les quotidiens du 02 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Vatomandry. Tena atao fitaovana hampanan-karena mihitsy ve ny Filoha Rajoelina e ?

Vatomandry. Tena atao fitaovana hampanan-karena mihitsy ve ny Filoha Rajoelina e ?

Dia tena mafy mihitsy ve izany te-hanan-karena izany ka na ny fotodrafitr’asan’ny Filoha (« projets prĂ©sidentiels ») avy no ahitan’ny sasany tetika tsy takatry ny saina azoana ny tsena (« marché ») dia avy eo hamadiana ny tena nanao ny asa. Araho ny tantara fa raha ny fehiny aloha dia ny Filoha Andry Rajoelina hatrany no lasa fitaovana hampanan-karena ny sasany amina fomba efa tamin’ny andron’ny Jodasy ao anaty Baiboly


Maro dia maro ireo fotodrafitr’asan’ny Filoha manerana an’ity Madagasikara ity. Nahazo ny anjarany koa ny tananan’i Vatomandry ary « LycĂ©e agricole » ny azy. Isika miteny izao dia vita ary mitsangana soa aman-tsara io foto-drafitr ‘asa io ka ny voalohan’ny volana desambra 2020 no vita ny nandraisana azy (« rĂ©ception »). Manomboka eo izany dia tsy misy nidiran’ny fanjakana intsony fa ny an’ny DGPP (« Direction gĂ©nĂ©rale des projets prĂ©sidentiels ») dia vita ny asa ary voaloha ny vola. Teo kosa anefa no nanomboka ny fahorian’ny orinasa tena nanamboatra azy. Fa inona ity tantara ity ?


Taorian’ny antso asam-panjakana (« Appel d’offres public ») dia ny Entreprise Etanco no nahazo ny tsena na « marché ». Asa orinasa inona loatra ity farany fa dia naka orinasa hafa izy hanatanteraka ny fanamboarana ilay « LycĂ©e agricole ». Entreprise Miary indray io resahana io. Ilay antsoin’ny mahalala hoe « sous-traitant » no nifanarahana. Misy izany aloha ny fifampinamanana sy fifampitokisana matoa raikitra ilay izy. Inona moa izany fifanarahana raikitra izany ? Nilaza ny Entreprise Etanco fa hoe tsy manam-bola (?) ka ny Entreprise Miary no hanaganana ilay « LycĂ©e agricole » ao Vatomandry. Ka rehefa azo ny vola dia haveriny ny lany ary ny tombony kosa dia hifampisasahana.


Araka ny voalaza etsy ambony dia ny alakamisy 3 desambra 2020 no natao ny fandraisana ara-pomba ofisialin’ny asa vita (« rĂ©ception officielle des travaux »). Fa talohan’izay dia nisy tranga iray noheverina fa « nety » kanefa fototry ny tohin’ny tantara. Vao ny tafo fotsiny no tafapetraka (mazava fa vita ny fototra sy ny rindrina) dia nilaza tamin’ny Entreprise Miary ny Entreprise Etanco fa efa azo ny vola ( ?). Ary dia naveriny tokoa ny vola rehetra nampiasana tamin’ny fanangana saingy tsy tadifitra tao ny tombony (« bĂ©nĂ©fices ») hatramin’izao hanoratana izao. Inona moa no niafarany fa dia nifampitory ireo hoe « mpinamana mifampahatoky » ?

Ka na dia tsy misy hidiran’ny DGPP intsony ilay resaka dia mba manaitra ny tompon’andraikitra ao ihany amin’izao zavatra manaraka izao : orinasa milaza fa tsy manam-bola ve dia amin’ny fomba ahoana no nahazoany ny tsena ? Ny asa mbola tsy vita akory dia amin’ny fomba ahoana koa no nafahan’ny banky (satria any no maka vola fa tsy ao amin’ny Prezidansy) namoaka vola be ho an’ny Entreprise Etanco ?


Noho ireo tranga roa tsy mazava ireo (orinasa tsy manam-bola nahazo tsena sy banky namoaka vola nefa tsy vita akory ny asa) dia mitodika ho azy any amin’Andriamatoa Laza Andrianirina, Tale jeneralin’ny Bianco, izay avy nanatrika vaotsy ela atrik’asa mikasika ny ady amin’ny kolikoly tao amin’ny Firenena Mikambana ao New York : fotodrafitr’asan’ny Filoham-pirenena no voaresaka eto. Na tiana na tsy tiana mamofom-pofona kolikoly io nanamboarana ny « LycĂ©e agricole » ao Vatomandry io. Ary mino izahay fa tsy io ihany fa tena atao fitaovana hampanan-karena tmpoka mihitsy ny Filoha Rajoelina, araka ny lohateninay.

Aza miandry tranga hafa tsy voafehy intsony ka hanomezana tsiny ny hafa lava izao fa jereo akaiky io resaka « LycĂ©e agricole » ao Vatomandry io ary indrindra indrindra, araho akaiky dia akaiky ny resaka tsenam-panjakana (« marchĂ©s publics ») eto Madagasikara. Raha tsy mahavita izany ianao, manana fahendrena mametraka fialana fa tsy ho fahanana fialana bala toan’ny Dg sasany tsy mampamiratra ny tokan-tranon’ny Malagasy aman’arivony eto Iarivo fotsiny. Izao mantsy no voalazan’Andriamatoa ampahibemaso tao amin’ny Firenena Mikambana. Tsy misy mampiasa teny malagasy ny aho ka ity ny teny frantsay nampiasainy : « Mon Gouvernement met en place des procĂ©dures innovantes pour dĂ©raciner ce flĂ©au, en tenant compte des trois piliers que sont l’éducation, la prĂ©vention et la lutte ». Ampiaro amin’izay ary, Tompoko, tsy ho « thĂ©orie » fotsiny ihany. Sa tsy izany leiretsy ?

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Lundi, 21 Juin 2021 17:20 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO