]
Les quotidiens du 15 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ambohijanahary Lac Alaotra: niravona ny disadisa

Ambohijanahary Lac Alaotra: niravona ny disadisa

Telo andro, dia ny 18 ka hatramin’ny 20 Avrily 2012, no  nanatanterahina  ny fifampidinihana ny raharaha momba ny fifanolanana nitranga tao Kaominina Ambohijanahary, Distrikan’ Amparafaravola  (Lac Alaotra).

Tonga tany an-toerana nandamina ity raharaha ity ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny Raharaha sosialy izay notarihan’ny « Directeur des affaires juridiques et litigieuses », Andriamatoa Rakotonirina Angelo sy ny mpikambana telo avy ao amin’ny kabinetran’ny Minisitry ny Mponina.


Raha hiverenana ny olana nitranga tao amin’ity  Ambohijanahary ity, dia nisy ny tetik’asa izay nokasain’ny  Ben’ny tanàna, Andriamatoa Andriamalala Rodolphe , ny hanatsarana ny Tanàna aminy fanamborana ny làlana ao an-tanàna, sy ny fananganana trano fivarotana atao hoe : “Arcade” izay mitentina 80 Tapitrisa Ariary. Ity tetik’asa ity anefa dia mitarika indrindra ny tsy maintsy androdanana  sy fanesorana ny trano fivarotan’ireo izay efa nivarotra sy nipetraka ela teo, izay tsy nenken’ny filohan’ny mpanolontsaina ny kaominina, Andriamatoa Ramanantoanina Gilbert, sy ny mpomba azy. Vokatry ny tsy fifankazahoan-kevitra teo amin’ireo roa tonta dia ny Ben’ny tanàna sy ny Filohan’ny Mpanolontsainan’ny kaominina ireo dia lasa samy manana ny olony tarihiny izy roa tonta ka eo ny andaniny izay miara-dia amin’ny Ben’ny tanàna ary eo ny ankilany miara-dia amin’ny  Filohan’ny mpanolontsaina ny kaominina.


Nisy araka izany ny  fitarihan’olona handravana ny trano tsena  nataon’ny tarikin’ny Ben’ny tanĂ na, ary nisian’ny fifandonana teo amin’ny mpomban’ ny roa tonta, nisy mihitsy aza ny fitorahana « cocktail molotov » izay nahamay zaza sy olon-dehibe.

Tsy voalamina araka izany ny raharaha, ka tonga hatreny amin’ny minisiteran’ny Mponina ny famahana ny olana, noho izany indrindra dia nidina teny an-toerana ireo delegasiona iraky ny  minisitran’ny Mponina  nijery akaiky ny tena fototry ny olana ary namaha ity olana ity.


Nisy araka ny  fijerena ny toerana hipetrahan’ireo mpivarotra voaala amin’ny tranony sy ny planin’ny tetik’asa fanamboarana ny làlana sy ny trano vaovao. Avy eo dia nohenoina ny fanazavana teo amin’ny Ben’ny tanàna sy ny nenken’ny Filohan’ny Mpanolontsaina ny kaominina. Nanaraka, dia naroso ny soso-kevitra hisian’ny marimaritra iraisan’ny roa tonta izay natao tao TANAMBE.


Rehefa hita ny marimaritra iraisana dia tapaka tao amin’ny fivoriana, ireto fifanarahana eto ambany ireto .


FIFANARAHANA TANAMBE NY 19 AVRILY 2012

Raharaha Kaominina Ambohijanahary, Distrika Amparafaravola

Faritra Alaotra Mangoro

Taorian’ny fivorian’ireo tomponandraikitra mahefa voakasika;

Taorian’ny fanadihadiana sy fidinana ifotony niarahan’ireo tomponandraikitra ireo;

Dia tapaka anio Alakamisy faha 19 Avrily 2012 tamin’ny 09 ora alina fa :

I. Ankatoavina ny vinavinan-dàlana napetrak’Andriamatoa Ben’ny Tanàna Ambohijanahary;

II. Arodana avokoa ny trano-tsena  rehetra miorina eo amin’ny tanin’ny Kaominina Ambohijanahary;

III.  Avoaka mialohan’ny fanapotehana ny trano ny plan hanorenana eo indray;

IV.  Tsindriana fa ireo olona efa nivarotra teo taloha ka voarava trano no mahazo manorina trano avy hatrany aorian’ny fandrodanana, saingy fanorenana manaraka ny fepetra takian’ny Kaominina, ary amin’ny vidiny takatry ny rehetra;

V.  Ferana ho amin’ny faha 19 May 2012 ny fanombohana ny fanapotehana ireo trano-tsena mbola miorina, ary ny faha 20 May 2012 dia azo atomboka  ny fanorenana vaovao voalaza ao amin’ny andininy fahatelo etsy ambony;

VI.  Raha misy ambiny ny toerana malalaka azo anaovana fanorenana, dia azon’ny olon-kafa ivelany atao ny manao fangatahana  rehefa mahazo alalana avy amin’ny Fanapahan’ny Filan-kevitry ny Kaominina;

VII.   Ny velaran’ny làlana dia ferana ho 7 m (fito metatra) fa tsy 10 m(folo metatra) ary tsy ao anatiny ny parking;

VIII. Samy mibaiko ireo olona mpomba azy Andriamatoa Ben’ny TanĂ na sy Andriamatoa PrĂ©sident Conseil Communal, mba tsy ho sakana intsony amin’ny fampiharana izao fifanarahana izao ====

IX.  Na iza na iza minia mandika na mampandika ny voarakitr’izao fifanarahana izao dia andraisan’ny Tomponandraikitra mahefa fepetra  ary enjehina araka ny lalàna ho mpitarika korontana sy mpanozongozona ny fiandrianam-pirenena.

X.  Ampiasaina ity fifanarahana ity amin’izay rehetra tokony ilana azy./.

Nofaranana tamin’ny 9 ora sy 30 minitra ny fotoana.


Ny maraina ny 20 Avrily 2012 dia novakian’ny Ben’ny tanàna teo imason’ny mponina rehetra tao amin’ny kaominina ity fifanarahana ity, izay niara-nitsangana  namaky izany ihany koa ny Filohan’ny mpanolontsaina ny kaominina.

Notsahivina manokana kosa, fa momba ireo naratra na may vokatrin’ny fifandonana teo amin’ny mponina dia tsy hidiran’ity fifanarahana ity fa dia afaka mametraka fitoriana vokatr’izany ireo naratra sy may.

Marihina fa ny  fifanankalozan-kevitra dia natrehin’ny solontena avy amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny Lehiben’ny Distrika AMPARAFARAVOLA, ny Lehiben’ny Andrimaso-pokonolona amin’iny faritra iny. Teto ny rehetra dia samy niaiky fa ilaina ny fampandrosoana ny kaominina saingy izany dia tokony hisian’ny fitsinjovana ihany koa ny mponina tsy ankanavaka .

Soratra sy sary : Andry Rakotonirainy, iraka manokana tany Alaotra

Mis Ă  jour ( Dimanche, 22 Avril 2012 12:33 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques