]
Les quotidiens du 27 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Toamasina, Cité Fitiavana: Tany aho, nahita aho, nandresy aho !

Toamasina, Cité Fitiavana: Tany aho, nahita aho, nandresy aho !

Alain Mahavimbina, Lehiben'ny Faritra Atsinanana

Tany aho, nahita aho, nandresy aho ! Io no teny navoitry ny Lehibe ny Faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina, raha nitatitra ny zava-bitan’ny Tetezamita ao Toamasina ny Filoha Andry Rajoelina.

Maro ny zava-sarotra nolalovana vao tonga tamin’ny fahavitan’ny tetik’asa telo be izao dia : ny trano vaovao miisa 100 lasa “Cité FITIAVANA”; ny Hopitaly manara-penitra ary ny Lapan’ny Tanàna.

Ny lahaten’ny Lehiben’ny Faritra dia nitatitra fa nisy tokoa ny sakatsakana tao anatin’ny fanatanterahana ny asa. Noho ny fikirizana sy ny tsy fihemorana anefa dia tontosa soa aman-tsara ny asa rehetra, ary dia iny notokanana tamin’ny Asabotsy 19 sy Alahady 20 Janoary 2013 lasa teo ireo tetik’asa telo goavana ireo.


Sakatsakana izay namafisin’ny Filohan'nyTetezamita, fa "nisy mihitsy ny nanakarama olona hitokona sy handrava ny fefy, teo anoloan’ny fanamboarana ny tetik’asa iray. Ny tsirairay no mitsara izao na tsara na tsy tsara ny nanaovana ny “Hôtel de ville”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Nisantarana ny fitokanana rahateo ny fahavitan’ny Trano Mora izay nomena anarana hoe: “Cité FITIAVANA”, ary natokana ho an’ireo tanora latsakin’ny 35 taona izay efa ao anatin’ny famelomana ny vady aman-janany, na ihany koa efa eo ampiandrasana ny menakin’ny ainy.

Ny lahateny nataon’ny Emperora Jules Cesar, fony izy tany Frantsa, no nentin’ny Lehiben’ny Faritra namintinana ny làlana nodiavina dia ny hoe : Tany aho, Nahita aho, Nandresy aho, (Veni, Vidi, Vici - Je suis venu, j'ai vu, j'ai vaincu) ka tonga tamin’ireny fitokanana ny zava-bita ireny.

“Tany ianao Andriamatoa Filoha, nijery akaiky ny tena ilain’ny mponina sy ny tokony mahasoa azy, ary dia nahita ny zava-misy sy ny manahirana ny mponina. Niafara tamin’ny fandresena izany. Izay no porofo ny fahavitan’ireo hetahetan’ny mponina izay vao notokanana tsy ela ireo”.


Raha ny trano vao notokanana dia hita manaraka ny fenitra rehetra eo amin’ny fanamboarana. Trano miisa 100 izy ireo ka misy karazany roa, dia ao aloha ny trano nolokoina fotsy, ary ao miloko volon-tany mena. Ireo voalohany, izay miisa 28 dia nahatratra hatrany amin’ny 90 tapitrisa Ariary ny vidiny, ka fianakaviana manana ny fidiram-bola ambony kokoa no afaka miditra aminy.

Ny faharoa kosa dia 24 tapitrisa Ariary. Ny fanomezana ny trano kosa dia natao tamin’ny alàlan’ny hatsapaka, izay nahitana mpivady tanora miisa 250, ka ny 99 tamin’izy ireo no nahazo ny trano.

Ny trano iray moa dia natao hipetrahan’ny mpiasa izay misolon-tena ny Minisiteran’ny fampandrosoana sy ny Fananjariana ny tany ao an-toerana. Marihina fa miaraka amin’ny kara-tany ny fanolorana ireo trano .

Na eo aza anefa ireo sisa tsy mbola nahazo dia naneho ny faniriany ny Praiminisitra lefitra misahana ny Fampandrosoana sy ny Fanajariana ny tany, fa tokony ho hisy ny manaraka ho azy ireo. Ny fanamboarana ny trano rahateo, izay natokana ho an’ireo tanora 35 taona, dia natao ho hanomanana ny ho avin’ny Firenena.

Ny Filohan’ny Tetezamita dia nitatitra fa :

Tafa-vory eto isika androany araka ny fotoana sy ny fampanantenana izay napetraka, satria nametraka isika fanamby ny hoe: mila manorina ho avy tsaratsara kokoa, mila manorina trano ho an’ny tanora. Dia miara-mahita isika androany. Vita ve izany fanorenana izany, sa tsy vita tompokolahy sy tompokovavy?

Midika izany fa ny ho avy tsaratsara kokoa no miandry antsika rehetra, araka ny teneniko teny amin’ny seranam-piaramanidina teo dia hoe : henoko sy tsapako ny alahelonareo satria maro ianareo no nitomany, maro ianareo no nalahelo, kanefa hoy izaho hoe : isika dia tsy hifanary, araka ilay hira hoe “ HIARAK’ISIKA, NA TOMANY NA SARIAKA, HIARA-HIZAKA NY MAFY EFA VONO-KIAFY, RAHA SENDRA MANDALO ‘LAY RIVO-PANDRAVA DIA HIARAK’IKALO FA IO MBOLA HISAVA” .

Misy mantsy, Tompokolahy sy Tompokovavy, ny mieritreritra fa hoe rehefa vakiana ny mari-pakàna ny hafanana dia izay. Tsia satria vao maika miakatra ny hafanana, Tompokolahy sy Tompokovavy, dia ny hafanana ny fitiavan-tanindrazana, ny hafanana ny hanavotra ity firenena ity, ka tsy hisy hahasakana antsika hikarakaraka ny tanora, hikarakara ny Malagasy, dia HIKARAKARA ANAO NAMAKO TANORA, HIKARAKARA ANAREO REHETRA VAHOAKA MALAGASY NAMAKO. Ka ny teniko dia tsotra: aza malahelo ianareo satria ny ho avy dia eo aloha, tsy ho any aoriana mandrakizay. Manàna finoana fa eo anilanareo mandrakariva ny tenako, hanasoa sy hampandroso an’ity Madagasikara ity.

Izany finoana izany no mampiavaka antsika amin’ny mpanao politika tia fahefana, ny mpanao politika tia tena, fa tsy manana fitiavan-tanindrazana. Izay no mampiavaka antsika, ka izany no tohizantsika hatramin’ny farany.

Ho anareo miara-dia, ho anareo mitovy fomba fijery, henoy ny teniko, jereo ny masoko fa ho hitanareo ny dià, ho hitanareo ny lalàn-kaleha. Ka ny hatongavantsika eto androany dia ho anareo tanora. Iza tokoa moa ny tanora no tsy maniry mba hànana izany ankohonana, hànana izany trano fonenana ho azy izany ? Tanteraka ary ho tanteraka ny nofinofin’ireo tanora androany ! Tsy hiteny isika hoe: iza no nanatanteraka izany, fa tsotra ny teniko : ny “cité” voalohany teto Toamasina dia tamin’ny androan’ny Repoblika voalohany, tamin’ny andron’i TSIRANANA, dia ny “cité Beryl rose” izany. Fa ankehitriny tonga ny mpitondra ny Tetezamita ka na tao anaty ny fotoan-tsarotra aza, dia vita ny “CITE FITIAVANA”.

Tsy napetrapetraka foana izany“CITE FITIAVANA” izany fa dia nomena am-pitiavana, ary natao am-pitiavana ho anareo tanora malagasy, ho anareo tanora eto Toamasina, Tompokolahy sy Tompokovavy”.

Taorinan’ny fanambarana natao ny Filoha ny Tetezamita ny amin’ny tsy hirotsahany ho fidina amin’ity taona ity sy ny mety manitikitika ny sain’ny rehetra, dia nilaza ny Filoha Andry Rajoelina, fa “tonga eto ny tenako hanazava izay fanontaniana manitikitika ny sain’ny rehetra, mba tsy ho alahelo fa hino ny ho avy, satria mahatoky ny ho avy isika.

FENO HAFALIANA TAMIN’NY TSY AMPOIZINA IREO RENIM-PIANAKAVIANA, RAHA NOTONONIN’NY FILOHA NY TETEZAMITA NY ANARANY, FA AZY NY TRANO MORA.

Ny Filoha Andry Rajoelina manolotra ny lakilen'ny trano n°2 an'i Rtoa Domine Elisaberthe

Hafaliana tsy omby tratra no hita teo amin’ny hendrik’ireo tanora, naheno ny anarany izay notonin’ny Filoha ny Tetezamita ny folo tamin’izy ireo, raha somary nangitakitaka teo am-piandrasana ny ankitsapaka.

Noho ny hamaroan’ny isa natao ankitsapaka mantsy, izay nahatratra 99, dia voatery natao folo ihany no ankitsapaka teny amin’ny lampihazo, ary notohizana teny amin’ny Lapan’ny Tanàna vaovao ny ambiny.

Zava-dehibe tokoa ho an’ny tanora ny fahazahoana ny trano toy izao, satria raha jerena dia mbola vitsy -indrindra ireo tanora- no afaka manana trano ho azy manokana, fa saika manofa avokoa izy ireny. Tsy vitany manofa ihany fa eo koa ny fahalafosan’ny hofa-trano, izay mahatratra 100.000 Ariary farafaha-keliny ny hofany. Ny eo am-pelatànana anefa zara raha ampy ny iray volana ho an’ny fandaniana, ka tamin’ity indray mitoraka ity dia afaka mandoha izany tsikelikely izy ireo.

Nandika an-tsoratra: Andry Rakotonirainy sy Jeannot Ramambazafy

Sary: Harilala Randrianarison

===================================================

IREO NAHAZO TRANO MORA NATAO ATSAPAKA IMASOM-BAHOAKA TAO TOAMASINA

 

1

Service Régional de l’Aménagement du Territoire

2

DOMINE Elisaberthe

3

RAHARISOA Tina Caroline

4

RAMIANDRISOA Zoé

5

RANDRIAMARO Arnique Achinel

6

NOROVELO Bruno

7

CARINE Mireille

8

RAZAKANANTENAINA Ony Zo

9

RAMANAMPISOA Fridelin

10

ANDRIAMISA Dinasoa

11

RATSIMBAZAFY Fanjaniaina Eliane

12

SOAMARO Colette

13

ANDRIANARY Nirisoa Yvette

14

MERZIER Jacquis Oberlin

15

RAVEROMALALA RAZAFIMANDRATO Blanche

16

RAJAONARIVELO Rolland

17

RAKOTOARISOA Tiana Vololoniaina

18

RAKOTONIAINA Aristide Rufin

19

RALAMBOTSIROFO Ranja

20

RABENITANY Todisoa

21

VOLOLONIAINA Norovelo Alice

22

RANAIVOMANANTSOA Andry Lalaina

23

RABEMANANTSOA Erika

24

MAHARAMBY Soafara Delphine Eugenie

25

BILA Kantinio

26

VOLOLONIRINA Marie Brigitte

27

NJELIMANANA Dina Andriamaro

28

ANDRIANOTRONINA Nambinina Bodoharijaona

29

LEE YOW – SANG Fabrice

30

RANDRIAMANASOA Estelin

31

BEZANDRY Sandrine

32

RALEVASON Derys

33

ARTHUR Florent

34

PIKA Judith Anita

35

RAZOKY Rosia

36

RAHARIVAO Nantenaina Vonjy H

37

RAVELOMORA Luc Richard Jimmy

38

FANILO

39

PIZA Herilalao Ida Mamonjisoa

40

BEBY Tricia

41

ATANA Bevelo Eric

42

RAKOTOARIVONY Johnson Didier B

43

RABEARISON MAHEFAMANANA Tiana N

44

RAZAFIALA Antoinine

45

RALISON Heritiana Georgie

46

RAHELISOA Elida

47

ANDRIANJAFIHERINAIVO Volanandrasana H

48

RAMAROSON Faheza Sylvain

49

RAHAINGOSON Mamy Herilala E

50

ANDRIANASOLO Hajamalala

51

RAMANATSOLO Désiré

52

AVIZARA Prisca Irène

53

RATSIMA HARIVONY Holia M

54

RAKOTONARY  Velomanana Kiady Finaritra

55

RAHANTAMALALA Sahondra

56

RAVELONJANAHARY Jean G

57

ZAFIMALADY Myriella Dianna

58

RANJEVASOA Bako Nirina

59

RAKOTOMANGA Boais Mickaël

60

RABENJAHARINAIVO Tahiry Lovaniaina

61

RANDRIAMAMONJISOA Rado Herilalaina

62

LALAONIRINA Olivia Clary

63

RAMAHATORAKA Toky Evasoa

64

RATRANONIAINA Herisoa

65

ANDRIANAIVOSOA Hajanirina Domohina

66

ANDRIATAHINA Josoa Jimmy

67

CHRISTIAN James Zamanasy

68

RALAIARIVELO Mamy Andriatahina

69

NINAH Prisca Aline

70

RALAIARIVONY Malala O

71

RANDRIANANDRASANA Herimamy Jisva C

72

ANDRIANJATOVO Herimalala Lovasoa

73

MEFINIEFERANA Raitra

74

RALALANIRINA Sahondra Angeline

75

RASOLONJATOVO Jean Richard

76

MBENDRA Henriel Stéphan

77

RAFANJAHARINIVO Hantaniaina Mamy H

78

MANIRISOA Zazà Lydie

79

ANDRIAMIRADO Tolojara Emilson R

80

TSIKAKA Soamanga Hajaina Léoncia

81

RAZAFIMANANA Jean Dolin

82

VERONIRIANA Juliana Eslie

83

RATSIMBAZAFY Hasina Lovasoa

84

RASOLO Harinjaka Jao Haja

85

BOTOLAHY Ernest Angelo

86

RABAKOSON Richard

87

RANDRIAMANIRISOA Odilon

88

KALAKA Felmio Robson

89

RAHOBIVOLOLONJATOVO Lovasoa

90

RAJAONERA Andriamora Tsantarivonjy

91

RAMAROLAHY Lalaina Valerie

92

RANDRIAMAMONJIARIJAONA Marc Dieu D

93

RASOAZANANDRAINA Sylvia Françoise

94

RADANIELINA Falisoa Christian Nicolas

95

RAZAFINDRAKOTO Arlette Joséa

96

RAZAFINDRAMANITRA Lanto Rica

97

FENOZANDRY Florian

98

RANDRIANATOANDRO Lova Sylvain

99

MOASARY Hervé Daniel P Marie

100

HERIZO Marie Angella

Mis à jour ( Lundi, 28 Janvier 2013 08:02 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety