]
Les quotidiens du 04 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Mgr Philippe RANAIVOMANANA. Nodimandry ny Talata 06 Septambra 2022, teo amin’ny faha-73 taonany

Mgr Philippe RANAIVOMANANA. Nodimandry ny Talata 06 Septambra 2022, teo amin’ny faha-73 taonany

Tena atairana tokoa ny an’ny rehetra raha vao nandre ilay tranga. Satria tokoa eo am-pandaminana ny sary rehetra nalaina teny Antsahatanteraka any Antsirabe aho. Mirakitra ny Lamesa namaranana ny JMJ MADA X.

Ekena fa tsapa ihany fa “tsy en forme” ny Evekan’Antsirabe ary nisy “tuyau” fandefasana “oxygène” mihitsy no nivoaka avy eo amin’ny orony. Tazana koa izy fa nipetraka hatrany ary nisy olona hatrany koa taoriany.


Araka ny vaovao (“infos”) voaray, dia efa tamin’ny nanaovana ny Lalan’ny Hazofijaliana izy no “tsy en forme”. Ny marina dia efa ela ela ihany izy no tsy salama. Kanefa efa ny Sabotsy 03 Septambra, tamin’ny fanatontosaina ny Lalan’ny Hazofijaliana, teo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ao Antsirabe no efa voamarika fa vizana ara-batana izy.

Na izany aza dia tonga teny Antsahatanteraka ny Monsenera Philippe. Satria izy no Evekan’Antsirabe.

Izany dia nampahatsiahivin’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tao amin’ny kabariny. Hoy tokoa izy: “Eto am-pamaranana, dia miarahaba ny fianakaviamben’ny Diosezin’Antsirabe, tarihin’ny Monsenera Philippe RANAIVOMANANA, nampian-trano sy nikarakara izao fotoana izao”.

Indrisy fa ny fandalovan’ity Ray aman-dreny ao amin’ny EKAR no nifarana tanteraka androany Talata 06 Septambra 2022 maraina.


Fa IZA MOA NY Mgr Philippe RANAIVOMANANA ?

Teraka tamin'ny 12 Mai 1949 tao Anjamanga Antanifotsy izy.

Zanak'i ROBSON Marcel sy RAZAFINDRAVELO Seraphine.

Nianatra tao amin'ny sekoly Ambaratonga voalohany tao Sarobaratra Antsiriribe.

Nahazo ny diplaoma BEPC tao amin'ny Seminera Zandriny Antanifotsy.

Afaka Baccalaureat tao amin'ny Seminera zandriny ao Mandaniresaka (Antsirabe).

Nianatra filozofia tao amin'ny seminera zokiny ao Ambatoroka.

Nanaraka fianarana Teolojia tany Ihosy.

Nohamasinin'i Mgr Jean Marie RAKOTOARISOA sy Mgr Jean Guy RAKOTONDRAVAHARA ho pretra tao Antsiriribe ny 16 Octobre 1977.


IREO ANDRAIKITRA NOTANANY

1979-1981: préfet d'Etudes tao amin'ny seminera zandriny ao Mandaniresaka

1981-1983 : Nianatra momba ny Baiboly tao amin'ny “Ecole de la Foi et Université La Misericorde" tao Fribourg. Suisse, ka nahazo ny maitrise en théologie Biblique.

1983-1984: Nianatra momba ny haino aman-jery tao Lyon-France ka nahazo ny maitrise en Audiovisuel.

1984-1986: Aumônier-ny FTMTK sy Katesizy teto amin'ny diosezin'Antsirabe.

1986-1995: rektoran'i Seminera zokiny ao Manantenasoa Antsirabe

1995-1996: Niverina nianatra ka tany Lyon-France tao amin'ny CIEDEL, no nahazoany ny maitrise en communication.

1996-1999: Vikera jeneralin'ny Diosezin'Antsirabe sady talen'ny Radio Haja.

Voatendrin'ny Papa Joany Paoly faha II ho Evekan’Ihosy izy ny 25 Janoary 1999, ary nohamasinina ho Eveka tao Ihosy ny 13 mai 1999.

Efa filohan'ny CECS (Commission Episcopale pour la Communication Sociale).

Notendren'ny Papa Benoit XVI ho Evekan’Antsirabe, ny 13 Novembre 2009, ary napetraka teo amin'ny fiketrahana maha EVEKA ny 07 Febroary 2010.


Izay ny Tantaram-piainan’ny Monsenera Philippe RANAIVOMANANA. Tontosany hatramin’ny fara fofon’ainy ny adidy masina naha Evekan’Antsirabe tao anatin’ny JMJ MADA X. Tsy ho eo intsony izy amin’ny JMJ MADA XI 2026 hotontosaina any Toamasina.

"FANTATRAO FA TIA ANAO AHO" - Jaona 21, 17

MANDRIA AM-PIADANANA MONSEIGNEUR PHILIPPE RANAIVOMANANA !

Jeannot Ramambazafy

Jean-Paul Randrianiaina

Harilala Randrianarison

Ary ny ekipan’ny Radio ENERGIE FM Antsirabe sy ny ekipan’ny MADAGATE

Mis à jour ( Mercredi, 07 Septembre 2022 11:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO