]
Les quotidiens du 08 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Niels Marquardt sy Wikileaks : tranon-dainga ianao Ravalomanana a !

Niels Marquardt sy Wikileaks : tranon-dainga ianao Ravalomanana a !

Fa dia tena mihevi-tena ho anjely latsaka an-tany mihitsy ve ity Marc Ravalomanana ity ka mihevitra ihany koa fa ho voafafa ny Tantarany fony izy teo amin’ny fitondrana ? Tsotra ny sokajy misy azy : sady mpandainga no mpamoron-dainga. Ireto manaraka ireto no porofo tsy azo hivalozana afahana milaza izany. Ka na dia hitabataba hanara-dia an’izany toetrany izany aza ry miara-manondrana eto an-toerana sy ireo Malagasy vitsy an’isa any ivelany dia ho zava-poana daholo izany asan’ny satana izany satria : teraka, dia nivelona nitabataba sy nanozon-tena ; ho faty ary tsy hisy mpijery na hitsetra fa ho adino hatramin’ny anarana. Tsiahy ny volana marsa 2009 nisandratan’izy Marc Ravalomanana tenany ho tranon-dainga tanteraka.

Ho an’izay tsy mahalala, fantaro ary fa izany Wikileaks izany dia fikambanana tsy miankina mampiasa ny tambazotra Internet, natsangan’ilay mpanao gazety australiana Julian Assange ny taona 2006. Ny tena anton’ny fisiany dia ny namoaka ireny resaka nadika an-tsoratra, eo amina olona ambony amina firenena maro ka tafiditra amin’ny hoe «secret d’Etat». Tsy tambo isaina ireo taratasy tafiditra amin’ny hoe «Top secret» navoakan’i Wikileaks, indrindra fa avy amin’ny sampana fitsikilovana amerikana (CIA, FBI
). Tsy fantatra mihitsy hoe iza ireo olona namoaka izany tsiambaratelom-panjakana izany. Ny teny filamatra moa dia : «We open governments» na : sokafanay ny governemanta rehetra.

Rehefa tsy takona nafenina intsony ireo tena tranga misy marina amina firenena maro dia nenjehina i Julian Assange ary rehefa nialokaloka nandritra ny fito taona tao amin’ny Ambasadin’ny Equateur ao London izy dia navoaka avy tao ary nalefa ao amin’ny fonjan’i Belmarsch nanomboka ny 11 avrily 2019. Raha toa ka azo hafindra any Etazonia izy dia ho voasazy 175 taona an-tranomaizina noho ny « fitsikilovana » («espionnage») nataony. Samy miandry izay ho tohin’ny tantara ny rehetra, ny mikasika ny ho avin’i Julian Assange izay 50 taona amin’ity taona 2021 ity.

Anisan’ny firenena nipoiran’izany «secret d’Etat» nivoaka tao amin’ny Wikileaks izany i Madagasikara. Ary dia nahita sy namaky ilay resaka an-telefaonina tamin’ny 20 marsa 2009 ireo rehetra mampiasa ny Internet. «CĂąble» no nataony anaran’izany tsiambaratelo izany. Azo inoana fa avy amin’ny Amerikana ihany no nivoahan’ny tsiambaratelo rehetra mikasika an’i Madagasikara tamin’izany fotoana izany.

Resaka an-telefaonina nifanaovan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Ambasadaoron’ny Etazonia tamin’izany fotoana izany, Niels Marquardt.

ENLARGE HERE

Amin’ny teny anglisy moa ilay izy, mazava ho azy, ka ity manaraka ity ny fintina amin’ny malagasy an’izany fifampiresahana tamin’ny talata 20 mars 2009 izany :

Niantso an-tariby ny Ambasadaoro (amerikana), ny Filoha tao aloha Marc Ravalomanana. Teny akaikin’Antsirabe izy no niantso raha ny fitiliana natao no jerena. Somary semposempotra izy nanazava zavatra sasany izay mifototra amin’ilay didy hitsivolana (Ttf : «Ordonnance n°2009-001 du 17 mars 2009») nosoniaviny ka namindrany ny fahefany amina fitondrana miaramila («Directoire militaire»), talohan’ny nandosirany. Taratasy nasehony tamin’ny Ambasadaoron’ny Etazonia, ny Ambasadoaron’nyAfrika Atsimo ary Ingahy DramĂ©, Iraka manokana nalefan’ny Firenena mikambana (ONU). Nilaza i Marc Ravalomanana fa tsy nametra-pialana izany izy fa namindra ny fahefany satria noterena miaramila tonga tao amin’ny biraony, 15 minitra talohan’ny nahatongavan’ireo Ambasadaoro voalaza ireo tany Iavoloha. Ny antony notetehiny an’ilay « Directoire militaire », araka ny fanazavany ihany, dia mba nanakanana ireo miaramila tsy anao izay «saim-pantany» (Ttf : ny hamono azy?). Ary nilaza ingahy Ravalomanana fa niverina, hono, ireo miaramila rehefa lasa ireo Ambasadaoro. Nanamarina isy fa tsy misy soratra hoe « dĂ©mission » mihitsy ao anatin’ilay hitsivolana nosoniaviny. Ary nitalao tamin’ny governemanta amerikana izy mba hanarahin’ny Sadc tsy nankatoa an’i Tgv. Izay, hoy ihany ilay Filoha teo aloha no antony tsy namindrako ny fahefako mivantana tany amin’i Andry Rajoelina. «Fanongam-panjakana» iny, hoy izy. Nanambara izy fa mifandray amin’ny Sadc izy mikasika ny vady aman-janany sy izy tenany hivoahana an’i Madagasikara satria matahotra amin’ny ain’izy mianakavy izy. Tsy nangataka fanampiana mikasika izany tamin’ny governemanta amerikana kosa izy ary tsy nanolotra izany koa ny Ambasadaoro./.

12 taona katroka androany 20 marsa 2021 io resaka io no navoakan’ny Wikileaks ary tsy nisy sy tsy hisy fiovana mandrakizay.

Rehefa nodinihina tsara ireo fanambarany ireo sy ny nataony dia tranon-dainga tsotra izao ingahy Marc Ravalomanana. Ary izy mihitsy no nanitsakitsaka ny lalam-panorenena malagasy, na ilay tamin’ny fotoana nitondrany na ny lalàna fototra amin’izao fotoanan’ny Repoblika malagasy faha-4 izao. Toa izao no voalazan’ny andininy faha-52 ao amin’ny Lalampanorenenan’ny Repoblika malagasy faha-3 sy faha-4 izay tsy niova hatramin’izao taona 2021 izao :

Andaniny 52. Aorian’ny fametrahampialàna, fandaozana ny fahefana na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona, fahafatesana, ny tsy fahafahana miasa tanteraka na ny fanonganana nambara, ny fahabangan’ny toeran’ny Filohan’ny Repoblika dia hozahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fototra.

Raha vao hita fototra ny fahabangan’ny toeran’ny Filohan’ny Repoblika, dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misahana ny asan’ny Filoham-panjakana.

Raha misy tsy fahafahana miasa manjo ny Filohan’ny Antenimierandoholona hita fototry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia iarahan’ny Governemanta manontolo misahana ny asan’ny Filoham-panjakana.

Midika mazava izany fa tsy misy resaka hoe atolotra amina «Directoire militaire» mihitsy ny fahefana raha toa ka misy tsy fahafahan’ny Filoha mitondra ny firenena, n’inona n’inona antony. Ka niziriziry ingahy Ravalomananana fa tsy nametra-piĂ lana. Aleho atao hoe marina ny azy. Fa ny fanolorany ny fahefany amina « Directoire militaire » aloha dia tsy voasoratra n’aiza n’aiza ao anatin’ny LalĂ na fototra («Constitution»).

Manaraka. Nilaza izy tany Afrika tany -tao Swaziland, teo anatrehin’ny fivoriana fara-tampon’ny Sadc, ny 31 mars 2009- fa nametra-pialana izy satria nambanana basy izy. Tena tranon-dainga tanteraka ary sarona izy tamin’ny fanambaran’ny Ambasadaoro Niels Marquardt ihany, nilaza tao amin’ny Midi Madagasikara sy Top Mada, ny volana Avrily 2009 : « Marc Ravalomanana n’a pas dĂ©missionnĂ© sous la menace d’une arme. Il n’y avait ni soldat ni vĂ©hicules militaires Ă  Iavoloha. Marc Ravalomanana a dĂ©missionnĂ© et a remis sa dĂ©mission Ă  la dĂ©lĂ©gation accompagnant l’ambassadeur ». Ny dikany ireo dia : tsy nametra-pialĂ na satria nambanana basy i Marc Ravalomanana. Tsy nisy miaramila na fiara ana miaramila teny Iavoloha. Nametra-pialana i Marc Ravalomanana ary nomeny ny delegasiona niaraka tamin’ny Ambasadaoro izany taratasy fametra-pialana izany.


Amin’izao fotoana izao dia efa lasa manaranaka sy lovan-dry miara-manondrana ary ireo malagasy tsy manan-jo hifidy any ivelany tanteraka io fomba fandaingana io. Ary dia mihezaka mafy tokoa izy mianakavy mamorona izao karazana lainga izao vao mihetsika kely ny fitondrana Andry Rajoelina. Aratsina daholo ny zava-drehetra satria jamban’ny fankahalana sy ny fahatsapana fa kely aina ka ny vava no fenoina savony. Manozona sy manapoizina ny taranany ihany anefa ireo. Sa samy hafa ny rivotra iainan-tsika ? Miodina ary hiodina foana ity Tany ity na eo na tsy eo ianareo ry mpamosavy mivoaka atoandro a !

Fa tandremo ihany ary ny tody na dia tsy misy fa ny atao ihany no manina moa ? Jereo anie ity Dada e ? Ny redirediny ihany no mahatonga ny tantarany mitsikafona, mampiampanga azy hatrany. «Tsapao aloha ny herinareo vao mitsapa ny aty ». Lazao koa fa izaho no niteny izany e !

Jeannot Ramambazafy - Lahatsoratra mivoaka ao amin’ny « La Gazette de la Grande Ăźle », sabotsy 20 marsa 2021

Mis Ă  jour ( Samedi, 20 Mars 2021 08:06 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO