]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Dubai. Manatrika ny WGS 2024 ny Filoha Andry Rajoelina izay handray fitenenana

Dubai. Manatrika ny WGS 2024 ny Filoha Andry Rajoelina izay handray fitenenana


Ao anatin’ny Fihaonamben’ny Governemanta maneran-tany faha-11 na « World Governments Summit » (WGS), dia hanana anjaram-pitenenàna ny Filohan’i Madagasikara, Andry Rajoelina, ny Talata 13 Febroary 2024 tolakandro. Izany dia ao anatin’ny fivoriana atrehin’ny rehetra (« Plenary session»), mitondra ny lohahevitra hoe: « Fanafainganana Fy fanovana ny Governemanta » (« Government Acceleration and Transformation »).

Handray anjara amin’ity fihaonana an-tampony any Dubai ity ihany koa ny Filoham-pirenan’ny Nosy Maorisy, Prithvirajsing Roopun; ny Filoham-pirenan’ny Nosy Maldives, Dr. Mohamed Muizzu, ary ny Filoham-pirenan’ireo Nosy Seychelles, Wavel Ramkalawan.


Ho hita ao amin’io fivoriana fara-tampony ao Dubai ihany koa ny Filoham-pirenan’ny Rwanda, Paul Kagame; Filoham-pirenan’ny Kenya, William Ruto; Filoham-pirenan’ny Torkia, Recep Tayyip Erdoğan; ny Filohan'ny Repoblika Kyrgyz, Sadyr Japarov, ary ny Praiminisitra India, Narendra Modi.

Inona moa ity WGS ity ?

Tokony ho fantatrao aloha fa ny WGS dia Vondrona tsy miankina amin’ny Fanjakana, na NGO, nitsangana tamin'ny 11 Febroary 2013 ary ny Foibeny dia ao Dubai any amin’ireo Emirà Arabo Mitambatra («United Arab Emirates »). Nanomboka teo, ary isan-taona, ity fihaonana an-tampony ity dia mampivondrona ireo mpitondra fanjakana maneran-tany mba hiresaka sy hiady hevitra mihitsy momban’ny olana misy eo amin’ny politikan'ny governemanta sy ny fizotrany, ka mifantoka amin'ny Hoavy (« Futurism »), ny fanavaozana ara-teknolojia ary ny lohahevitra maro hafa momba ny planetantsika. Ny WGS dia mikendry ny ho sehatra fifanakalozana fahalalàna eo amin'ny manampahefana ao amin'ny governemanta, ny mpitondra hevitra, ny mpanao politika ary ny mpitarika ao amin’ny sehatra tsy miankina. Ny WGS koa dia mikendry ny ho Ivon'ny famakafakana ny fironana, ny olana sy ireo tranga mahavelombolo samihafa mety hatrehin'ny Olombelona atsy ho atsy. (Loharano: Wikipedia).


Mikasika ity WGS 2024 ity

Ny andiany faha-11 ny Fihaonamben'ny Governemanta Manerantany (WGS 2024), izay mampivondrona mpandray anjara maherin'ny 4.000 ao Dubai, manomboka ny 12 ka hatramin'ny 14 Febroary 2024, dia hanohy hatrany ny fitadiavana vahaolana vaovao mba hiatrehana ireo fanamby maika amin'ny Hoavy.

Nasongadin’i HE Mohammed Abdullah Al Gergawi, Minisitry ny Kabinetra sady Filohan’ny NGO WMS, izany, tamin’ny namelabelarany ny fandaharam-potoanan’ny WGS andiany faha-11, ny Talata 6 febroary, tao amin’ny « Museum of the Future ».

Ao anatin’ny lohahevitra hoe « Mamolavola ny governemantan'ny ho avy » («Shaping Futur Governments»), ny NGO WGS dia mikarakara ity Fihaonambe fara-tampon’ny Governemanta maneran-tany handraisana delegasiona miisa 120 misy Filoham-panjakana, tomponandraikim-panjakana ary solontenam-panjakana, miampy Mpitarika fikambanana iraisam-pirenena sy isam-paritra maherin'ny 80 isa.

Mpitarika hevitra (« Opinion Leaders »), Matihanina ary Manam-pahaizana avy any amin’ny lafivalon’ny planeta tany -anisan'izany ireo nahazo ny loka Nobel mihoatra ny 8- dia ho avy hanatsara sy hampiakatra ny adihevtra amin'ny alàlan'ny fifanakalozan-dresaka miisa 110. Maherin’ny 200 ireo mpandahateny manan-kaja, anisan’izany Filoham-pirenena, Minisitra ary mpahita sy manana jery lavitra (« visionaries »). Ireo no hizara ny heviny mandritra ny Fivoriana miisa 23 ataon’ireo minisitra tonga any an-toerana (« ministerial meetings ») sy ny Fivorian’ny Mpanatanteraka (« executive sessions ») izay hampiantrano minisitra maherin’ny 300. Mampanantena ny hanazava ny làlana mankany amin'ny fandrafetana Hoavy tsara kokoa ho an'ny rehetra ity WGS andiany faha-11 ity.


Handray anjara amin'ity WGS 2024 ity ihany koa ny CEO miisa 27, ka anisan'izany i Ajaypal Banga, Filohan'ny Vondrona Banky Iraisam-pirenena ; Kristalina Georgieva ; Tale Mpitantana ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena - izay anjaram-pitenenana amin'ny lanonana fanokafana ny WGS 2024 - ; Ahmed Aboul Gheit, Sekretera jeneralin'ny Ligy Arabo ; Jasem Mohamed Albudaiwi, Sekretera Jeneralin'ny Filankevitry ny fiaraha-miasa amin'ny Golfa ; Sam Altman, Tale Jeneralin'ny “OpenAI” (momban’ny « Artificial Intelligence » misokatra).

Ity WGS dia antenaina ho fanombohana ny andian-tatitra stratejika, mihoatra ny 25 isa, mifantoka amin'ireo fomba fanao sy fironana lehibe indrindra amin'ny sehatra tena ilaina sy saro-pady. Ireo tatitra ireo dia hirakitra « Forums », Fivorian'ny ministra ary fotoam-pizarana fahalalàna.


Ny WGS 2024 dia hampiatrano « forums » iraisam-pirenena miisa 15 hifantoka amin'ny famolavolana paikady sy drafitra matihanina ho ana sehatra manan-danja mifandraika amin'ny maha-olombelona. Ireo « forums » ireo dia nokarakaraina tamin'ny fiaraha-miasa amin'ireo Fikambanana iraisam-pirenena isan-karazany, ireo Andrim-panjakana ara-teknolojia manerantany sy ireo Orinasa goavam-be, ary koa ireo Andrim-panjakana natokana ho amin'ny fanavaozana sy fanatsarana vahaolana vaovao hiatrehana ireo fanamby atrehin'ny fiarahamonin'olombelona maneran-tany.

Ireo « Forums » ireo dia ahitana ny « Global Health Forum » (Momban’ny Fahasalama); ny «Government Services Forum» (Momban’ny raharaham-panjakana); ny « Arab Government Administration Forum » (Mikasika ny fitantanana ny raharaham-panjakana ao amin’ireo firenena arabo); ny «Knowledge Exchange Forum» (Momban’ny Fifanakalozana ny Vola); ny «Future of Transport Forum » (Momban’ny Hoavain’ny Fitanterana) ; ny «Public Finance Forum for Arab Countries» ((Mikasika ny fitantanana ny volam-panjakana ao amin’ireo firenena arabo) ; « the Future of Education Forum » (Momban’ny Hoavin’ny Fanabeazana); «the Space Future Forum and the Advanced Industry and Technology Forum » (Momban’ny Hoavin’ny fifamoivoizana any amin’ny habakabaka any sy momban’ny Indostria sy ny Teknolojia mandroso sy mampandroso).

Ny WGS 2024 koa dia hanohy ny fifanakalozan-dresaka isan-karazany amin'ny alàlan'ny « Forums » hafa toy ny « Forum Artificial Intelligence » (Fahaizana artifisialy), ny « Future of Work Forum » (Ny momban’ny Hoavin’ny sehatry ny Asa) ; ny « Emerging Economies Forum » (Momban’ny Toe-karena vao misondrotra ») ; ny Geotechnology Governance Forum (Momban’ny fitantanana ny teknika hiarovana ny tany) , ny « Forum on the Sustainable Development Goals » (Momban’ny OMD), ary ny « Arab Meeting of Young Leaders » (Fihaonan’ireo Arabo tanora Mpiratika) sy ny hetsika « Temps 100 ».

Ny WGS faha-11 dia hampiantrano ihany koa fifanakalozan-kevitra manerantany mifantoka amin'ny fandinihana ny fananganana ireo governemanta Hoavy. Hivondrona ireo mpitarika eran-tany, ireo tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta maneran-tany, ireo fikambanana iraisam-pirenena, ireo mpitarika eritreritra ary ireo tompon'andraikitra amin'ny sehatra tsy miankina, mba hiantohana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, hamantarana ny vahaolana vaovao ho an'ny fanamby amin'ny Hoavy, hamantatra dieny mialoha ny fahafahana lehibe indrindra (« Key oppotunity ») ary hanentana ireo taranaka governemanta ho avy manaraka.


Ireo lohahevitra miisa 6 lehibe

Ny WGS 2024 dia mifantoka amin'ny lohahevitra fototra enina maika, ka ao anatin'izany ny « Fanafainganana sy ny fanovana ireo governemanta », ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ary ny fanavaozana ireo fitsipika famaritana sy sisin-tany manaraka, ny famoronana indray amina fomba hafa (« reimagination ») ny fampandrosoana sy ny toe-karenan’ny Hoavy, ny fiarahamonina sy ny fanabeazanan’ny Hoavy, ny faharetana ary ny fiovana eran'izao tontolo izao, ary koa ny fandrindrana ny tanan-dehibe (« urbanization ») sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny tontolon’ny fahasalamana manerantany.

Mikasika mpiara-miombon’antoky ny WGS

Ireo mpiara-miombon'antoka stratejika amin'ny fihaonambe (FMI, UN, UNESCO, OECD, World Economic Forum...) dia nanamafy fa ny WGS 2024 dia ho lasa fivoriambe maneran-tany ho an'ny vondron'olona sangany ahitana mpitondra fanjakana, minisitra, tompon'andraikitra ambony, mpanapa-kevitra, mpitarika hevitra sy manampahaizana momba ny raharaha ara-bola, toekarena ary sosialy. Mivondrona izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ny fomba fijery sy ny hevitra mandray anjara amin'ny fampivoarana sy fitadiavana vahaolana vaovao manoloana ny fanamby manerantany sy ny fanatsarana ny fiainan'ny vondrom-piarahamonina manerana izao tontolo izao.


Fanomezana loka (« Prize »)

Ny WGS 2024 dia hanome loka eran-tany maromaro, hankasitrahana ireo minisitry ny governemanta, solontenan'ny sehatra tsy miankina, mpamorona ary mpamorona noho ny fandraisany anjara miavaka amin'ny fananganana fiarahamonina tsara kokoa ho an'ny olombelona. Ireto avy izany mari-pankasitrahana izany: ny “ Lokan’ny Minisitra tsara indrindra maneran-tany ” na «Prix du Meilleur ministre du Monde»; ny " Loka Iraisam-pirenenan’i Dubai " na «Prix international de Dubaï» ho an'ny paika ady amin'ny fampandrosoana maharitra tsara indrindra; ny " Lokan'ny fanavaozana sy ny famoronana ao amin’ny tontolon’ny gouvernemanta " na « Prix des innovations gouvernementales créatives »; ny “ Loka maneran-tany ho an'ny fampiharana governemantaly tsara indrindra na ««Prix mondial des meilleures candidatures gouvernementales », ary ny “ Loka Excellence ny Governemanta Maneran-tany ” na «Prix d'excellence du gouvernement mondial».

Jeannot Ramambazafy

Source Loharanom-baovao : WAM Emirates News Agency

Mis Ă  jour ( Lundi, 12 FĂ©vrier 2024 13:41 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety