Ndry ! Dia tsy mahomby intsony izany ny fomba fiasanâireo mpanolo-tsainy (na Malagasy na vahiny), ka dia izy mihitsy izao no mirotsaka miaro fatratra ny tenany. Fa hono hoy aho, leiretsy : angaha mbola Filoham-pirenena izy moa ka afaka manoratra aminâitony taratasy misy ny fitombokasem-panjakana Malagasy sy ny âtitreâ hoe : Prezidanâny Reoblika ? Asa fa ho an'ny Vazaha dia "usurpation de titre" no dikany io. Satria Filoha teo aloha izy araky ny Tondrozotra ihany.
Dika teny malalaka
Taratasy avy any amin'ny Filoha Marc Ravalomanana ho an'ny TroĂŻka SADC, - 12 Septambra 2012
Tompokolahy mana-kaja isany,
Voatery mizara aminareo ny trangan-javatra niseho vao aingana izaho, izay sady mifanipaka aminâny Tondro zotra, no koa fitadiavana hevitra hanakanana tsy hiverina any Madagasikara, araky ny fanapaha-kevitry ny SADC, taminâny fivorianâny SADC tao Maputo, ny 17 sy 18 Aogositra 2012. Ampiarahako aminâity taratasy ity ny fanambarana ambany fanianana napetrakâi David Erleigh, teny aminâny fitsaranâny âprocureurâ, ny 7 Septambra 2012. Tsy iverenako eto ny vontoatinâilay fanambarana ao anatinâio taratasy io. Ny any tiako ambara [aminareo] dia ny hoe : fanĂ lam-baraka mahamenatra, lavitry ny fahamarinana tanteraka tsotra izao ny mirakitra ao.
Ilay fanambarana dia milaza fa izaho, izay mipetraka aty Afrika Atsimo, dia toa hoe nanao fandikan-dalĂ na idiran-doza: mamporisika na mitetka hamporisika olona ao Madagasikara hamono hahafaty anâAndriamatoa Andry Rajoelina sy olonâambony Malagasy sasantsasany.
====================
NBÂ : marihina fa tsy misy sonia ity taratasy ity (jereo ery ambony aminâny teny anglisy).
NdrĂŽ mahavariana ! Izy Ravalomanana marina ve no nanoratra anâio taratasy io ? Araky ny fiteny dia mipetraka ny fanontaniana hoe: dia laza zazakely tokoa ve I Dada ka any aminâireo Dadabenâny SADC no mitaraina fa ampijaliana foana izy izay anjely latsakan-tany satria vao tsy ela dia âvoafidyâ ho Filoha Lefitry ny FJKM ? Ny Tantara aoriana no hanambara ny tena marina, ry zanalo isany. Amen.
Jeannot RAMAMBAZAFY â 12 Septambra 2012
=================================
Nisy tohiny kay ilay resaka.Satria tsy tapitra teo akory ilay taratasy fa dia olona asa loatra no namita-tena nandefa azy taty amiko. Fa dia i Dada tokoa no niditra an-tsehatra mivantana, misalotra io hoe : The President of the Republic" ery ambony ery. Jereo :
Ary nobaikony Ingahy Brian Currin (mpisolovavany) hanao izay mety e. F'angaha dia tsy aninona tsy aninona mihitsy i Me Hanitra Razafimanantsoa ?