No comment et regardez ces documents mĂ©dias dâarchives uniques dans lâHistoire politique de Madagascar du dĂ©but de ce XXIĂš siĂšcle. Ci-aprĂšs le discours en malagasy du PrĂ©sident Andry Rajoelina. Il sera traduit en français dans un autre dossier.
Ry Vahoaka Malagasy manerana ny Nosy,
Ianareo rehetra manatrika etoana,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Aminâny fo feno fitiavana no itsidihako ny isan-tokantrano sy iarahabako anareo rehetra tsy ankanavaka aminâity andro anio ity.
Zava-dehibe loatra ny lanonana iainantsika androany satria maodely sy ohatra ho alain-tahaka ety Afrika i Madagasikara. Manan-tantara manokana eo aminâny fiainam-pirenena Malagasy ihany koa satria hanatanteraka ny famindram-pahefana ara-pomba demĂŽkratika isika araky ny efa nampanantenaiko.
Nandritra ny dimy taona latsaka tokoa mantsy izao, dia nandalo lalan-tsarotra sy fisedrĂ na ny Firenena Malagasy. Nifanarahana fa ny tanjona ho tratrarinâny Tetezamita, dia ny fanatanterahana ny fifidianana.
Tontosa soa aman-tsara izany ankehitriny, ary tsy tafiditra tao anatinâny velampandriky ny fifandonana, na ny ady an-trano, ny Malagasy. Rehareha ho anâny Vahoaka Malagasy ary voninahitra ho anâI Madagasikara izany. Nitafy herim-po sy finoana isika ary koa firaisankina niatrehana ireny fisedrĂ na mafy ireny.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana, nisafidy ny Vahoaka, voafidy ny Filoham-pirenena voalohanâny Repoblika faha-efatra, voafidy ihany koa ireo Solombavambahoakanâi Madagasikara.
Koa mitodika manokana aminao ny tenako Andriamatoa Filoha voafidy, Hery Rajaonarimampianina. Mitsodrano sy mirary soa anao hahaleo hahalasana. Sarotra Ă ry tsy ho mora, izany adidy mavesatra miandry anao izany.
Miandrandra fandrosoana ny Malagasy, mendrika ho avy mamirapiratra ny Malagasy.
Noho izany, mirary koa raha mirary fahombiazana tanteraka, mba hahazoanâny Vahoaka Malagasy fiainana tsaratsara kokoa ary mba handroso araky ny faniriantsika anie, ity Firenena malalantsika ity.
Mino sy manantena ny tenako fa hahay hihaino ny hetahetanâny Vahoaka Malagasy ianao Andriamatoa Filoha. Ary inoako fa tsy handiso fanantenana anâireo rehetra nametraka fitokisana taminao.
Enga anie ka ny âfitiavan-tanindrazanaâ sy ny âtombotsoam-pirenenaâ hatrany, no hibaiko izay fanapahan-kevitra rehetra ho raisinao.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
MamelĂ ahy ianareo hitodika manokana aminâireto vahiny manan-kaja, tonga manome voninahitra, izao lanonana manan-tantara eto aminâny Firenena izao.
Andriamatoa Filoha Joaquim Chissano, Iraka Mpanelanelana avy aminâny Vondrona SADC,
Tsy ho adinoinay fa teo foana ianao Andriamatoa Filoha, taminâny fitadiavana vahaolana aminâny famahana ny krizy teto Madagasikara.
Nozarainay taminao ny olana sy ny zava-manahirana rehetra, ary tsy nihafahafa ianao, niara-nikaroka hevitra taminay, tsy nihambahamba ianao taminâny fihainoana sy taminâny fanohanana anay.
Maro ireo fivoriana izay nandanianao fotoana, nandanianao andro, niaraka taminâireo mpiara-miasa aminao rehetra. Raha tsy hitanisa hafa-tsy ny tany Maputo, Addis Abeba, Pretoria, Gaborone, Sandton, Dar Es Salam. Eny fa ny teto Madagasikara aza.
Misy fiteny manao hoe : âaminâny fotoan-tsarotra no amantarana ny tena namanaâ. Azo ambara fa ianareo dia naneho fa tena âNamanâi Madagasikaraâ. Aminay dia nisotro ny ranonâi Manangareza tokoa ianao, ka tsy sokajiana ho vahiny intsony, eto aminâity Nosy ity.
Andriamatoa Marius Fransman, Minisitra lefitra ny raharaham-bahininâi Afrika atsimo, izay misolo tena ny Filoham-pirenenanâny Repoblikanâi Afrika atsimo.
Misaotra anao mialoha, aminâny fampitĂ na aminâAndriamatoa Jacob Zuma, ny fankasitrahana sy fankatelemana, satria, ianareo no niara-niasa taminay, taminâny FitondrĂ na Malagasy, teo aminâny fanatanterahana ny tondrozotra ary ny fametrahana ireo rafitry ny Tetezamita rehetra, izay nitondra antsika aminâizao famahana ny krizy izao, taminâny alalanâny fifidianana.
Anisanâny nandray anjara mavitrika taminâizany ianao Andriamatoa Minisitra. Raha tsy hitanisa hafa-tsy ny fihaonana tany Seychelles, ny nanendrena ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana, sy ny nananganana ny Governementa sy ireo Andrim-panjakana maro samihafa.
Tsy azo atao ambany maso tsy hita ihany koa, ny ezaka lehibe notontosainâireo Solotenanâny Firenena mikambana sy ireo Masoivoho tsy ankanavaka monina sy miasa eto Madagasikara, izay niara-nisalahy, namaha olana sy nanampy, taminâny fanatanterahana ny fifidianana.
Aminâny anaranâny Vahoaka Malagasy iray manontolo no anolorako fisaorana feno anareo, aminâizay rehetra nataonareo, sy aminâizao fahatongavanareo manome voninahitra, ny andro androany izao.
Ry Vahoaka Malagasy Namana,
Nanao ny ezaka rehetra taminâny heriko iray manontolo aho, tsy nandry andro, tsy nandry alina, nandritra izay fitantanana ny Tetezamita izay, mba hiarovana ny tombontsoam-pirenena, hitandrovana hatrany ny firaisam-pirenena, hisorohana ny ady an-trano, ary indrindra indrindra hitsinjovana ny sarambem-bahoaka.
Nataoko ny fomba rehetra mba hampitĂ na ny foto-kevitra sy ny soa toavina, ary ireo vina rehetra, hampandrosoana ity Nosy malalantsika ity.
Te hizara amintsika rehetra aho androany fa misy zavatra lehibe mihoatra noho ny fahefana, dia ny fitiavan-tanindrazana, ny Vahoaka Malagasy ary i Madagasikara.
Izany no mibaiko ahy, izany no manentana ahy, izany no mamporisika ahy, taminâny asa rehetra izay nataoko sy aminâireo asa rehetra mbola ho tontosaiko.
Raha tsy nisy ny fitokisana sy ny faharetana, ary indrindra indrindra ny fanohananao ry Vahoaka Malagasy, ho tontosa hatraminâny farany toy izao ve ity Tetezamita ity ?
Izay indrindra no hitodihako any aminao ry Malagasy Namako, ary isaorako anao manokana, satria izany faharetanao sy fitokisanao ahy izany no fanomezana tsara indrindra sy tena mavesa-danja nomenao ahy.
Ary tsy ho voakosoka ato an-tsaiko sy mitoetra ato am-poko mandrakizay izany. Ny fitokisana tokoa mantsy no fanomezana tsara indrindra avy aminao ry Vahoaka Malagasy Namako. Koa misaotra e ! Mankasitraka e ! Mankatelina e !
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Pejy vaovao no misokatra ho anâi Madagasikara manomboka androany. Handeha ka handao ny toerana maha-Filohanâny Tetezamita ahy, ny tenako.
Ny toerana misy ahy no tsy ho eto aminâity Lapa ity intsony, ny andraikitra ho sahaniko no tsy hitovy intsony, satria hiverina ho Olom-pirenena tsotra ny tenako manomboka rahampitso.
Tsarovy anefa, fa na aiza na aiza misy ahy, dia tsy hanalavitra anao mihitsy aho ry Malagasy Namako. Aza manahy ianareo, mahazo matoky ianareo, fa ny tolona sy ny foto-kevitra niombonantsika sy nijoroantsika dia ho arovako hatrany hatrany.
Tsapako fa maro aminareo no mametraka fanantenana sy fitokisana amiko. Aza malahelo ianareo fa mijere lavitra, Madagasikara no tsinjovintsika, ary ny ho avy no banjinintsika. Ary ny fifamatorana misy eo amintsika dia tsy ho rava na oviana na oviana.
Tiako hamafisina aminao fa, fitiavan-tanindrazana no nanosika ahy nandray andraikitra teto aminâny Firenena, izany Fitiavan-tanindrazana izany no nidirako teto taminâity Lapa ity, ary mbola Fitiavan-tanindrazana no mameno ny foko sy ny saiko raha mandao izao Lapa izao ny tenako.
Efa maro izay kabary re, nandritra ny taona nifanesy izay, teto aminâny Firenena. Fa ny bainga voavadika ihany, no vavolombelonâny asa natao, sy hitsarĂ na ny tsirairay, indrindra ny Mpitondra.
Nanangana isika, nanorina isika, namela lova ho anâny taranaka faramandimby isika, vitantsika tao anatinâny filaminana ny fifidianana, koa azoko ambara ankehitriny, fa tratra ny fanamby napetratsika.
Hamafisiko etoana, ny fisaorana sy fankasitrahana anareo rehetra, izay nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka, ka nahavitĂ na an-tsakany sy an-davany, ireo fifidianana natao teto aminâny Firenena.
Mitodika aminâireo Andrim-panjakana sy ny Mpiara-mitantana rehetra, niara-nisalahy tato anatinâny Tetezamita koa ny tenako.
Na teo aza ireo sedra nolalovantsika, dia nahay nifampihaino sy nampiray saina ihany isika. Na dia tsy nitovy aza ny foto-kevitra, na dia samihafa aza ny firehana pĂŽlitika, dia niraisantsika hatrany ireo fanapahan-kevitra ho tombotsoa amboninâny Firenena.
Hisampana izao ny lalantsika, satria izay no lĂ lam-piainana. Koa tsy haiko ny tsy hankasitraka eram-po, eran-tsaina, anareo Mpiara-mitantana rehetra tsy ankanavaka.
Eto aho dia, te hisaotra manokana anareo rehetra niara-niasa tamiko, hatraminâizao fiafaranâny Tetezamita izao. Mafy tokoa raha mafy, izay niainana sy natrehantsika izay.
Mankasitraka manokana koa anareo Foloalindahy sy anareo Mpitandro ny Filaminana, izay nampiseho herim-po sy fahavononana hatrany, tao anatinâny adidy amanâandraikitra nankinina taminareo.
Isaorako manokana ihany koa ianareo Namana rehetra tsy nahafoy, tsy namela ahy hiady irery.
Fa misy Namana singaniko, ary tiako isaorana manokana, satria teo foana nandritra ny fotoana rehetra, na taminâny mora, na taminâny sarotra, nanohana sy nankahery ahy hatrany, tsy iza izany, fa ianao Ramatoa vadiko : Mialy ; sy ianareo Zanako telo mianadahy : Arena, Ilontsoa, Andrialy. Misaotra anareo aminâny foko manontolo aho.
Koa manao veloma mandra-pihaona aminao ny tenako ry Vahoaka Malagasy. Ary mangataka antsika rehetra hitrotro am-bavaka ity Firenena malalantsika ity.
Ho tanteraka anie ny sitraponâAndriamanitra.
Mamiko loatra i Madagasikara!
Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy
*************************************************
Â
Jeannot Ramambazafy
Photos : Harilala Randrianarison â Haja Randria
CLIQUEZ ICI POUR L'ALBUM DE 159 PHOTOS