Ie, ekena fa tena matsilo saina be tokoa ry zareo ao aminâny SeFaFi ao ka nahavita namoaka io boky aminâny sary io ambony io sy ilay lohateny tena manaitra... Fa iza aminâireo vahoaka an-tapitrâisany moa no mandraharaha na tsara fiafara na ratsy fiafara, fa ny zava-misy aloha dia nifarana izy, nivalona tanteraka ary efa tsy misy fitondrana tetezamita intsony eto Madagasikara. Toa ny taorianâny tetezamita nentin-dry Jeneraly Ramanantsoa, Kolonely Ratsimandrava, Jeneraly Andriamahazo, Profesora Zafy, ary Norbert Lala Ratsirahoanana. Nisy nanontany ve hoe ratsy sa tsara fiafara ireo tetezamita ireo ? Fotoana nialĂ na tamina repoblika iray hiampitana aminâny repoblika afa ireo tetezamita ireo. Toa ny fotoana hiandrasana eny aminâny garana raopilanina eo anelanelanan-dihy (âescaleâ). Mety vetivety io fotoana io, mety maharitra. Resaka tekinika ny faharetana fa tsy resabe hanomezan-tsiny ny afa lava izao fa ianareo mpanoratra anjely latsaka an-tany angaha? Tokony nananona ny anona, Rahanona nananona, snsâŠ
Ny hoavy no tokony ho banjininâio SeFaFi izay nipoiranâingahy Jean Eric Rakotoarisoa, kalazalahy aminâny fanodinĂ na ny lalĂ mpanorenena. Atsy ho atsy izany dia hivoaka ny boky mitondra ny lohan-teny hoe : « Tsara fiantombohana ny Repoblika faha-IV » ? Asa aloha faha ireto ny zava-niseho tao anatina telo volana monja (Janoary-May 2014).
Mbola tsy fahita teto Antananarivo fa dia tsy feno ny kianjanâImahamasina taminâny fianianana nataonâilay kandida faha-telo, ny 25 Janoary 2014. Ny harivanâiny ihany dia baomba be no nipoaka tao an-tsenanâImahamasina ihany ka namoizana ainâolona ka ankizy ny roa. Teny Iavoloha moa dia niaom-pampana ny vidin-javatra naroso tao, nefa toa tsy nisy niraika akory ny tao ambony tao (asa, andro tsy manam-paharoa tokoa ka naleho nararaotina?) ary mino aho fa voaloha soa aman-tsara ireo 2 miliaranâi Ramatoa Marie Odette Claudine Razaimamonjy tomponâny " A&C HĂŽtel " eny Ivato.
Fa ny ampitsony ihany dia fantatra fa kay hala-tahaka taminâny kabarinâny Filoha frantsay teo aloha, Nicolas Sarkozy, ireo fehezan-teny nihezahany navoaka toa tora-po avy any aminy mihitsy. Tsy fantatra, hatreto, iza no tena tomponâandraikitra taminâizany fahafaham-baraka eran-tany izany fa mionona fotsiny aminy hoe: voaraoka hono e ilay mpanolo-tsaina vahiny e ! Dia nitohy eny ihany ny dia. Ary nojerena indray ilay trano-kala (âsite internetâ) ofisialy natokana ho anâny presidansy: kay dia hala-tahaka ny anâny âWhite Houseâ any Etazonia indray !
Nahatadidy daholo ny rehetra fa nianiana teo anatrehanâAndriamanitra, ny vahoaka sy ny firenena ingahy kandida faha-3 fa hanaja ny lalampanorenena toa ny anakandriamasony. Inona anefa no teo ? Tsy norarahiny ilay andininy faha-54 fa novany ny mpikambana telo tao aminâny HCC ary dia azy ny laka. Tsy hiditra an-tsipirihina intsony ahy eto fa tsara tokoa ny vokatra azony. Olon-dehibe akama 71 taona no nosafidiany -fa tsy notendreny- ho lasa Praiminisitra, satria, hono, tao anatina depiote miisa 93 notsiponina etsy sy eroa ary minoa fa nisy vola nandehandeha tao. Ny ankamaroanâireo anefa dia tena fahavalony mihitsy taminâny fampielezan-kevitra, ary tsy nanohana azy mihitsy taminâny fiodinana faharoa.
Nilaza koa moa izy fa tsy hisy izany hoe âredoublementâ (izany hoe minisitra taminâny tetezamita) ao anatinâny governemanta vaovao. Fâinona no teo? Valo be izao no ao aminâizao fotoana izao ! Manaraka ? Na dia toa nanelingelina azy fatratra ny nahavoafidy anâi Ramatoa Christine Razanamahasoa ho vehivavy voalohany filohanâny Antenimieram-pirenena, dia niarahabainy soa aman-tsara ihany. Fa inona no tao ambadika tao ? Zava-doza tsy fahita eran-tany. Nampiaisainy mafy indray ny HCC ary dia tonga aminâilay fifidianana taminâny 3 May 2014 teo, tao Tsimbazaza. Izy moa, miteny ombieny ombieny fa hampiatra ny demokrasia âtena izyâ ka dia io ny vokany: lany 100% ingahy Jean Max Rakotomamonjy ary tsy mba nisy kandida afa nifanandrina taminy. Izay tokoa ka demokrasia tena izy an !
Inona ny manaraka? Dia io fikasana hatao antoko politika ilay Hery vaovaonâi Madagasikara, izay handimby ny Arema, ny Undd sy ny Tim manerana ny Nosy. Mba nianatra tantara ve ry Jaobarison sy Me Rabary-Njaka e ? Ity fotsiny aza dia tsy fantany: izany Hvm izany anie efa nisy taminâny taona 1990-1991 e ! Hery Velonâi Madagasikara no anarany taminâzany fotoana izany ! Vita izay dia handeha aminâizay ny fangataham-bola any ivelany satria hilaza izy fa efa matanjaka be ka tsy hisy hanelingelina intsony izy eo aminâny fitondra. Ny miaramila moa efa izy no lehibe fara-tampony, ary efa voasolo daholo ny lohan-dohany⊠Mibaiko izy dia mamoritra ireitsy. Haka-tahaka aminâi Ravalomanana koa izy aminâny fizarana vola amina miliara. Tadidio fotsiny leiretsy ny tao aminâny Fign Fort Duchesne sy ny tany aminâny Bani Ivato a! Resaka 5 miliara taminâizany. Tsy ho 50 miliara aminâity ?...
Fa asa tokoa aloha raha tonga dia hanome vola ireo mpamatsy vola mahazatra na tsia. Ny zava-misy aloha dia efa manify ny ao anatinâny kitapom-bolam-panjakana, aminâizao fotoana izao. Izay no nahatonga ireny fitakiana hetra nampiasana miaramila ireny raha tianareo ho fantatra. Nefa tsy misy olĂ na raha mbola tsy manome ry zareo Fmi sy Banky iraisam-pirenena satria dia hangala-tahaka aminâny Profesora Zafy ka hanao âfinancements parallĂšlesâ avy any aminâireo kely maso efa nanome ireo fiara 4X4 miisa 350. Tena miaiky tokoa ve ny vahoaka malagasy nifidy azy 53,50% fa dadany izy ?
Adinony tanteraka aloha ny mba namangy ireo olona nifidy azy tany aminâny faritra rehetra tany. Niala tanteraka ny saron-tavany ka dia io izy io leiretsy a ! Inona moa no tokony hatao aminy ? Izy ihany no nampidi-kizo ny tenany ka dia izy ihany no hotototra ao anatinâilay lavaka noloarany. Isika vahoaka kosa dia tsotra: tsy resy tsy akory ny olo-manginaâŠ
Izay ka asa raha mba hamoaka boky mikasika ireo tranga ireo ny SeFaFi na mbola boky hilaza fa nety ary mety daholo ny nataony, ataony ary mbola hataonâingahy Hery Martial Rajaonarimampianina Rakotoarimanana, satria âfiloha voafidim-bahoakaâ izy. MandiniĂ tena ry mpikambana ao aminâny SeFaFi a ! Marina fa mety lalin-tsaina ianareo fa aza rebirebena ny vahoaka fa rehefa misy ny gidragidra tsy mba tazany mihitsy ianareo miaro azy ireo ! Ny sasany moa mody maka rivotra any Andafy any mihitsy⊠Ny vahoaka foana no mianto-bilona. Fa ho afa ny aminâity repoblika faha-IV vao manomboka ityâŠ
Niniako tsy nasiana sary mihitsy ity lahatsoratro ity. Ka mitsangana izay sahy milaza fa lainga daholo ireo. Indrindra ry zalahy ao ambony aoâŠ
Jeannot Ramambazafy â 4 May 2013