Ny fikambanana miaro ny tany Malagasy, Collectif TANY
ANTSO AVO HO ANâNY HANAFAHANA IREO MPITARIKA NY FIKAMBANANA âVONA FITIAVAN-TANINDRAZANAâ,
izay hivondronanâny mponina any ifotony manohitra ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibonâny tany ao SOAMAHAMANINA
Ny faha-22-nâny volana Septambra tao Soamahamanina dia noravĂ nâny herim-pamoretana taminâny etona mandatsa-dranomaso ny hetsika nataonâny mponina ao an-toerana manohitra tetikasa fitrandrahana harena ankibonâny tany. Taorianâizany, dia voasambotra ny mpiandraikitra roa ao aminâny fikambanana âVONA FITIAVAN-TANINDRAZANAâ izay iarahanâny solontenanâny tanĂ na vokasiky ny tetikasa. Mitaky ny hamotsorana tsy misy hatakandro anâi Pierre Robison sy Andrianony Tsihoarana izahay
Soamahamanina dia kaominina misy mponina 14 000, ao aminâny distrikanâi Miarinarivo, faritra Itasy, 70 kilometatra avy ao Antananarivo, renivohitrâi Madagasikara.
Ny fahazoanâny orinasa Jiuxing Mines SARL alĂ lana hitrandraka volamena, sy mineraly maro : zinc, fer, plomb ary berillium, mandritry ny 40 taona ao Soamahamanina ary ao aminâny kaominina mifanolo-bodi-rindrina aminy, ao Arivonimamo II - sy ny fahazoana alĂ lana manokana eo aminâny faritra iray (AERP na Autorisation exclusive de rĂ©servation de pĂ©rimĂštre) ao Morafeno â dia niteraka hetsiky ny mponina teny amoronâny lalĂ m-pirenena voalohany nanomboka taminâny fiandohanâny taona 2016.
Io tetikasa firandrahana izay mahakasika velaran-tany 7 500 hekitara io tokoa mantsy dia toherinâny olona monina aminâizao fotoana izao eo aminâny faritra voakasiny ary manamafy ny fahavononan-drizareo hiaro ny taniny, ny toerana hiainany, ny harena voajanahary ananany, ny fitaovana hihariany harena sy sakafo hohanina, ny fasan-drazany, ary ny fahavononany hitandro ny fiangonana sy sekoly izay voalaza fa harodana.
Ny fivoahanâny alĂ lana ara-tontolo iainana ho anâny toby ao Andravolobe taminâny 26 May 2016, â ny alĂ lana ara-tontolo iainana izay dingana farany mialoha ny fahafahana manomboka ny fitrandrahana â dia nampisongadina fomba fakĂ na ny hevitry ny mponina izay tsy azo ekena satria ny ankabeazanâny mponina dia na tsy nanontaniana ny heviny, na nandĂ . Ny mponina ao an-toerana dia mitanisa fahavoazana ara-tontolo iainana samihafa hiseho raha toa ka miroso ny fitrandrahana harena ankibonâny tany izay mampiasa fitaovana vaventy.
Na izany aza, dia tonga nanenika ilay toby niaraka taminâny mpiasany sinoa maro sy ny fiarabe ary fitaovana vaventy ilay orinasa.
Taminâny faha-20-nâny volana Jona, tao aorianâny fivoriana nanentananâny eveka mpikambana ao aminâny Justice et Paix (Fahamarinana sy Fandriam-pahalemana) dia nanangana Fikambanana Fanoherana ny mponina, izay niteraka avy eo ny VONA Fitiavan-tanindrazana, izay ivondronanâny solontena avy aminâny fokontany rehetra voakasika. Ity hetsika ity dia nahazo ny fanohananâny fikambanana avy aminâny firaisamonim-pirenena, avy aminâny kaominina manodidina ary avy aminâny olom-pirenena maro. Hany ka ny faha-19-nâny volana Jolay nanapa-kevitra ny Masoivohonâny Shina ao Madagasikara sy ny Filan-kevitry ny Governmanta fa hampiato ny asanâny orinasa Jiuxing Mines.
Saingy ny fialĂ nâny orinasa sy ny fitaovany tanteraka no takianâny hetsika.
Raha ny marina, dia tsy manome lanjany ny fitarainanâny mponina ny manam-pahefana fa mitady kosa hampangina azy. Hita indrindra izany taminâny fotoana nanaovanâny Filohanâny Repoblika fitsidihina tao Miarinarivo, renivohitry ny Faritra, taminâny faha-8-nâny volana Septambra izay norarĂ na ny fanehoana hevitra sy fitakiana amina sora-baventy : nahavita nampiseho ny fitakiany tamina sora-baventy ny mponina avy ao Soamahamanina io andro io.
Manoloana ny tsy fisianâny fihainoana avy aminâny governemanta, dia naverimberinâny solontenanâny mponina taminâny fanambarana maromaro manoloana ny mpanao gazety ity fangatahany ity, nentina nandritry ny filaharambe tao an- tanĂ na ary navoitra taminâny alĂ lanâny « ultimatum » (na fanomezana fetra ara-potoana hentitra) nofaritina hifarana ny 21 Septambra. Ny ampitsonâio, taorianâny hetsika an-dalam-be, dia nianjera tamboninâny mponina ny famoretana.
Manoloana ny herisetra atao aminâny mponina miaro ny fananany, manoloana ny fanindriana sy fanaporetana tsy azo ekena atao aminâny tany Malagasy izay atokanâny lalĂ na manan-kery ho « paradisan-karena » ho anâny mpampiasa vola aminâny fitrandrahana harena an-kibonâny tany, dia manao antso avo aminâny olom-pirenena rehetra eran-tany ny fikambanana Collectif TANY mba hitaky :
- ny fanafahana tsy misy hatakandro anâi Pierre Robison sy Tsihoarana Andrianony
- ny fampijanonana ny famoretana rehetra ny hetsiky ny mponina
- ary ny fanomezana fahafaham-po ny fitakianâny mponina maro anâisa ao an-toerana.
Parisy, faha-28 Septambra 2016
Ny fikambanana miaro ny tany Malagasy, Collectif TANY