Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo solontenanâny Daewoo Logistics, teny aminâny Lapam-panjakana ao Iavoloha, ny volana Oktobra 2008
Ny faha-18 novambra taona 2008 no nampahafantaranâny gazety anglisy « Financial Times » fa eo am-panaovana fifanarahana goavana be ny orinasa Daewoo Logistics sy ny governemantanâi Madagasikara. Folo taona aty aoriana, inona no zava-misy iaraha-mahita ?
Ny faha-18 novambra taona 2008 no nampahafantaranâny gazety anglisy « Financial Times » fa teo am-panaovana fifampiraharahana mikasika fifanekena goavana be ny orinasa Daewoo Logistics sy ny governemantanâi Madagasikara. Taminâny alĂ lanâio fifanekena io dia nikendry ny hahazo tany tsy latsaky ny iray tapitrisa sy telo hetsy hekitara (1,3 million dâhectares) hambolena katsaka sy  palma fanaovana menaka izay haondrana any ivelany ilay orinasa avy any Korea atsimo, nefa ny mponina eny ifotony tsy nampahafantarina izany. Ny fanaparitahana io raharaha io dia anisanâny antony nahatonga ny fianjeranâny mpitondra firenena teto Madagasikara volana vitsy taty aoriana ary nahatonga ny mponina eran-tany ahalala ny fisianâny fironana vaovao mahatsiravina ho aminâny fangoronana ny tany izay tokony hambolena sy hamokarana, noho ny kirizy ara-sakafo sy ara-bola.
Folo taona aty aoriana, inona no zava-misy iaraha-mahita ?
Aminâny lafiny iray, tsikaritra fa mitombo foana ny isanâny fangoronana sy fanaovana ampihimamba ny tany ho anâny famokarana sakafo sy ny fambolena. Taminâny taona 2016 ny fikambanana GRAIN dia nahita fifampiraharahana 500 isa mikasika tany 30 tapitrisa hekitara (30 millions dâhectares) any aminâny firenena 70, izay any Afrika ny atsasany. Fa nihena kosa ny hafaingananâny fifampiraharahana mikasika ny tany ary maro ny tetikasa goavana no tsy nahomby. Tao ny maty antoka ripaka fananana, tao ny nandamoka ny asa, ary tao ny voatery nijanona noho ny fanoheranâny mponina. Ka mba hialĂ na aminâny fanehoan-kevitry ny besinimaro dia mitodika amina fomba fangoronan-tany ankolaka fetsifetsy kokoa ny mpampiasa vola : fambolena voafatotry ny fifanarahana (« agriculture contractuelle »), faritra manokana ara-toekarena (« zones Ă©conomiques spĂ©ciales »), ivo-toerana mifantoka aminâny fambolena (agropoles) ary lalantsaranâny foto-drafitrâasa (« corridors dâinfrastructures »). Fa na inona na inona ny fomba ampiasaina dia ny fanangonana sy fangoronana tany no tena hevi-dehibe.
Hita aminâny fomba mazava kokoa ihany koa fa maro aminâireo fifanarahana ireo no miantehatra aminâny herisetra sy ny tsy fanajĂ na ny zo. Taminâny taona 2016 ny Fitsarana Heloka bevava Iraisam-pirenena dia nanitatra ny faritra iadidiany taminâny fampidirana ny fangoronan-tany (« accaparement de terres ») ho anisanâny « heloka bevava manohitra ny maha-olombelona » (« crime contre lâhumanité ») izay ho henjehiny manomboka izao. Ny taona 2017 no nahitanâny  fikambanana Global Witness isa ambony indrindra hatraminâizay momba ny famonoana olona mpiaro ny zony eo aminâny taniny any ifotony ary nambarany fa ny sehatra manodidina ny fambolena sy famokarana sakafo no antony lehibe indrindra mampitombo io toe-javatra io. Taminâny taona lasa, maro ireo mpanao politika sy mpandraharaha manao kolikoly no tafiditra am-ponja noho ny fandrobĂ ny tany fambolena midadasika mba hanadiovana vola maloto. Miha-mavesatra ny vokatry ny fangoronan-tany eo aminâny lafiny maha-olona.
Any ifotony kosa anefa, dia iaraha-mahita fa misy fanantenana lehibe misandratra. Mifandamina ny mponina ary manangana fiaraha-miasa mba hanoherana ireo tetikasa ireo sy hamerenana indray ny fahafahany mifehy ny taniny. Any aminâny toerana samihafa anyAfrika Andrefana, ireo vehivavy voatery nifindra-monina noho ny fambolena palma hanaovana menaka tantananâireo vondronâorinasa aziatika toa anâi Wilmar, Olam, Golden Agri-Resources sy ny hafa maro dia mandalina sy mampiasa ny traikefa anananâny rehetra, ka miara-mamolavola paikâady ary mahita hery sy fomba ahatonga ny feony ho heno eo aminâny tolona atrehiny.
Ny mponina manodidina ny toera-pambolena makadiry izay vatsianâireo vondrona eoropeana Socfin sy BollorĂ© ara-bola, dia nanorina fiaraha-miasa mba hampitomboana ny tsindry eo aminâny mpampiasa vola mba ahatonga azy ireo hihaino ny fitakiany, ary hanome antoka fa tsy ho voaloto ny rano, ho mendrika ny fepetra rehetra manodidina ny asa sy haveriny ny taniny. Any Repoblika Demokratikanâi Kongo, manohitra ny fitrandrahana palma fanaovana menaka eo aminâny velaran-tany iray hetsy hekitara (100.000 hectares), izay anâi Feronia, fanĂ nanâi Unilever teo aloha, ny mponina sady tsy manaiky ny maha-ara-dalĂ na io tetikasa io, aminâny alalanâny fametrahana fitoriana eo anivonâny governemanta eoropeana maro.
Misy ohatra maro hafa any Azia sy Eoropa ary Amerika. Fa ny hafatra fototra dia tokony hampitomboana ny asa ataotsika hanakanana hatrany am-piandohana ireo fifampiraharahana aminâny velarantany midadasika. Tsy misy aminâizy ireny na iray aza afaka mamelona ny mponina ao an-toerana, fa ny tena ataony dia manamora ny fisianâny fifandirana, ny fandroahana ny tomponâny tany ary ny fanararaotana.
Handao hiverina any Madagasikara, izay hoatry ny nijanona tsy niodina ny fotoana. Mbola miasa ao an-tanĂ na i Daewoo Logistics, miafina ao ambadiky ny anarana hafa (*). Ilay tolotra tany nandamoka teo aloha dia miverina manaloka ny zotra-pifidianana ankehitriny noho ireo mpanao politika nilaza ho nanohana na nanohitra ilay fifanekena, folo taona lasa izay, miverina mifaninana indray aminâny firotsahana ho filoham-pirenena. Aminâizao fotoana izao dia misy ny vondronâny mponina malagasy maneho herim-po sy mitolona manohitra tetikasa fangoronan-tany hafa maro, aminâny velaran-tany kely kokoa noho ilay goavana be tao aminâny andrana nataonâi Daewoo. Samy manantena fa tsy hiverina indray ny tantara ary manantena fa ny fitondra-panjakĂ na vaovao dia hanohitra izay fakam-panahy rehetra hanome ny loharano-karenâny firenena ho anâny tombotsoanâolom-bitsy
Ity lahatsoratra ity aminâny teny Anglisy dia azo takarina ao aminâny tranokalanâny Thomson-Reuters Foundation sy ao aminâny tranokalanâny fikambanana GRAIN.
Taminâny volana Oktobra 2008 i GRAIN no namoaka tatitra mitondra ny lohateny hoe « Main basse sur les terres agricoles en pleine crise alimentaire et financiĂšre » : https://www.grain.org/article/entries/140-main-basse-sur-les-terres-agricoles-en-pleine-crise-alimentaire-et-financiere :
FandrobĂ na ny tany tokony hambolena mandritry ny kirizy ara-sakafo sy ara-bola). Ny tranokalany dia anisanâny toerana ahitĂ na rakitra sy tranga betsaka indrindra momba ny fangoronana sy fanaovana am-pihimamba ny tany (« accaparements de terres ») eran-tany ary momba ny « tolonâny tantsaha sy ny hetsika sosialy mba hanamafisana ny fifehezanâny vondronâolona any ifotony ny rafitra ara-sakafo mifototra aminâny harena voajanahary » :
16 Novambra 2018
Nosoratanâi GRAIN sy ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy