]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Razanamalala Elianne Marie. Mampiaiky tokoa ilay fangalara-tany nataony

Razanamalala Elianne Marie. Mampiaiky tokoa ilay fangalara-tany nataony

Razanamalala Elianne Marie (sary Facebook)

Asa raha tadidinareo ilay lahasoratra efa nivoaka teto sy tao amin'ny “La Gazette de la Grande île” tamin'ny Sabotsy 23 Novambra 2019 mitondra ny lohateny : “Razanamalala Elianne Marie: Fahaganana nataony tao Masinandriana amina PA manjavozavo”. Nitohy ihany ny fikaroako ny marina ary dia vao mainka mahazendana ilay raharaha fangalara-tany. Araho ny tohin'ny tantara.

Nanontany aho tamin'ilay lahatsoratra voalaza etsy ambony hoe : ahoana ny fomba nahazoany “ordonnance” avy tany amin'ny tribonaly nanaovana fitsiriana ? Satria tsy nandalo teny amin'ny Kaominina ambanivohitra Ankadikely Ilafy mihitsy ily fangatahana, na koa tao amin'ny iray amin'ireo fokontany manodidina ilay tany dia ny fokontanin'i Masinandriana, Mandrosoa, Antanetibe, Manazary ary Ambohibe. Hevi-petsy no nataony ary tsy omen-tsiny mihitsy Ramatoa Rakotomanga Rosiane Natacha, Filoha lefitry ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo, izay namoaka ny didy fitsiriana (“Ordonnance”) laharana faha-6491 (FTA 4347/19 – RC 9380/19). Tsy dia nilaina “mallette”. Satria maro tokoa ny karazana fangatahana mandalo eo amban'ny masony. Kanefa, tokony mba asiana fanovana ny fepetra mikasina io resaka “prescription acquisitive” na PA io satria mora ambakaina ny mpitsara... Vakio anie e!

Ny 10 May 2019 dia nomen'ny Mpikajy Fananan-tany Fanamarinana Fananan-tany (“Certificat de Situation juridique”) izany Ravaosalama Blandine Louisette izany. Izy ity dia tsy fantratr'ireo taranaka mpandova an-dRazanadranto sy Rasoanandrianina, tompon'ilay tany ao Ambohimalala tao hoe ! “Ambohimalala, BH, parcelle 166, rejistra 01, takelaka 77”, ary tsy monina eny akaiky eny fa ao Soamanandrariny. Iraka fotsiny ihany izany io Bandine Louisette io. Fa iza no naniraka azy?

Nanomboka tamin'ny taona 1998? Tsy misy voly na fambolena nataony mihitsy eo amin'ilay tany ary ilay famefena sy ilay trano tsy misy rihana dia tamin'ity taona 2019 ity vao natsangana daholo. Maro ny vavolombelona na dia ireo nanangana fotsiny aza



Ny 12 Jona 2019, dia nisy nandefa fangatahana didy manendry Kaomisiona (“Commission”) voatendrin'ny lalàna hanao fitsirihana eny amin'io tany io. Tsy iza io olona io fa Ramatoa Razafindravao Jeannette izay tsy iza fa renin'i Razanamalala Elianne Marie. Tany amin'ny “Mairie du 4è arrondissement” Antananarivo Renivohitra izy no nanao izany fangatahana izany satria ao Anatihazo Isotry izy no mipetraka sy monina. Tsy fantatro raha ara-dalàna izany na tsia fa lavitr'ilay tany ao Ambohimailala aloha izany. Io fangatahana io no nentiny tao amin'ny Tribonaly izay nanome tokoa ilay “Ordonnance” voaresaka etsy ambony. Eo amin'izay dia toa lasa rugby (baolina lavalava) ilay tantara.

Ny 18 Jolay 2019 dia nomen'i Ramatoa Razafindravao Jeannette Fanomezan-dàlana (“procuration”) “hisolo tena” azy i Razanamalala Elianne Marie izay tsy iza fa zanany ihany, teraka ny 28 Jona 1981 tao Ihabobo Ambositra, Fianarantsoa, ary monina ao Masinandriana Ilafy. Tsy ilay fisoloan-tena no olana eto fa ilay voasoratra ao anatin'ilay Fanomezan-dàlana. Satria tokoa izao ny voasotr'i Ramatoa Razafindravao Jeannette: “Tany izay najariako ka ANGATAHIKO ARA-PANJAKANA” (dia nosoratany eo ny “dossier 4347/19” izay tsy inona akory fa ilay alàlana hanaovana fitsirihana (“Ordonnance”) ihany. Dia efa nihevitra izy izany fa azy ireo amin'izay io tany io.

Ho fantatra eo ihany ny asa any anaty “couloirs” rehetra nataon'ity Razanamalala Elianne Marie, fa ny 13 Novambra 2019 dia nahazo fiantsoana avy any amin'ny Lehiben'ny Kaomisiona misahana ny fitsirihana fanamaintsimolaly laharana faha-108 BAV ny ao amin'ny fokontanin'i Masinandriana. Any izany vao tafiditra amin'ilay resaka ity fokontany tena misy ilay tany. Voadingana hatrany amboalohany tokoa...

Ny 19 Novambra 2019 ary dia notontosaina ilay fitsirihana izay notateriko tao amin'ilay lahatsoratra nivoaka ny 23 novambra 2019. Ary vao afak'omaly 5 Novambra 2019 no natao peta-drindrindra (ireo ambony ireo ny takelaka miisa efatra) araka ny ambaran'ny lalĂ na ny vokatr'io fitsirihana io, ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ankadikely Ilafy. 30 andro io no hijanona eo. Avy eo hiverina any amin'ny Tribonaly. Ho fanta-tsika eo ihany ny tohin'iny fitsirihana iny fa maro ny tsy fanarahan-dalĂ na nataon'izy mianaka ireto dia Razanamalala Elianne Marie sy ny reniny Razafindravao Jeannette izay toa kofehy manara-panjaitra ihany.

Razanamalala Elianne Marie (sary Facebook)

Ny tena mahazendana dia ity manaraka ity : Nanatona ny Sefo Fotontany ao Masinandriana ity Razanamalala Elianne Marie ity ary nilaza tsy niambahamba fa “novidiany” hono io tany “Ambohimalala, BH, parcelle 166, rejistra 01, takelaka 77” io. Fa tsy tadiny, hono, na tamin'izany Vololona izany na izany Saholy izany. Rehefa nangatahina tamin'ny ary ny fifanarahana fivarotana na “acte de vente” dia nilaza izy hoe : “any amin'ny tribonaly no hasehoko”. Tena marina fa mampiaiky tokoa ilay fangalara-tany nataony. Ny mahavariana ahy manokana dia ny hitako ao amin'ny pejiny Facebook izay afaka jeren'izao tontolo izao.

Milaza mantsy i Elianne Marie ao amin'ny pejiny Facebook fa ny tena faniriana amin'ity fiainany ity dia ny mahasambatra azy mianadahy zanany (“Mon plus grand souhait dans cette vie, c'est que mes enfants soient heureux”). Io teny frantsay io no voasotra ao.

Mbola nampiany ihany koa amin'ny teny malagasy fa “LEHIBE LOATRA NY MPIAHY AHO ka tsy hahatahotra ny ho aviko aho”. Asa aloha fa raha tena mpino tokoa ianao dia tokony fantatrao fa tsy tonontononina fahatany ny anaran'Ilay Mpiahy. Ary havereno ny tanin'olona bodoinao tsotra izao fa aza ampilanjaina halatra ny zanakao. Mbola hitohy ny fikaroana ataoko mandrapahatonga ny fandresen'ny rariny, ny hitsiny ary ny marina ho an'ireo taranak'i Razanadranto sy Rasoanandrianina atao tsinontsinona.

Nankaiza daholo ireo mangahazo, voanjobory, vomanga, katsaka sy tsaramaso nolazainy fa nifandimby namboleny teo nanomboka ny taona 1998 ? Lasan'ny dahalo ?

Raha mbola miziriziry ihany ry zareo fa ny mpanao gazety no mandainga dia misy taratasy daholo ireto manaraka tanisaiko eto, fa tsy omby ny gazety izay niseho tao amin'ny fokontanin'i Masinandriana :

16 Jolay 2019: nandefa taratasy fangatahana hanorina tamboho io Razanamalala Elianne Marie fa tsy nahazo satria ny Ben'ny tanĂ na ihany no manome izany. Mazava fa tsy nahazo izy kanefa nanomboka nanangana ihany izy.

21 Aogositra 2019. Nitondra ny taratasy fanamarihana manambara fa misy mpandova ny tompon'io tany io, ny solontenan'ny fianakaviana. Nalefa tany amin'ny Kaominina ambanivohitra Ankadikely Ilafy ireo taratasy marobe ireo.

08 Septambra 2019. Tsy noraharahian'ity Elianne Marie ity ny taratasy fiantsoan'ny Kaominina azy izay naterina an-tanĂ na tany aminy, monia eo akaikin'ilay tany ihany anefa.

11 Septambra 2019. Nandefasan'ny Kaominina fanajanonana asa fananganana tamboho fanindroany izy.

16 Septambra 2019. Nidina teny an-toerana ny teknisiana eo anivon'ny Kaominina sy ny Lefitry ny Sefo Fokontany Masinandriana nanao fanamarinana ny zavatra efa tafatsangana ary noraketina an-taratasy ary nanamafisany ny fanajanonana ny fananganana ilay tamboho.

23 Septambra 2019. Nametraka taratasy fanohanana ireo tompon-tany mpandova.

Ny 13 sy 19 Novambra 2019 moa dia efa noresahina etsy ambony.

02 Desambra 2019. Tsy taitra mihitsy i Razanamala Elianne Marie fa nangataka taratasy fanamarinana tao amin'ny fokontany Masinandriana, ilazana fa izy marina no nanangana ny tamboho sy trano eo amin'ilay tany. Tsotra ny valin-tenin'ny Sefo fokontany: nanome taratasy milaza ny tsy afahany manome izany taratasy fanamarinana izany izy. Ny antony dia satria misy tompony io tany io ka lasa misy olana.

Mbola hitohy, hoy aho e!

Jeannot Ramambazafy - Dosie mivoaka ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île", Sabotsy 07 Desambra 2019

Mis Ă  jour ( Dimanche, 08 DĂ©cembre 2019 03:23 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety