TATITRA MIKASIKA NY ZONâOLOMBELONA TETO MADAGASIKARA TAMINâNY TAONA 2016
FAMINTINANA ANKAPOBENY
Madagasikara dia firenena demokratika miorina aminâny lalĂ m-panorenana, tarihinâny Filoham-pirenena nofidiam-bahoaka, fahefana mpanao lalĂ na mizara roa (Antenimieran-doholona sy Antenimieram-pirenena), Praiminisitra ary minisitra maro. Taminâny taona 2013 ny Filoha am-perinasa sy ny Antenimieram-pirenena ankehitriny no voafidy, io no fifidianana nasionaly voalohany taorianâny fanonganam-panjakana taminâny taona 2009 nampiala ny filoha teo aloha Ravalomanana. Misy ny fifidianana benâny tanĂ na notontosaina nanerana ny firenena ny volana Jolay 2015 ka nahafahana nametraka ny Antenimieran-doholona taminâny volana Desambra 2015. Tontosa tamim-pilaminana avokoa ny fifidianana rehetra ary nambaranâireo mpanara-maso iraisam-pirenena fa taminâny ankapobeny dia tontosa tao anatinâny fahalalahana sy rariny, na dia vitsy aza ny mpifidy tonga nandatsa-bato sy ny nandĂ vanâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ m-panorenana ireo fitoriana rehetra niisa 31 avy aminâny mpanohitra.
Nisy fotoana tsy voafehinâny fitondrana ny mpitandro ny filaminana.
Anisanâireo endrika fanitsakitsahana ny zonâolombelona nisongadina indrindra ny tsy fahafahanâny fitondrana miantoka ny fanjakana tan-dalĂ na, izay nitarika kolikoly sy tsimatimanota teo anivonâny manam-pahefana, sy fanararaotana nataonâny mpitandro filaminana; fitomboanâny faneriterena ny fahalalahanâny fanehoan-kevitra, ny asa fanaovan-gazety ary ny fivoriana; ary ny fampiasana zaza tsy ampy taona, anisanâizany ny fampiasana an-tery zaza tsy ampy taona.
Anisanâireo olana hafa mahakasika ny zonâolombelona ny fandatsahana aina tsy manara-dalĂ na; hamafinâny fiainana any am-ponja, indraindray mitarika fahafatesana; ny tsy-fahombiazanâny fitsarana izay tsy tena nahaleo tena, ka nitarika fahelanâny fiandrasana ny fotoam-pitsarana; ny fanavakavahana ataonâny fiaraha-monina sy herisetra mianjady aminâny vehivavy; fampijaliana ankizy sy fampanambadiana zaza tsy ampy taona; fanavakavahana sy herisetra mianjady aminâireo manana fahasembanana ary ny vehivavy manambady vehivavy, ireo Lehilahy Manambady Lehilahy, ireo sady Manambady Lehilahy no Manambady Vehivavy (LGBTI); fitsaram-bahoaka; ary ny fanondranana olona an-tsokosoko.
Nahalana ny fitondrana no nandray fepetra hanenjehana araka ny lalĂ na na hanasaziana ireo tomponâandraikitra nanararao-pahefana, ary mbola olana hatrany ny tsimatimanota.
Fizarana voalohany. Fanajana ny maha-olombelona, anisanâizany ny fahalalahana manoloana ny:
a. Fandatsahana aina tsy misy porofo na tsy manara-dalĂ na na noho ny antony ara-politika
Nisy tatitra maro nilaza fa nisy mpitandro filaminana na tomponâandraiki-panjakana nanao fandatsahana aina tsy misy porofo na ivelanâny lalĂ na taminâny olona nahiana ho olon-dratsy. Ny ankamaroanâireo fandatsahanâaina ireo dia nitranga nandritra ny hetsiky ny mpitandro filaminana hamongorana ny halatrâomby nataonâny jiolahy mitam-basy tany aminâny faritra afovoany, andrefana ary atsimo andrefanâny nosy. Indraindray dia nirotsaka nanampy ny fitondrana hamongotra ny halatrâomby ny mponina ary nanjary tomponâantoka taminâny famonoana dahalo; indraindray izy ireo no nifanehatra taminâny ny mpitandro filaminana na nifanehitra teo aminâny samy mponina.
Taminâny volana Janoary dia nisy tatitry ny Zandarimariam-pirenena nanambara fa niisa 36 ny olona nahiana ho mpangalatra matinâny zandary nandritra taona 2015. Tsy tafiditra tao anatinâizany isa izany ireo maty nandritra ny Hetsika Fahalemana, hiarahanâny akolafin-kery samihafa avy aminâny mpitandro filaminana hamerenana ny fahefam-panjakana tany aminâireo rafitra niisa 11 tena nanjakazakanâny dahalo tamin-kerisetra. Voalaza fa an-jatony ireo nahiana ho dahalo matinâny mpitandro filaminana nandritra io hetsika io, izay nifarana taminâny fomba ofisialy taminâny volana Desambra 2015. Nitohy hatrany nandritra ny taona ny famonoana olona nahiana ho dahalo. Na dia nampanantena aza ny manam-pahefana fa hanao fanadihadiana momba ireo tranga maro voalaza fa namonoana olona ho sazy taminâny taona 2015, dia tsy nisy naseho ho fanta-bahoaka ny valinâizany fanadihadiana izany. Nandritra ny taona dia voalazanâny mpampahalala vaovao fa fahafatesanâolona tsy latsaky ny 199 no naha-voarohirohy ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanandrinana mitam-piadiana, indrindra taminâny olona nahiana ho dahalo. Notaterinâny mpampahalala vaovao ihany koa fa nisy mpitandro filaminana voarohirohy taminâny fahafatesanâny mpitandro filaminana hafa, na indraindray tambanivohitra tsy manan-tsiny. Taminâny volana Jona dia nahatratra 23 ny isanâny olona namoy ny ainy nandritra ny fifanandrinana taminâny mpitandro filaminana, ka mpangalatra ny 18 ary olon-tsotra ny dimy, rehefa nisy dahalo 80 lahy voalaza fa nanafika tanĂ na iray ka nangalatra omby niisa 100.
b. Fanjavonana
Taminâny volana Febroary dia nisy mpitrandraka harena an-kibonâny tany tao Anjozorobe, nantsoina hoe Mandignisoa, nanjavona taorianâny fifanandrinana taminâny zandary roa mifandraika aminâny mpiambina ny Filoham-pirenena. Samy nilaza ny mpampahalala vaovao, ny fianakaviany ary ny olona sasany nanao fihetsiketsehana teo an-tanĂ na fa lavonâny balanâny iray taminâireo zandary izy io. Tsy hita anefa ny razana, na dia nilaza aza ny fianakaviany tany aminâny faranâny volana Martsa fa efa niravona tanteraka iny resaka iny. Nilaza ny lehibenâny zandarimaria tao Antananarivo fa tsy nisy aina nafoy izany, ary tsy nisy tatitra nilaza fa nanao fanadihadiana nikasika izay fifampitifirana lazaina fa nitranga izay ny fanjakana.
c. Fampijaliana sy fampijaliana na sazy hafa maneho habibiana, tsy mendrika ny maha-olona na manetry ny maha-olombelona
Voalaza ao aminâny lalĂ m-panorenana sy ny lalĂ na fa tsy azo atao ny manohintohina ny vatana sy fahasalamanâny olombelona na izany aza anefa, nisy gadra sasany izay nampiharanâny mpitandro filaminana herisetra ara-batana sy ara-tsaina, anisanâizany ny fampijaliana, araka ny tatitry ny fikambanana tsy miankina (ONG) sy ny mpanao gazety.
Nampiasainâny mpitandro filaminana ny daroka, fanolanana ary fanimbana fanĂ nana ho fanasaziana ireo nambara fa nahavanon-keloka na ho fanerena olona tsotra izao. Nisy mpitandro filaminana tsy am-perinâasa no sady mamo ka nandratra olon-tsotra. Matetika, tsy niafara tamina fitoriana teny aminâny fitsarana akory  ny fanadihadiana nambaranâny mpitandro filaminana fa hataony. Ohatra, taminâny 6 Martsa, dia nisy mpitandro filaminana mamo nitifitra ka nahafaty olona iray nahiana ho mpangarom-paosy tany Depot Manangareza Anjoma, any Toamasina. Voalaza fa nikasi-tĂ nana anâilay nahiana ho mpangarom-paosy tao aminâny efitrano fisakafoanana ilay mpitandro filaminana, ary nitifitra raha nikasa hitsoaka ilay olona.
Ho tohinâny fanadihadiana mikasika ny fisamborana taminâny taona 2015 anâAtoa Jean Pierre Randrianamboarina, mpitarika ny hetsiky ny mpianatra, dia niaiky ny zandarimaria fa tafahoatra ny fampiasana hery nataonâny zandary sasany ary nampitainy hanaovanâny fitsarana fanadihadiana ny raharaha, ka niafara taminâny 4 Febroary izany, ary maro ireo manam-boninahitra nahazo sazy arakâasa. Tsy nisy nipika anefa ny momba izay sazy nampiharina.
Nisy ihany koa mpitandro filaminana vitsivitsy voasambotra sy nampidirina am-ponja nandritra ny taona. Ny 14 May, dia nisy mpitsongodianâny polisy voasambotra noho ny fihazonana zava-mahadomelina, satria nahitanâny zandary fonosana rongony niisa dimy tao anaty fiarany. Ny 20 Jolay, dia nisy manam-boninahitra polisy tafiditra anisanâireo olona sivy voasambotra satria voarohirohy taminâny fakĂ na an-keriny nisesy tao Antananarivo.
Ny 6 Aogositra, dia nisy manam-boninahitra polisy avy ao aminâny âService Antigangâ nalefanâny TribonalinâAntananarivo any Tsiafahy rehefa nahiana ho voarohirohy taminâny fanafihana mitam-piadiana tany Ampanefy, any atsimo andrefanâAntananarivo, izay faritra iadidianâny zandarimaria. Notaterinâny mpampahalala vaovao fa nisy manam-boninahitra polisy dimy hafa, ka niasa tao aminâny fiadidiana ny repoblika ny iray, nanaovana fanadihadiana mikasika io raharaha io ihany, saingy tsy nosamborinâny zandarimaria.
Taminâny volana Oktobra 2015 dia nisy manam-boninahitra zandary Malagasy niasa tao anatinâny hery mpampandry tany avy aminâny Firenena Mikambana tany aminâny Repoblika Demokratikanâi Congo voampanga ho nanao fanararaotana ara-nofo taminâny mpiasa an-trano iray. Nisy fanadihadiana nataonâny Firenena Mikambana, izay mbola tsy tapitra tany aminâny fiafaranâny taona. Taminâny volana Jona ny Ministeranâny Raharaham-bahiny dia nitatitra fa nisy sazy nomena io manam-boninahitra io taorianâny fanadihadiana.
Fiainana any anatinâny fonja sy toerana fitĂ nana olo-meloka
Henjana sy mety hitarika fahafatesana hatrany ny hasarotry ny fiainana any am-ponja noho ny sakafo tsy zarizary, fahaterenâny fonja, toeram-pidiovana tsy zarizary ary fitsaboana ara-pahasalamana tsy tomombana.
Foto-drafitrâasa: Tany aminâny volana Septambra, ireo fonja miisa 82 manerana ny firenena dia nahitana gadra manodidina ny 20.000, ka vehivavy ny 860, zazalahy niisa 634 ary zazavavy nahatratra 47; izany hoe saika avo roa heny nohonâny 10.355 tokony ho zakany. Indraindray dia tafaraka aminâny voafonja rehetra ireo mbola tsy ampy taona, ary nisy zazakely tsy mbola mianatra no niaraka tamin-dreniny tany am-ponja.
Grandir Dignement (Grow Up with Dignity), fikambanana tsy miankina iray mifantoka aminâny zonâny tanora voafonja, dia nahita fa niisa 714 ireo voafonja tsy ampy taona nandritra ny taona. Araka ny fanombananâilay fikambanana tsy miankina dia ny 48 isan-jatonâny fonja no nanana toerana mitokana ho anâireo tsy ampy taona.
Natambatry ny manam-pahefana ihany koa ireo miandry ny fotoam-pitsarana azy sy ny gadra efa voaheloka.
Olana goavana ny fihoaranâny isanâny voafonja noho ny fahosanâny rafi-pitsarana ary ny tsy fahatomombanananâny foto-drafitrasa any am-ponja. Misy fonja iray izay nahitana voafonja niisa maherinâny im-balo mihoatra ny tokony ho zakany. Olana nanerana ny firenena ny fahelanâny fihazonana am-ponja mandra-piandry fitsarana.
Araka ny voalazanâny Komity Iraisam-pirenenâny Vokovoko Mena (CICR), dia saika ny antsasaky ny voafonja rehetra manerana ny firenena no nianjadianâny tsi-fanjarian-tsakafo mafimafy na tena mafy. Maherinâny 4.000 ny isanâny voafonja niharanâny tsy fanjarian-tsakafo nokarakarainâny CICR nandritra ny taona. Mangahazo fahefan-kilao isanâolona isanâandro no azonâny voafonja tsirairay, raha tokony ho antsasa-kilao mahery izany. Nitatitra ny CICR fa nandritra ny tapany voalohany taminâny taona 2015, dia manodidina ny 50 ireo voafonja namoy ny ainy tany am-ponja, ary ny 27 aminâireo fahafatesana ireo dia mety hisy ifandraisany aminâny tsy fanjarian-tsakafo.
Araka ny fikarohana nataonâny Handicap International taminâny taona 2015, dia ny 66 isan-jatonâny voafonja tany aminâireo fonja telo lehibe indrindraâVatomandry, Toamasina ary Toliary, no niharanâny harerahan-tsaina lalina vokatry ny hasarotry ny fiainana any am-ponja. Araka ny tranga maro voarakitra an-tsoratra, dia ny aretina no vokatra voalohany mivantana nentinâny fahafenoanâny fonja tafahoatra, ny tsy fisianâny fahadiovana sy ny fitsaboana ara-pahasalamana, ary ny tsy fanjarianâny sakafo. Araka ny voalazanâilay fanadihadiana, dia ny 92 isan-jatonâireo voafonja no nilaza fa âmatetika no mahatsiaro noana.â Matetika ny fianakaviana sy fikambanana tsy miankina no niezaka nameno ny sakafo isanâandro ho anâny voafonja sasany.
Nahatratra 90 ny isanâny fahafatesana tany am-ponja voarakitry ny Ministeranâny Fitsarana an-tsoratra taminâny taona 2015, ka tsy nisy na iray aza taminâireo fahafatesana ireo no vokatry ny zavatra nataonâny mpiambina na mpiasa hafa tao aminâny fonja.
Noho ny fiharatsianâny foto-drafitrasanâny fonja â toy ny tsy fahampianâny fitaovana fidiovana sy ny rano madio â dia maro no voanâny aretina isan-karazany sy voakaikitry ny bibikely. Voafetra ny fahazoana fitsaboana ara-pahasalamana, indrindra ho anâireo voafonja any Tsiafahy, ilay fonja tsara ambina indrindra eo aminâny firenena. Tsy tomombana, ary zara fa misy aza, ny fitaovana fampidirana rivotra madio, fanazavana, na fifehezana ny mari-pĂ na tany aminâireo fonja.
Fitantanana:Â Tsy manara-penitra ny firaketana ireo antontan-taratasy momba ny fonja, sady tsy nisy fiaraha-miasa taminâny polisy sy mpitandro filaminana ara-pitsarana. Na dia misy aza lamina ofisialy hanaovana fitarainana mikasika ny tsy fanajana ny hasina maha-olombelona manoloana ny manam-pahefana ara-pitsarana, dia voafonja vitsy no nampiasa azy io noho ny tahotra ny valifaty. Nisy tomponâandriakitra tao aminâny Ministeranâny Fitsarana nanao fisafoana tampoka. Nomenâireo mpitandro filaminana alalana ireo gadra sy voafonja hotsidihanâireo havany sy haneho sy hanaraka ny finoany. Azo natao ihany koa ny mitsidika ivelanâny fotoana voafaritra raha toa ny mpiambina fonja ka omena tsolotra. Nisy fikambanana tsy miankina nitatitra fa mety hahazoana tombontsoa tsotsotra ny tsolotra, toy ny famelana ny fianakaviana hitondra sakafo ho anâny gadra.
Fanaraha-maso tsy miankina: Taminâny ankapobeny dia omenâny fanjakana alĂ lana hanao fanaraha-maso mahaleotena ny fiainana any am-ponja ny Komity Iraisam-pirenenâny Vokovoko Mena (CICR), ny fikambanana tsy miankina maro, ary ny misiona diplomatika sasany. Navelanâny Fitondrana malalaka ny ny CICR hanao ny fitsidihany taminâireo fonja lehibe indrindra manerana ny nosy nandritra ny taona, sady niresaka taminâireo voafonja, araka ny fomba fiasa mifehy azy. Nekenâny Fitondrana ihany koa ny fitsidihanâny CICR voafonja miandry fotoam-pitsarana sy ireo notanana am-ponja vonjimaika.
Fivoarana tsapa: Araka ny nambaranâny mpandrindra nasionalinâny Grandir Dignement taminâny taona 2015, dia ny 48 isan-jatonâny fonja no nanana toerana manokana ho anâireo tsy ampy taona, izany hoe nisy fihatsarana 41 isan-jato raha ampitahaina aminâny taona 2014. Ny fikambanana Association ChrĂ©tienne pour le DĂ©veloppement et lâAction Environnementale de Madagascar (ACDM), fikambanana tsy miankina mifantoka aminâny fampandrosoana isan-tanĂ na, dia nanolotra fitaovam-panatanjahan-tena, zava-maneno ary fanampiana ho anâny foto-drafitrâasa ho anâny fonja niisa 10 tany atsimo.
Ny 22 Aogositra ny fitondrana dia nandany lalĂ na manafohy ny faharetanâny fitĂ nana am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana ho anâireo tsy ampy taona ho telo volana ho anâny ady madio ary enim-bolana ho anâny ady heloka bevava.
d. Fisamborana na fihazonana am-ponja tsy misy porofo
Voararanâny lalĂ m-panorenana sy ny lalĂ na ny fisamborana sy fihazonana am-ponja tsy misy porofo; na izany aza anefa, nisy fotoana tsy nanajanâny manam-pahefana ireo fepetra ireo. Nisambotra olona tamina fiampangana manjavozavo ireo mpitandro filaminana, ary nohazoniny ela tsy nisy fitsarana ireo olona nahiahiana ho nahavita heloka.
Anjara asanâny polisy sy ny mpitandro ny filaminana
Ny polisim-pirenena, teo ambany fahefanâny Ministeranâny Filamonam-bahoaka, no niantoka ny fitandroana ny fandriam-pahalemana sy ny lalĂ na an-tanĂ n-dehibe. Ny zandarimaria kosa, eo ambaninâny Ministeranâny Fiarovam-pirenena, no niantoka ny fitandroana ny fandriam-pahalemana sy ny lalĂ na tany ambanivohitra. Nanomboka taminâny taona 2015 dia nanomboka niasa bebe kokoa tany ambanivohitra ny miaramila, indrindra ho fitandroana ny fandriam-pahalemana any aminâireo faritra anjakanâny dahalo sy ny malaso.
Tsy voafehinâny fitondrana ny olana mahakasika ny fanjakana tan-dalĂ na tany aminâny faritra ivelanâny renivohitra. Tsy nahavita nisakana sy nandray fepetra manoloana ireo herisetra teo anivonâny fiaraha-monina ny mpitandro filaminana, indrindra tany ambanivohitra.
Tsy nanana rafitra mahomby hanaraha-maso, na hanaovana fanadihadiana mikasika ny fanaraoraotana ataonâny mpitandro filaminana ny fitondrana, ary mbola olana ny fisianâny tsimatimanota. Azonâizay niharanâny tsy rariny atao ny manao fitarainana any aminâny fitsarana nefa vitsy no mba nanao fitarainana toa izany.
Manan-jĂČ ny Tanana tsirairay hanana rafitra manokana hiarovany ny fananany sy ny filaminam-bahoaka ao aminy. Nampiharina tany aminâny tanĂ na madinika sasany ny fitsarana tsy ofisialy najoronâny fiaraha-monina, nantsoina hoe « Dina », mba hitsarana ny ady heloka tsotra eo aminâny samy tanĂ na madinika, mikasika ny halatrâomby ohatra. Indraindray anefa dia sady henjana loatra ny sazy apetraky ny Dina no tsy nandalo fitsarana tsy mitanila, ary mety tsy niaro ny zonâireo niharanâny tsy rariny mihitsy.
Nitatitra ny gazety Ao Raha fa olona efatra voampanga ho mpanolana no tsy nidoboka am-ponja rehefa nifanaraka taminâny fianakavianâilay voaolana tany aminâny volana Martsa. Zazavavy 12 taona ilay voaolana, ary mbola tsy ampy taona ihany koa ny roa aminâireo voarohirohy. Tany aminâny tanĂ nanâi Morafeno, distrikanâi Maevatanana, eo aminâny 200 km miala anâAntananarivo eo no nitranga izany. Nanao fanadihadiana ny zandarimaria hamantarana hoe nahoana no tsy niatrika fitsarana ireo olona efatra voarohirohy ireo. Tsy nisy famintinana hentitra izany fanadihadiana izany hatrany aminâny faranâny taona.
Fomba fisamborana sy fitondrana ny voatazona am-ponja
Na dia voalazanâny lalĂ na aza fa ilaina aminâny fotoana rehetra ny didy fisamborana, ankoatry ny fisamborana taorianâny fifanenjehana mivantana (fisamborana mandritra na fotoana fohy aorianâny nitranganâny heloka bevava), dia matetika no nisy olona voatazonâny manam-pahefana vokatry ny fitorianâolon-tsotra. Araka ny lalĂ na dia tsy maintsy ampangainâny mpitandro filaminana na afahany ao anatinâny 48 ora izay olona voarohirohy aminâny heloka iray; nefa dia nisy olona notĂ nanâny fanjakana nandritra ny fotoana nihoatra lavitra noho izany vao nampangainy na nafahany. Manan-jĂČ haka mpisolo vava sy hahafantatra ny heloka iampangana azy ny voampanga, ary izay tsy afaka manakarama mpisolo vava dia mahazo mpisolo vava notendrenâny fanjakana. Manan-jo hampahafantarina ny heloka iampangana azy ny voampanga, saingy mazĂ na no tsy nohajainâny fanjakana izany zo izany. Matetika no nolavinâny fanjakana ary tsy nasiany fanazavana ny fangatahana fahafahana vonjimaika. Matetika ny mpitsara no nampiasa ny âfandefasana am-ponja vonjimaikaâ ny voampanga mandra-pitsara azy. Ny lalĂ na no mamaritra ny faharetanâny fotoana iandrasana ny fotoam-pitsarana any am-ponja sy fomba fampiasana ny âfandefasana am-ponja vonjimaikaâ, anisanâizany ny fitsipika mametra ny faharetanâny fihazonana am-ponja arakaraka ny heloka iampangana, ka aminâny ankapobeny dia valo volana farafahaelany ho anâny heloka bevava; na izany aza dia nisy fotoana tsy voaaja izany lalĂ na izany. Taminâny ankapobeny dia azonâny fianakavianâny voafonja natao avy hatrany ny namangy azy ireo; nisy anefa ny voafonja, toy ireo nohazonina tany aminâny toerana mihataka, na ireo gadra politika, tsy dia afaka nifanerasera loatra.
Ny Loholona RenĂ© Lylison, avy aminâny antoko mpanohitra MAPAR, dia nampirisika ny olona hanao fihetsiketsehana hanohitra ny fitondrana, anisanâizany ny fanaovana tanĂ na maty tao Antananarivo taminâny 24 May. Na dia zara raha nisy nanaraka aza ny antso nataony, dia nampangainâny fitondrana ho nanohintohina ny fiandrianam-pirenena izy. Niezaka nisambotra azy avy hatrany ny fanjakana tao anatinâny fito andro, alohanâny nivoahanâny didy fampisamborana. Mbola tsy hita izay niafenany hatrany aminâny fiafaranâny taona. Aminâny maha-Loholona azy dia tsy azo enjehina araka ny lalĂ na izy na samborina, raha tsy ao anatinâny fifanenjehana mivantana.
Fisamborana tsy misy porofo: Nisy ny fisamborana tsy misy porofo nataonâny mpitandro filaminana taminâny mpanao gazety, mpanao fihetsiketsehana, mpanohitra ara-politika, na sivily hafa.
FitĂ nana am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana: Taminâiny taona iny ny Ministeranâny Fitsarana dia nitatitra fa manodidina ny 59 isan-jatonâny voafonja rehetra no eo am-piandrasana ny fitsarana azy. Ny 67 isan-jatonâny vehivavy voafonja, ny sy 88 isan-jatonâny zaza tsy ampy taona voafonja dia mbola miandry ny fitsarana azy. Mety haharitra andro vitsivitsy hatraminâny taona vitsivitsy ny fitĂ nana am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Vao mainka nihombo izany olana izany noho ny tsy fahatomombananâny fitehirizana ny antontan-taratasy, ny fahanteranâny rafi-pitsarana, ny tsy fahampianâny isanâny mpitsara, ny tsy fahampianâny fitaovana. Maro ny voafonja no voatana mandritra ny fotoana maharitra noho ny sazy ambony indrindra mifandraika aminâny fandikan-dalĂ na nisamborana azy.
Fahafahanâny voajonja miady eny aminâny fitsarana noho ny tsy fanarahan-dalĂ na mikasika ny fihazonana azy am-ponja: Ambaranâny lalĂ na fa manan-jo ny voampanga hampakatra fitsarana ambony momba ny fitĂ nana azy am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana, saingy tsy misy andĂ lana manokana miresaka ny zony hahazo fahafahana avy hatrany na onitra. Voalazanâny lalĂ na fa tsy maintsy avotsotra avy hatrany ny voampanga iray raha ekenâny mpampanoa ny fanagtahana vonjimaika nataony.
e. Fandavana ny fitsarana tsy mitanila sy ampahibemaso
Voalazanâny LalĂ m-panorenana fa mahaleo tena ny fitsarana; na izany aza anefa, hita fa voabaikonâny fahefana mpanatanteraka ny sehatra rehetra eo aminâny fahefana mpitsara, sady mbola olana goavana ny kolikoly. Nisy fotoana nahatarafana fa efa voafaritra mialoha ny ho vokatry ny fitsarana raharaha iray, ary misy fotoana tsy voahaja na nampiharina ny didy navoakanâny fitsarana. Noho ny tsy fahampianâny fanofanana, hoenti-manana ary mpiasa dia narefo ny fahombiazanâny fitsarana, ary niavosa ireo raharaha tsy mbola voatsara, araka ny nambaranâny Fahalalahana House.
Voalazanâny lalĂ na fa natokana hitsara ireo miaramila ny fitsarana miaramila, ary nitovy aminâny fitsarana sivily ihany ny fizotranâny fitsarana taminâny ankapobeny fa saingy manam-boninahitra miaramila no âjuryâ. Afaka mangataka ny hanafoanana ny didy nivoaka ny miaramila voampanga ary taminâny ankapobeny dia nitovy taminâny sivily ny zonâizy ireo, na dia tsy azonâny besinimaro atrehina aza ny fotoam-pitsarana azy ireo. Mpitsara sivily, izay matetika ampianâny âjuryâ ahitana manam-boninahitra miaramila, no mitarika ny fitsarana miaramila.
Fizotry ny fitsarana
Voalazanâny lalĂ na fa heverina ho tsy meloka aloha ny voampanga; matetika anefa no natao tsinontsinona izany foto-kevitra izany. Ny voampanga dia manan-jo hampahafantarina avy hatrany ny antony anenjehana azy araka ny lalĂ na, ary voalazanâny lalĂ na fa manan-jo hahazo mpandika teny tsy andoavam-bola izy raha ilaina izany, manomboka eo aminâny fotoana iampangana azy hatrany aminâny fangatahana fanafoanana didy. Ny voampanga dia manan-jo hahazo fitsarana tsy miangatra, ary tsy misy fampiandrasana tafahoatra. Zava-pitranga matetika anefa ny fihazonana am-ponja maharitra nefa tsy misy fiampangana, ny fandavana fahafahana vonjimaika ary ny fanemorana hatrany ny fotoam-pitsarana.
Azonâny besinimaro atrehina ny fotoam-pitsarana, ary manan-jo hiaro tena tanteraka eo aminâny dinganâny fitsarana rehetra ny voampanga. Na izany aza anefa, vitsy ny olona no nahafantatra izany zony izany, ary tsy ny voampanga rehetra no nampahafantarinâny fanjakana ny fisianâizany zo izany. Fohy dia fohy taminâny ankapobeny ny fotoana nomena hiomananâireo voampanga tsy nangataka na tsy afaka nanakarama mpisolo vava, hanomanany ny lahateny fiarovany tena. Ny voampanga dia manan-jo hanatrika ny fotoana fitsarana azy, hahafantatra ny heloka iampangana azy, hiantso sy hampifanatrika vavolombelona, ary hanolotra porofo. Taminâny ankapobeny dia voahaja izany zo izany raha toa nanana mpisolovava ny voampanga. Azonâny mpisolovava jerena ny porofo eo am- pelatanâny fitondrana, saingy tsy manana izany zo izany ny voampanga tsy manana mpisolovava. Ny lalĂ na milaza ny zonâny voampanga dia tsy milaza manokana ny aminâny zo tsy ho azo terena hijoro ho vavolombelona na ny zo tsy hiaiky heloka. voalaza ao anatinâizany kosa ny zo hahazo fanampianâny olona iray hafa mandritra ny fanadihadiana sy ny fotoam-pitsarana. Manan-jo hampiakatra fitsarana ambony koa ny voampanga nahazo didy fanamelohana.
Araka ny lalĂ na dia mihatra aminâny voampanga rehetra ireo zo ireo, ary tsy nisy tatitra nilaza fa nisy vondronâolona tsy afaka nisitraka ireo zo ireo.
Gadra politika
Ny 3 Aogositra, voasambotra sy voampanga ho nanao hosoka taminâny resaka ady tany taminâny havany iray Alain Ramaroson, mpitarika antoko mpanohitra iray. Atoa Ramaroson, izay 62 taona taminâizany ary tsy dia salama loatra, dia niara-nohazonina taminâireo voafonja hafa tao anatinâny fepetra tsizarizary fahita manerana ny fonja rehetra manerana ny nosy. Nangataka fanafahana vonjimaika ny mpisolo vava azy, saingy tsy mbola nahazo valiny mahafa-po izany hatraminâny fiafaranâny taona. Notaterinâny mpampahalala vaovao fa ny Ministeranâny Fitsarana no nisakana tsy hahazoany fanafahana vonjimaika ka nohazoninâny Ministera ny antontan-taratasy satria mbola dinihina hono. Mbola nitatitra ihany koa ny mpampahalala vaovao fa tsy nisy nahazo nitsidika azy raha tsy nahazo alĂ lana avy taminâny ministera.
Ny 9 Desambra no voasambotra teny am-pandevenana ny havany Atoa Augustin Andriamananoro, filoha lefitry ny antoko politika miaraka aminâAtoa Andry Rajoelina, ilay filoha tetezamita nandritra ny dimy taona taorianâny fanonganam-panjakana nanesorany ny filoha teo alohany. Taminâny volana Jolay moa izy dia nanao antso mba hametra-pialĂ na ny Filoha Rajaonarimampianina. Voampanga ho nanohintohina ny fiandrianam-panjakana izy sy nandray anjara taminâny fihetsiketsehana tsy nahazoana alĂ lana ho fanoherana ny fitrandrahana volamena nataonâny Sinoa tao Soamahamanina teo anelanelanâny volana Jona sy Novambra. Ny 4 Novambra dia nahazo sazy mihantona herintaona ny dimy taminâireo voalaza fa mpitarika ny fihetsiketsehana, ary neverina fa efa nikatona iny raharaha iny mandra-pitranganâny fisamborana azy indray taminâny volana Desambra. Nafahana Atoa Andriamananoro taminâny 27 Desambra rehefa nomena sazy mihantona telo volana an-tranomaizina. Nandritra ny fihazonana azy dia nisitraka ny fiarovana sy zo mitovy aminâny voafonja hafa rehetra izy, ary nambara fa afaka nitsidika azy ny mpiray antoko politika aminy sy ny Masoivoho Frantsay. Mizaka ny zom-pirenena Malagasy sy Frantsay mantsy Atoa Andriamananoro.
Fitsarana sivily sy fikarohana onitra
Sahaninâny fitsarana avokoa ireo ady heloka sivily rehetra, anisanâizany ny raharaha mahakasika ny zonâolombelona, ary azonâny olon-tsotra na ny fikambanana atao ny mitaky onitra sivily ho anâny fanitsakitsahana ny zonâolombelona. Tsy tena nahaleo tena ny fitsarana, nanjakanâny kolikoly ary matetika tojo fahasahiranana teo aminâny fampiharana ny didim-pitsarana sivily sasantsasany. Tsy misy fandrarĂ na ny fitadiavana vonjy aminâireo vondrona mpiaro ny zonâolombelona eo anivonâny faritra, saingy tsy nisy tatitra mikasika ny fiantsoana vonjy tahaka izany. Tsy ekenâny rafi-pitsarana ny fahefana anananâny Tribonaly Afrikana momba ny Zonâolombelona sy ny Zonâny mponina.
f. Fitsabahana tsy ara-dalĂ na aminâny fiainana manokana, fiainam-pianakaviana, tokantrano, na fifandraisana
Voararanâny lalĂ na ny toa izany ary tsy nisy tatitra nilaza fa tsy nanaja izany lalĂ na izany ny fitondrana.
Taminâny 11 May dia voalaza fa nampiasa ny fahefany ny benâny tanĂ na tao Andriampotsy, distrikanâi Fenoarivobe, hitoriana fianakaviana iray izay tsy nanaiky nanome azy ny ampahany taminâny lovanâilay fianakaviana.
Taminâny 25 May dia nohazoninâny mpitandro filaminana ny findainâAtoa Michel Ralibera, mpanao gazety ao aminâny Radio Antsiva, raha nanao ny asany izy nandritra ny fisavana ny fonenanâny Loholona Lylison. Niditra an-tsehatra ny Radio Antsiva, narahanâny tomponâandriakitra maro tao aminâny fitondrana. Naverina taminâAtoa Ralibera ilay finday rehefa voalaza fa notsirihanâny mpitandro filaminana avokoa ny zavatra tao anatiny.
Fizarana faha-2Â : Fanajana ny fahalalahana sivily, toy ny:
a. Fahalalahanâny fanehoan-kevitra sy ny asa fanaovan-gazety
Voalazanâny LalĂ m-panorenana fa malalaka ny fanehoan-kevitra sy ny asa fanaovan-gazety, saingy âmety ho voafetra izany ho fanajana ny fahalalahana sy ny zonâny hafa, sy ho fametrahana ho laharam-pahamehana ny fitandroana ny fandriam-pahalemana, hasinâny firenena sy ny fiandrianam-panjakana.â Nihoatra ny taminâny taon-dasa ny fanohintohinanâny fitondrana anâireo zo ireo. Ohatra, hita ao aminâny fehezan-dalĂ na vaovao momba ny serasera ny andininy maromaro mametra ny fahalalahanâny fanehoan-kevitra. Omenâio fehezan-dalĂ na io fahefana be ihany koa ny fitondrana tsy hanome fahazoan-dĂ lana hampahalala vaovao ho anâny mpanohitra ara-politika, hangeja fitaovana, hampandoa onitra.
Nosamborinâny fitondrana ihany koa ny mpitarika mpanohitra izay nitarika fihetsiketsehana manerana ny firenena ho setrinâny fitrandrahana harena an-kibonâny tany sy fibodoana tany ataonâny teratany vahiny.
Fahalalahanâny fanehoan-kevitra: Voalazanâny LalĂ m-panorenana fa malalaka ny fanehoan-kevitra, saiky feranâny fehezan-dalĂ na momba ny serasera vaovao izany fanehoan-kevitra izany raha manitsaka ny fahalalahana na zonâny hafa, manohintohina ny filaminam-bahoaka, na heverina fa manohintohina ny hasinâny firenena na ny fiandrianam-pirenena. RarĂ nâilay lalĂ na vaovao ny fahafahanâny olon-tsotra mitsikera am-pahibemaso ny fitondrana.
Voafonja Atoa Clovis Razafimalala, mpiaro ny tontolo iainana, ary miandry ny fotoam-pitsarana azy hatraminâny 14 Septambra satria nolazaina ixy fa namporisika ny olona hanao fihetsiketsehana miaro herisetra tany Maroantsetra. Nisy mpihetsika hafa nilaza fa ny antony nanagadrana azy dia ny nitsikerany am-pahibemaso anâAtoa Eric Besoa, nahiana ho mpanondrana andramena, izay mpandraharaha tĂČ teny teo an-toerana. Izany fanagadrana azy izany dia nitovy taminâny nahazo anâAtoa Armand Marozafy mpiara-mitolona taminy, izay notĂ nana am-ponja nandritra ny enim-bolana sy nasaina nandoa onitra 12 tapitrisa Ariary noho ny fanosoram-potaka taminâny taona 2015, raha nandefa tatitra miafina taminâny fikambanana tsy miankina mpiara-miasa taminy izy mikasika ny fanapahana andramena an-tsokosoko, tatitra izay nisy nandefa teo aminâny Facebook taty aoriana.
Fahalalahanâny fanaovan-gazety sy ny mpampahalala vaovao: ahitana andininy maro mametra ny fahalalahanâny fanaovan-gazety sy ny mpampahalala vaovao ny fehezan-dalĂ na vaovao momba ny serasera.
Ny Andininy 85 ohatra dia mitaky fa ny tomponâny orinsa mpampahalala vaovao no tsy maintsy mitĂ na ny toeranâny tonianâny lahatsoratra. Io Andininy io dia mety hahafahana manao antsojay aminâizay mety ho mpilatsaka ho filoham-pirenena avy aminâny mpanohitra, izay matetika tompona orinasa mpampahalala vaovao.
Na dia tsy nofaritana ho heloka bevava intsony aza ny fanosoram-potaka ao aminâilay fehezan-dalĂ na momba ny serasera, dia misy lalĂ na hafa momba ny cyber criminalitĂ© ahafahana mitory aminâny ady heloka bevava ny fanosoram-potaka ho anâny zavatra naseho taminâny tambajotra. Tsy nazava anefa hoe io lalĂ na momba ny cyber criminalitĂ© io ve, izay ahitana sazy fampidirana am-ponja ho anâny fanosoram-potaka aminâny tambajotra, no manan-kery amboninâilay fehezan-dalĂ na vaovao, satria samy aseho aminâny tambajotra ihany koa ny gazety rehetra. Ny onitra voalaza ao anatinâilay fehezan-dalĂ na vaovao momba ny serasera rahateo moa dia avo lavitra noho ny karama fandrainâny mpanao gazety salasalany.
Araka io fehezan-dalĂ na vaovao io dia manana fahefana be ny Ministeranâny Serasera hampihantona ny fahazoan-dĂ lana ho anâny mpampahalala vaovao sy handraoka fanananâny mpampahalala vaovao raha toa ka misy mpanao gazety miasa ao aminy nandika ilay fehezan-dalĂ na in-droa miantoana. Farany, voalazanâny fehezan-dalĂ na vaovao fa ny onjam-peo sy fahitalavitry ny fanjakana ihany no mahazo mandefa fandaharana mahenika ny firenena iray manontolo, na dia misy fotoana aza tsy nampiharina izany famerana izany.
Niisa vitsivitsy ireo gazety tsy miankina teo aminâny firenena. Maherinâny 300 ny isanâireo radio sy televiziona niasa nanerana ny nosy, saingy tato anatinâny taona maro dia betsaka no lasa nifototra kokoa taminâny fandaharana idiranâny mpihaino mivantana mba tsy ho voafatotra aminâny vontoatinâny fandaharana vokariny. Maro aminâizy ireny no mbola afaka nandefa ny fandaharany manerana ny firenena ihany, na dia teo aza ny famerana voalazanâilay fehezan-dalĂ na vaovao. Na izany aza anefa dia misy famerana ihany ho anâny mpampahalala vaovao tsy miankina. Taminâny 12 May dia nanambara Atoa Joel Ralaivaohita, filoha lefitry ny Fikambananâny Mpanao gazety aminâny alĂ lanâny tranonkala, fa ny hevitry ny tomponâny orinasa mpampahalala vaovao ihany no ampitainâny mpanao gazety. Nanambara ihany koa izy fa tsy misy fahitalavitra na onjam-peo vaovao nahazo alĂ lana hisokatra raha tsy izay manana fijery manohana ny fitondrana.
Herisetra sy antsojay: Ny 29 Janoary, dia nisy olona efatra nidaroka mafy anâAtoa Fernand Cello, mpanao gazety miasa ho anâny Radio Jupiter. Nanao fanadihadiana momba ny fanondranana taova an-tsokosoko voalaza fa misy manao tany aminâny faritra atsimo-afovoany mantsy io mpanao gazety io. Herinandro talohanâio dia nanampy ny mpitandro filaminana nisambotra olona maro nahiana ho niray tsikombakomba taminâny fangalarana taova Atoa Cello.
Taminâny 24 May dia nisy mpitandro filaminana nidaroka anâAtoa Michel Ralibera, mpanao gazetinâny Radio Antsiva, ary nihazona ny findainy raha teo am-panatanterahana ny fisavana ny tranonâny Loholona Lylison izy ireo. Teo am-panaovana tatitra momba ilay fisavana Atoa Ralibera no nitranga izany rehetra izany.
Ny 12 Jolay dia tsy navela hiditra tao aminâny Antenimieram-pirenena ny mpanao gazety hanovo vaovao momba ny fivoriana ara-potoana azonâny besinimaro atrehina, momba ny fandaniana ny fehezan-dalĂ na momba ny serasera. Nilaza ireo mpitandro filaminana niambina ny faritra fa ny filohanâny Antenimieram-pirenena no nanome baiko azy ireo, saingy nandĂ ho tsy tomponâandraikitra taminâizany itsy farany.
Sivana na Faneriterena mikasika ny vontoatinâny vaovao ampitaina: nanao sivana ny tenany ny mpanao gazety, ary taminâny ankapobeny dia tany ivelany no natonta ny boky miresaka momba ny politika.
Matetika ny fitondrana no nisakana na nanemotra ny fanomezana alĂ lana ny orinasa mpampahalala vaovao izay mitsikera ny fanjakana. Ohatra, ny Radio MBS, fanananâny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia nanao fitarainana nanoloana ny Conseil dâEtat taminâny 12 Martsa ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny Ministeranâny Serasera hampiato ny fahazoan-dĂ lany handefa fandaharana. Nilaza Atoa Benjamin Rakotomandimby, mpanolo-tsaina voalohany ho anâny raharaha mahakasika ny lalĂ na, fa mety haharitra enina hatraminâny sivy volana ny fanadihadiana mifandraika aminâizay fitarainana izay.
Ny 23 Martsa dia nilaza taminâny mpanao gazety ny mpitandro filaminana fa tsy azo atao ny maka sary na manao tatitra momba ny lozam-piarakodia nitranga tany Amborovy Mahajanga. Tafiditra tao anatinâizany lozam-piarakodia izany mantsy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, izay namita iraka ofisialy tany aminâiny faritra iny. Voalaza ihany koa fa norahonanâny mpitandro filaminana ireo olona nanatri-maso ny lozam-piarakodia ka niresaka taminâny mpanao gazety.
LalĂ na momba ny fanalam-baraka /Fanosoram-potaka: Nisy tatitra maro nilaza fa nampiasainâny fanjakana ny lalĂ na momba ny fanalam-baraka na fanosoram-potaka hamerana ny fifanakalozan-kevitra am-pahibemaso.
Ny 26 Febroary ohatra dia mpanao gazety telo avy aminâny MaTV no voatory noho ny nanaovany tatitra momba ny fakĂ na an-keriny nahazo mpihavana mianadahy, Arland sy Annie Ramiliarison. Nilaza an-kolaka ireo mpanao gazety ireo fa misy ifandraisany aminâny fanondranana bolabola ilay fakĂ na an-keriny ary tafiditra anatinâizany fanondranana an-tsokosoko izany ny rainâireo zaza nisy naka an-keriny. Nitory ilay rain-jaza satria nahatsiaro ho voahoso-potaka. Voampanga ho niray tsikombakomba taminâilay fakĂ na an-keriny ihany koa ireo ny mpanao gazety. Ny 17 Jona dia nafahanâny fitsarana madiodio ny roa taminâireo mpanao gazety fa ny fahatelo kosa nosaziany handoa sazy onitra Ariary 200.000, Ariary iray tapitrisa ho onitra homena ny mpitory, ary sazy mihantona iray volana an-tranomaizina ho anâny fanosoram-potaka.
Taminâny 25 May dia nampanantsoinâny fanjakana Atoa Ndranto Razakamanarina, mpitantana ny fikambanana tsy miankina Alliance Voahary Gasy, hametrahana fanontaniana momba ny resaka fanosoram-potaka. Izany fanadihadiana izany dia tohinâny valan-dresaka ho anâny mpanao gazety nataonâAtoa Razakamanarina ho anâny fikambanana tarihiny taminâny volana Janoary, ka nilazany an-kolaka fa misy mpitondra miray tsikombakomba aminâny fanondranana bolabola.
Fiarovam-pirenena: Nisy ny tatitra nilaza fa nisy manam-pahefana nampiasa ny lalĂ na momba ny fiarovam-pirenena hamehezana ny mpampahalala vaovao mitsikera ny fitondrana.
Taminâny 22 May dia norahonanâny ARTEC, biraom-panjakana misahana ny fitsipika momba ny serasera, hakatona ny onjam-peo tsy miankina roa, M3TV sy Viva Radio. Nolazainâny ARTEC fa manelingelina ny ojam-peo fampiasanâny ASECNA, na ilay fifandraisana fampiasanâny seranam-piaramanidina, ireo onjam-peo tsy miankina ireo. Nitatitra ny gazety fa nokendrenâny ARTEC manokana hakatona ireo onjam-peo roa ireo satria mitsikera ny fitondrana.
Fahalalahanâny fampiasana ny tranonkala
Tsy noferanâny Fitondrana ny fijerena ny aterineto taminâny ankapobeny, ary tsy nisy mari-pototra nilaza fa narahinâny Fitondrana maso ny fampiasana ny mailaka na ny sehatra fifanakalozanâny mpampiasa ny Tranonkala, na dia tsy misy lalĂ na manome fahefana azy hanao izany aza.
Araka ny lalĂ na nivoaka taminâny taona 2014 momba ny heloka bevava ao aminâny tambajotra dia voarara ny manasoketa na manoso-potaka manam-pahefana ao aminâny tambajotra. Araka voalazanâny Reporters Sans FrontiĂšres, âtsy voafaritra mazava ao aminâilay lalĂ na ny tiana hambara aminâny hoe âmanasoketaâ na âmanoso-potakaâ, hany ka malalaka be ny fomba azo andikana azy ary marobe ny fanararaotana mety hitranga.â Voalazanâilay lalĂ na fa sazy roa hatraminâny dimy taona an-tranomaizina sy onitra roa tapitrisa hatraminâny 100 tapitrisa Ariary no miandry ho anâny fanosoram-potaka. Taorianâny fanakianana avy aminâny mpampahalala vaovao sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, dia nampanantena ny fitondrana fa hiverina hijery akaiky ilay lalĂ na, saingy tsy nasiany fanovana akory ilay izy tao anatinâilay fehezan-dalĂ na vaovao momba ny serasera.
Tany aminâny tanĂ n-dehibe no tena nampiasana ny aterineto. Araka ny voalazanâny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny Fifandraisan-davitra, dia ny 4.3 isan-jatonâny mponina eo aminâny firenena no nampiasa aterineto taminâny taona 2015.
Nampiasa be ny Aterineto ny vondrona politika sy ny mpitolona isan-karazany mba hanitarana ny ambain-dainâny fandaharany, hizarana vaovao, ary hitsikerana antoko hafa. Nambaranâny mpanara-maso fa anisanâireo loharanom-baovao azo antoka kokoa ny Aterineto aminâny ankapobeny.
Fahalalahana akademika sy hetsika ara-kolotsaina
Tsy nahitana sakantsakana avy aminâny Fitondrana mihitsy ny fahalalahana akademika sy ny hetsika ara-kolotsaina.
b. Fahalalahana hivory am-pilaminana sy hanangana fikambanana
Fahalalahana hivory
Voalazanâny LalĂ m-panorenana sy ny lalĂ na fa malalaka ny fivoriana am-pilaminana, saingy nosakananâny manam-pahefana izany zo izany. Nosakananâny mpitandro filaminana hatrany ny fivoriana nokarakarainâny mpanohitra nanerana ny nosy, taminâny fampiasana hery tafahoatra handravana ireo mpanao fihetsiketsehana. Matetika izy ireo no nampirantiranty resaka fitoriana momba ny ady heloka bevava tsy misy ifandraisany aminâny hetsika, mba hanakiviana izay mpitarika eo.
Im-betsaka nandritra ny taona ny mpitandro filaminana no nampiasa etona mandatsa-dranomaso handravana fihetsiketsehana nataonâny mpianatry ny oniversite sy mpanao gazety tao Antananarivo; sy fihetsiketsehana hafa tany ambanivohitra, toy ny tany Soamahamanina, nisakananâny mponina teo an-toerana nandritra ny volana maro ny fitrandrahana volamena nataonâny teratany vahiny. Ho setrinâizany dia matetika ny mpianatra no nitora-bato ny mpitandro filaminana, ka maro hatrany ny naratra sy voasambotra.
Navitrika indrindra ny mpitandro filaminana hifehy ny fihetsiketsehana nifandraika taminâny fehezan-dalĂ na momba ny serasera talohanâny handanianâny fahefana mpanao lalĂ na azy taminâny volana Jolay. Taminâny 13 Jolay ohatra dia nosakananâny mpitandro filaminana ny diabe tao Antananarivo notarihanâny mpitarika ny Hetsika ho anâny Fahalalahanâny fanehoan-kevitra. Izany diabe izany moa dia nomena anarana hoe âfandevenana ny fahalalahanâny fanaovan-gazety.â Nampiasa etona mandatsa-dranomaso ihany koa ny mpitandro filaminana hanapariahana mpanao fihetsiketsehana vitsivitsy teo akaikinâny tsangambatonâny fahalalahanâny fanaovan-gazety teny Soarano, Antananarivo.
Ny 14 Jolay, dia nosakananâny mpitandro filaminana ny fivezivezenâny mponina tao aminâny kaominina ambanivohitrâi Soamahamanina rehefa nanao fihetsiketsehana izy ireo hanoherana ny vokatry ny fitrandrahana volamena nataonâny Sinoa teo aminâny alan-tapia manodidina, fiompianâizy ireo landihazo. Nasainâny zandary nesorina avokoa ny sora-baventy nihatona taminâny tranonâny mponina, ary izay sora-baventy tsy nesorinâny tompony dia nentiny an-keriny. Taorianâizay dia nirohotra nankany aminâny biraonâny kaominina ny mponina vitsivitsy hitaky ny hamerenana ireo sora-baventy nentinâny zandary, saingy nampiasa etona mandatsa-dranomaso sy nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana hanapariahana azy ireo. Mbola nitohy ny hetsika tany aminâny fiafaranâny taona.
Fahalalahana hanangana fikambanana
Voalazanâny LalĂ m-panorenana fa manan-jĂČ hivory sy hanangana fikambanana ny olom-pirenena. Nolavina hatrany ny fangatahanâny antoko mpanohitra alĂ lana hanao fihetsiketsehana an-kalamanjana.
c. Fahalalahanâny fivavahana
Jereo ny Tatitra Iraisam-pirenena momba ny Fahalalahanâny fivavahana, navoakanâny Departemantam-panjakana ary azo vakiana ao aminâny :
www.state.gov/religiousfreedomreport/.
d. Fahalalahanâny fivezivezena, ireo mpifindra monina, fiarovana ny mpitsoa-ponenana ary ireo tsy manana zom-pirenena
Voalaza ao anatinâny LalĂ m-panorenana sy ny lalĂ na ny fahalalahana hivezivezy manerana ny nosy, ny dia mankany ivelany, ny fifindra-monina ary ny fampodiana an-tanindrazana, ary taminâny ankapobeny dia nohajainâny Fitondrana izany zo izany. Niara-niasa taminâny Biraonâny Kaomisera Avonâny Firenena Mikambana ho anâny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) sy ireo birao hafa miahy ny mponina ny fitondrana aminâny fiarovana sy fanampiana ireo mpifindra monina, ireo mpitsoa-ponenana, ireo nody avy nitsoa-ponenana, ireo maniry hialokaloka, ireo tsy manana zom-pirenena ary ireo olona hafa miatrika olana mitovitovy.
Fiarovana ny mpitsoa-ponenana
Fahafahana mangataka hialokaloka: Ao aminâny lalĂ na dia tsy ahitana andalana mikasika ny zonâny mpitsoa-ponenana na ny famaritana ny tsy manan-kialofana, saingy miantoka ny fiarovana izay mpialokaloka ny fitondrana. Niara-niasa taminâny UNHCR sy ireo fikambanana hafa miahy ny maha-olona ny fanjakana ho fanampiana ireo tsy manan-kialofana vitsy tao aminâny firenena.
Ireo tsy manana firenena
Noho ireo lalĂ na sy rafitra manjavozavo momba ny fizakĂ na ny zom-pirenena dia maro anâisa ireo olona tsy manana firenena teo anivonâny silamo vitsy anâisa, ary maro aminâizy ireo no avy aminâny fianakaviana efa nonina teto nandritra ny taranaka maro nifandimby. Nanambaranâny mpitarika silamo fa mety hahatratra 5 isan-jatonâireo silamo miisa roa tapitrisa no voakasikâizany.
Mifindra aminâny fahaterahana ny fahazoana ny zom-pirenena avy aminâny ray aman-dreny mizaka ny zom-pirenena. Tsy ahazoana avy hatrany zom-pirenena ny fahaterahana eto an-toerana. Tsy maintsy manao fanambarana alohanâny faha-18 taonany ireo ankizy nateraky ny reny Malagasy sy ray teratany vahiny, raha tsy izany dia mety tsy hahazo hizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony; ary mihatra aminâny zanaka ivelanâny tokatrano koa izany. Tsy mifindra avy aminâny reny niteraka mankany aminâny zanany ny zom-pirenena raha tsy hoe teraka tao anaty fanambadiana ara-panjakana ilay zaza, ary tsy manana firenena ilay rainy, na tsy fantatra ny zom-pirenenâilay rainy. Misy mpikambana ao aminâny fiaraha-moninâny karana avy any Inde sy Pakistan, izay tsy nisoratra anarana hangataka hizaka ny zom-pirenena Malagasy, indiana na frantsay taorianâny nahazoanâi Inde fahaleovan-tena taminâny taona 1947 na ny fahaleovan-tenanâi Madagasikara taminâny taona 1960, ka dia tsy nahazo nizaka na iray aza taminâireo zom-pirenena telo ireo intsony; ary dia nihatra taminâny taranany ihany koa izany. Nanambara ireo mpikambana ao aminâny fivondronanâny fiaraha-monina silamo fa raha vao miendrika silamo fotsiny ny anaranao dia hihantona mandritra ny fe-potoana tsy voafetra ny taratasy fangatahanao hizaka ny zom-pirenena Malagasy. Izay tsy manana ny zom-pirenena Malagasy dia afaka mangataka karatra ho anâny vahiny mitoetra maharitra, saingy tsy manan-jo hifidy izy ireo, tsy mahazo mividy tany na trano ary tsy afaka mangataka pasipaoro, hany ka voafetra ny fahafahany mandeha any ivelany. Izay vehivavy tsy manana zom-pirenena dia afaka mangataka ny hizaka ny zom-pirenena Malagasy raha toa ka manambady lehilahy teratany Malagasy izy ary manao ny fangatahana ny zom-pirenena alohanâny datinâny mariazy. Ny olona tsy manana firenena dia sahirana rehefa hanovo fianarana sy mila fitsaboana, tsy mety mahazo asa ary tsy afaka mividy tany, ary manahy lava ny ho voasambotra.
Fizarana faha-3Â Fahalalahana handray anjara aminâny rafitra ara-politika:
Ambaranâny LalĂ m-panorenana sy ny lalĂ na fa ny olom-pirenena dia manan-jĂČ hanova ny Fitondrana ao anatinâny fifidianana malalaka sy ara-drariny tontosaina ara-potoana, aminâny latsa-bato miafina andraisanâny mpifidy rehetra anjara anatinâny fitovian-jo tanteraka.
Fifidianana sy fandraisana anjara eo aminâny sehatra politika
Fifidianana tato ho ato: Nanatontosa fifidianana filoham-pirenena sy fifidianana solom-bavam-bahoaka ny firenena taminâny taona 2013. Na dia teo aza ireo lesoka izay nitarika ny Fitsarana Manokanâny Fifidianana (CES) hanafoana ny vokatra tany aminâny distrika niisa efatra, dia nambaranâireo mpanara-maso iraisam-pirenena âanisanâizany ny Vondrona Eoropeana, ny Vondrona Afrikana, ny Vondronâny Firenena mampiasa ny Teny Frantsay ary ny Carter Center â fa taminâny ankapobeny dia nalalaka sy ara-drariny io fifidianana tontosa tao anatinâny filaminana io. Ny volana Janoary 2014 no nambaranâny CES taminâny fomba ofisialy ny voka-pifidianana, ka Atoa Hery Rajaonarimampianina no nambara fa voafidy ho Filoha, taminâny salanâisa 53 isan-jato, raha 47 isan-jato kosa no azonâAtoa Jean-Louis Robinson. Voatendry tao anatinâny herinandro vitsivitsy taorianâizany ny Praiminisitra sy ny governemanta, ary tafajoro hiasa mandritra ny dimy taona ny Antenimieram-pirenena nahitana ireo solom-bavam-bahoaka vao voafidy. Ny fotoa-pivoriana voalohany notontosainâny Antenimieram-pirenena taminâny taona 2014 no namarana taminâny fomba ofisialy ny teteza-mita naharitra dimy taona.
Ny 31 Jolay ny firenena no nanatontosa ny fifidianana benâny tanĂ na. Nanamarika izany ny havitsianâny tonga nandatsa-bato (25 isan-jato) sy ireo lesoka nitranga, anisanâizany ny tsy fahitana mpifidy tokony ho hita ao anaty lisi-pifidianana, tsy fisianâny fahaleovan-tenanâny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI-T), fanafoanana ny fifidianana tany aminâny kaominina niisa 19, sy ny olana maro hafa.
Taminâny volana Desambra 2015 ireo Benâny tanĂ na sy mpanolo-tsaina niisa 12.664 voafidy taminâny volana Jolay no nifidy ireo Loholona. Ny antoko HVM eo aminâny fitondrana no nahazo toerana 36 taminâireo 42 niadiana rehefa nolavinâny Fitsarana Avonâny LalĂ m-panorenana ny fitarainana niisa 11 avy aminâny antoko mpanohitra. Nitaraina ny mpanohitra fa nisy fitsabahanâny mpitondra teo aminâny fifidianana ny Loholona, ary tsy nitovy ny fahafaha-manao ara-bola teo aminâireo samy nilatsaka hofidiana. Ny Filoham-pirenena no nanendry ireo Loholona 21 ambiny.
Antoko politika sy fandraisana anjara eo aminâny sehatra politika: Nosakananâny fitondrana ny hetsiky ny antoko mpanohitra ary tsy nomeny alĂ lana hanao hetsika tsy voaomana izy ireo. Mila alĂ lana avy aminâny fanjakana avokoa ny fihetsiketsehana rehetra, ary nisy tatitra nilaza fa nolavinâny fanjakana na nampiandrasiny ny fanomezana alĂ lana ny antoko mpanohitra, indrindra nandrita ny andro tsy fiasana na daty hafa manana ny lanjany manokana.
Fandraisana anjaranâny vehivavy sy ireo vitsy anâisa: Tsy misy lalĂ na misakana ny vehivavy na ireo vitsy anâisa tsy handatsa-bato, hirotsaka hofidiana, hiasa ho mpanara-maso ny fifidianana, na handray anjara aminâny fomba hafa eo aminâny fiainana ara-politika. Mihevitra nefa ny mpanara-maso sasany fa ny kolo-tsaina sy fahazarana no misakana ny vehivavy tsy handray anjara aminâny fiainana ara-politika toy ny ataonâny lehilahy.
Fizarana faha-4Â Â Kolikoly sy tsy fisianâny mangarahara eo anivonâny Fitondrana
Voafarity ny lalĂ na ny sazy ho anâny kolikoly eo anivonâny fanjakana; saingy tsy nampiharinâny Fitondrana an-tsakany sy an-davany izany lalĂ na izany ka nisy manam-pahefana mpanao kolikoly saingy tsy nisy arakaraka. Nanenika ny ambaratonga rehetra teo aminâny fitondrana ny kolikoly, ary hita tao aminâny mari-drefinâny Fahaiza-mitantana Maneran-tany novokarinâny Banky Iraisam-pirenena fa tena olana goavana tokoa ny kolikoly. Nisy tatitra maro nilaza fa nisy manam-pahefana nanao kolikoly nandritra ny taona.
Kolikoly: Nanokatra fanadihadiana ny Birao Mahaleotena Miady aminâny Kolikoly (BIANCO) mikasika ny resaka kolikoly nandritra ny fanadinana ofisialy fidirana aminâny sekolinâny zandarimaria sy ny sekolim-pirenena ho anâny mpiambina fonja. Hita nandritra ny fanadihadiana fa nisy lesoka ny fampidirana ireo zandary vaovao, saingy tsy niafara taminâny fitoriana ireo tomponâandraikitra voakasika izany.
Tsy nisy vaovao intsony mikasika ny ezaka hitoriana anâAtoa Johnfrince Bekasy, ilay heverina fa rain-dahiny aminâny fanondranana andramena, ezaka izay natomboky ny BIANCO taminâny taona 2015. Afaka niriaria tany ivelanâny firenena Atoa Bekasy, izay mpilatsaka hofidiana nandritra ny fifidianana benâny tanana taminâny anaranâny antokonâny Filoha, rehefa nafahana tsy nisy fanazavana taminâny volana Oktobra 2015.
Taminâny volana Martsa 2014 dia nisy bolabolanâandramena niisa 30.000 tratra tany Singapour, nitarika fitoriana teny aminâny fitsarana tany Singapour, satria voararanâny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny varotra biby sy zava-maniry efa ho lany tamingana (CITES) ny famarotana andramena. Taminâny taona 2010 no nivoaka ilay alĂ lana hanondrana andramena avy teto Madagasikara, na dia fantatra aza fa nifanohitra taminâny voalazanâny CITES izany.
Taminâny taona 2015 dia notaterinâny mpampahalala vaovao ny tranga momba ny voalaza fa fanodinkodinana vola nitentina 396 tapitrisa Ariary tao Ambohimasina, nataonâny vehivavy mpandraharaha iray voalaza fa akaiky ny Filoham-pirenena. Nobaikoanâny Praiminisitra taminâizany fotoana izany Jean Ravelonarivo ny zandarimaria hisambotra anâilay mpandraharaha, saingy tsy nisy fepetra noraisina. Nanokatra fanadihadiana mikasika ilay raharaha koa ny BIANCO, saingy tsy nisy fivoarana izany. Farany dia nampitaina tany aminâny Ministeranâny Fitsarana ilay raharaha, saingy niteny ireo nahafantatra akaiky ny raharaha fa tsy nantenaina hivoatra ny raharaha satria akaiky olona ambony ilay vehivavy mpandraharaha.
Taminâny taona 2015 ny BIANCO dia naharay fitarainana niisa 989 nahakasika resaka kolikoly, ka ny 71 isan-jato taminâireo no azo nanaovana fanadihadiana. Niisa 157 ireo fitarainana nentinâity birao ity teo anatrehanâny fitsarana taminâny taona 2015. Ireto avy ireo tena niantefanâny fitarainana noho ny kolikoly: ny zandarimariam-pirenena, biraom-panjakana isam-paritra, ny sehatry ny fanabeazana, ny fitsarana, ary ireo manam-pahefana misahana ny fananan-tany. Na izany aza anefa, dia tsy azo nitarafana ny tena zava-nisy nanerana ny nosy ireny tranga ireny, satria tsy dia mahasahy mitatitra tranga-na kolikoly avo lenta mahakasika olona ambony ny ankamaroanâny olom-pirenena.
Fanambaram-pananana: Misy ny didy hitsivolana mitaky ny fanambarana ny vola miditra tsy tapaka/fananana ho anâireo tomponâandraikitra mitana ireto toerana manaraka ireto: Praiminisitra sy Minisitra ao aminâny governemanta, parlemantera; mpikambana ao aminâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ m-panorenana; lehibenâny faritra sy benâny tanĂ na; mpitsara; mpiasam-panjakana mitana ireto toerana ireto na ny mifanandrify aminy: tale any aminâny ministera sy ny eo amboniny; mpanara-maso any aminâny biraonâny fananan-tany, kitapom-bolam-panjakana, haba sy teti-bola; manam-boninahitra ao aminâny tafika, mpifehy andiany noho miakatra; mpanara-maso avy aminâny Inspection GĂ©nĂ©rale de lâEtat, avy aminâny Inspection GĂ©nĂ©rale de lâArmĂ©e ary avy aminâny Inspection GĂ©nĂ©rale de la Gendarmerie; ary izay rehetra mitana ny toeranâny manam-boninahitra ao aminâny polisy ara-pitsarana. Na dia mety hampahafantarinâny BIANCO ny Biraonâny Mpampanoa lalĂ na aza izay mety ho tsy fanarahana izay lalĂ na izay, dia tsy nisy singa nahafahana nilaza fa nisy sazy nampiharina noho ny tsy fanaovana izany fanambaram-pananana izany.
Teo anelanelanâny volana Janoary sy Septambra, dia ny 205 taminâireo parlemantera miisa 214 avy ao aminâny Antenimieram-pirenena sy Antenimieran-doholona ary ny minisitra rehetra tokony hanao izany, anisanâizany ny Praiminisitra, no nanao ny fanambaram-pananana. Tany aminâny volana Desambra, dia ny 13 aminâireo Filohanâny Faritra miisa 22 no tsy mbola nanao fanambaram-pananana.
Fahafahanâny besinimaro mitrandraka antontam-baovao: Tsy misy lalĂ na mamaritra ny fahafahanâny besinimaro mamantatra vaovao momba ny Fitondrana.
Fizarana faha-5Â Fihetsiky ny fitondrana manoloana ny fanadihadiana nataonâny fikambanana tsy miankina sy fikambanana iraisam-pirenena momba ny fiampangana ho nanitsakitsaka ny zonâolombelona:
Taminâny ankapobeny dia maro ireo fikambanana eo an-toerana sy iraisam-pirenena misahana ny zonâolombelona niasa tsy nisy sakantsakana, ka nanao fanadihadiana ary nampahafantatra ny vokatra hitany momba ny tranga mahakasika ny zonâolombelona. Taminâny ankapobeny dia tsy nahoanâny tomponâandraikitra ara-panjakana ny fomba fijerinâizy ireo, saingy nisy ireo fikambanana iraisam-pirenena misahana ny zonâolombelona nahazo niditra teto aminâny firenena, nanatontosa ny asany, ary nifanakalo tamin-kalalahana taminâny vondrona hafa.
Nisy fikambanana tsy miankina maromaro teo an-toerana niasa teo aminâny sehatry ny zonâolombelona, saingy vitsy dia vitsy taminâizy ireo no afaka nihambo ho nahomby sy nahaleo tena. Misy fotoana ireo fikambanana ara-politika manohana ny fitondrana no manao antsojay na manandrana misavika ny hetsiky ny vondrona ao anatinâny fiaraha-monim-pirenena.
Sampan-draharaham-panjakana misahana ny zonâolombelona: Taminâny volana Jolay 2014 ny fitondrana no nametraka ny rafitra ara-pitsarana ho anâny Vaomiera nasionaly mahaleo tena hisahana ny zonâolombelona ahitana kaomisera 11, izay samy nofidianâny mpikambana ao aminâny fikambanana iray misahana ny zonâolombelona ary nahazo iraka hanao fanadihadiana sy hanambara ampahibemaso ny zavatra hitany mikasika ny fanitsakitsahana ny zonâolombelona. Tany aminâny 13 Oktobra, dia efa vita fianianana avokoa ireo mpikambana 11 ao aminâny vaomiera, ary dia nanomboka niasa am-pahibemaso ilay vaomiera. Tany aminâny faranâny taona dia tsy mbola nanokana birao na toe-bola hiasanâilay vaomiera ny fanjakana.
Fizarana faha-6Â Fanavakavahana, herisetra eo aminâny fiaraha-monina, ary fanondranana olona:
Ny vehivavy
Fanolanana sy herisetra ao an-tokatrano: Voararanâny lalĂ na ny fanolanana, saingy tsy voaresaka manokana ny fanolanana ataonâny vady. Ny sazy mifandraika aminâny fanolanana dia dimy taona an-tranomaizina hatraminâny fitanana am-ponja mandra-pahafaty, miankina aminâny taonanâilay voaolana, ny fifandraisanâilay mpanolana sy ilay voaolana, ary ny famaritana raha nifanerasera taminâny ankizy ilay mpanolana teo aminâny asany andavanandro. Asa an-terivozona kosa no sazy miandry ho anâny fanolanana zaza tsy ampy taona sy vehivavy bevohoka. Mety hiampy roa hatraminâny dimy taona an-tranomaizina ny sazy raha nisy herisetra sy finiavana handratra. Mahalana anefa no nampiharinâny manam-pahefana ireo sazy ireo.
Taminâny taona 2015 ny Centre Vonjy ao aminâny Hopitalim-panjakana Befelatanana Antananarivo, dia nandray marary niisa 550 nahitana fanolanana zazavavy. Mihevitra ireo mpandinika fa mihoatra lavitra anâireo tarehimarika ireo ny tena zava-misy manerana ny nosy, saingy tsy nisy antontanâisa azo nitokisana mahenika ny firenena. Araka ny fanombananâny UNICEF dia ny 14 isan-jatonâny zazavavy sy tovovavy teo anelanelanâny 15 sy 19 taona manerana ny firenena no efa niharanâny herisetra ara-pananahana.
Voararanâny lalĂ na ny herisetra ao an-tokatrano, saingy mbola olana fahita matetika hatrany izany, ary mety hahavoasazy roa hatraminâny dimy taona an-tranomaizina sy onitra mitentina efatra tapitrisa Ariary, arakaraka ny hamafinâny ratra sy ny fahafantarana raha mitondra vohoka ilay niharanâny herisetra. Tsy nisy antontanâisa milaza ny isanâireo nahavanon-doza nenjehina araka ny lalĂ na, nomelohina na nosaziana, saingy vitsy ny vehivavy nitory ny vadiny, anisanâny antony ny halafosanâny taratasy fanamarinana avy aminâny mpitsabo (6.000 Ariary). Tsy nahitana toerana fandraisana ireo vehivavy niharanâny herisetra teo aminâny nosy, hany ka tsy nanan-tsafidy hafa izy ireny afa-tsy ny nody tany aminâny ray aman-dreniny, ireto farany kosa anefa taminâny ankapobeny dia manosika ireo vehivavy ireo hiverina any aminâireo nanao herisetra taminy.
Azonâireo niharanâny herisetra ao an-tokatrano avy aminâny mponina marefo atao ny mandray fanampiana avy aminâny toerana mpanolo-kevitra antsoina hoe Centre dâEcoute et de Conseil Juridique (CECJ), napetraky ny Ministeranâny Mponina, Fiarovana ara-tsosialy, sy Fampiroboroboana ny Vehivavy any aminâny faritra maro, noho ny fanohanana avy taminâny FNUAP. Ireny ivon-toerana ireny no nanolo-tsaina ny niharanâny herisetra hoe aiza no mitsabo tena, nanolotra fanampiana ara-psykolojia ihany koa, ary nanampy azy ireo nametraka fitoriana mba hahazoana vola fanampiana avy aminâireo nampijaly azy.
Nandritra ny taona 2015 dia niisa 1.103 ny tranga nahitana herisetra voarainâny CECJ, ka ny 917 dia nahitana vehivavy niharanâny herisetra ara-batana, ara-toe-karena ary ara-moraly tao an-tokatrano.
Fanerena an-kolaka hiray ara-nofo: Voararanâny lalĂ na ny fanerena an-kolaka hiray ara-nofo, ka herin-taona hatraminâny telo taona an-tranomaizina no sazy, miampy onitra iray hatraminâny efatra tapitrisa Ariary. Miakatra ho roa hatraminâny dimy taona an-tranomaizina sy onitra roa hatraminâny 10 tapitrisa Ariary izany sazy izany raha toa ilay niharanâny herisetra ka noterena mivantana na norahonana hanao firaisana ara-nofo na nosaziana noho ny nandavany tsy hanatanteraka izany. Tsy nampiharinâny manam-pahefana io lalĂ na io, ary olana fahita manerana ny nosy ny fanerena an-kolaka hiray ara-nofo.
Taminâny volana Jolay ny borigady misahana ny moraly sy ny zaza tsy ampy taona ao aminâny polisim-pirenena, niara-niasa taminâny UNICEF sy orinasa Malagasy iray misahana ny serasera, dia nandray anjara taminâny fanofanana momba ny fisorohana ny fanerena an-kolaka hiray ara-nofo ao aminâny aterineto, ho anâny ankizy teo anelanelanâny 13 sy 18 taona niisa am-polony.
Zo ara-pananahana: Samy nalalaka na ny mpivady na ny isam-batanâolona feno 18 taona noho miakatra taminâny fanapahana ny isanâny zaza hateraka sy ny elanelan-taonanâizy ireo, ka tsy nisy fanavakavahana, fanerena na herisetra, saingy matetika tsy ampy ny antontam-baovao sy fitaovana nilainy handraisany izany fanapahan-kevitra izany.
Araka ny voalazanâny Vondrona Iraisampirenena momba ny Fahasalamana (OMS), dia 353 ny salanâisanâny fahafatesanâny reny eo am-piterahana tao anatinâny zaza teraka velona niisa 100.000. Ny antony nisongadina indrindra nitarika ny fiakatry ny isanâireo reny maty teo am-piterahana dia ny halavitry ny toeram-pitsaboana sy ny halafonâny saram-pitsaboana, ny kalitao tsizarizary eo aminâny fiahiana atolotra ao aminâny hopitaly, ny tsy fanjarian-tsakafo mpahazo ny reny (isanâizany ny aretinâny tsy fahampian-drĂ ), ny fisesinâny fiterahana haingana loatra, ary ny hamaroanâny fanalan-jaza tsy voaaro. Na dia voarara aza ny fampanambadiana zaza latsaky ny 18 taona raha tsy noho ny antony tena tsy azo ialana, ary mbola tsy maintsy ahazoana alĂ lana avy aminâny ray aman-dreny sy sy ny manam-pahefana aza, dia matetika hatrany no misy zaza tsy ampy 18 taona manambady sy mitondra vohoka. Na dia efa manambady aza anefa ny olona iray latsaky ny 18 taona, dia tsy misy lalĂ na mamela azy hahazo fanafody fanabeazana aizana.
Araka ny fanombananâny FNUAP dia ny 36.4 isan-jatonâny vehivavy sy zazavavy teo anelanelanâny 15 sy 49 taona no nampiasa fanabeazana aizana manaraka ny toetrandro taminâny taona 2015. Notombananâny mpanara-maso fa ny 44 isan-jatonâny fahaterahana no natrehinâny mpitsabo voaofana aminâizany, saingy latsakâizany ny tarehimarika any ambanivohitra, izay tsy nahitana mpitsabo voaofana afa-tsy vitsy ihany.
Nozaraina maimaim-poana tany aminâireo tobim-pahasalamana anâny fanjakana ny fanafody fanabeazana aizana sy ny torolalana momba ny fanabeazana aizana ho anâny olon-dehibe, saingy matetika no tsy tontosa izany noho ny tsy fahampianâny hoenti-manana. Nisy fikambanana ara-pinoana, tobim-pahasalamana tsy miankina sy toerana sasany notantaninâny sehatra tsy miankina nanolotra raharaha mitovy aminâizany. Teo ihany koa ny sakana apetraky ny fiaraha-monina sy ny kolon-tsaina ary ny tsy fahampianâny hoenti-manana izay nanohintohina ny fampiasana fanafody fanabeazana aizana.
Taminâny volana Aprily ny Ministeranâny Fanabeazana dia nanao sonia fiaraha-miombonâantoka taminâny Population Service International (PSI) hampitomboana ny fahafantarana mikasika ny fahasalamana ara-pananahana ho anâny zazavavy any aminâny sekolim-panjakana manerana ny firenena.
Fanavakavahana: Aminâny ankapobeny dia mitovy ny zonâny vehivavy raha ampitahaina aminâny anâny lehilahy, saingy nisy ihany fahasamihafana nisongadina. Niharanâny fanavakavahana ny vehivavy teo aminâny sehatry ny asa, ny famindrana ny fizakĂ na ny zom-pirenena mankany aminâny zanany, ary ny fandovana. Mandova ny antsasaky ny fanananâny mpivady ny vehivavy maty vady ka manan-janaka, saingy raha tsy niteraka izy roa, dia ny havanâny lahy no mandova alohanâilay vadiny, izay lasa any aminâny laharana fahavalo eo aminâny fandovana raha tsy nisy fifanarahana vita talohanâny nahafatesana. Tsy voatery ho voahaja foana anefa ireo voalazanâny lalĂ na ireo. Indraindray dia nampiasaina ny fomban-drazana antsoina hoe âKitay telo an-dalĂ naâ, izay ahazoanâny vehivavy ny ampahatelonâny fanĂ nana niraisanâny mpivady raha misy fisarahana, ary izay fomba izay matetika no narahanâny fianakaviana.
Maro ireo fikambanana tsy miankina aminâny fanjakana nifantoka taminâny fanabeazana vehivavy sy ny tovovavy ho olom-pirenena vanona, nanazava ny fiarovana omenâny lalĂ na ho azy ireo manokana. Na izany aza anefa, noho ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, noho ny kolotsaina, noho ny fandrahonanâny fiaraha-monina ary noho ny tsy fahampianâny fahalalana, dia vitsy ireo vehivavy manao fitarainana ofisialy na mangataka onitra rehefa voahitsakitsaka ny zony.
Ny ankizy
Firaketana an-tsoratra ny zaza teraka: Lovaina avy aminâny ray aman-dreny ny fizakana ny maha-olom-pirenena Malagasy, saingy izay ankizy nateraky ny reny Malagasy sy ray teratany vahiny dia tsy maintsy manao fanambarana ny faniriany hizaka ny zom-pirenena Malagasy rehefa feno 18 taona. Tsy mifindra avy aminâny reny niteraka mankany aminâny zanany ny zom-pirenena raha tsy hoe teraka tao anaty fanambadiana ara-panjakana ilay zaza, ary tsy manana firenena ilay rainy, na tsy fantatra ny zom-pirenenâilay rainy. Tsy misy paikady iraisana manerana ny nosy mikasika ny kopia, nefa tsy azo raisina hianatra na hahazo fiahiana ara-pahasalamana avy aminâny fanjakana izay zaza tsy manana kopia. Niara-niasa taminâny fitondrana ny UNICEF taminâny fizarana kopia ho anâireo zaza vao teraka sy ireo tsy mbola nahazo kopia hatraminâny nahaterahany. Hita taminâny fanadihadiana nataonâny UNICEF taminâny taona 2010 fa ny 80 isan-jatonâny ankizy latsaky ny dimy taona ihany no manana kopia. Niara-niasa taminâny UNICEF ny Minsiteranâny atitany, fahasalamana ary ny fitsarana nandritra ny taona hampihenana ny isanâny zaza tsy manana kopia tany aminâny faritra sasany nokendrena manokana.
Fanabeazana: Voalazanâny LalĂ m-panorenana fa tsy andoavam-bola ny fanabeazam-panjakana ho anâny ankizy Malagasy rehetra, ary tsy maintsy mianatra any aminâny ambaratonga voalohany ny ankizy hatraminâny faha-16 taonany. Na izany aza anefa dia nitombo ny vola nasaina naloanâny ray aman-dreny hanampiana ny fitaovam-pianarana fototra sy ny karamanâny mpampianatra. Vokatrâizany dia maro ny ankizy tsy mba afaka nianatra. Nanambara ny UNICEF fa taminâny ankapobeny dia nitovy ny fahafahanâny zazalahy sy zazavavy mandranto fianarana, na dia maro kokoa aza ny tovovavy miala mianatra eo aminâny taonanâny adolan-tsento. Nanomboka taminâny taona 2014 dia misy tetikasa maharitra telo taona notohananâny Banky Iraisam-pirenena, ary notontosainâny Ministeranâny Mponina, hanomezana fanampiana ara-bola ho anâny fianakaviana maro hanatsarana ny fahafahana mandefa ankizy mianatra. Tanjonâny tetikasa ny hanampy fianakaviana miisa 39.000 any aminâny faritra maro sy hanome vola ho anâizay fianakaviana marefo ka manapa-kevitra handefa ny zanany hianatra.
Fampijaliana zaza tsy ampy taona: Mbola olana hatrany ny fanararaotana zaza tsy ampy taona, anisanâizany ny fanolanana zaza menavava sy zaza madinika. Nihoatra ny15 ny isanâny tranga-na fanolanana zaza tsy ampy taona notaterinâny mpanao gazety nandritra ny taona, ka zaza latsaky ny 12 taona ny ankamaroanâireo niharanâizany; ary telo taona ny zandriny indrindra. Nandritra ny taona 2015 dia nahatratra 40 ny isanâny tranga-na fampijaliana ankizy nosahaninâny Sendikanâny Mpanao Asa Sosialy ka teo anelanelanâny telo volana hatraminâny 18 taona ireo niharanâizany. Taminâny taona 2015 dia niainga taminâny antontam-baovao tao aminâny polisim-pirenena sy ny Ministeranâny Mponina ny UNICEF ka nampahafantatra tranga-na fanolanana niisa 417 sy endrika hafa nisehoanâny fampijaliana ankizy niisa 828. Voafetra ihany ny ezaka nataonâny fanjakana hiadiana aminâny fanolanana zaza tsy ampy taona, ka ny tena nifotorany dia ireo tambazotra fiarovana ny zaza tsy ampy taona, izay nijery akaiky ny zavatra ilainâireo zaza niharanâny fanolanana ary, indraindray, dia nanaitra ny sainâny besinimaro.
Nitohy niasa ihany ny Centre Vonjy, ao aminâny sampan-draharaha fampiterahana ao aminâny Hopitelinâi Befelatanana. Ny UNICEF no namatsy vola io ivon-toerana io, izay nandray sy nitsabo ireo zaza tsy ampy taona niharanâny fanolanana. Nanolotra fitiliana ara-pahasalamana ihany koa io ivon-toerana io, afaka miantoka ny lany aminâny fitsaboana sy fiterahana ho anâny mitondra vohoka, fitsaboana ho anâny fiantraikany ara-tsaina zakainâireo voaolana, ary fanampiana avy aminâny Polisy misahana ny moraly sy ny zaza tsy ampy taona raha hametraka fitarainana. Namporisihinâity ivon-toerana ity ireo olona niharanâny heloka handresy lahatra ny ray aman-dreniny hametraka fitoriana anâizay nahavanon-keloka taminâizy ireo.
Fanambadiana an-tery sy aloha loatra: Tsy mila fahazoan-dalana avy aminâny ray aman-dreny ny tovolahy sy ny tovovavy mikasa hanambady ka efa feno 18 taona. Na izany aza anefa, araka ny famaritana nataonâny Tahirinâny Firenena Mikambana ho anâny Mponina, dia mbola fahita matetika ny fanambadianâny zaza tsy ampy taona, indrindra tany ambanivohitra sy tany aminâny tapany atsimo. Heverina fa ny 41 isan-jatonâny vehivavy teo anelanelanâny 20 sy 24 taona no efa nanambady talohanâny nahafenoany 18 taona, ary ny 12 isan-jato no nanambady talohanâny faha 15 taonany, araka ny voalazanâny antontam-baovao voaangonâny UNICEF teo anelanelanâny taona 2008 sy 2014.
Araka ny nohamafisinâny Mpitondra teny manokana avy aminâny Firenena Mikambana momba ny endrika fanandevozana moderina nandritra ny iraka notanterahiny teto an-toerana taminâny taona 2012, dia mbola olana tany aminâny tanĂ na madinika maro ny fanerena zaza tsy ampy taona hanambady, satria misy zazavavy vao 10 taona dia efa terena hanambady. Nomarihiny fa ireo izay iharanâny fanambadiana nalamina toa izany dia matetika koa iharanâny fanerena hiasa an-trano sy fanandevozana ara-nofo.
Araka ny tatitra nataonâny Mpitondra teny manokana avy aminâny Firenena Mikambana taminâny taona 2013, dia mbola nitohy ny fanaovana ny âmoletryâ izay fampanambadiana zazavavy tsy ampy taona ho takalonâny omby atolotra ho solom-bodiondry. Mitady vady (matetika mety ho vao 12 taona) ho an-janany ny ray aman-dreninâny zazalahy (matetika manodidina ny 15 taona), ka rehefa mifanaraka ny ray aman-dreny roa tonta dia karakaraina ny mariazy. Manao fifanarahana an-tsoratra ho anâny herin-taona voalohany ireo ray aman-dreny roa tonta, ary azo halavaina izany fifanarahana izany. Raha miteraka izy mivady aorianâilay herin-taona voalohany nefa foana ilay fanambadiana, dia ilay zazavavyâna ny reniny raha toa ka kely loatra izyâno tomponâandraikitra manabe ilay zaza teraka. Raha nanitsakitsaka an-dralehilahy kosa ilay tovovavy na tsy mahatody herin-taona ilay fanambadiana, dia averina ny solom-bodiondry ary misaraka tsy misy rahoraho ny roa tonta. Tsy maintsy manapitra ny herin-taona nifanarahana ilay vehivavy na sanatria iharanâny fampijaliana aza, saingy raha izay no mitranga dia ampiana ny vola na firavaka atolotra ny ray aman-dreninâilay tovovavy, mba hampitoniana azy ireo.
Nokianinâilay Mpitondra teny manokana avy aminâny Firenena Mikambana tao anatinâilay tatitra navoakany taminâny taona 2013 ihany koa ny âvalifofo,â na fanambadiana amboarina. Nomarihiny fa any aminâny tanĂ na toa anâIhorombe, any aminâny foko Bara, rehefa feno 10 taona ny ankizivavy iray, dia atokana trano ary afaka mampiditra lehilahy ao aminy na tsy mangataka alĂ lana avy aminâny lehilahy havany aza. Ho anâny foko Bara, dia vao teraka ny zazavavy dia efa azonâny ray aman-dreny ampanantenaina ho vadinâolona, ary mandray omby 10 izy ho takalonâizany. Azonâny lehilahy atao ihany koa ny maka ankizivavy fito taona na miangavy ny ray aman-dreninâilay ankizivavy hitaiza azy mandrapahafenony 12 taona, fotoana andefasana azy any an-tranonâilay ho vadiny.
Fanararaotana mamoa-fady atao aminâny zaza tsy ampy taona: Aminâny ankapobeny dia melohina roa hatraminâny dimy taona an-tranomaizina sy lamandy mety hahatratra 10 tapitrisa Ariary ny fampiasana sy fampirisihana olona hivaro-tena. Na izany aza anefa, araka ilay lalĂ na vaovao iadiana aminâny fanondranana arahina fanararaotana olona, ny fampiasana sy fampirisihana zaza latsaky ny 18 taona hivaro-tena, ny fanararaotana mamoa-fady atao aminâny zaza latsaky ny 15 taona â sy ny fanararaotana zaza latsaky ny 18 taona hahazoana tombony dia samy melohina aminâny âasa an-terizovonaâ avokoa. Na ny fehezan-dalana mifehy ny heloka bevava, na ny lalĂ na miady aminâny fanondranana arahina fanararaotana olona dia samy miresaka momba ny sary sy horonan-tsary mamoafady, ka voalaza mazava fa sazy roa hatraminâny dimy taona an-tranomaizina ary lamandy mety hahatratra 10 tapitrisa Ariary no miandry izay mahavita izany. Mahalana anefa no nampiharinâny fitondrana ireo andinin-dĂ lana ireo. Tsy voafaritra ihany koa ny taona ambany indrindra ho anâny fahalalahana hiray ara-nofo.
Mbola olana goavana ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy, izay indraindray ahitana firaisana tsikombakomba ataonâny ray aman-dreny. Ny tena nampisongadina izany indrindra dia tao Antananarivo sy tany aminâny tanĂ na amoron-tsiraka toa anâi Toamasina, Nosy Be, Diego Suarez ary Mahajanga. Nandritra ny iraka nataony taminâny taona 2013 teto Madagasikara, dia nofaritanâny Mpitondra teny manokana avy aminâny Firenena Mikambana fa âmitaky fandraisana andraikitra hainganaâ ny â firongatryâ ny fivarotan-tena ataonâny zaza tsy ampy taona sy fizahan-tany mamoafady manerana ny firenena.
Taminâny taona 2013 ny Fikambanana tsy miankina Ending Child Prostitution and Trafficking (ECPAT) miasa eto Madagasikara dia naharakitra an-tsoratra zaza tsy ampy taona niisa 1.132 nivaro-tena tao Antananarivo; maherinâny ampahatelony aminâizy ireo no nilaza fa nandritra ny taon-dasa mialoha anâio no tafiditra tao aminâny fivarotan-tena. Nitatitra ihany koa io fikambanana tsy miankina io fa ny ankamaroanâny ankizy mivaro-tena any Mahajanga sy Nosy Be dia teo anelanelanâny 13 sy 15 taona no nanao firaisana ara-nofo voalohany. Ny 40 isan-jatonâizy ireo dia teo am-pivarotan-tena no nanaovany firaisana ara-nofo voalohany, ary ho anâny maro dia mahafantatra tsara izany fidiram-bolany izany ny ray aman-dreniny.
Misy ny tovovavy avy any ambanivohitra tonga miasa an-trano eto an-drenivohitra no iharanâny fanararaotana sy fanolanana ataonâny mpampiasa azy. Izay miala aminâny asa noho ny antony toa izany matetika dia tsy mahazo karama. Koa mba tsy hodianâizy ireo tĂ nam-polo any aminâny tanĂ na nihaviany, dia aleony mijanona eto an-drenivohitra ary mivaro-tena.
Maherinâny 450 ireo tamba-jotra nosahaninâny Ministeranâny Mponina sy ny raharaha sosialy nanerana ny faritra 22 natao hiarovana ny ankizy tsy hiharanâny fanararaotana sy fanambakana. Niara-niasa taminâny UNICEF ny ministera hamantarana ireo ankizy niharanâizany heloka izany sy hahazoana antoka fa mahazo ny fitsaboana ara-pahasalamana sy fikarakarana ara-tsaina sy ara-tsosialy ilainy ireo ankizy ireo. Tao anatinâny fiaraha-miasa taminâny ministeranâny fitsarana sy ny mponina ary ny zandarimaria no nanofananâny UNICEF ny mpitandro filaminana sy mpandray anjara hafa tany aminâireo faritra nokendrena taminâny fiarovana ny zonâny ankizy.
Maro ny fanao ara-kolotsaina sy nentim-paharazana nitarika fanararaotana mamoafady taminâny tovovavy sy zazavavy. Mbola nitohy tany aminâny faritra mitoka-monina sasany ohatra ny fomba nentim-paharazana atao hoe âTsenanâampelaâ. Raha vao feno 13 taona ny tovovavy dia mamonjy tsenanâomby ka manao izay hanintonana tomponâomby ary manao adivarotra ho anâny âfanambadiana,â izay mety haharitra indray alina na mandritra ny fotoananâny tsena (Zoma hatraminâny Alatsinainy), araka ny tatitra taminâny taona 2013 nataonâny Mpitondra teny manokana avy aminâny Firenena Mikambana mikasika ny endrika isehoanâny fanandevozana ankehitriny. Taminâny ankapobeny dia 10.000 Ariary isanâalina no nomena ny tovovavy manao izany, dia mody izy ireo rehefa mirava ny tsena.
Famonoana zaza nateraka na famonoana zaza vao teraka ka manana fahasembanana: Hita taminâny tatitry ny mpanao gazety nandritra ny taona ny fahitana fatin-jazamenavava nisy nanary tany anaty tatatra sy teny aminâny dabam-pako. Misy fady nentim-paharazana any aminâny faritra atsimo-atsinanana ho anâny miteraka kambana izay vao maika nanamafy ilay olana ihany koa.
Ankizy nafindra toerana: Na dia voararanâny lalĂ na aza ny fandaozana zaza tsy ampy taona, dia mbola nisongadina io olana io. Vitsy ireo toerana azo antoka nahafahana nandray ireo zaza mpirenireny, ary taminâny ankapobeny dia niezaka hatrany ny biraom-panjakana hametraka ny zaza nilaozanâny ray aman-dreniny any aminâny fianakaviana aloha. Maro ny ankizy napetraka tany aminâny toerana mpitaiza kamboty tsy miankina sy tantananâny fiangonana, izay tsy tao anatinâny rafitra arahinâny fanjakana maso.
Hala-jaza eo aminâny sehatra iraisam-pirenena: Madagasikara dia tsy nanao sonia ny Fifanarahana tao La Haye taminâny taona 1980 momba ny Endrika Sivily mahakasika ny Hala-jaza eo aminâny sehatra Iraisam-pirenena. Jereo ato ny Tatitra isan-taona momba ny hala-jaza eo aminâny sehatra iraisam-pirenena ataonâny ray aman-dreny, navoakanâny Departemantam-panjakana Amerikana :
travel.state.gov/content/childabduction/english/legal/compliance.html.
Fankahalana ny Jiosy
Vitsy dia vitsy ny mpikambana aminâireo fiaraha-monina Jiosy, ary tsy nisy tatitra mikasika ny hetsika na tranga maneho fankahalana ny Jiosy.
Fanondranana arahina fanararaotana olona
Jereo ato ny Tatitra momba ny fanondranana arahina fanararaotana olona navoakanâny Departemantam-panjakana Amerikana : www.state.gov/j/tip/rls/tiprpt/.
Ireo manana fahasembanana
Voararanâny lalĂ na ny fanavakavahana ny olona manana fahasembananâny vatana sy ny saina, na dia tsy voaresaka manokana aza ny fahasembananâny retsi-pandrenesana sy ny fahasembanana ara-pahaizana. Voafaritry ny lalĂ na tsara ny zĂČ anĂ nanâny olona manana fahasembanana ary voalazanâny lalĂ na ny tokony hananganana filankevi-pirenena sy isam-paritra hiaro ny zonâizy ireo. Voalazanâny lalĂ na fa ny sembana dia manan-jo hahazo fitsaboana sy fanabeazana, hahazo fiofanana sy asa fivelomana; tsy voaresaka manokana ny mikasika ny fivezivezena anâhabakabaka na ny fahafahana mampiasa ny rafi-pitsarana. âAmpirisihinaâ ny ivon-toerana fanabeazana hanao izay fanamboarana ilaina aminâny foto-drafitrasany mba handraisana ireo mpanjifa manana fahasembanana. Voalazanâny lalĂ na ihany koa fa âAnjaranâny fanjakana ny manamora araka izay azo atao ny lalana miditra any aminâny biraom-panjakana, faritra natokana ho anâny besinimaro ary ny fitateram-bahoaka mba handraisana ny olona manana fahasembanana.â
Tsy dia nampihatra ireo zo ireo anefa ny manam-pahefana, ary nijanona ho an-taratasy ihany ilay lalĂ na mitaky ny fanamorana ny fidiranâny sembana aminâny trano iray. Araka ny fanadihadiana lalina nampanaovinâny fikambanana tsy miankina iray, dia samy tsy tafiditra ao anatinâny rafi-dalĂ na ankehitriny misahana ny zonâny olona manana fahasembanana ny lohahevitra fototra toy ny fahafahana miditra aminâny birao, ny fahavitan-tena, ny fahafahanâny tsirairay mivezivezy, ny fitovian-jo, ny fahafahana manatona ny rafi-pitsarana, ny fahafahana mandray anjara aminâny fiainanâny fiaraha-monina sy ny politikaâankoatry ny zo manokana tokony ho anâny vehivavy sy ny ankizy manana fahasembanana.
Voafetra ihany koa ny fahafahanâny sembana mandranto fianarana noho ny tsy fisianâny foto-drafitrasa mifanaraka aminâny ilainâizy ireo, ny toeram-pampianarana na mpanabe manokana ho azy ireny. Na izany aza anefa, dia nambaranâireo mpiaro ny zonâny olona manana fahasembanana fa mihoatra ny 60 ny isanâny kilasy mandray ankizy manana fahasembanana, isanâizany ny manana fahasembananâny saina, manerana ny nosy. Nisy ihany koa manam-pahefana isan-tanĂ na nanampy mpianatra sasany manana fahasembanana nandritra ny fanadinana bakalorea. Noho ny fanampiana ara-bola avy aminâny fikambanana frantsay iray, dia nanao sonia fifanarahana taminâny Handicap International ny Minisitry ny Fanabeazana taminâny volana Febroary hampidirana ankizy marefo miisa 2.173, anisanâizany ny ankizy manana fahasembanana miisa 503, hianatra any aminâny sekolim-panjakana any aminâny Faritra Diana sy Analanjirofo. Tafiditra tao anatinâizany fandaharana izany ny fanofanana manokana ho anâny mpampianatra any aminâny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany handray ireo ankizy ireo.
Nianjadianâny fanavakavahana ny olona manana fahasembanana eo aminâny tontolonâny asa. Mora ianjadianâny heloka bevava ihany koa izy ireo, indraindray vokatry ny ataonâny havany ihany. Nilaza ohatra ny mpitarika fikambanam-behivavy manana fahasembanana iray taminâny taona 2015 fa nisy mpikambana roa taminâny fikambananâizy ireo noterenâny ray aman-dreniny hafatotra ny tranon-janany mba tsy ho afaka miteraka intsony, satria noraisinâireo ray aman-dreny ho vesatra ho anâny fianakaviana izy ireo.
Voalazanâny fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana fa ny olona manana fahasembanana dia tsy maintsy ampiana handatsa-bato, saingy tsy misy andalana hafa miresaka momba ny fikarakarana ireo mpifidy manana fahasembanana.
Ny Ministeranâny Mponina no tomponâandraikitra aminâny fiarovana ny zonâny olona manana fahasembanana ary nanana sampan-draharaha nisahana ny olona manana fahasembanana sy ny beantitra. Vehivavy manana fahasembanana no notendrenâny ministera ho lehibenâio sampan-draharaha io.
Teo ihany koa ny fiaraha-miasa taminâny Handicap International nahafahanâny mpitondra isan-tanĂ na nandray anjara mavitrika taminâny fandaharana fampandrosoana any an-toerana. Ny kaominina Toamasina sy Toliara ohatra dia afaka nitondra fanatsarana goavana taminâny fahafahanâny olona manana fahasembanana miditra ao aminâny tsena sy toerana hafa fampiasanâny besinimaro.
Nanambara ny Ministeranâny Mponina taminâny taona 2015 fa misy ny laminâasam-pirenena maharitra dimy taona ho anâny olona manana fahasembanana. Izany lamina izany moa dia natao ho fitaovana hampiasainâireo tomponâandraikitra rehetra avy aminâny fanjakana sy ireo tsy miankina hampidirana ny zonâireo manana fahasembanana any anatinâny fandaharanasanâizy ireo tsirairay avy.
Ireo vitsy anâisa ara-pihaviana/ara-pirazanana/ara-poko
Tsy nisy azo nantsoina hoe maro anâisa ny iray taminâireo foko 18 eto Madagasikara. Nahitana teratany indo-pakistanais, kaomoriana, sy sinoa vitsy anâisa ihany koa ny firenena. Samy manan-danja eo aminâny fandraisana mpiasa avokoa â ary nisy nanararaotra teo aminâny tontolonâny politika â ny resaka foko nihaviana, ny firazanana, sy ny firaisan-kina isam-paritra. Ny tantara naharitra teo aminâny fanafihanâny tafika sy ny fanjakazakanâny foko tao afovoan-tany izay taranaky ny Aziatika indrindra ny Merina teo aminâny lafiny politika teo anatrehanâireo foko tany aminâny morontsiraka (taranaka Afrikana) dia isanâny niteraka fihenjanana teo aminâireo olom-pirenena avy ao afovoan-tany sy ny avy any amorontsiraka, indrindra teo aminâny sehatry ny politika.
Herisetra sy fanavakavahana ary endrika fanararaotana hafa nohonâny fironana eo aminâny firaisana ara-nofo ary fanavahana ny lehilahy sy vehivavy
Voalazanâny lalĂ na fa mahavoasazy an-tranomaizina roa hatraminâny dimy taona sy onitra roa hatraminâny 10 tapitrisa Ariary ny fitondran-tena âtsy mendrika na manohitra ny natiora eo aminâny samy lahy na samy vavy latsaky ny 21 taonaâ, izay ekena fa mahasahana ny endrika firaisana ara-nofo rehetra. Tsy misy lalĂ na manohitra ny firaisana ara-nofo eo aminâny samy lahy na samy vavy ho anâny efa feno 21 taona noho miakatra. Misy ireo mpikambana sasany aminâny vondronâny LGBTI voalaza fa tsy mahalala ny mety hahavoasambotra azy noho ny âfanodinkodinana zaza tsy ampy taona,â ary nisy taminâizy ireo no voasambotra noho izay antony izay, na dia tsy nisy antontanâisa ofisialy aza. Tsy misy andininy manokana ao aminâny lalĂ na manohitra ny fanilikilihana mianjady aminâny LGBTI. Tsy misy lalĂ na manokana misakana ny olona sady lahy no vavy hifidy na ho lahy izy na ho vavy.
Nisy tatitra nilaza fanilikilihana nataonâny manam-pahefana sy tomponâandraikitra isan-tanĂ na, indrindra ireo mpampihatra lalĂ na, izay nanararaotra taminâny endrika mamoafady ny LGBTI na tsy niaro azy ireny taminâny herisetra nataonâny fiaraha-monina. Nisy ihany koa tomponâandraikitra ara-pahasalamana voalaza fa tsy nety nandray LGBT na tsy nanaja ny fifanarahana mikasika ny tsiambaratelonâny asa maha-mpitsabo.
Tsy dia firesaka eto aminâny firenena ny safidinâny olona momba izany firaisana ara-nofo sy maha-lahy na maha-vavy izany, satria aminâny ankapobeny ny olona dia manaiky tsy sazoka na maneho tsy fankasitrahana mahery vaika mihitsy, indrindra manoloana ireo lehilahy manova endrika manao asa fivarotan-tena. Niatrika fanilikilihana sy fanavakavahana goavana avy aminâny fiaraha-monina ity vondronâolona ity, mazĂ na aza dia avy aminâny fianakaviany ihany, indrindra any ambanivohitra. Maro aminâizy ireo no nolavinâny havany ary tsy navela hiditra am-pasan-drazana. Matetika ireo avy aminâny LGBTI no tojo fanavakavahana rehefa mitady asa.
Fanilikilihana ireo voanâny VIH sy SIDA
Niharanâny fanavakavahana sy fanilikilihana nataonâireo matihanina eo aminâny sehatry ny fitsaboana ireo mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA. Voalazanâny lalĂ na fa manan-jo hahazo fitsaboana maimaim-poana ireo mararinâny VIH/SIDA, ary voalaza mazava koa ny sazy ho anâizay manavakavaka na manilikilika ny olona mitondra ireo aretina ireo. Ankoatry ny Vaomieram-pirenena miady aminâny SIDA eto Madagasikara, dia tsy nampihatra lalĂ na an-tsakany sy an-davany ireo andrim-panjakana hafa, anisanâizany ny minisiteranâny fahasalamana sy ny fitsarana.
Herisetra na fanavakavahana hafa eo aminâny fiaraha-monina
Nitrangana fitsaram-bahoaka na tany an-tanĂ n-dehibe na tany ambanivohitra, anisanâny antonâizany ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny tsy fahatokisanâny vahoaka ny polisy sy ny fitsarana. Vahoaka maro no miara-mamono, midaroka, mandoro na koa mandratra olona ahiana ho nanao ratsy sy izay niray tsikombakomba taminy; ary niisa 86 ny fitsaram-bahoaka notaterinâny mpampahalala vaovao teo anelanelanâny volana Janoary sy Desambra. Indraindray dia nosamborinâny manam-pahefana ireo nahavanona ny famonoana, saingy tsy tontosa hatraminâny farany ny fanenjehana araka ny lalĂ na noho ny tahotra sao vao mainka ho romotra ny vahoaka.
Ny 1 Martsa tany Maroantsetra, dia nosamborinâny zandary ny tomponâomby iray voalaza fa nandray anjara taminâny fitsaram-bahoaka nihatra taminâny dahalo iray taminâny volana Novambra 2014. Ho setrinâizany, ny 3 Martsa, dia nisy mponina avy any ambanivohitra nentin-katezerana mafy ka nanafika sy nandrava ny biraonâny mpampanoa lalĂ na ary nizotra nanatona ny fonja hamoaka ilay tomponâomby. Mba tsy hahavaky ny fonja iray manontolo dia namoaka didy hamotsorana azy ny mpitsara teo an-toerana.
Ny 31 Martsa dia maty nodarohinâny vahoaka tezitra mafy tao Bealanana ny olona roa voalaza fa mpangalatra, izay efa voasambotry ny zandary; ary notetehinâizy ireo ny fatinâireo olona ireo.
Niharanâny fanafihana mifandraika aminâny mosavy ihany koa ny olona sasany bobo teo aminâny firenena. Ny 17 Oktobra ohatra dia hita faty ny vehivavy bobo iray tany Betioky, ary efa tsy nisy maso intsony. Taminâny volana Novambra, dia nisy pretra bobo iray saika nisy naka an-keriny izay voalaza fa saika hivarotra azy 60 tapitrisa Ariary, satria toa hoe saika hampiasaina aminâny mosavy ny fatiny.
Fizarana faha-7Â Zonâny mpiasa
a. Ny zo hivondrona sy hanao fifampiraharahana
Voalazanâny lalĂ na fa azonâny mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina atao ny manangana na mirotsaka ho mpikambana amina sendika izay tiany, ka tsy mila fahazoan-dalana mialoha na fepetra mihoam-pampana. Manana ny Fitsipi-dalĂ na mifehy azy manokana anefa ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa an-dranomasina. Tsy afaka manangana sendika ireo mpiasa ao aminâny raharaha iankinanâny ainâny firenena, toy ny polisy sy ny miaramila ary ny mpamonjy hain-trano. Ny fehezan-dalĂ na an-dranomasina mifehy ireo mpiasa eo aminâny sehatry ny ranomasina dia tsy ahitana andalana manokana miantoka ny zonâny mpiasa hanangana sendika.
Voalazanâny lalĂ na aminâny ankapobeny fa azo atao ny lahasanâny sendika ary mamela ny ankamaroanâny mpiasa, isanâizany ireo mpiasanâny orinasa afaka haba, hitokona. Na izany aza anefa dia voarara ny fitokonana raha toa ka mety hitarika âfanakorontanana ny fiainam-bahoaka,â na mety hitondra loza mananontanona ho anâny ainâny mponina, ny fiarovana azy na ny fahasalamany. Alohanâny hitokonana dia tsy maintsy andramanâny mpiasa avokoa aloha ny fampihavanana sy ny fanelanelanana, izay mety haharitra valo volana hatraminâny roa taona sy tapany. Manan-jo hitokona ny mpiasa aminâny âsehatra iankinanâny ainâny firenenaâ (tsy voafaritry ny lalĂ na) toy ny mpitsara, saingy voafetra ihany izany zĂČ izany. Takianâny lalĂ na izy ireo hametraka fiandraiketan-draharaha farafahakeliny ho anâny mponina mandritra ny fitokonana, ary tsy maintsy mampilaza mialoha ny mpampiasa azy. Hita ao aminâny fehezan-dalĂ na momba ny asa ihany koa ny lamandy sy/na sazy am-ponja ho anâireo ânampirisika sy nitarika fitokonana tsy ara-dalĂ na,â na tao anatinâny filaminana aza izany fitokonana izany.
Voararanâny lalĂ na ny fanavakavahanâny mpampiasa nohonâny maha-mpikambana aminâny sendika. Raha sanatria misy hetsika anenjehana ny sendika, dia azonâny sendika na ny mpikambana ao aminy atao ny mitory ny mpampiasa eny aminâny fitsarana. Tsy misy anefa fiarovana voalazanâny lalĂ na ho anâireo mpiasam-panjakana sy ny mpiasanâny orinasa tsy miankina raha toa misy fanoherana, fanavakavahana na fitsabahana ataonâny mpampiasa manoloana ny sendika. Tsy voaresaka ao aminâny Fehezan-dalĂ na mifehy ny asa ny momba ny famerenana aminâny asany indray ireo voaroaka noho ny raharahanâny sendika.
Voalaza ao aminâny lalĂ na ihany koa fa manan-jo hanao fifampiraharahana ireo mpiasa eo aminâny sehatra tsy miankina, afa-tsy ny tantsambo. Ny mpiasam-panjakana tsy mandray anjara aminâny fitantanana ara-panjakana, toy ny mpampianatra any aminâny sekolim-panjakana izay karamaina aminâny alĂ lanâny mpamatsy vola vahiny na ny FRAM, dia tsy afaka manao fifampiraharahana momba ny fepetra fampiasana azy. Nanambara anefa ireo solo-tenanâny sendika fa misy fotoana tsy nampiharinâny fitondrana ny lalĂ na manan-kery, anisanâizany ireo sazy sy onitra tokony hampiharina, ary mitarazoka loatra ny lamina fampiakarana fitsarana ambony. Mora kokoa ny fanajana sy fampiharana ny zo momba ny fifampiraharahana any aminâireo orinasa iraisam-pirenena lehibe, toy ny orinasa miasahana fifandraisan-davitra na ny banky ohatra. Voalaza fa mananosarotra kokoa ny fampiharana ireo zo ireo any aminâireo orinasa afaka haba na ireo orinasa madinika kokoa eto an-toerana. Nitatitra ireo solo-tenanâny sendika fa matetika ny mpiasa any aminâny orinasa toa izany no tsy marisika hanao fangatahana, sao iharanâny valifaty.
Nohajainâny fitondrana taminâny ankapobeny ny fahalalahanâny fananganana fikambanana sy fifampiraharahana. Voalazanâny lalĂ na fa ny sendika dia tsy natao hiankin-doha aminâny fitondrana na antoko politika eo am-panatontosana ny asany. Nilaza ireo solontenanâny sendika fa nisy fomba mangingina nandramanâny mpampiasa nanovana ny fomba fijerinâny sendika, ka matetika tsy nahafahanâny mpiasa nivondrona na nanakihana ny tontolo tsizarizary ao aminâny toeram-piasana.
Mateti-pitranga ny fitokonana nandritra ny taona â anisanâizany ny fitokonanâny oniversite, mpampianatra aminâny sekolim-panjakana, mpitan-tsoratra ao aminâny fitsarana ary mpiasanâny fadin-tseranana. Tsy voatery ho niompana taminâny tontolonâny asa mivantana foana ireny hetsika ireny, ary nisy manam-pahefana nilaza fa mety ho âfanakorontanananaâ no tanjona taminâireny fikotonana ireny. Indraindray ny fitondrana dia nanao karazana antsojay samihafa hampitahorana ireo mpitarika hetsika, ka indraindray nandrantiranty heloka hafa tsy misy ifandraisany aminâny hetsika akory.
Taminâny 1 May, Fetinâny Asa, dia nisy fivondronanâny sendika antsoina hoe âAfo Sendikalyâ namory vahoaka teo Antananarivo ka nitsikera ny fitondrana ireo nandray anjara fitenenana, anisanâizany ny mpanohitra sasany efa fanta-daza. Andro vitsivitsy taty aoriana, nandritra ny fivoriana hafa, dia nomenâny mpitarika ny fikambanana 72 ora ny filoha hametra-pialana. Ny 6 Jona, dia nanambara Atoa Maharavo Ratolojanahary, iray aminâireo mpitarika, fa naharay taratasy fampitandremana nosoniavinâny Praiminisitra, izay Minisitry ny Atitany ihany koa, ny tenany, taratasy izay miampanga azy ho nandika ny fitsipi-pifehezanâny mpiasa sy nampahatsiahy azy fa tsy nahazo alĂ lana hiteny aminâny anaranâny sendikanâny mpiasam-panjakana izy.
Ny 2 May Atoa Tsinjo Rakotomaharo, mpiasam-panjakana mpitsabo, dia naharay taratasy milaza ny fampitsaharana azy aminâny asany araka ny soso-kevitra avy taminâny filan-kevitra mpampanaja fitsipika ho anâny mpiasa nanao hadisoana, noho ny nandaozany ny asany ka nanatrehany hetsiky ny sendika. Nilaza Atoa Rakotomaharo fa io fandroahana azy io, izay nankatoavinâny Praiminisitra, dia endrika valifaty noho ny nitsikerany ny fomba nitsinjarana anâAntananarivo fony Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny Praiminisitra. Mpikambana mavitrika ao aminâny antoko politika TIM ihany koa Atoa Rakotomaharo.
Vokatrâilay lalĂ na mifehy ny orinasa afaka haba dia nihena ny zonâny mpiasa, satria azonâireo orinasa afaka haba atao ny mampihatra lalana mifehy ny asa tsy mitovy aminâny fehezan-dalana mifehy ny asa manan-kery eto aminâny firenena. Mety ho hafa ny fifanarahana arakâasa any aminâny orinasa afaka haba, indrindra mikasika ny faharetany, ny fandrarana ny vehivavy tsy hiasa aminâny alina, ary ny famerana ny ora fanampiny iasana. Tany am-boalohany dia azonâny vehivavy natao, araka io lalĂ na io, ny miasa alina saingy tsy mahazo mihoatra ny adiny enina isan-kerinandro. Ny didy hitsivolana fampiharana azy nivoaka taminâny taona 2015 kosa anefa dia nilaza fa tsy maintsy miera aminâny mpiasa aloha ny mpampiasa ary alohanâny hampiasana alina ny vehivavy dia tsy maintsy mifampidinika aminâny sendika aloha ny mpampiasa mba hijerena izay fepetra ilaina mikasika izany.
b. Fandrarana ny asa an-tery
Voararanâny lalĂ na ny asa an-tery, saingy olana hatrany izy io ho anâny ankizy eo aminâny sehatra tsy ara-dalĂ na. Mbola mahazo vahana ihany koa ny asa an-tery nohonâny fampiharana ny Dina, fifanarahana tsotsotra ho fandoavana trosa na fanonerana ratsy natao (jereo ny Fizarana 1.d.). Ho anâny fiaraha-monina sasany dia fampiasa andavanandro ny Dina sady fomba mahavantana aminâny famahana disadisa na fanefana trosa. Mahazo vahana hatrany izany fomba fanao izany satria tsy nahomby taminâny fampiharana ny lalĂ na ny manam-pahefana. Nolanianâny Antenimiera taminâny taona 2014 ny lalĂ na vaovao hiadiana aminâny fanararaotana olona izay mamaritra mazava kokoa ny atao hoe fanararaotana olona, ka isanâizany ny asa an-tery.
Azo jerena koa ny Tatitra isan-taona momba ny fanondranana arahina fanararaotana olona, navoakanâny Departemantam-panjakana, ao aminâny www.state.gov/j/tip/rls/tiprpt/.
c. Fandrarana ny fampiasana zaza tsy ampy taona sy ny taona farafahakeliny ahafahana miasa
Voafaritry ny lalĂ na ny fepetra ho anâny fampiasana zaza tsy ampy taona, voafaritra ao koa ireo endrika ratsy indrindra isehoanâny fampiasana zaza tsy ampy taona, tanisaina ao ny sazy ho anâny mpampiasa, ary voafaritra ao ireo rafitra ara-panjakana ho fampiharana izany rehetra izany. Voafaritra ho 15 taona ny taona farafahakeliny ahafahana miasa. Araka ny lalĂ na dia mahazo miasa hatraminâny adiny valo isanâandro na 40 ora isan-kerinandro ny ankizy, ary tsy mahazo manao ora fanampiny. Voararanâny lalĂ na ny fampiasana ankizy latsaky ny 18 taona aminâny alina na any aminâny toerana mety hitera-doza ho anâny fahasalamany, ny fiarovana azy na ny fisainany. Tsy maintsy asianâny mpampiasa 12 ora hialan-tsasatra eo anelanelanâny fotoam-piasana roa. Isanâireo fepetra takianâny fitsipika mifehy ny fitandroana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny aina ny fahazoan-dalana avy aminâny ray aman-dreny sy ny fizaham-pahasalamana ataonâny mpitsabo alohanâny handraisana mpiasa. Voararanâny lalĂ na ny asa sy lahasa mety hitera-doza ho anâny ankizy, saingy tsy voafaritra aminâireo sehatra rehetra ahitana fampiasana zaza tsy ampy taona izany fandrarana ny asa sy lahasa mety hitera-doza izany, anisanâizany ny fiompiana sy fambolena.
Tsy nampiharinâny fitondrana an-tsakany sy an-davany ny lalĂ na. Tomponâandraikitra aminâny fampiharana ireo lalĂ na mifehy ny fampiasana zaza tsy ampy taona ny Ministeranâny Asam-panjakana. Ny Ministera ihany koa no nitantana ny Centre Manjary Soa tao Antananarivo, izay nikarakara zaza tsy ampy taona niisa 35 niharanâny fanararaotanana aminâny alalanâny asa sy aminâny alalanâny fivarotan-tena taminâny taona 2015, io no tarehimarika farany azo. Fisafoana ankapobeny no tena fanaonâireo mpisafo avy aminâny Ministeranâny Asa, saingy nahazo fiofanana momba ny fampiasana zaza tsy ampy taona izy ireo ka afaka nanao fitiliana manokana momba izany; na izany aza anefa dia tsy nisahana ny sehatra tsy ara-dalĂ na izay mivelatra kokoa nefa nahitana fampiasana zaza tsy ampy taona izy ireo.
Nandritra ny taona ny Sampan-draharahanâny Asa ao aminâny Ministeranâny Asam-panjakana dia nanendry mpisafo ny tontolonâny asa izay hisahana manokana ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ny tena hataonâizy ireo dia ny hitily sy hanao tatitra momba ny endrika fampiasana zaza tsy ampy taona, anisanâizany ireo endrika ratsy indrindra isehoany any aminâny faritra misy azy ireo tsirairay avy. Nomena fahefana ihany koa izy ireo hanao fanentanana sy hitsidika toeram-piasana any an-toerana.
Olana nahenika ny firenena ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Nanohy nandray ankizy, isanâizany ireo niharanâny fanararaotana olona ireo ivon-toerana tantanina fikambanana tsy miankina aminâny fanjakana tao Antananarivo, Toamasina ary Toliara. Ny ankizy any ambanivohitra dia matetika miasa any aminâny fiompiana sy fambolena, jono sy fiandrasana biby fiompy; fa ireo ankizy any an-drenivohitra kosa dia nanao asa toy ny mpiasa an-trano, mpitaona entana aminâny sarety, mpanao varo-madinika, mpamaky vato kely, fitrandrahana vatosoa, mpiasa any aminâny trano fisotroana na mpangataka. Nisy koa ireo ankizy niasa tany aminâny sehatry ny lavanilina, famokarana sira, fanjonoana, fihazana an-dranomasina ary ny famokarana makamba. Misy aminâizy ireo koa no niharanâny fanodinkodinana ho aminâny asa an-tery, anisanâizany fivarotan-tena ataonâny zaza tsy ampy taona.
Jereo ihany koa ny Antontam-baovao momba ireo endrika ratsy indrindra isehoanâny fampiasana zaza tsy ampy taona navoakanâny Departemantanâny Asa Amerikana, ao aminâny www.dol.gov/ilab/reports/child-labor/findings/.
d. Fanavakavahana eo aminâny tontolonâny asa
Voararaâny lalĂ na momba ny asa ny fanavakavahana noho ny firazanana, maha-lahy na maha-vavy ary ny fahasembanana ao aminâny toeram-piasana. Nisy didy hitsivolana manokana momba ny VIH any aminâny toeram-piasana niresaka momba ny fandrarĂ na ny fanavakavahana miankina aminâny fitondrana na tsia io tsimokâaretina io. Tsy voararanâny lalĂ na kosa ny fanavakavahana miankina aminâny safidy momba ny fananahana, filazana ny tena ho lahy na vavy, taona na fiteny. Mbola olana hatrany io fanavakavahana io. Misy ny mpampiasa nanavakavaka ireo olona manana fahasembanana sy ny LGBTI.
Nisy fanavakavahana kely ihany nataonâny fiaraha-monina taminâny vehivavy any an-drenivohitra, izay nahitana vehivavy maro nana na nitantana orinasa sy nitana toerana mpitantana ambony amina orinasa tsy miankina na orinasam-panjakana. Tany ambanivohitra kosa anefa, izay ahitana tantsaha ny ankamaroany, dia hita fa nirĂČna kokoa taminâny fizarĂ na andraikitra nentim-paharazana eo aminâny lahy sy ny vavy ny fiaraha-monina. Marina fa tsy dia nahitana fanavakavahana loatra teo aminâny fahafahana mitady asa sy mindram-bola, saingy matetika ny vehivavy dia tsy nandray karama mitovy aminâny noraisinâny lehilahy ho anâny asa mitovy aminâny nataony. Tsy nomenâny mpampiasa alĂ lana ny vehivavy hanao asa mety hanohintohina ny fahasalamany, ny fiarovana azy na ny sainy. Araka ny fehezan-dalĂ na momba ny asa sy ny fiarovana sosialy, dia tafiditra anatinâizany asa izany ny asa alina any aminâny sehatry ny famokarana indostrialy sy ny asa sasany eo aminâny fitrandrahana harena an-kibonâny tany, fanefena vy ary ny fikirakirana akora simika. Nandritra ny fanombanana ara-potoana maneran-tany natao farany mikasika ny firenena taminâny taona 2014, dia notaterinâny tomponâandraikitra fa nampitomboinâny fitondrana ny isanâny mpisafo mba hanetsemana ny banga teo aminâny rafitra fanaraha-maso ny fanavakavahana mihatra aminâny vehivavy, ary nisy ny ezaka natao hanabeazam-boho ny fitoviana eo aminâny asa any anivonâny orinasa afaka haba.
e. Fepetra azo ekena any aminâny toeram-piasana
Ny 17 Febroary dia nampiakarinâny fitondrana ny karama farany ambany isam-bolana ho Ariary 144.003 ho anâny mpiasa ivelanâny fiompiana sy fambolena ary Ariary 146.060 ho anâireo miasa eo aminâny sehatry ny fiompiana sy fambolena. Araka ny tarehimarika ofisialy dia Ariary 47.900 isam-bolana ny tarehimarika farany ambany hamaritana ny fahantrana.
Efapolo ora isan-kerinandro ny ora fiasana ho anâny orinasa ivelanâny fiompiana sy fambolena sy ny orinana miandraiki-draharaha, ary 42,5 ora izany ho anâny sehatry ny fiompiana sy fambolena. Voafetranâny lalĂ na ho 20 ora isan-kerinandro ihany ny ora azonâny mpiasa iasana ivelanâny ora ara-dalĂ na, raha 2 andro sy tapany isam-bolana kosa ny andro fialan-tsasatra nefa andraisan-karama. Raha toa ka nihoatra ny fetra ara-dalĂ na ny fitambaranâny ora niasana (2.200 ora isan-taona eo aminâny sehatry ny fiompiana sy fambolena ary 173,33 ora isam-bolana eo aminâny sehatra hafa), dia voalazanâny lalĂ na fa tsy maintsy mandoa ny mari-bola amboniny araka ny voafaritry ny didy hitsivolana momba ny fehezan-dalĂ na momba ny asa ny mpampiasa, ary voalaza ao mihitsy ny mari-bola tsy maintsy aloa. Raha mihoatra ny adiny dimy ny ora mila iasana amboniny, ankoatry ny 40 ora isan-kerinandro voafaritry ny lalĂ na, dia terenâny lalĂ na ny mpampiasa hangataka alĂ lana manokana avy aminâny mpanara-maso ny asa alohanâny hitakiana ora amboniny aminâny mpiasa. Tsy azo atao ny miasa mihoatra ny 20 ora isan-kerinandro amboninâny ora fiasana ara-dalĂ na. Mihatra aminâny mpiasa rehetra ny lalĂ na, na dia andraikitry ny mpanara-maso ny asa aza ny mamaritra ny karazana asa azo tontosaina aminâizany alĂ lana izany.
Ny Fitondrana no mamaritra ny fitsipika sy ny fenitra momba ny fiarovana ny ainâny mpiasa sy ny fahalavorarianâny toeram-piasana, saingy tsy voalaza ao aminâny fehezan-dalĂ na momba ny asa ny sazy ho anâizay tsy manaja izany fepetra izany, ny hany voaresaka ao dia ny fanaraha-maso tsy maintsy atao mialoha ny hisokafanâny orinasa iray. Ny mpiasa, anisanâizany ny mpiasa vahiny na mpifindra monina, dia manan-jo mazava handao toeram-piasana mampidi-doza iray ka tsy hatahotra ny ho voaroaka, saingy tsy maintsy mampahafantatra ny lehibeny izy aloha. Nanamarika ireo mpiaro ny zonâny mpiasa fa nisy ireo fenitra napetraka efa taminâny fotoana nahazoana ny fahaleovan-tena, hany ka efa tena nilaozanâny toetrâandro tanteraka, indrindra miakasika ny loza mitatao ho anâny fahasalamana sy ny fahafahana mamita ny asa, ary ny sokajin-karama sy andraikitra ao aminâny orinasa. Tsy nisy ezaka ho fampiharana ny lalĂ na teo aminâny sehatra tsy ara-dalana, izay mivelatra kokoa.
Hita araka ny fikarohana taminâny taona 2015 momba ny orinasa mpamokatra akanjo sy hoditra nataonâny Friedrich Ebert Stiftung (FES), tsanganâasa tohananâi, fa nametraka rafi-piarovana avokoa ireo orinasa niisa 126 nanaovana fanadihadiana tao Antananarivo, toy ny fitaovana famonoana afo sy ny fivoahana raha misy loza, saingy ny 11 isan-jatonâizy ireo ihany no nanome fitaovana fiarovana manokana ho anâny mpiasa tsirairay. Mbola hita taminâio fikarohana io koa fa ny 40 isan-jatonâny mpiasa ao aminâireo orinasa nohadihadiana, sy ny fianakaviany, dia tsy mba afaka nisitraka ireo fiahiana sosialy fototra satria marobe ireo mpampiasa tsy nandoa ny latsakemboka any aminâny CNaPS nanomboka taminâny krizy politika taminâny taona 2009-2013.
Ny Ministeranâny Asam-panjakana sy ny Fanatsarana ny Fitantanan-draharaham-panjakana no tomponâandraikitra aminâny fampiharana ireo fepetra ho anâny fampiasana sy karama farany ambany voalaza ao aminâny Fehezan-dalĂ na mifehy ny asa, saingy nisy fotoana tsy izay no nitranga. Nanana mpanara-maso am-perinâasa manodidina ny 130 ny Ministera, ary nisy mpanara-maso 10 hafa kosa mbola manaraka fanofanana hanampy azy ireo aoriana. Ny fanaraha-maso ny fanajana ny fenitra teto an-drenivohitra ihany anefa aloha no tena voarakotrâireo mpanara-maso ara-dalana na dia notohizanâny ministera aza ny ezaka hanofanana mpanao fanadihadiana amboniny, tao anatinâny fiaraha-miombonâantoka taminâny Birao Iraisam-pirenena misahana ny Asa. Nanao fanadihadiana ny CNAPS ary namoaka tatitra momba ny fahalavorarianâny toeram-piasana, ny aretina mety hitranga sy ratra mpahazo ny mpiasa any aminâny toeram-piasana. Ankoatry ny fampiakarana ny karanma farany ambany sy ny fanaovana fisafoana izay tsy mbola ampy, dia tsy nisy ezaka manokana nataonâny manam-pahefana ankehitriny nandritra ny taona ho fisorohana ny fandikan-dalĂ na sy hanatsarana ny karama na ny fepetra ho anâny fampiasana.
Fahita matetika any aminâny sehatra ara-dalĂ na sy ny asa an-trano ny fandikana ireo fenitra momba ny karama, ny fiasana amboninâny ora ara-dalĂ na na ny fiarovana sy ny fahasalamana, satria maro ireo mandray karama latsaky ny karama farany ambany indrindra sy ireo miasa mandritra ny ora marobe. Na dia fantatry ny ankamaroanâny mpiasa aza ny karama farany ambany tokony horaisiny, dia mazĂ na no tsy nandoa karama arakâio fetra io ireo mpampiasa. Manjary manaiky karama ambany ny mpiasa noho ny hamaroanâny tsy anâasa sy ny halalinâny fahantrana. Matetika ny mpampiasa no mitaky aminâireo mpiasany sasany hiasa mandra-pahatratra ny tanjona nasaina notratrariny. Indraindray aza dia sady tsy voatana an-tsoratra no tsy nandraisam-bola ireny ora nihoatra ireny. Misy fotoana tsy voahaja ny zo hiala aminâny toeram-piasana mety hampidi-doza.
Taminâny ankapobeny dia nankato ny lalĂ na momba ny asa ireo orinasa afakâaba, satria maro ireo orinasa vahiny mpanondrana entana no nitaky fepetra manara-penitra hamitana ny asa araka ny voalazanâny lalĂ na eto an-toerana alohanâny hanaovana sonia fifanarahana aminâny orinasa afakâaba. Nitatitra anefa ireo vondronâny mpiasa sasany fa tato anatinâny taona vitsivitsy izay dia niova ho lasa isaky ny asa vita no nandoavana ny karama raha isanâora taloha ka nisy fiantraikany ratsy teo aminâny tombontsoanâny mpiasa eny anivonâny orinasa mpamokatra fitafiana izay vehivany ny ankamaroany. Natao hampitombo haingana ny vokatra vita io fepetra io, saingy voalaza fa nitarika fitomboanâny loza mifandraika aminâny asa ary nisy fiantraikany ratsy teo aminâny fahasalamanâny vehivavy. Vokany, hoy ny mpanara-maso, dia vehivavy maro no nambara fa nanjary tsy nahazo nanao ireo asa ireo intsony, nefa tsy mbola feno 40 taona akory. Notaterinâny FES koa taorianâny fikarohana nataony taminâny taona 2015 fa misy ny orinasa afaka haba no nametraka ho laharam-pahamehana ny fanatrarana tanjona hoa nâny famokarana izay sarotra tratrarina aminâny ankapobeny, ka nanasazy ny mpiasa taminâny endrika samihafa, toy ny tsy fandoavana karama ho anâny ora niasana mihoatra ny ora ara-dalĂ na, sazy arakâasa na fandroahana mihitsy aza./.
https://mg.usembassy.gov
Â