]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara, Banky iraisam-pirenena sy ny FMI. Ny momban’ny 134,9 tapitrisa dôlara sy ny mikasika ilay FFRD

Madagasikara, Banky iraisam-pirenena sy ny FMI. Ny momban’ny 134,9 tapitrisa dôlara sy ny mikasika ilay FFRD

Tao anatin’ny valan-dresaka nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, tao amin’ny Lapan’Iavoloha, ny 25 avrily 2022, dia nisy fanambarana roa ilaina fanazavana misimisy kokoa mba tsy ho tompon-trano mionona ny vahoaka Malagasy.

Anjaran’ireo mikirikira vaovao mifototra amina tranga marina no mampita ireto manaraka ireto. Satria tsy azo avela hanjaka ny tsaho sy ny lainga afafin’ny sasany ao amin’ireo tambazotra sosialy misy (Facebook ohatra), izay tsy gazety ary tsy ho gazety na oviana na oviana. Zo fototra ny fanehoan-kevitra fa misy ireo adidy mifandray aminy, izay voafehin’ny fitsipika aman-dalàna. Izay no voalaza dia ndao ary.

Mikasika ny 134,9 tapitrasa dôlara


Ireto manaraka ireto aloha ny fanazavan’i Ramatoa Lova Hasinirina Ranoromaro, Talen’ny Serasera sy Mpitondra tenin’ny Prezidansan’ny Repoblikan’i Madagasikara, tao amin’ny TVM -taorian’ny valan-dresaka nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina- mikasika io vola 134,9 tapitrasa dôlara io :

“ (…) Ny ampahany faharoa amin’io famatsiam-bola io (Ttf : 534 tapitrisadôlara ka ny ampahany voalohany -400 tapitrisa dôlara- dia atokana ho fanamboarana ny RN10 sy RN13 sy ny làlana mifandray amin’ireo), mitentina eo amin’ny 134,9 tapitrisa [dôlara] dia natokana manokana ho an’ny Fahasalamana sy ny fiahiana ara-tsosialy. Marihina ihany moa izany fa ny 50% io dia “DONS”, izany hoe vola tsy haverina, ary ny 50% dia “Prêts”, vola izay hindramina (…)”.

Ny tena marina ary dia nanaovan’ny Filoha Rajoelina “Surprise” tokoa isika vahoaka Malagasy, satria ny sasany moa kinga amin’ny fanelezana tsaho, dia efa tamin’ny 29 martsa 2022 no efa neken’ny Banky iraisam-pirenena ny fanomezana io vola 134,9 tapitrisa dôlara io. Izany hoe efa vita Sonia ary tsy miandry 3 na 4 taona intsony satria mitoetra ny fifampitokisana eo amin’ny Vondron’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Fitondrana Rajoelina. Io ambany io ny porofo tsy azo ivalozana :


Eto ny "communiqué" iray manontolo

Dikan-teny Malagasy malalaka :

WASHINGTON, 29 martsa 2022 – Nankatoavin’ny Banky iraisam-pirenena androany ny vola mitentina 134,9 tapitrisa dolara hanohanana an’i Madagasikara hanamafy ny fiomanany amin’ny areti-mifindra sy hanatsarana ny fomba fiasa sy ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana tena ilaina. Ny Tetikasa Fiomanana sy Fomba fiasan’ny Sampan-draharaha ara-pahasalamana tena ilaina dia tohanan'ny fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (IDA) izay nanome “don” ana 50 tapitrisa dôlara. Ny “Global Fund Facility for Women, Children and adolescents” (GFF) kosa dia nanome “dons” roa mitentina 32 tapitrisa dôlara ka ny 15 tapitrisa dolara amin’io vola io dia hitazomana sy hiarovana ny tolotra ara-pahasalamana tena ilaina ary hanohanana ny fametrahana fitaovana COVID-19. Misy koa 2,9 tapitrisa dôlara avy amin'ny Tahirim-bola ho an'ny Fahasalamana sy ny Famaliana vonjy maika.

Momban'ny FFRD na « fonds fiduciaire pour la résilience et la durabilité »

Vidéo manontolo eto

Ity FFRD ity dia noresahin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha tokoa. Hoy izy : “ (…) Misy ny FFRD na ny « Fonds fiduciaire pour la résilience et la durabilité », vao vaovao io, vao no-créer-na, ary i Madagasikara no anisan’ny hahazo io voalohany indrindra aty Afrika sy maneran-tany. Noho izany dia hahazo 500 millions de dollars isika ary ho avy aty ny Directrice générale-ny FMI, Kristalina. Ho avy eto Madagasikara izy (…).

Ity FFRD ity dia efa nambaran’ny Tale jeneralin’ny FMI, Kristalina Georgieva, tamin’ny 13 avrily 2022 ny fisiany ka amin’ny 1 mey 2022 ny FFRD no hitsanganany ara-pomba ofisialy.


Eto ny "communiqué" iray manontolo

Dikan-teny Malagasy malalaka

Washington, 13 avrily 2022. Nanao izao fanambarana izao ny tale mpitantana ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), Kristalina Georgieva:

Faly aho manambara fa nankatoavina ny Birao Mpanatanteraka ao amin'ny FMI androany ny fananganana ny « Fonds fiduciaire pour la résilience et la durabilité » (FFRD), tahirim-bola vaovao izay hampiharina amin'ny fomba ofisialy ny 1 Mey 2022. Izy ity dia natokana hanampiana ireo firenena marefo eo amin’ny fidiram-bolan’ny ankamaroan’ny vahoakany sy miakitra ny olana to any fiovan’ny toetrandro sy ny aretina mora mifindra aingana toa ny covid-19.

Rehefa mitolona amin'ny fifandimbiasan’ny olana goavana manerantany izao tontolo izao, dia tsy tokony hanadino ny hetsika fototra ilaina amin'izao fotoana izao mba hiantohana ny faharetana sy ny faharetana maharitra ka ny fiaraha-miasa ihany no hahatongavana any.


Misy ihany no hiteny hoe : ka inona no naleha tany, nandaniana volam-panjakana? Azo nisaina tamin’ny ratsan-tànana ny isan’ny delegasiona tany. Ary tsy “voaantso” (“convoqué”) tany izany ny Filoha Rajoelina fa, araka ny voalazan’i Ramatoa Georgieva, dia : fotoana izao mba hiantohana ny faharetana sy ny faharetana maharitra ka ny fiaraha-miasa ihany no hahatongavana any”. Ny mahomby indrindra amin’izany fiaraha-miasa izany dia ny mifanatri-tava.

Jeannot Ramambazafy, 26 avrily 2022

Mis à jour ( Mercredi, 27 Avril 2022 17:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety