]
Les quotidiens du 03 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Madagasikara. Ny vehivavy malagasy sy ny «Résolution 1325»

Madagasikara. Ny vehivavy malagasy sy ny «Résolution 1325»

Feno 20 taona tamin’ity tona 2020 ity ny « Resolution 1325 » izay mifototra amin’ny fiahiana ny zon’ny vehivavy, ny fandriampahalemana sy ny filaminana.

Teny amin’ny efitrano fivoriana ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny faha 04 Désambra 2020 no nanatanterahana ny atrikasa mahakasika azy io, izay teo ambany fiahian’ny Minisitera ny Mponina (MPPSPF).


Nitarika ny atrikasa ny Tale jeneraly misahana ny fampivoarana ny vehivavy sy ny avy amin’ny sampandraharaha “Gender Mainstreaming”.

Novelabelarina nandritra izany ny maha zava-dehibe ny fisian’ilay “Résolution 1325“sy ny dingana efa vita nandritra izay 20 taona izay ary ny ezaka mbola ho atao.

Ny “Résolution 1325” dia fanapahan-kevitra nivoaka sy noraisaina tao anatin’ny fivorian’ny filankevitra ambony momba fandriampahalemana ny Firenenena mikambana (ONU) izay mitondra ny laharana faha-1325.

Resahina ao anatin’io ny momban’ny fandraisan’ny vehivavy anjara ao anatin’ny fandriampahalemana. Tsy mitazam-potsiny fa tena mandray anjara no ataon’ny vehivavy rehetra amin’izany. Ka tafiditra amin’izany ny fisorohana manoloana ny ady mety misy eo amin’ny firenena iray.


Raha eto Madagasikara no resahina dia saika ny olana ara-politika miteraka korontana izay efa nodiavintsika matetika no tena misy ; tsy fandriampahalemana toy ny halatr’omby ataon’ny dahalo; ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy vavy… Ireo rehetra ireo dia tafiditra ao anatin’ity “Résolution 1325” ity avokoa.


Saika ny vehivavy sy ny ankizy vavy no tena mitondra takaitra vokatrin’ny ady toy ireny, izay ny 30%n’ny vehivavy dia tratry ny herisetra avokoa ary ny ankizy vavy eo anelanelan’ny 15 sy 19 taona dia mahatratra 14% no tratry ny fanolanana.

Ho fampiharana io “Résolution 1325” io dia misy ny drafitrasa izay ataon’ny firenena tsirairay. Raha ny eto Madagasikara dia nanomboka ny taona 2019 no efa nametraka izay drafitrasa izay tamin’ny alalan’ny MPPSPF ary ekena tsy ho ela eto amintsika. Manampy ara-teknika ny fandrafetana ity drafitra ity ny PNUD sy ny ONU, drafitra izay hampiharina mandritra ny taona 2019-2030.

Na dia efa misy aza ny ezaka dia mbola hita fa ambany ny fandraisana anjaran’ ny vehivavy eo amin’ny fanapahan-kevitra ho fisorohana izay fandriampahalemana izay eny anivon’ny mpanatanteraka, izay hamporisihana azy ireny ny mba hanana fahavononana amin’ny fandraisana anjara.


Nandray anjara tamin’ny famelambelarana ny anjara-toeran’ny vehivavy nandritra ny atrikasa ny teo anivon’ny Polisim-pirenena vehivavy, ny fiarahamonim-pirenena, ny solotena avy amin’ny ONU miasa eto amintsika sy ny avy amin’ny fiahiana ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU. Nisolotenan’ny Minisitry ny Mponina ny Sekretera Jeneraly, Ramatoa Annick Gilberte.


Soratra sy Sary Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Mercredi, 09 Décembre 2020 02:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO