]
Les quotidiens du 29 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Mialy R. Rajoelina. Ny kabariny tao Betsizaraina, ny 16 Desambra 2021

Mialy R. Rajoelina. Ny kabariny tao Betsizaraina, ny 16 Desambra 2021

Ramatoa isany Mialy R. Rajoelina sy Ginette Andriantsitohaina

Antananarivo Avaradrano, Alakamisy 16 Desambra 2021. Amin’ny maha « First Lady » azy, izay maha Filoham-boninahitry ny Fikambanana WMG («Wednesday Morning Group» Madagascar) azy -araka ny satan’io fikambanana io-, sy amin’ny maha Filoha Mpanorina ny Fikambana Fitia azy, dia voaasan’ny Fikambanana WMG i Ramatoa Mialy R. Rajoelina nizara mofo mamy sy kilalao ho an’ireo ankizy mpianatra miisa 160 ao amin’ny EPP Betsizaraina. Tsiahivina kely eto fa izany Betsirazaina izany dia ao anatin’ny Kaominina ambanivohitr’i Ankadikely Ilafy eny Antananarivo Avaradrano.

Ity manaraka ity ny kabarin’ny vadin’ny Filoham-pirenena malagasy tamin’io andro io :


Ramatoa Filoha Manorina ny Wednesday Morning Group,

Ramatoa Filohan’ny WMG sy ianareo Mpikambana rehetra,

Ramatoa Talen’ny sekoly,

Ianareo Mpampianatra sy Mpanabe,

Andriamatoa Filoha Lefitry ny Fokontanin’i Betsizaraina,

Ianareo Ankizy,

Tompokovavy sy Tompokolahy.

Amin-kafaliana sy an-karavoana no anolorako ny arahabana ombam-piarariantsoa ho anareo rehetra tonga eto amin’ny EPP Betsizaraina androany. Raha nanasa ahy hiaraka ifampizara ny mamy eto Betsizaraina ny Fikambanana WMG dia tsy nisalasala aho satria mitovy ny fomba fijerin-tsika amin’ny Asa soa ho an’ny mpiara-belona.

Amiko dia ilaina ny manohana, ilaina ny miara-mientana satria zava-dehibe tokoa izany. Efa maro ny hetsika izay niarahana. Fa tamin’ny taona 2020 ohatra, dia niara-nanome arovava orona izay nozaraina nandritra ny fanentanana tamin’ny ady amin’ny valan’aretina coronavirus teny anivon’ny distrika maro sy sekoly ary tamin’ireo fiara mpitateram-bahoaka samihafa.

Nanome tànana tamin’ny Fikambana Fitia koa ny WMG tamin’ny alalan’ny fampiofanana mikasika ny Zon’olombelona sy ny Vehivavy ary ny Fianakaviana izay natao tao amin’ny « Centre spécialisé » ao Mahamasina. Ary vao tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no niara-nientana teny anivon’ny Fokontany Tsimialonjafy, Mahamasina Atsimo, Ankadilàlana, ambanin’Ampamarinana, Andohatapenaka faharoa ary Nanisana ny Fikambanana roa tonta.

Niofana tamin’ny ady amin’ny erisetra izany fanentanana miendrika fampiofanana izany, Izany dia natao nandritra ny telo andro. Re-ntsika teo koa ny fanaovaozana sy fanatsarana nentin’ny WMG teto amin’ity sekoly ity. Fitiavana lehibe izany rankizy Betsizaraina koa mendrika fankasitrahana ary isaoran-tsika izy ireo.

Ny tena nahafinaritra ahy tamin’ireo asa sosialy voatanisa ireo dia ny Fanabeazana anareo Ankizy amin’ny alàlan’ny fambolena hazo fihinam-bo. Fa ny Fampianarana amin’ny fikajiana ny Tontolo iainana izany no hafahanareo mioty sy mianoka ny vokatra avy amin’ireo hazo fihinam-bo. Koa raiketo ao am-ponareo ary tazomy ho fomba fanao, zarao amin’ny Namana, amin’ny Fianakaviana ny Fahalalana mikasika ny fambolen-kazo izay azonareo.

Satria tokoa mahasoa ny mpiara-belona izany, mahasoa anareo rehetra ihany koa mba entinareo manomana ny ampitso. Ianareo mantsy no ho avin’ny Firenena. Mankasitraka anareo Ankizy ihany koa aho tamin’ny hira sy tonon-kalo nasehonareo teo fa tena mapihetsim-po tokoa.

Afaka folo andro dia ho tonga ny Krismasy. Ka izany indrindra no anton’ny lanonan-tsika eto androany. Koa fifaliana ho anay ny mifampizara mofo mamy ho anareo sy manolotra am-pitiavana kilalao ho anareo Ankizy.

Ny faniriako dia mba hankalaza ny Fetin’ny Noely anjakan’ny fiadanam-po sy fitonian-tsaina ho an’ny tokan-tranonareo tsirairay avy. Koa mirary Krismasy finaritra ho antsika rehetra./.

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Samedi, 18 DĂ©cembre 2021 10:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety