Tsy misy tokony mahataitra akory ry zareo ny ataonâireo miseho « mpanohitra » sy ireo manao halako bika tsy tiako tarehy ireo. Raha izaho manokana, dia olom-pirenena malagasy aho aloha vao mpanao gazety.
Nisy praogramanâasa sy tanjona tratrarina novelaberanâny kandida faha-13 taminâny taona 2018. Lany izy ary nekenâny kandida faha-25. Hitam-poko hitam-pirenena taminâny fahita lavitra ny nanekenâny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fandresanâny filohanâny Tetezamita Andry Rajoelina. Tao aminâny Foibenâny HCC, no nandraisanâi Dada ny tĂ naninâny nandresy azy, ny 08 janoary 2019. Nanaiky tena nanaiky izy.
Mahamasina, 19 janoary 2019. Ireo ny filoham-pirenena voafidy nifandimby teto Madagasikara. Tena kapoakan'i Dada ity mivadi-dela ity. Ary lasa "akamany" amin'izay ingahy Hery Vaovao mialokaloka any Frantsa toa olona nanao ratsy teto an-tanindrazana... Ny Amiraly Didier Ratsiraka moa nodimandry ny 28 marsa 2021
Tsy vitanâizany fa ny 19 janoary 2019, tao aminâny kianjabe ao Mahamasina dia filoha voafidy telo be izao no nanatrika ny fianianana nataonâny filoha Andry Rajoelina : Zafy Albert, Didier Ratsiraka (samy efa nodimandry), Hery Rajaonarimampianina. Tranga mbola tsy niseho izany teto Madagasikara hatraminâizay ka hatraminâizao. Fa toa kapoakany koa io mivadi-dela io an !... Lasa nahita « doublons » tampoka teo dia iny no atao dridrangilo ao aminâny Facebook. Izao dia ny famoronana dosie indray no lamaody. Mbola hasiako resaka io ao anatina lahatsoratra hafaâŠ
Ny Filoha amerikanina Joe Biden, voafidy ny 03 novambra 2020, sy ny Filoha frantsay Emmanuel Macron, voafidy ny 07 mey 2017
Fa eto aho dia manazava tsara izao manaraka izao, aminâny maha mpanao gazety ahy : tsy ny Frantsay rehetra akory no nifidy anâi Emmanuel Macron. Torakâizany koa ny any Etazonia : tsy ny Amerikanina rehetra no nifidy anâi Joe Biden. Fa izy ireo no nahazo vato be indrindra taminâny fifidianana ka mitondra ny firenenany tsirairay mandritra ny fotoana voalazanâny Lalampanorenanâny fireneny. Torakâizany koa ny eto Madagasikara.
Taona 2023 no voalazanâny Lalampanorenenanâny Repoblika malagasy fa fe-potoana hitsaharanâny fotoam-piasanâny Filoha Rajoelina, raha aminâity taona 2022 ity ny anâny Filoha Emmanuel Macron any Frantsa.Ny anâi Joe Biden moa dia aminâny taona 2025 no mifarana ny fotoam-piasany voalohany.
Aminâireo firenena voalazako ireo, misy tokoa ny fanoherana ary milaza marina aminareo aho fa enjana dia enjana. Saingy raha ny ankapobeny no jerena dia mandroso soson-kevitra ny mpanohitra any. Ny eto amintsika ? Fanoherana mbontolo : ilay Filoha mihitsy no lasibatra, eny hatraminâny fianakaviany mihitsy aza. Tsy omeko lanjany eto mihitsy izany Tabera Ramananantsoa milaza fa « fitondrana balaosy no misy », na ingahy Edouard Tsarahame miantso ny tafika, nefa iza moa izy izay olona nanararaotra ny fiaraha-mitantana taminâny Tetezamita ka mba voatendry anisanâireo CST miisa 300 mahery tao Tsimbazaza ? Nilaza fa « zafiste » moa ingahirainy taminâizany dia nahazo toerana ary dia lasa kibo sy be atokaâŠ
Mihevitra mihitsy ry zalahy ireo fa mbola Tetezamita no misy eto Madagasikara ka dia tsy maintsy mahazo toerana rehefa mitabataba. Folo taona izao io milaza fa pasitora io no tsy mahalala afa-tsy ny « hidina an-dalam-be »⊠Izany ve, hoy ianao ? Eny, Tompoko. Taona 2012 : efa nisy izany hoe « Front de lâopposition » izany na Vondronâny mpanohitra. Ny hidina an-dalam-be ihany ao an-tsaina. Tao anatinâizany ry Me Hanitra Razafimanantsoa, Jules Randriamaholison, Edouard Tsarahame, Lalatiana Ravololomanana, Gabriel Rabearimanana, Masimana Manantsoa, ary tompokolahy Me Olala izay mpisolo vavanâny mpanohitra rehetra.
Taona 2022 isika izao, mbola « hidina an-dalam-be » hatrany no ao an-tsaina. O râingahy a ! Zavatra tsy nahomby nandritra izay 10 taona izay ve heverinao fa hahomby aminâizay satria ilay zazakely 9 taona taminâny 2012 efa 19 taona aminâizao fotoana izao ? Mijery Internet fotsiny izy dia mazava ho azy fa olona malahelo seza fotsiny kay ity hoe pasitora ity. Tohizo fa aminâny 2032 ve tsy hipoaka aminâizay ny « gros lot » ?... Izay tsy manao ihany no tsy mahazo moa ?
Ny 17 mey 2008 no napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny vato fehizoron'ny ho Lapan'ny TanĂ nan'Antananarivo vaovao
Ny 11 desambra 2010 no notokanan'ny Filoha Andry Rajoelina mivady ny Lapan'ny TanĂ nan'Antananarivo narenina tanteraka
Izaho dia nidify ny laharana 13 satria nisy praograma narosony ary nazavainy. Sady nahatsiahy koa aho ny fotoanâny naha Benâny TanĂ na azy sy ny andronâny Tetezamita nahavitany foto-drafitrasa maro ihany ary ho anâny tombontsoanâny vahoaka fa tsy ho azy sy ny fianakaviany : Lapanâny TanĂ nanâAntananarivo sy Toamasina, Kianja Maki Andohatapenaka, Coliseum, raha tsy ireo ihany no resahiko. Anjaranareo no mitanisa ny vita nanomboka ny taona 2019, tao anatinâizay covid sy rivo-doza misesisesy izao. Fa singaniko kosa ny lalan-kely vita «bĂ©ton» manerana an'Antananarivo. Izahay efa nipetraka 20 taona ao Tsiadana vao mba tsy nanitsaka fotaka intsony mandrapahatonga eo amin'ny arabe.
Raha ingahy Tsarahame no teo aminâny fitondra dia nanalabaraka ny firenena (ny Filoha Rajoelina mantsy nolazainy fa « manala baraka »âŠ) satria hanao toa ilay Praiminisitra miaramila nitsoaka Jean Ravelonarivo : tsy tahotra tsy henatra, ny volana febroary 2015, fa dia nangataka 105 lavitrisa (« milliards ») ariary âna 40 tapitrisa dĂŽlara amerikana- taminâny Vondrona iraisam-pirenena (« CommunautĂ© internationale ») « hamonjena ireo tra-boina noho ny tondra-drano » ary koa « ireo tratry ny Kere any Atsimo »⊠Izay ve ilay hoe « mahay mitady vola » ? Fa dia nahamenatra tokoa satria ny Etazonia ihany no nanome 50.000 dĂŽlara. Rivo-doza Chedza taminâizay ho anâizay tsy very tadidy.
Aminâizao volana febroary 2022 izao dia toa nihena ny herinâilay aretina covid. Izay no nahatonga ny fanatontosana ireo fivoriana iraisam-pirenena rehetra nahato taminâny taona 2020 sy 2021. Anisanâizany ilay fivoriana faha-6 eo aminâny Vondrona Eoropeana (UE) sy ny Vondrona Afrikana (UA), tao Bruxelles, Belgique. Jereo ato ny mombanâio.
Tao anatinâizany no nihaonanâny Filoha Andry Rajoelina tamina olona manan-danja ao aminâny Vondronda Eoropeana, dia Ramatoa Jutta Urpilainen sy Andriamatoa Werner Hoyer.
Ny voalohany dia «Commissaire europĂ©enne aux Partenariats internationaux» azo adika aminâny hoe Kaomisera eoropenanina misahana ny fifanarahana iraisam-pirenena. Ary dia fifanakalozan-dresaka momba ny fivoarana ara-politika, ny fifidianana ary ny fiaraha-miasa eo aminâny roa tonta miompana aminâny fahasalamana sy ny fanarenana. Izany dia mba hitondrana fanarenana tsara kokoa.
Vonona hatrany i Ramatoa Urpilainen ny hanohana ireo fanavaozana izay manamafy ny fitantanana tsara sy ny fiatrehana ny fiovanâ ny toetr'andro. Nanambara izy fa « faly manamafy ny laharam-pahamehana aminâny fiaraha-miasa aminâi Madagasikara hatraminâny taona 2027: ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny mahaolona, ââny fitomboana sy ny asa maharitra, ny toekarena maitso sy manga ».
Raha mikasika anâAndriamatoa Werner Hoyer indray dia Filohanâny « Banque EuropĂ©enne dâInvestissements » (BEI) izy.
Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Filohan'ny BEI, Werner Hoyer
Nanomboka ny taona 1970 no niasa teto Madagasikara ny BEI. Ny asany moa dia mifantoka amin'ny famatsiam-bola ireo tetikasa sy fotodrafitrasa fototra izay mitondra fiantraikany tsara sy manorina fanambinana. Santionany aminâizany ny fanamboarana ny lĂ lana sy ny tohodrano an-tanĂ n-dehibe, ny lĂ lana stratejika any avaratra sy atsimonâny firenena, ary ny fahavitanâny lalanâAntananarivo. Fa ao koa ny fanarenana ny toho-drano sy ny fampidirana rano fisotro madio ary ny sehatry ny fitaterana ka anisanâizany ny « TĂ©lĂ©phĂ©rique » maha be resaka ireo te-hihemotra taminâny andronâny filanjana sy ny salakaâŠ
Toa adinonâireo « mpanao politika » (ahahaha !!!) fa Madagasikara anie 590.000 kilometatra tora-droa mahery e ! Efa 26 tapitrisa no isanâny mponina ao aminy ary Malagasy ny anarany, fa tsyhoe « zanaky ny faritra » avy atsy sy eroa rehefa manao ny tsy fanao ny sasany. Ka raha samy ho « tezitra » ireo « tsy faly » any aminâny faritra miisa 23 ka « hirotsaka » aminâny fifidianana ho Filoham-pirenena aminâny taona 2023 tsy ho raharaha be hanaraka ny arabe hiomehezanâizao tontolo izao ? Sa izay mihitsy ilay tanjona dia ny hoe : raha maty aho matesa rahavako ?
Ireo izany rehefa lany ho Filoham-pirenena dia tena ho sahy, rehefa ho ao aminâny firenena mikambana hoe « PrĂ©sident Tsimihety de Madagascar », na « PrĂ©sident Betsimisaraka de Madagascar », na « PrĂ©sident Antankarana de Madagascar », na « PrĂ©sident Merina de Madagascar »⊠? Tsy ho sahy ireo satria olona mataho-bazaha iray trano noho ilay toetra voazanaka⊠mitoetra ao aminy. Sady fonkotany no mety ainy mitondra fa raha firenena. Maha kely finoana. Iza avy izany ? AsanareoâŠ
Ao anatinâizany rehetra izany, saika adinoko ny fitsidihina ny orinasa John Cockerill. Ny 16 febroary 2022 no notontosaina izany. Fitsidihana izay ao anatinâny fanarahan-dia ataonâio orinasa belza io aminâny firenena Malagasy. Te hampandroso ny tanindrazany ny filoha malagasy Andry Rajoelina. Noho izany dia namolavola ny IEM izy. Ny orinasa John Cockerill dia afaka manampy anâzany IEM izany, izay tafiditra indrindra amin'ny fanamboarana sy fampitaovana lalamby.
Manana tetikasa goavana ihany koa i Madagasikara mba hahaleo tena aminâny angovo ary eto koa dia manana fahalalana lehibe io orinasa io, indrindra aminâny fitahirizana angovo. Fampiasam-bola manan-danja ho an'ny firenena an-dalam-pandrosoana, ary afaka mahazo tombony amin'ny fampindramam-bola avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena na koa fanampiana (na ara-bola na ara-pitaovana) avy amin'ny governemantanâny Belzika.
Fa inona moa no nahatonga ny anaranâio orinasa io ? Izao : John Cockerill dia injeniera teraka tao Haslingden any Royaume-Uni, ny 3 Aogositra 1790, ary maty ny 19 Jiona 1840 tao VarsĂŽvia. Izy no nanangana ny orinasa mitondra ny anarany izay ao Seraing, Belgique.
Izany rehetra voatanisa izany amiko dia tafiditra tsara mihitsy ao anatinâny praograma nahalany anâi Andry Rajoelina ho Filoham-pirenena. Tsy nisy nâinona nâinona azo natao taminâny 2021, satria tsy afa nivezivezy. Tsy kivy anefa ny Malagasy tena miaina eto Madagasikara, mandinika sy misaina, ary mijoro hatrany na dia noheverinâny sasany fa ho ripaka eto isika mianakavy. Izay koa ny mba nofinofin-dry vazaha mainty be kiana nefa tsy mety mody an-tanindrazana fa miaritra ny fisondrotanâny lasantsy ao Frantsa, ohatra. Toa tsy sahy manakaniana, eny na ny « TĂ©lĂ©phĂ©rique » atsy La RĂ©union aza.
Ny fehiny ? Tena marina fa ny fahavalo voalohanâny Malagasy dia Malagasy toa azy. Miantso loza lava nefa rehefa mitontona ao aminy ny fahoriana dia inona moa fa mamaky ferapara sisa ary manao anâAndriamanitra tsy misy. Mahazotoa daholo !
Jeannot Ramambazafy
20 febroary 2022