]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Philip Mountbatten. Nitsidika ny Rovan’i Manjakamiadana

Philip Mountbatten. Nitsidika ny Rovan’i Manjakamiadana

Mino aho fa mbola misy ihany ireo Malagasy mahatadidy fa nitsidika an’i Madagasikara ary tonga teny anatin’ny Rovan’i Manjakamiadana mihitsy ny Printsy Philip Mountbatten izay nodimandry ny 9 avrily 2021, teo amin’ny faha 99 taonany. Vadin’ny Mpanjakavavy Elizabeth II izy nanomboka ny 20 novambra 1947.

Dany Be sy Jeannot Ramambazafy nalain'i Rado Rakotoseheno, zanak'i Dany Be, sary

Raha mitady izany fitsidihina izany anefa ianao dia tsy ho hitanao n’aiza n’aiza izany ao amin’ny tambazotra serasera Internet. Inona ny antony izany « fanadinoana » izany eo amin’ny Tantaran’ny olo-malaza maneran-tany ? Asa loatra, fa tsy hidirana lalina izany. Soa ihany anefa nisy ny sarin’i Daniel Rakotoseheno na i Dany Be, 87 taona amin’izao fotoana izao.

Nivoaka tao amin’ny haino aman-jery maneran-tany mihitsy ilay filazana fa nodimandry ny vadin’ny Mpanjakavavy anglisy Elizabeth faharoa, ny 9 avrily 2021. Avy hatrany dia tsaroako fa efa nitsidika an’i Madagasikara izy. Lasa ary aho nanao fikarohana toa ny mahazatra ahy. Nitady ka nitady fa indrisy : tsy misy miresaka izany na ireo gazety boky toan-dry «Paris Match» aza.

Ny 6 ka hatramin’ny 30 septambra 2016, nisy fampirantiana ny sarin’i Dany Be tao amin’ny CGM («Cercle germano-malagasy») Analakely. «Ensemble pour le photojournalisme» no natao lohatenin’ilay fampiratiana. Ny «photojournalisme» moa dia tsy hoe sary pika alain’ny mpianakavy etsy amin’ny «jeux d’eau esplanade Analakely» rehefa fety ny andro, na koa sary ofisialin’ireo mpitondra maneran-tany. Tsia. Ny « photojournalisme » dia fomba fakana sary mitaratra tsy misy filiriny ny zava-niseho marina tamina tranga iray izay tsy hiverina intsony ary tsy azo haverina intsony koa.


Tao anatin’io fampiratiana io ary ny nisy io sarin’ny Printsy Philip Mountbatten, nitsidika ny Rovan’i Manjakamadiana, ny volana novambra 1985, sy ny Lapan’ny Mpanjakavavy mbola tsy kilan’ny afo. I Dany Be moa mbola ao Ampandrana soa aman-tsara izao. Manahirana anefa ny hanatona azy amin’ity viriosy mahafaty ity. Mino kosa isika fa mety misy sarin’i Printsy Philip hafa any. Fa dia io tokana io aloha no manaporofo fa tonga teo Antananarivo ny vadin’ny Mpanjakavavin’ny Anglisy, Elizabeth II.

Raha dinihina dia tsy fitsidiana ara-pomba ofisialy ilay izy fa karazana fitsidiana ara-fizahantany mipetraka eo amin’ny lafin’ny Tantara. Satria vitsy amin’ireo tanora ankehitriny no tsy mahalala fa efa tamin’ny andron’ny Mpanjakavavy Ranavalona I (1828-1861) no nanomboka ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Angletera. Izany ? hoy izao ireo tsy mahatoky tena sy tsy mahatoka maty raha tsy avy nandevina. Eny, Tompokolahy, marina, Tompokovavy. Ny 3 jolay 1836 dia nanapakevitra ny Mpanjaka Ranavalona I ny handefa iraka ho any Eoropa hanazava ny politikany ivelany). Ireto avy ny Malagasy nosafidiany manokana ho solontenany : Andriantsitohaina, IX Voninahitra, mpitarika ny delegasiona ; Andriantseheno,VIII Voninahitra ; Ramanankoraisina, VIII Voninahitra ; Raharolahy, VIII Voninahitra ; Ranera, VII Voninahitra ;  Rasatranabo, VII Voninahitra  sy Razedaoro, «Chambellan»-ny Mpanjakavavy Ranavalona I. Mbola hisy ny fotoana hanazavako io resaka «Voninahitra» io. Fa ny azoko ambara dia ny XII Voninahitra mitovy ny grady «Général d’Armée».


Ny 9 Febroary ka hatramin’ny 19 marsa 1837 izy enin-dahy ireo no nivahiny tao Angletera. Ny mpiandraikitra ambony voalohany nandray azy ireo dia ny Lehiben’ny «Foreign Office», The Right Honorable Vicount Palmerston. Avy eo dia noraisin’ny Mpanjaka Guillaume IV (William IV amin’ny teny anglisy) tao amin’ny Lapan’ i Saint James ao London ary koa tao amin’ny «Château de Windsor», ny 1 Marsa 1837. Tao amin’ity toerana malaza eran-tany ity no nandraisan’ny vadin’ny Mpanjaka Guillaume IV, ny Mpanjakavavy Adélaïde Louise Thérèse Caroline Amélie de Saxe-Meiningen, io delegasiona malagasy io. Ho vavolombelon’izany fihaonana izany dia hosodoko nataon’i Henri Room (1802-1850). Nanotrona ny Mpanjakavavy Adelaïde tamin’izany fihaonana izany dia i J.J. Freeman, izay efa misionera taty Madagasikara. Misy dika mitovin’io sary io, azonao jerena ao amin’ny «Musée de la Photographie de Madagascar» ao Andohalo Antananarivo. Avy eo moa dia tany Frantsa io delegasiona malagasy io ary noraisin’ny Mpanjaka frantsay Louis Philippe. Fa resaka hafa izany…

Fa raha mikasika ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Angletera dia efa tamin’ny taona 1817 no efa nisy. Gaga sy talanjona ianao. Raha fintinina dia izao : ny 4 febroary 1817 dia nanao sonia ny atao hoe «Traité d’amitié et de paix» (Fifanarahana ara-pirahalahiana sy ara-pandriampahalemana) teo amin’ny fanjakana Malagasy sy ny Fanjakana Anglisy, ny Mpanjaka Radama I sy ny Kapiteny Lesage. Ity farany dia irak’i Robert Townsend Farquhar, governora anglisy tao amin’ny Nosy Maorisy, zanatany anglisy tamin’izany andro izany.

Taty aoriana, satria tsy nanana masoivoho maharitra any ivelany ny Malagasy, dia nisy dimy ny masoivoho mandehandeha na «représentations diplomatiques itinérantes». Ny voalohany dia taona 1820, izay nalefan’ny Mpanjaka Radama I tany Angletera; ny faharoa io noresahina eo ambony io, ny taona 1837 ; ny fahatelo dia ny taona 1862, ka i Lambert no nalefan’ny Mpanjaka Radama II tany Frantsa sy Italia ; ny faha-efatra dia delegasiona nalefan’ny Mpanjaka Rasoherina tany Angletera sy Frantsa ny taona 1882 ary ny faha-dimy dia ilay delegasiona nalefan’ny Mpanjakavavy Ranavalona II tany Angletera, Frantsa, Italia, Amerika avaratra ary Alemaina. Tsy azo adinoina fa ny 15 Mey 1883 dia nisy fifanarahana natao sonia tao Berlin, mitondra ny lohateny hoe «Traité de Paix et de Commerce» (Fifanarahana ara-pandriampahalemana sy ara-barotra) eo amin’nt fanjakana malagasy sy ny fanjakana Alemà tamin’izany fotoana izany.


Raha hiverenana ny Printsy Philip Mountbatten dia i Anne d’Angleterre - zanaka vavy tokan’ny Printsy Philip sy ny Mpanjakavavy Elizabeth II ary zandrin’ny Printsy Charles-, no nitsidika an’i Madagasikara ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2017. Fitsidihana ara-pomba ofisialy izy io satria nanamarihina ny faha-200 taonan’ilay fifanarahana tamin’ny taona 1817 voaresaka etsy ambony. Maro ireo toerana notsidian’ny Printsesy Anne sy ny vadiny, ny Vice-Amiral Sir Timothy Laurence, teto Madagasikara, fa ireto roa manaraka ireto no nisongadina ara-panjakana. Ny alin’ny 23 Oktobra 2017 dia nisy ny fisakafoanana teny amin’ny Lapam-panjakana ao Iavoloha. Tamin’io alina io izy no nakarin’ny Fanjakana malagasy ho «Grand-Croix de Deuxième classe de l'Ordre National de Madagascar» izy.


Ny ampitso dia nitsika fotodrafitrasa maro teto Antananarivo ry zareo ny maraina ary ny tolakandro dia nanatrika fotoam-pivavahana tao amin’ny Katedraly anglikana Saint-Laurent Ambohimanoro, nanamarihina ny faha-200 taonan’ny fanaovan-tsonia tamin’ny taona 1817. Ivelan’ireo dia ireto manaraka ireto, tanisaina eto ho an’ny Tantara iombonana : 25 oktobra 2017 : tonga tao amin’ny tanànan’i Mandena ry zareo, amoron’ny Alan-javaboarin’i Marojejy, amin’ny maha Filohan’ny fikambanana «Save the Children UK» an’ny Printsesy Anne. Taorian’izany dia nisy ny lanonam-pahatsiarovana tao amin’ny fasana «Commonwealth War Graves Commission Cemetery», any amin’ny làlana mankany Ramena, Antsiranana. Satria aza adino fa nisy ny natao hoe «Opération Ironclad» (ny 5 ka hatramin’ny 8 mey 1942) izay nanafihin’ny Anglisy an’i Diego Suarez, zanatany frantsay teo amban’ny fiahian’ny governemantan’i Vichy, notarihin’ny Maresaly Philippe Pétain, izay niara-dia tamin’ny Alemà sy ny Japoney.


Ny Printsesy Anne tao Sahamalaza

Io 25 oktobra 2017 io ihany dia nitsidika ny valan-javaboary Sahamalaza ao amin’ny nosy Radama (Avaratra andrafanan’i Madagasikara) ry zareo, izay toerana iasan’ny «Association européenne pour l’Etude et la conservation des lémuriens», karazan-gidro izay mitady ho lany tamingana… Avy eo dia nitokana ara-pomba ofisialy ny «Centre d’Interprétation Fotsimaso» ao Antsohihy ny zanaky ny Mpanjakavavy Elizabeth II sy ny Printsy Philip. Ny 26 Okotobra 2017 dia nofaranan’ny Printsesy Anne tamin’ny fitsidihina ny BMH (Bemaso «Bureau Municipal d’Hygiène») ao Isotry Antananarivo. Ny diany teto Madagasikara. Marihina fa manana andraikitra amina fotodrafitrasa ara-sosialy maro maneran-tany ny zanaka vavy tokan’i Philip Mountbatten izay natao veloma farany ny 17 avrily 2021, tao amin’ny «Château de Windsor» ary ny nasitrika tao amin’ny «caveau royal» ao amin’ny «Chapelle Saint George» ny nofo mangatsiakany.


Jeannot Ramambazafy- Mivoaka ihany koa ao amin’ny «La Gazette de la Grande île», alarobia 21 marsa 2021


Mis à jour ( Mercredi, 21 Avril 2021 09:13 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety