]
Les quotidiens du 27 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une PARIS. Fantaro ireo GTT goaika antitra sy ireo «Malagasy» nampanaovin’i Fanirisoa Ernaivo teatra, kanefa tsy afa-mifidy akory

PARIS. Fantaro ireo GTT goaika antitra sy ireo «Malagasy» nampanaovin’i Fanirisoa Ernaivo teatra, kanefa tsy afa-mifidy akory

Ny Tantara tsy fanadino ary tsy maintsy asiana tahiry marina sy voaporofo. Raha tsy izany dia lasa tantara toan’ny ataon’i Andry Bihary, izay bandy kely miseho mahalala zavatra kanefa mpamorona sy mpandainga. Ny antony ? Azy ny azy any aoriana any.

Ny mikasika ireto karazan’olona ireto aloha dia « fanatisme » no bobaka, hoy ilay bandy kely ao Analakely izay. Araka ny fanadiadiana hita ao aminy Wikipédia dia misy 140.000 ny isan’ireo mandrafitra ny diaspora malagasy ao France. Ireto milaza fa hoe « Fivondronamben’ny Malagasy manohitra ny jadona » dia tsy nisy 40 akory no isany, miseho ho solontenan’ny vahoaka malagasy. Inona moa no tena antony ? Entin’i Fanirisoa Ernaivo, ilay mpitsara voaraoka noho ny vavabeny, amin’ny sangany toa zazakely ireto mahay vava tsy mahalala ny tena zava-misy eto Madagasikara.

Ka araka ny fiteny : ireo izy ireo, tamin’ny voalohan’ny volana Septambra 2023 dia aleho hitan’ny havany eo. Fa ny taranany, any aoriana any dia hisitri-belona hilaza : « vous avez osé faire et dire çà ? ». Satria tsy misy ampianarin’izy ireo teny malagasy ao an-trano ireo zanany ireo. Andao ary dia samia mijery sy mamaky tsara.

Fa alohan’izay dia io ambany io ny boky nosoratako mikasika ny zava-bitan’ny Filoha Rajoelina tao anatin’ny Telo taona latsaka, noho ny covid-19 sy ny ady any Ukraine. Dia ao koa ny rohy hividianana azy. Aiza dia tsy hisy na iray aza hividy na dia « par simple curiosité » aza. Avy ao afaka miteny hoe mpandainga aho. Fa misy boky mikasika an’i Dada Ravalomanana (ETO) koa ao, eny misy iray koa momban’i Hery Rajaonarimampianina (ETO).


 

TSINDRIO ETO AZA FADY

Jeannot RAMAMBAZAFY – 31 Oktobra 2023

1


Tsy ekena ny filatsahan’i Andry Rajoelina… tsy ekena ny faneken’ny Hcc izany filatsahan-kofidiana izany mandika ny lalana velona ao Madagasikara.

2


Non à la candidature de Rajoelina !

3


Mpandika lalàna i Rajoelina ! Miala Rajoelina ! Tsy mila an’i Rajoelina !

4


Anay sady tsy mila vazaha no tsy mila mpangalatra eo amin’ny fitondrana !

5


Rajoelina : dégage ! Tu fais chier, dégage ! Imposteur, voleur, connard ! Hein ? Oui !

6


Rajoelina : miala ianao tsisy atakandro, ianao sy ny forongonao ireo. Mijaly ny vahoaka, maty tanteraka.

7


Ho an’ny HCC : fahefana no nomena anareo. Fa raha ohatra mihaom-pefy ny zavatra fandinianareo dia Andriamanitra mbola hitsara anareo. Mbola ho tsaraina ianareo. Misaotra betsaka.

8


Izao an : tsy rariny ary tena tsy mety ny zavatra nataonareo io ry HCC. Nilaza ianareo fa validé indray izany ny cancdidature an’i Rajoelina. Ny alahelom-bahoaka mitambatra aminareo ; ny fahoriam-bahoaka mitambatra ao. Zakao ny suite-ny, zakao ny vokany fa ianareo no ho tomponandraikitra amin’izay tranga rehetra manaraka eo. Misaotra, Tompoko.

9


Miala i Rajoelina fa tsy mila an’i Rajoelina intsony ny Malagasy fa mahantra loatra. Tsy an’i Rajoelina sy ny forongony fa mialy dia miala. Izay no… point barre.

10


Je souhaite que Madagascar reste pour les Malgaches. La période de la décolonisation, çà doit être vraiment concrète et qu’on ne continue pas en 2023. Merci.

11


Rajoelina : trafiquant, gangster, voleur ! Tsy mila anao ny firenena !! Article 42 !

12


Non Rajoelina, tsy mi-passe eo ianao ! TSy gasy ianao na inona na inona lazainao. Dégage !

13


Rajoelina sy ny forongony : miala, miala, miala !! Leo izahay !!!

14


Tolona ho an’ny Malagasy mahantra any Madagasikara no atongavako eto. Koa ampitsaharo ny fampijaliana ny tsy manana, Tompoko. Mangataka, raha azo atao : atsaharo, raha azo atao fa mijaly ny vahoaka manontolo.

15


Miala fa kotonandra rise a. Tsy mila kotonandra i Madagasikara.

16


On en a marre du numéro 13 (niteny izany tokoa io olona io) hein. On n’en peut plus, il faut qu’il part, heu, le président actuel. Il y a plus de, heu, il y a plus de, heu, (inaudible), voilà quoi : miala Rajoelina.

17


Mbola tsy mionona ve ? Fa dia hangalatra, ampangalarina ny HCC, dia na dia any amin’ny fifidianana aza dia tsy misy zavatra, a, a, a… fraudes fotsiny no ao. Misaotra, Tompoko. Miala, miala Rajoelina.

18


Tsy mila Rajoelina intsony ahy an. Ampy ‘zay !

19


Rajoelina : mpangalatra, mpandainga, mpamitaka tanindrazana, frantsay : tsy mila anao intsony ny Malagasy. Madagasikara ho an’ny Malagasy ary ny Malagasy ho an’n Madagasikara.

20

Bernard RASOLONJATOVO - fanatique GTT nanomboka ny taona 2009

Nous sommes là et on ne lâche rien ! Non, à la candidature de Rajoelina ! Traître ! Et puis, non aussi à la traîtrise de la Haute cour constitutionnelle, haute cour de la corruption malgasse. Tsy ekena ny firotsahan’i Rajoelina ary melohinay tanteraka izao didy navoakan’ny HCC nanaiky ny firotsahan’i Rajoelina izao. Rajoelina, mpamadika tanindrazana, Rajoelina tsy malagasy intsony nefa ekena mbola hirotsaka filohan’ny Malagasy. Miala Rajoelina ! Tsy ekena.

21


Izay no tsy nangatahako nationalité français (izany mihitsy no teneniny). Satria izaho mbola hilatsaka. TSy ekena ialahy milatsaka. Ary dia las aizy nivanivany ohatry ny… (io amin’ny sary io.

22


Ny ahy izany tsotra be : izaho tsy mila président gasy fa manana président frantsay. Izay. (Rangahy lalin-tsaina e…)

23


Une mauvaise nouvelle : non à la candidature de Rajoelina. HCC voavidy volabe mihitsy ianareo an. Mampalahelo fa tsy mijery ny Malagasy mihitsy. Izay no izy.

24


Miarahaba antsika rehetra vahoaka malagasy tsy vaky volo. Mampalahelo dia mampahonena tokoa ny zavatra misy any, ary izay no mampitsangana ahy eto androany. Noho ny inona ? Etraketraky ny olon-draiky. Olo raika tokana hanapotika ny firenena Madagasikara. Tsy ekenay marin-drano na ino hidona, na hino-kiatra! Mitsangana Ramalagasy, Malagasy tsy vakivolo. Masina ny tanindrazana, Tompoko o ! Masina ny firenena.

25


Andriamatoa Rajoelina an, ampy izay : avelao ny tanin’ny Malagasy ho entin’ny Malagasy. Ampy izay fa avelao ny taninay. Miala Rajoelina, tsy mahazo milatsaka intsony !

26


Miarahaba anareo. Tsy manaiky an’izao vanivahivana ny constitution, lalampanorenana izao izahay Malagasy. Miala Rajoelina. Izay.

27


Raha mbola hitondra ao i Andry Rajoelina, tsy hisy n’inona n’inona ho an’ny taranaka fara aman-dimby intsony fa na ny tanim-pasan-tsika aza tsy antsika intsony.

28


Tonga eto aho androany, amin’ny maha Malagasy ahy, miantso, manao antso avo ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka hanoitra sy handa ny filatsahan’i Andry Rajoelina ho filoham-pirenena indray. Ampy izay, mijaly ny vahoaka malagasy, potika Madagasikara.

29


Ho avy any aho Rajoelina fa lera mila… (inaudible) satria…. Misaotra. Tsy fantatra fa maika niala teo ity lehilahy ity, ka adino ny lesona ?

30


Tsy mila colon ny firenena malagasy !

31

Louis de Mon Plaisir Razafisambatra

Mazava mihitsy fa Andry Rajoelina sy ny ekipany tsy mendrika hitondra ny firenena intsony. Ary izy anie efa naheony tany amboloany fa demon’ny fankarahatsiana no ataony fa tsy demokratia. Tamin’ny fotoan’androny izy niafina tao amin’ny Hôtel Colbert, nisotro kafe. Ny olona anefa nalefany ao Ambohitsorohitra eny amin’ny zone rouge. Niarahan-tsika nahafantatra ny niafaran’izany. Mpiray tanindrazana niampatrampana. Izao izy an… hoy izaho hoe : tsy mendrika azy na ny mitondra ilay samboady, tsy (inaudible) ilay mpanjaka. Satria hoy Andrianampoinimerina hoe : ny fahavalon-tsika Malagasy dia ny mosary. Ity Andry Rajoelina ity anefa, ny mahafinaritra azy dia Malagasy maty mosary. Tsy mahazo mitondra intsony izy any Madagasikara. Izao izy miatsara ivelan-tsihy mandeha any amin’ny Papa. Fa inona no ataony any amin’ny Papa ? Tsy matahotra akory izy ny voalazan’ny soratra masina manao hoe : Andriamanitra no miteny : ny afetsen-dratsinareo no hamantsiako anareo. Izy anefa lasa mandainga any amin’ny Papa. Miatsara ivelan-tsihy. Tsy mendrika hitondra ny firenen-tsika intsony izy. Na i Jesosy Kristy Tompa aza dia efa nilaza fa manody ny ran’ny tsy manan-tsiny nalatsaka teo amin’ny firenena. Ka hoy izahy hoe : tsy maintsy atao ny tolona hialan’io. Izy moa niteny hoe : na tafondro… izaho koa mamaly azy, na tafondro aza no hapoaka, na hampiasa mercenaires izy, izahay tsy draba. Ary ambara azy fa ny diaspora tsy taitra tsy maika nefa tsy tara. Ho hitany izany atsy ho atsy. Misaotra anareo fa mbola misy ny any aoriana.

TTF : Ay ve modian'ity rangahy ity tsy tadidy fa teto Madagasikara ny Papa François ny taona 2019 e ! Tsy atao koa hoe : naninona taty ?

32


Non à la candidature de heu… Rajoelina… (inaudible) tena mandehan mi-dégage, mandehana mandeha any, tsy ilaina !

33

Marc Randrianisa (papan'i Tiavo) anisan'ny nanafika ny Ambassade de Madagascar ao Paris ny taona 2009 (ETO)

Afatra ho an’i Rajoelina : isika angamba tsy mpivahiny fa mifankahalala tsara isika roalahy, simple fotsiny ny tenako. Tsy indray mandeha aho no tsy namasa-bary an, dia handevin-tsorobe. Izay ihany angamba no izy f’efa fantatra ny hevitra tiako ampitaina. Aza maika loatra hoe hiverina eo amin’ny pouvoir aloha e ! Izany, resaka nofy izany. Manantena fa dia hiray hatrany ny Malagasy tsy hanaiky an’io vazaha handeha hitondra ny firenena io. Salut daholo !

34

Solange Gizy

Double nationalité i Rajoelina, hoy ianareo an. Voarara ny lalàna. Tsy milatsaka ho fidiana fa nangataka zom-pirenena hafa. Ny lalàna tsy maintsy ampiarina, tsy maintsy miatrà ny lalàna fa tsy atao sur mesure fa raha metimety amin’i Rajoelina, manambaka ny Malagasy izay tsy nahita fianarana loatra, dia maneky hoe hilatsaka i Rajoelina. Efa ampahantraina ny gasy. Aminay any Sud-est any (Manakara io resahiny io), da mahantra, simbaina ny chemin de fer, simbaina ny port-nay, tsy mivoaka ny vokatray. Ny vanila milatsaka ambany be ny vidiny, ny letchis tsisy hiainan’ny mpamboly, ny kafe tsisy hiainan’ny mpamboly. Tsy mihinan-kanina ny havanay amin’ny alina, sahira tsy mahita asa. Vao mahazo karama iahay dia miasa loha mandefa western union à gauche, mandefa western union à droite. Fifalianay no manampy ny havanay fa ampahantrana loatra ny any aminay any. Ampahantrana koa any Sud-ouest koa. Tsy misy sakafo, tsy misy rano, tsy misy fitsaboana, maty ohatran’ny moka ny gasy tamin’ny nitondra i Rajoelina ity raha ity. Tsy ekena koa io satria tsy fanarahan-dalàna. Angalarin’izy mianakavy ny vola. Itoa olona itoa, mangalatra aby ! Itoa mangalatra aby ! Mijaly ny havanay amin’ny tsy fandriampahalemana. Ao ny vakitrano, ao ny von’olona. Ao amin’ny fianakavianay efa nisy novakiana ny trano. Ie. Nefa ny papako mbola zaza da nifina tany anaty grotte tamin’ny 1947, niaraka tamin’ny endriko sy ny zandriko voateraka. Noho n’inona ? Filefasana ny fanjanahantany frantsay, fangatahana fahaleovantena ho an’i Madagasikara. Manino olo mangataka naturalisation ekena hilatsaka ? HOy ny gasy any tanàna : maninona ianareo no tsy mody aty fa any ianareo mitatatata ? Aty afaka mandefa western union hinananareo hanina, hampianaranareo ny zanakareo, hitsaboanareo tena. Misaotra anareo aby ranandria !

35

Fanatique GTT nanomboka ny taona 2009. Mety tao amin'ny ambassade ihany koa (afaka jerena ny sary ETO sao tao tokoa izy fa tanora kokoa)

Izay izany dia tsotra be ny anay e ! Izahay tsy mila an’i Rajoelina intsony ! Ampy izay depuis 2009. Ny ekipany no nitondra teo hatramin’isika miteny izao. Zavatra nisy, tsisy, tsy avotra izany Madagasikara. Izahay raha miady eto tsy ho anay fa ho an’ny vahoaka malagasy izay sahirana amin’izao fotoana izao. Ka ankehitriny izany dia tsy manaiky intsony satria fanta-tsika fa raha milatsaka eo izy an, raha ekena ny filatsahany dia ho lany izy izany. Dia izahay tsy manaiky an’izay. Misaotra.

36

Niverina ingahy ity

Rehefa miala eo i Rajoelina dia hisy fety be any Mantaly…

37

Bernard Rasolonjatovo niverina namarana ny teatra notontosain'i Fanirisoa Ernaivo, ny voalohan'ny volana Septambra 2023 tao Paris, renivohitry France

Manoloana ny vaovao milaza manjo, ho an’ny vahoaka malagasy, ny fanapahan-kevitry ny HCC fa mbola mirotsaka i Rajoelina, dia mijoro ary tsy mihemotra na ino kidona na ino kiatrà. Diaspora manentana sy mankahery antsika any an-tanindrazana. Ary manohitra, ary mitory ny haute cour corruptionnelle malagasy manaiky ny filatsahana vazaha, vahiny ho filoham-pirenena malagasy. Ary mbola mandeha koa ny resaka fa numéro 13 ihany koa ny numéro an’ilay candidat. Zavatra tsapako izany fa tonga dia manindry izy hoe 13 ny numéro-ko ! Izay koa tsy matahotra 13 izany intsony e ! Fa tsy manaiky ny firotsahan’io na inona na inona, na anaiky ny HCC na tsia : tarihina ny vahoaka malagasy tsy anaiky ary hirotsaka handà an’izany hatramin’ny farany. Mahereza daholo.


Tànana zatra mitsotra tsy afaka hivonkona intsony. Lela zavatra mandainga mamorona ihany, mamorona hatrany. Aleho ho tsarain'ny Tantara sy ny taranakareo ianareo rehetra ireo any aoriana any. Mandrapaha aloha, ATO MIJERY DIA TANDREMO TAPAKA LALAN-DRA ! Ho avy ny tao Manakara ry Solanga fa miandrasa kely.

Mis à jour ( Mardi, 31 Octobre 2023 06:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety