Sandy Solofonirina
Tsy asian-tsika resa-be fa isaorana eto ny gazety Jejoo nampanfantatr an’i Sandy Solofonirina, vehivavy malagasy voalohany eran’ny kontinanta afrika misahana izany hoe « observateur de rallye » izany.
Fa i Sandy koa no Filohan’ny WIM (Women in Motorsport) eto Madagasikara.
Iza no tsy nahita ity fiara Peugeot 504 mavomavo ity ? Maro ny amboara azon’i Sandy sy Davonjy na dia tsy nibata ny amboarana « Champions ». Ny azy roa dia ny fandraisana anjara no zava-dehibe
Mpamily manampy (« co-pilote ») ihany koa izy miaraka amin’i Davonjy vadiny izay tsy misy izay tsy mahalala. Rehefa tsy hidiran’ny politika politisiana maloto ny lafin’ny fampisehoana ny traikefa anan’ny Malagasy dia mandroso daholo izay atao. Fa hatreto aloha, aza manantena izany fanjakana izany amin’ny fampirisihina sy fankatoavana rehefa tsy hahitan-dry zalahy eo amin’ny fitondrana tombontsoa e !
TSINDRIO ETO RAHA TE-HAMAKIMAKY ILAY LAHATSORATR’I ANDO
Jeannot Ramambazafy -09.09.2015