6 Oktobra 2015. Tonga ny fidiran'ny mpianatra taona 2015-2016. Toy ny mahazatra, ary araky ny teniny filamatra hoe "Ny Soa atao levenambola", dia nanatontosa asa soa ny Association Fitia Madagascar, natsangan'i Ramatoa Mialy Razakandisa Rajoelina, izay Filohany raha teo.
Tao amin'ny Centre d'accueil "Oeuvres des Paulins" Ampandrana Antananarivo andraiketan'i Masera Marie Constantine no niantefan'ny safidiny aloha. Ka ankizy miisa 120 no nahazo ireto fitaovana ireto: sacs au dos, cahiers, stylos, crayons, règle, compas...). Marihina fa zaza kamboty na avy amina fianakaviana sahirana ireo kilonga ireto, ary i Ramatoa Raobiniaina Domoina, Miss Manja 2004, no reny mpiahy aza ireo efa 11 taona izao.
6 octobre 2015. A l'occasion de la rentrée scolaire 2015-2016, les membres de l'association Fitia Madagascar, fondée et présidée par Mialy Razakandisa Rajoelina, sont venus distribuer sacs au dos et fournitures scolaires (cahiers, stylos, crayons, règle, compas...) aux 120 enfants du Centre d'accueil "Oeuvres des Paulins" à Ampandrana Antananarivo, fondé le 2 octobre 1905 par le Père Joseph de Villèle, et actuellement dirigée par Soeur Marie constantine. Notons que tous ces enfants sont soit orphelins, soit issus de familles en difficulté et dont la marraine (depuis 11 an- est Raobiniaina Domoina, Miss Manja 2004.