]
Les quotidiens du 25 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara. Politikan’ny sakaizan’ny mpandresy izay ho resy sy ho rendrika atsy ho atsy

Madagasikara. Politikan’ny sakaizan’ny mpandresy izay ho resy sy ho rendrika atsy ho atsy

Tsy misy tokony ho misy mahataitra intsony ny amin’ny zava-misy eto Madagasikara. Ka izao ny fandehany. Nanjaka ny Psd dia nidaboka, nanjaka ny Arema dia nidaboka in-droa, nanjaka ny Undd dia nidaboka, nanjaka ny Tim dia nidaboka ihany koa.

Tonga indray ity Hvm ity ary dia hanjaka arak’izay tratrany fa hifaboka ihany koa ny fiafarany. Rahoviana ary amin’ny fomba ahoana ? Andriamanitra ihany ny mahalala izany fa tsy maintsy hiatrà ilay fiteny hoe: tafita vao rendrika. Fa inona aloha ny mahatonga izany toe-javatra izany eto Madagasikara ?

Nitovy daholo ny fomba nangejain'ny antokon'ny fitondra ny firenena iray manontolo. Raha tsy Psd na Arema na Undd na Tim ianao dia tsy kaonty. Nanao akory anefa niafarany? Nitovy daholo. ary amin'io fomba io dia tena zafiafin'ny Psd tokoa ity Hvm ity

Tsy avy any amin’ny vahoaka velively fa avy amin’ireo atao hoe sakaizan’ny mpandresy. Izany hoe ireo mahay mamadika palitao ka tsy manaja ny antoko niaviany kanefa nanaovany karazana fianianana fa tsy hivadika mihitsy. Ny Pisodia moa dia hoe « mpisodia izahay mandrapahafatinay ». Fa vao nidaboka i Dadabe Tsiranana dia lasa Arema daholo ary avy eo lasa Tim izy mianakavy. Izao dia lasa Hvm indray izay sisa mbola velona sy ny taranany.


Eto dia misy ohatra iray dia ingahy Riana Andriamandavy VII. Ny antoko Tim no niaviana, araka ny hita eo amin’ny sary io ambany io: manao ny T-shirt zanak’i Dada izy. Tamin’ny fotoanan’ny tetezamita farany teo dia minisitry ny Fizahantany izy -natolotry ny antoko Tim- tamin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena notarihin’ny Jeneraly Camille Vital. Rehefa tapitra ny tetezamita dia tsy re loatra intsony izy. Tampoka teo, ny 11 Marsa 2015, dia voatendry ho Lehiben’ny faritra Mahatsiatra ambony ny lehilahy, tao anatina filan-kevitry ny minisitra.

Lasa lahy matoan'ny Hvm ilay zanak'i Dada zafikelin'ny Psd marina!

Tsy dia atao mahagaga loatra anefa izany fa tamin’ny taona 2013 anie no efa nandaozany ny antoko najoron’i Marc Ravalomanana e! Satria tokoa dia izy dia anisan’ireo nikofokofoka nampandany ny kandida faha-3 tao Fianarantsoa. Raha tena mpanao politika matihanina dia tokony ny Dokotera Jean-Louis Robinson no notohanany… Ary talohan’ny nanendrena azy ho Lehiben’ny Faritra Mahatsiatra ambony dia Talen’ny Kabinetra tao amin’ny minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Jean Anicet Randriamosarisoa, izy.


Raha ny foto-kevitra ara-politika izany dia tsy manana izy fa izay eo amin’ny fitondrana ihany no arahiny. Amin’izao fifidianana ho Loholon’i Madagasikara izao dia io izy fa nirotsaka (narotsaka no marimarina kokoa) ho kandidan'ny fitondrana, amin’ny alàlan’ny antoko Hvm. Izao manaraka izao ny teny filamatra entiny: "AZA MIADY AMINY MPANOVO, NGE TSA HENIKY NY FAMPANDROSOANA".

F’angaha moa tsy io fampandrosoana io ihany no niarahany tamin’ny Tim? Asa aloha raha mamitaka ny tenany ihany izy na minia mamitaka ny vahoakan’i Fianarantsoa iray manontolo. Satria mantsy, miala avy amin’io teny « mpanovo » io dia misy ohabolana hoe: « Mpitovo mananatra ny manana ». Io dia enti-milaza ny tanora tia manorotoro hevitra, ka izy tsy mbola nitondra tokantrano indray no mba mananatranatra ny efa manambady.


Fa tsy ny sakaizan’ny tanora ihany no mahatonga ny firenena malagasy hihemotra folo taona isan-taona fa ao koa ireo mpisolelaka tsy misy toa izany. 29 Desambra ny datin’andro nahaterahan’i Riana Andriamandavy VII. Vakio tsara ary io ambony io. Asa, ho lasa mpanampy (« assistant ») ao amin’ny trano fitaratra eo Anosy io lehilahy io, fa tsy hita aloha izay tokony idiran'ny Tompo amin'io "faminaniana" sadasada io.... Kanefa dia ho lany Senatera tokoa io kandida io. Ny antony? Tsy avy any an-danitra akory fa hitovy tamin’ny andron’ny Psd, Arema, Undd ary Tim: dia sakaizan’ny mpandresy daholo ny mpikarakara io fifidianana tsy handraisan’ny vahoaka anjara mivantana io. Niainako daholo izany vaninandro izany. Nitovy daholo ny fomba amam-panao ary dia mbola izao tohizin’ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny forongony izao.

Hoy i Albert Einstein: Adalàna ny fieritreretàna fa rehefa mamerimberina foana ireo zavatra efa tsy nahomby teo aloha dia manantena fahombiazana na vokatra hafa

Dia ho aiza anefa avy eo? Misy ohabolana frantsay milaza: « Les mêmes causes produisent les mêmes effets ». Izany hoe: ny tranga nisy nefa mbola averina ihany dia mahatonga vokatra mitovy nanaraka sy manaraka io tranga io. Ka na ho lokoin’ny Hvm manga 1000% ny ao amin’ny Antenimierandoholona na i Madagasikara iray manontolo no ovana ho manga be, amin’ny alalàn'ny fanamparam-pahefana tsy misy fetrany, dia tsy hanakana ny fidoboany tampoka izany. Toa tamin’ny andro’ny Psd, Arema sy Tim. Ny mampalahelo dia very fotoana foana ny firenena malagasy, sasatry ny manarina ny adalàn’ny mpitondra tsy mahalala afa-tsy ny mameno ny paosiny. Jereo daholo anie izy mianakavy fa bolangina izay tsy izy e!

Io sary io dia tena mampiseho ny toeran'ny mpitondra voafidy eo anatrehin'ny vahoaka: rehefa tsy miaraka aminy io vahoaka io dia midoboka ho azy izy. Saingy mbola matory foana ny vahoaka malagasy, tsy miraika any ka ny taranany no hibaby izany fahalemeny ankehitriny izany

Raha mbola tsy tonga saina foana ny vahoaka malagasy fa izy ny tompon’ny fahefana farany (« peuple souverain »); raha mbola badoina foana izy kanefa mandoa ny karaman’ireo maty eritreritra tsy tia tanindrazana sendra tonga eo amin’ny fitondra ireo, dia aza manantena fandrosoana izany mihitsy mandritra ny 50 taona manaraka. Rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony ry Hery Vaovao isany dia minoà marina fa mbola ho tàzana eo akaikin’izay handimby azy ireo ity Riana Andriamandavy VII. Satria mbola tanora ka hafaka mivadika palitao in-be dia be. Tsy ho taitra amin’izany mihitsy izy satria iza ary inona ary ny hanakàna azy? Olona? Lalàna?


Inona moa ny Krisimasy handrandrain'ireto zana-bahoaka ireto? Ny ray aman-dreniny aza efa mahantra fadiranovana ary ny kely eo am-pelatànany sisa no hamalifaliana ireo satria ny ankizy tsy mahalala ny tsy misy. Fa ireo amin'ny sary mahalala ary hanao zavatra sy fanao aoriana kely ao... Satria tsy misy hiahy intsony

Nanomboka androany 8 Desambra ny propagandy amin’ny fifidianana hatao ny 29 Desambra 2015, ao anelanelan’ny Krisimasy sy taom-baovao, sady ao anaty fahavaratra tanteraka. F’inona moa ny raharahin’ireo mpitondra izany lalàna izany e? Efa tam-boalohany mihitsy io fomba io fa dia nanangina daholo ireo tokony niteny. Navela nanao izy ireo ka tena nitsahany tanteraka ny Lalampanorenena.Tsy tahotra tsy henatra nefa ny midradradra hoe: tany tan-dalàna ("Etat de droit"). Fa karazan'olona inona mihitsy ireto olona mitondra ny firenena mivarina an-kady e!?


Samy mandeha samy mitady, fa dia lasa toa ity rangahy mihirahira etsy amin'ny totohobaton'Antaninarenina ny ankamaroan'ny Malagasy zokiny. Fa ny tanora dia lasa mivaro-tena sy mamaky trano no io tsy fisiana io. Satria mba te-hitovy amin'ny rehetra... Tsy raharahin'ny mpitondra izany e! Sary nalaina talohan'ny nanamboarana io totohobato io tao anatin'ny fitondrana tetezamita

Ary dia ho lany soa aman-tsaran ity Riana Andriamandavy VII ity, satria ilay vahoaka dia somebiseby amin’ny fety ka tsy mivaky loha ny ampitso fa hitroso ihany, hitrsoa hatrany. Tandremo anefa fa hifoha tampoka izy rehefa maty ny jiron’izay fety mandalo fotsiny ihany izay; rehefa bokan’ny trosa izy ary rehefa tsapany fa ny omaly ihany kay ny anio. Dia eo isika mahita azy. Fa izany foana ny fiainan-dRamalagasy ka iza indray ny manaraka handimby ity Hvm ity? Mbola tsy ho fay foana ny vahoaka malagasy? Dia tsy ozona intsony izany fa fanozonan-tena ka aza mila vonjy sy manome tsiny ny hafa: mahantra ianao satria no ianao sy ny fitiavan-tena sy fitiavan-kelinao ihany. Tsy manana, tsy misy, tsy fantatro. Ireo foana no miverimverina eo am-bavanao ka inona ny fahasoavana ho anao sy ho azonao amin’izany dridrangilon'ny mahantra ara-bola sy osa ara-tsaina?


Adinon'io rangahy io ambony io ny fianianany teo imason'izao tontolo izao sy ny vahoaka malagasy tsy vakivolo, ny 25 Janoary 2014 teo Mahamasina: " Eto anatrehan'Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho fa hanantanteraka an-tsakany sy an-davany ary amim -pahamarinana ny andraikitra lehibe maha-Filohan'ny Firenena Malagasy ahy.
Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon'olombelona.
Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàmpanjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an'ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka ".

Raha fintinina ny zava-misy marina eto Madagasikara, amin’izao volana Desambra ivalonan’ny taona 2015 tsy hiverina intsony, dia izao: roa taona taty aorian’ny nifidianan’ny vahoaka olona iray ho filoham-pirenena dia ny fianakaviany sy ireo akaiky azy no tena mihevitra fa azy i Madagasikara iray manontolo ka fanamparam-pehefana no hita etsy sy eroa. Nataon'ny Jeneraly Florens Rakotomahanina aiza ny vola hita ka nalainy tao anatin'ny fiaran'ny Solombavambahoaka Lanto Rakotomanga? Toa tsy misy tohiny intsony ilay resaka nefa mazava fa avy tany amina banky iray teto Antananarivo io vola io fa tsy nangalarina. Ohatra iray ihany io, izay fanta-poko fanta-pirenena fa e e e! Moana sy marenina daholo ny mpahay lalàna nanara-dia an'i Jean Eric Rakotoarisoa, sakaizan'ny mpandresy avo lenta be amin'ny famadihana ny Lalampanorenana. Izay ny fiainan-dRamalagasy nanantena fanovana sy fiovana vaovao; ra-Malagasy notezaina hiandrandra sy hiankina amin-kafa lava izao. Indrisy fa tsy misy n’inona n’inona omen’ity Hery vaovao ity ho azy hafa-tsy kobaka am-bava. Azy io irery ihany ny lalàna, ny hery sy ny voninahitra. Saingy tsy ho mandrizay mihitsy akory. Soa ihany… Ny aina no matezà hahenoan-tsika ny feon’ny fidaraboany eo amin’io fitondrana io. Rahoviana? Miankina aminy ihany io. Fa dia lalaon’ny saka sy voalavo ny an’ny vahoaka sy ny mpitondra amin’izao fotoana izao.

Jeannot Ramambazafy – 8 Desambra 2015

****************

Fifidianana Senatera: Miandany amin’ny fanjakana tanteraka ny CENI

Hatramin’ny volana oktobre 2015 nahatafatsangana ny CENI (vaomierampirenena mahaleon-tena misahana ny fifidianana) dia tsy natoky ny fahaleovantenan’ity rafitra ity ny Malagasy mpanaraka ny raharaham-pirenena.

Solotenan’ny fanjakana ny ankamaroan’izy ireo, dia ny fitsarana tampony izay nanendry olona iray, ny filohan’ny repoblika nanendry olona iray, ny HCC (fahefana avo momba ny lalam-panorenana) nanendry olona iray, ary toa izany koa ny depiote nifidy olona iray . Ny holafitry ny mpanao gazety dia nasaina nanolotra olona iray koa kanefa dia niteraka resabe ny fifidianana izany satria tsy nanara-penitra ary tsy nankasitrahan’ny mpikambana maro. Ny holafitry ny mpisolovava dia nanana ny azy koa ary ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena miandraikitra ny fifidianana dia nifidy ny olona ho amin’izany koa.

Ireo no mandrafitra ny birao mitantana ny CENI. Raha jerena ireo dia olon’ny fanjakana no betsaka ary ireto sisa koa dia miteraka resaka koa satria hita fa misy fiandaniana ihany koa amin’ny fanjakana. Isan’ny nampiahiahy ny rehetra ny faneken’ny CENI ny fandaniana ny fametrahana ny fifidianana any anivon’ny kaominina ho an’ny mpifidy vaventy manerana ny nosy amin’ny fifidianana ny ho senatera izao.

Mpanaraka raharaha politika maro no tsy nankasitraka izany ka isan’izany ny ankamaroan’ireo depiote ao Tsimbazaza izay efa nangataka fanazavana tany amin’ny CENI. Toa izany koa ingahy Praiminisitra teo aloha Jean-Omer Beriziky, ka nanao fitoriana any amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena mihitsy aza andro vitsivitsy lasa izay. Ny KMF-CNOE izay fiarahamonim-pirenena manara-maso ny fifidianana dia nilaza tamin’ny hainoaman-jery ary nanamparitaka izany ho henon’ny Malagasy rehetra, fa tsy mety io fomba noraisin’ny CENI io.

Ny tsy fisian’ny tsiambaratelo amin’ny fifidianana no tena olana amin’ity raharaha ity, sy ny fanerena an-kolaka ny mpifidy hanohana ny kandidàm-panjakana. Potika tanteraka ny demôkrasia hoy ireo olona rehetra ireo. Ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana anefa dia milaza fa fampiharana lalàna io raharaha io, ka tsy misy olana velively. Ny fanjakana dia mody tsy miteny satria tanteraka ny faniriany ka avelany hiady amin’ny olona ny CENI. Anio dia hamory ny antoko rehetra handray anjara amin’io fifidianana senatera io ny CENI ary tsy maintsy hitranga ao indray ity raharaha ity.

Ny depiote dia nilaza ny mety hanaovany fihetsika tsy fakasitrahana izao tetika ratsy ataon’ny fanjakana sy ny CENI izao hanodinana ny sain’ny mpifidy. Ao anatin’ny 6 taona no hiasa ity CENI ity ka maro ny olona milaza fa hitarika korontana eto indray izy ireo satria efa hita taratra sahady fa mpomba ny fanjakana fa tsy mahaleotena araka ny tanjona andrasana aminy.

Jesy Rabelaolao - La Gazette de la Grande île, 07 Desambra 2015

Mis à jour ( Mercredi, 09 Décembre 2015 08:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024