He ity izy. Ahoana moa no tsy hifidy azy? Dimy taona be izao no naha minisitry ny Vola itokisana tao amin'iny tetezamita farany nisy teto Madagasikara iny! Tsy misy tandroka, tompoko, ny ratsy fanahy sy maizin-tsaina.
Tsy ny mpifidy akory ny diso tamin’ny 20 Desambra 2013 satria nanambara fanta-poko fanta-pirenena fa niala avy tao amin’ny tolona natao ny taona 2009 ilay kandida faha-3. Vao lany Filoham-pirenena anefa izy dia nanitsaka ny Lalampanorenana ary tena sahiny ny nitsipaka ireo Solombavambahoaka maro an’isa voafidy niaraka taminy, dia ireo nitondra ny fanevan’ny MAPAR (Miaraka Amin’ny Prezidà Andry Rajoelina). Tsy nisy mihitsy izany hoe antoko Hvm izany nilatsaka ho Solombavambahoaka tamin’io taona 2013 io.
Iza amin'ireto olona manao fehi-tenda manga Hvm ireto no sahy hijoro ka hilaza fa mba tolona ho an'ny tanindrazana tamin'ny fiainany? Tsy misy na iray aza! Tsy nisy voafidy teto ireo na iray aza fa nomena fahefana dia manondrana satria tsy fantany akory izany hoe sosialim-bahoaka izany. Soa f'efa tsy mibahana intsony io ankavia indrindra io. Fa tsy ho afa-bela akory amin'ny resaka nividianany raoplanina tsy nanavotra an'ny Air Madagascar akory...
Roa taona taty aoriana dia niverina tamin’ny andron’ny antoko Psd, 40 taona lasa mahery izay. Nampiasainy ny lalà na nanodinà na ny loko volomboasarin'ny Tolona ho manga Hvm-ny didy jadona sy fanamparam-pahefana.
Ireo olona rehetra ireo dia mpamadika: mpamadika ny Tanindrazana; mpamadika ny vahoaka; mpanosiosy ny Lalampanorenana; mpamadika ny teny nomena, mpanao zinona izany fianianana izany. Tsy ho afa-bela akory ireo miseho matanjaka fa azy, hono, ny "fahefana". Adinon'izy ireo fa ny vahoaka Andriamanjaka ("Le peuple souverain") no ao amin'ny Lalampanorenana. Fa misy fotoanany ny zava-drehetra satria Andriamanitra tsy andrin'izy ireo andrin'ny vahoaka mitoetra
Very tadidy tanteraka ny lehilahy, na eo amin’ny lafin’ny Tantara (adinony fa izy ny Filoha voalohany amin’ity repoblika faha-4 ity, izay teraka ny 11 Desambra 2010; na eo amin’ny lafin’ny fianianany -eo anetrehan’Andriamanitra sy izao tontolo izao, nianiana izy «fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalà mpanorenana sy ny lalà mpanjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an'ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka»; na eo amin’ny lafin’ny fitsinjovana ny fiandrianam-pirenena -lasan’ny vahiny daholo ny orinasa reharehan’ny Malagasy taloha tao anatina roa taona monja-; na eo amin’ny lafin’ny fitsinjovana ny vahoaka 23 tapitra izay milentika tanteraka ao anaty fahantrana amin’izao faran’ny taona 2015 izao: misondrotra daholo ny vidin-javatra rehetra. Variana mitsangatsangana any ivelany amin'ny volam-bahoaka nefa tsy misy vokany izany fivoahany any ivelany izany ho an’ny vahoaka. Mandeha tsy mampilaza toa mpangalatra, miverina tsy mampilaza ihany koa ary mandositra mpanao gazety.
Misy ozona io vola azo amina famadihana olona, famadihana tolona, eny famadihana tanindrazana. Manenjika ny eritreritra dia mamono tena. Ary ny atao hoe "fuite en avant" (tsy te-hahalala n'inona n'iona intsony fa manohy ny adalĂ na) dia karazana famonoan-tena iray
Inona ny antony mahatonga ny firenena malagasy mikatso na dia misy ihany ny mbola jamba tanteraka tsy mahita izany? Mazava fa tsy natao hitondra firenena izany «expert comptable» izany; mazava fa tao anaty roa taona dia tsy nanao afa-tsy izay hitadiavana «fahamarinan-toerana ara-politika», ka natao daholo izao fomba rehetra izao hahalasa ny antoko Hvm tsy fanta-mpiavina ho «matanjaka». Izany dia amin’ny fampiasana vola tsy toko tsy forohina tsy fanta-piavina ihany koa, ary fanararaotana ny maha-olona ireo Solombavambahoaka sasany malemy saina sy malemy fanahy. Efa tamin’ny andron’i Jodasy no nisy izany famadihana sandaina vola izany fa ny fiafarà na dia ratsy foana: nanantona ny tenany i Jodasy tsy nety nandray ilay vola 30 «deniers». Tsy hita ny fatiny mandrak’ity ny androany fa lanin’ny alika hatraminy taolana. Izay no tsy maintsy hiafaran’ny mpamadika tsy mahalala afa-tsy ny rendrarendra mandalo fotsiny ihany: very haja, very voninahitra, adinon’ny olom-belona tanteraka na ny fisiany aza.
Raha izao toe-javatra misy izao aloha dia ilaina ve izany fifidianana Loholona izany? Satria mazava amin’ny vaohaka iray manontolo fa dia «handresy» ny Hvm. Ny CENI efa eo am-pelatanà ny fa tsy mahaleo tena velively mihitsy. Sakaizan'ny mpandresy ny betsaka ao. Ny fitsarana avo momban’ny Lalampanorenenana moa dia efa hita ny zava-doza efa vitany tamin’ilay resaka «déchéance» iny. Mahakivy ny toe-draharaha, araka ny efa nolazaiko tam-boalohany fa niverina tamin’ny andron’ny Filoha Tsiranana sy ny antoko Psd i Madagasikara, amin’izao famaranana ny taona 2015 izao. Ary lasa azo atao indray ny manao fifidianana ao anaty fahavaratra tanteraka.
Ny PrezidĂ Andry Rajoelina tamin'ny volana Janoary 2015
Be ny kivy, be ny manompa, be ny manozona. Fa izao kosa: izany mpitolona izany tsy resy tsy miady izany velively ! Ny vondrona MAPAR dia avy tamin’ny tolona natao ny taona 2009 no nipoirany. Nisy ny maty, nisy ny naratra, nisy nitondra takaitra, toa ireo tolona rehetra natao teto Madagasikara, ho an'ny Fahafahana. Mazava ny dikan’ny hoe MAPAR: Miaraka amin’ny Prezidà Andry Rajoelina. Mamita-tena, tia tena, mamita-bahoaka sy manozon-tena ireo misalotra hoe MAPAR 1 na 2 na 3 na izay isany tiany. Raha tsy misy io MAPAR io ireo olona ireo tsy misy dikany imason’ny vahoaka nifidy azy. Mbola hivadika amin’ireo daholo ny vahoaka fa misy fotoanany ny zava-drehetra, hoy aho.
Mitsinjara toa izao ireo mpifidy lehibe miisa 12.671 ireo:
ANTANANARIVO : 2440
ANTSIRANANAÂ : 1116
FIANARANTSOAÂ : 3181
MAHAJANGAÂ : 1801
TOAMASINAÂ : 1909
TOLIARAÂ : 2224
Mipetraka eo amin’ireo mpifidy lehibe (« Grands électeurs ») ny ho tohin’ny tantara, ny 29 Desambra 2015. Asa na varatra hanasoa ny vahoaka na varatra hamotika ny firenena iray manontolo no hipoaka amin’io andro io. 12.671 ny isan’ireo mpifidy lehibe ireo manerana an’i Madagasikara. Efa mandeha ny fandrahonana isan-karazany, indrindra fa any ambanivohitra any. Tsy vaovao izany fomba izany avy amina mpitondra tsy hahatritra ela ka mampiasa fomba efa nilaozan’ny toetrandro. Hanody azy foana ireo fomba rratsy ireo na ho lany 1000% (arivo isan-jatony) aza ireo hoe kandida loholona Hvm. Ny olona mandalo, maty dia lo, fa ny firenena -izay vahoaka mivelona ao amin’ny- hitoetra eny ihany.
Ireto avy ireo kandida MAPAR tsy nivadi-belirano ary sahy mijoro manambara fa tsy resy tsy miady izany mpitolona izany ary miady eo ambanin’ny ampigan’ny Fitiavana satria ny Fitiavana no lehibe indrindra. Tsy fomba fandambolamboana olona toa ny « «délestage afaka 3-6 volana » -vao teo izao dia adiny iray mahery (19h15-21h) dia tapaka amin'ny tsy antony tampoka ny jiro- fa iainana izany fitiavana izany ary ampiarina amin’ny mpiara-belona.
Ka mahaiza mifidy ianareo mpifidy lehibe misolo ny vatonay, araky ny Lalampanorenana. Mahaiza mandanjalanja tsara fa izany 2013, 2014, 2015 izany tsy hiverina intsony mandrakizay. Miankina aminareo na ho tsara na ho ratsy io 2016. Fa ho an’iza marina ? Ampahatsiahivina an’ireo izay tsy mahalala ny tantara na koa minia miraviravy tanà na faly amin’ny heveriny fa fahorian’ny sasany f'efa tamin’ny taona 1972 aho no mpitolona. Ary mbola hitolona raha mbola misy fofon’aina raha toa ka mpitondra toa an’ingahy Hery Rajaonarimampianina izay mamingavinga ny mpitolona malagasy rehetra maty nanomboka tamin’ny Menalamba niady tamin’ny fanjakana frantsay nanjanaka, no mitondra ny fireneko. Ary tena mampalahelo mampahonena ny foto-pisainany satria hanahirana izay handimby azy ny hanarina izao fivarinan'ny firenena malagasy iray manontolo izao. Sa kosa mihevitra ho eo mandrapahafatiny daholo ireo olona efa maty eritreritra ireo? Ny vy aza arafesina, Tompoko ô!
Vakio tsara fa ny omby no be isa (6 tapitrisa) noho ny isan'ny vahoaka (4 tapitrisa mahery) tamin'ny taona 1896! Amin'izao famaranan'ny taona 2015, raha 23 tapitrisa mahery ny mponina, mba firy sisa ny isan'ny omby va re? Ny kely hanan'ny sasany indray aza no ataon'ny sasany ampi-mamba
Jeannot Ramambazafy – 22 Desambra 2015