]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara. Menatra ny Vahoaka malagasy, hono, ny Mpitsara e!

Madagasikara. Menatra ny Vahoaka malagasy, hono, ny Mpitsara e!

Izany, hono, ry Vahoaka malagasy a ! Inona marina ny tena antony ?

TARATASY MISOKATRA

Ho an’

- Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA, FILOHAN’NY REPOBLIKA MALAGASY, FILOHAN’NY FILANKEVITRA AMBONIN’NY FITSARANA
- Rtoa Minisitry ny Fitsarana,

- Ny Solombavambahoakan’i Madagasikara sy ny Loholona ;

- NY Vahoaka malagasy ;

- NY Fiarahamonimpirenena.

Tompoko,


Izahay Mpitsara eto Madagasikara dia manambara fa :

Menatra ny Vahoaka malagasy izahay Mpitsara manoloana ny tsy fetezana eo amin’ny asampitsarana toy ny kolikoly sy ny fItarazohan’ny raharahampitsarana ka mahatonga ny Vahoaka tsy hatoky intsony ny Fitsarana sy hanao fitsarambahoaka. Maro ny anton’izany fa ny lehibe indrindra aminay dia ny fahalovana (corruption) sy ny akamakama ataon’ny mpikambana sasany ao amin’ny « Conseil Supérieur de la Magistrature » (CSM) izay natao hitantana ny asanay Mpitsara.

I) Tsy hajain’ny CSM ny sata mifehy ny mpitsara mahakasika ny fiakarana grady sy ny famindratoerana ary ny fanendrena Filohampitsarana sy lehiben’ny fampanoavana. Namorona fepetra vaovao tsy voafaritry ny sata mifehy ny mpitsara ny CSM mba hijerena tavan’olona :

A- Momba ny fiakarana grady dia misy mpitsara namoronan’ny CSM hevitra mba tsy hiakatra grady na dia nahafeno ny fepetra aza. Maro ny antony ambadik’izany, toa ny hoe tsy tiana hitazona toerana mifanaraka amin’ny grady tokony hoazony ilay mpitsara. Hafainganina kosa ny fiakarana gradin’ireo mpitsara akamakaman’ny mpikambana ao amin’ny CSM mba ahazoan’izy ireny mitazona ny toerana mifanaraka amin’ny grady vaovaony sy tsy hahazoan’ny hafa izany toerana izany.

B- Nanomboka tamin’ny taona 2014 dia maro ny Mpitsara 1er Grade nafindra hiasa eny amin’ny Fitsarana Tampony ho fampiharana ny sata mifehy ny mpitsara izay milaza fa ny mpitsara 1er Grade dia natao hisahana andraikitra any amin’ny Fitsarana tampony. Saingy, mandrak’ankehitriny dia misy Mpitsara 1er Grade mbola miasa eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany noho izy ireny akamakaman’ny mpikambana ao amin’ny CSM. Ireo Mpitsara 4ème, 3ème, 2ème grade indray no notendren’ny CSM hiasa eny amin’ny Fitsarana Tampony.

C- Tsy voahaja intsony ny filaharana araka ny grady sy ny échelon eny anivon’ny fitsarana. Satria misy mpitsara ambany grady no lehiben’ny mpitsara ambony grady ary misy mpitsara vao taona vitsy no nahavitany ny fizarandraharaha no voatendry ho lehiben’ny fitsarana.

D- Momba ny fanendrena ny lehiben’ny fitsarana indray dia nofoanan’ny CSM ny fampahafantarana mialoha ny toerana banga, fa nasaina mandefa filazana mialoha ny andraikitra iriny ny mpitsara tsirairay sady milaza izay mpitsara mpiantoka sy mahalala azy (« magistrats référents ») ary hasaina hohenoin’ny kaomisiona eo anivon’ny CSM, koa io komisiona io no mifantina izay mendrika ho lehiben’ny fitsarana amin’ilay toerana banga. Ny fisian’io Komisiona sy ny fitakiana magistrats référents dia fijerena tavan’olona tsotra izao satria dia voailika ireo Mpitsara izay tsy mahalala mpikambana maromaro eo anivon’ny CSM no tsy manana « magistrats référents influents » eo anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana. Aminay anefa, rehefa Mpitsara mahafeno ny fepetra nolazain’ny sata mifehy ny mpitsara dia mendrika avy hatrany ho lehiben’ny fitsarana raha tsy hoe voamarina fa nisy raharaha maloto nataony). Mazava ny voalazan’ny sata fa ny grady ihany no fepetra takiana hoamin’ny andraikitra iray. Fa ankoatr’izany, misy andraikitra izay tsy misy olona nefa tsy maika ny CSM hanendry izay tompon’andraikitra vaovao hitazona izany na dia misy ny kandida satria miandry ny mpitsara akamakama izany toerana izany.

E- Tamin’ny taona 2009 noho ny tolombahoaka dia nisy mpitsara voatendry ho Filohampitsarana sy lehiben’ny Fampanoavana, tsy nisy akory filazana fahabangatoerana na antso hoan’izay liana tamin’izany fa avy hatrany dia ireo mpitsara akamakaman’ny CSM tamin’izany fotoana no notendrena. 8 taona aty aoriana, amin’izao taona 2016 izao dia mbola maro amin’izy ireny no mbola mitazona hatrany izany andraikitra izany. Maro amin’ny mpikamban’ny CSM ankehitrio koa no tsy rototra ny hanolo azy ireny na dia fantatry ny CSM tsara fa miteraka fahalovana sy « routine » raha mihoatry ny 4 taona eo amin’ny toerany ny lehiben’ny sampan-draharahampanjakana iray. Ny anton’izany dia mitazona ny teny nifanarahany miafina tamin’ireny filohampitsarana sy Lehiben’ny Fampanoavana ireny ny sasany amin’ireo mpikambana amin’ny CSM ankehitrio nandritry ny fifidianana azy ireny ny taona 2014 ho mpikambana amin’ny CSM. Tsy mahagaga raha tsy mahita endrika fiovana amin’ny fitsarana ny vahoaka satria ny fitsarana dia tsy miova fa feno kolikoly hatrany nefa ireo filohampitsarana/Lehiben’ny fampanoavana dia tsy miova fa ny efa teo hatramin’ny taona 2009 no mbola eo mandrak’ankehitrio na dia maro amin’izy ireny no fantatra fa mihinambolan’ny fitsarana.

F- Tsy mandray andraikitra momba ireo mpitsara sasany izay mandika ny deontolojia sy etikan’ny mpitsara ny CSM. Ohatra amin’izany ireo mpitsara izay sady miasa amin’ny Fitsarana no mitazona andraikitra eny anivon’ny andrimpanjakana. Ireny Mpitsara ireny dia sady manao ny asampitsarana no mpitsikilon’ny andrimpanjakana eny anivon’ny fitsarana no mpitondra baiko avy amin’ny mpanatanteraka hoan’ny Fitsarana koa fanetriben’ny fitsarana malagasy izy ireny eo anatrehan’ny vahoaka. Fantatry ny CSM tsara izy ireny ary azo fantarina amin’ny fandefasana taratasy momba izany amin’ny andrimpanjakana, nefa tsy rototra ny CSM mandray ny fepetra mikasika azy ireny. Toy izany koa, mitarazoka ny asampitsarana nohon’ny tsy fahampian’ny mpitsara. Nefa misy Mpitsara efa ho 5 taona na 10 taona aza no « détaché » na manohy ny fianarany any andafy. Hatreto anefa dia tsy misy fepetra noraisin’ny CSM momba ireny mpitsara ela loatra manao détachement ireny. Izy ireny indray aza no omen’ny CSM toerana tsara raha sendra mba miverina hiasa eny anivon’ny Fitsarana.

II) Manome vahana ny kolikoly ny maha-mpikambana avy hatrany ao amin’ny CSM ireo lehiben’ny fitsarana sasany sy ny fahazoan’ny lehiben’ny fitsarana milatsaka ho fidiana ho mpikambana ao amin’ny CSM. Niteraka fifampizarana andraikitra teo anivon’ny mpikamban’ny CSM mantsy izany araka ny faripiadidiampitsarana misy na nifidy azy ireo. Vokany, izay Mpitsara maniry hitazona andraikitra na hafindra toerana ao amin’ny farimpitsarana iray dia voatery tsy maintsy tsararesaka na mandoa vola amin’ny mpikambana ao amin’ny CSM izay misahana izany farimpitsarana. Vokany, tsy ny mpitsara rehetra no hahazo ny toerana na andraikitra izay iriany fa izay mpitsara tsara fifandraisana amin’ny mpikamban’ny CSM. Ireo mpitsara eo ambany fifehezan’ireny lehiben’ny fitsarana mpikambana amin’ny CSM aza moa dia voatery mandray baiko satria sady mpanome naoty azy no mpanapaka ny hoaviny amin’ny fiakarana grady sy famindratoerana ireo lehibeny mpikambana amin’ny CSM. Tsy manana ny fahaleovantenany intsony ny Mpitsara vokatr’izany.

III) Mifangaro ny andraikitry ny mpikambana sasany ao amin’ny CSM/ny fahefana mpanatanteraka/ny Fitsarana indrindra mahakasika ny fanapahana raisin’ny CSM sy ny fanatanterahana izany. Maro amin’ny mpikambana avy hatrany ao amin’ny CSM no notendren’ny fahefana mpanatanteraka hoamin’izany andraikitra izany teo anivon’ny filankevitry ny ministra. Ny Filoha sy filoha lefitry ny CSM koa dia mpikambana amin’ny fahefana mpanatanteraka koa tsy misy sahy manohitra azy ireo ireny mpikambana avy hatrany amin’ny CSM ireny rehefa mivory ny CSM. Maro amin’ny mpikambana amin’ny CSM koa no mitazona andraikitra hafa eny anivon’ny andrimpanjakana sy ministera na antoko politika ka zary lasa fitaovana ampiasain’ny fahefana mpanantanteraka sy ny antoko politika eo anivon’ny CSM izy ireny.

IV) Ny fanapahana raisin’ny CSM dia terena ho eken’ny Mpitsara, koa raha misy Mpitsara manohitra izany ary mangataka ny fandravana izany eny anivon’ny Filankevimpanjakana dia tsy hahazo rariny mihintsy izy nohon’ny ataon’ny Filankevimpanjakana izay saika manao ny fomba rehetra mba tsy ahazoan’ny mpitory rariny, satria hono efa nisy fifampiresahana teo amin’ny CSM sy ny Filankevimpanjakana ary ny Ministeran’ny Fitsarana.

Marihina anefa fa miavosabe ny tombotsoa raisin’ny Mpikambana amin’ny CSM ankoatry ny fahazoan’izy ireo « bonification d’ancienneté » 3 taona izay afenina ny mpitsara maro ny fisian’izany, porofo indray ny fitantanana tsy mangarahara eo anivon’ny CSM.

Vokatr’ireo rehetra ireo dia tsy mahita fiovana amin’ny raharahampitsara ny vahoaka sy izahay Mpitsara maro. Isaiky ny mivory ny CSM dia manahy ny hafindra toerana ireo mpitsara miezaka mitazona ny fahaleovantenany manoloana ny baikon’ny lehibeny -mpikambana amin’ny CSM amin’ny raharahampitsarana iray.

Koa mba hamerenana ny hasin’ny fitsarana, angatahinay Mpitsara ny fampiharan’ny CSM tsy misy fepetra hafa izay voalazan’ny sata mifehy ny Mpitsara indrindra momba ny fiakarana grady sy ny fanendrena ny Filohampitsarana /Lehiben’ny fampanoavana; ny fisian’ny fisarahan’andraikitra tanteraka eo amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, ny CSM ary ny Fitsarana; ny fanajan’ny mpikambana ao amin’ny CSM ny fianianana nataony, koa hametrapialana tsy ho mpikambana ao amin’ny CSM ireo Mpanolotsaina Ambonin’ny Mpitsara izay mitazona andraikitra hafa eny anivon’ny andrimpanjakana (ankoatry izay miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana) mba tsy hirohoroho saina ny vahoaka; ary mangataka ny fampiharana ny tapaka tamin’ny « assise des magistrats » tamin’ny taona 2013.

Resy lahatra izahay fa ny mpitsara miaina ny fahamarinana amin’ny fitantànana ny asany no afaka hitady sy hampanjaka ny fahamarinana amin’ny raharahampitsarana entin’ny vahoaka malagasy eo aminy.

Natao anio Zoma 8 Aprily 2016.

Mis Ă  jour ( Samedi, 09 Avril 2016 05:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024