Dia lasa nandao ity tany fandalovana ity i Oelisoa. Atairana ihany ny ahy satria dia vehivavy vao 46 taona. Mifankalala izahay. Iza koa moa no tsy nahalala an' i Oels e!? Nandalo tao Antanimena daholo raha mbola mpanao gazety malagasy. Fony tao ny American Press Center. Izao dia lasa izy fa ny asany hitoetra. Ho an'ny vadiny sy ny zanany indrindra indrindra dia nanao ity fahatsiaovana ity aho. Vidéo kely milazaza ny momba azy niala tamin'ny feon'i Michel Ralibera ary ireto lahatsoratra nosoratana vehivavy tahak'azy ihany. Nisy ny hafa nanoratra fa ireto no tena mamintina ny fahatsiarovana: Anjara Rasoanaivo, mpanao gazety efa ela ary Miangaly Ralitera, mpanao gazety vao misondrotra. Dia i Sandy, niara-niasa taminy. Fa ao koa ny tononkalo ataon'i Rado. Izay no vita amin'ny tantaran'i Oels teto an-tany. Izy moa dia nahay niteny anglisy tsy nisy toa izany ka hoy aho hoe : REST IN PEACE, OELS (mandria am-piadanana , Oels).
Na dia tsy salama aza i Oels dia nahavita nanatontosa adidy fankeherezana am-pitsikiana lalan-dava an'ny namana Ikotoniaina teny amin'ny hopitaly HJRA. Niaraka taminy ny namana Felantsoa
Jeannot Ramambazafy - 12 Aprily 2016