]
Les quotidiens du 04 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ampasindava. Ny « terres rares » sy ny tolona ho an'ny tanindrazana, nosoratan’i Mel Whitehouse

Ampasindava. Ny « terres rares » sy ny tolona ho an'ny tanindrazana, nosoratan’i Mel Whitehouse

Ny tolona ho an’ny tanin’ny razana sy ny fomba fiaina any Ampasindava

Nosoratan’i Mel Whitehouse

Tamin’ny volana Avrily 2015, raha nitazana tamin’ny varavarakelin’ny fiara fitaterana olona any ambanivohitra (« taxi brousse ») aho, dia nahita ny tanimbary sy ala eny amin’ny havoana izay nisesy, tsy tena hita tsara fa nanjavozavo tanatin’ny hazavan’ny volana. Hitako teny amin’ny lanitra ny Kintana Atsimo. Nandeha tany avaratra-andrefan’ny firenena Madagasikara niaraka tamin’ny mpiara-miasa (sady namana) malagasy iray mantsy aho handeha hanao fikarohana tao amin’ny tetikasa fitrandrahana iray any amin’ny saikanosin’Ampasindava. Tamin’izay fotoana izay, tao anatin’ny taxi-brousse, tao afovoan’ny alina, no nahatonga saina ahy indray fa betsaka ny zavatra tsy mbola fantatro.

Raha lazaina amin’ny teny fohy, ny antony nisafidianako handeha ho any Ampasindava dia satria any misy rafitra roa avy any ivelany samy mitady haka ny tany, ao anatin’ny faritra mitovy, izany hoe, an’ny vondron’ny mponina ifotony iray. Ny voalohany dia fikambanana amerikana tsy miankina amin’ny fanjakàna izay mikarakara fitahirizana ny tontolo iainana. Missouri Botanical Garden (na MBG) no anarany. Ny faharoa kosa dia orinasa mpitrandraka mitondra ny anarana hoe Tantalus, (na ny rantsany Tantalum Rare Earths Malagasy– TREM) izay mikaroka ny akora fototra (antsoina hoe « terres rares ») ampiasaina amin’ny fitaovana elektronika avo lenta. Nieritreritra aho talohan’ny niresahana tamin’ny mponina tany an-tanàna fa angamba ny Tantalus no tian’ny olona kokoa miohotra amin’ny MBG satria na samy mitady haka ny tany aza izy roa ireo, dia farafaharatsiny ny Tantalus nilaza fa hamorona asa tsara karama. Saingy diso tanteraka aho. Nisy olona nilaza fa tia ny MBG, nisy hafa tsy tia azy. Fa tsy nisy afa-tsy olona iray dia iray no nanome valiny mifono fanantenana taminy nanontaniana hoe “Manohana ny hevitra momba ny hirosoan’ny TREM amin’ny dingana fitrandrahana ve ianao ? Raha manao izany izy, dia hisy tombotsoa ho anao ve ?” Ny hafa rehetra dia feno fanahiana, ary maro no nangataka taminay hizara ny fahasahiranan-tsainy mba ahatonga ny hafa hahazo ny toe-javatra mihatra amin-dry zareo.

Amin’ny ankapobeny, dia betsaka itovizana ny zavatra nolazain’ireo olona 62 niresaka taminay. Ny olona rehetra dia miankina amin’ny tany amin’ny fivelomany. Mpamboly avokoa izy ireo. Mahavokatra sy lonaka tsara ery ny tany ao, hany ka ambolena ao Ampasindava ny vokatra fanondrana any ivelany anisan’ny fanta-daza indrindra ao Madagasikara. Mamboly lavanila, dipoavatra, kafe, kakao ary vary ry zareo. Sendra tany izahay tamin’ny fararano fijinjana vary dia nahita fa mba hanamora ny asa fitsongoana vary dia manamboatra trano kely faharoa any akaikin’ny tanimbary ny ankamaroan’ny mponina , mba ahafahany manana fotoana bebe kokoa hiasana amin’ny fampakarana ny vokatra. Mila ho ny olona rehetra dia tao amin’ny tanàna iainany amin’izao fotoana izao no teraka, ka io no tanin’ny razany, tanindrazana (soa toavina malagasy tena manan-danja lehibe aminy). Nilaza taminay ny olona fa matahotra ny hanapotehan’ny Tantalus ny tany rehetra, ny saha famboleny, ny tanàna, ary ny tany masina.

Ny fototry ny fahasahiranan-tsaina voalohany nandritry ny fotoana nipetrahako tany, herintaona lasa izay, dia ny lavaka notrongisin’ny Tantalus mba ahazoana santionan’ny fotaka (goja) entina mandeha mba hikarohana ny habetsahan’ny « terres rares » ao anatiny. Ny lavaka tsirairay dia mirefy 1 metatra tora-droa ary 10 metatra ny halaliny. Feno lavaka daholo ny toerana, eny amin’ny sahan’ny olona rehetra, any anaty ala, any amin’ny faritra voaaro, ary hatrany amin’ny tany masina. Betsaka ny olona tsy mahafantatra akory hoe iza no nandavaka ny lavaka tao anatin’ny sahany. Nilaza taminay izy ireo fa nipoitra ny lavaka, tsy nisy fangatahana, tsy nisy fampandrenesana, ary tsy nisy fanonerana. Ny ankamaroan’ny mponina dia niresaka ny fahatsapany fa tsy ampy hery izy manoloana ny TREM sy ny Fanjakàna. Nisy mpamboly iray nilaza taminay fa tonga handavaka ny sahany ny TREM. Ka rehefa nanandrana nandà izy, dia nilaza ny solontenan’ny TREM fa « afaka mandavaka ny sahanao ianao, dia homenay vola, raha tsy izany dia hitady olona hafa izahay hanao azy ».

Ankoatry ny tsy rariny ampanjakaina amin’ny tahotra sy ny hery, dia nisy vokatry ny lavaka azo tsapain-tànana nomarihin’ny mponina. Voalohany, nisy lavaka natao teo amin’ny tany masina. Araka ny fehezan-dalàna momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ao Madagasikara (toko faha-3, and 105) dia tena voarara manokana ny manao fitrandrahana na fikarohana amin’ny faritra latsaky ny 80 metatra avy eo amin’ny toerana masina. Ankoatr’izay tsy voatsetsina hatrany ny lavaka, ary na rehefa voatsetsina aza dia misy fotaka milatsaka ao anatiny rehefa avy orana, dia manjary miletsy ny tany ka tsy tsentsina tanteraka ny lavaka.

Mametraka olana amin’ny biby fiompy ireny lavaka tsy voatsentsina tsara ireny. Olona maro no nilaza taminay fa very biby fiompy satria nilatsaka tao ireo biby ka maty. Mitady onitra koa ny mponina momba izany fahaverezam-pananana izany. Fanampin’izay; na rehefa tsentsina aza ny lavaka dia hitan’ireo mpamboly fa tsy misy ninoninona maniry intsony eo amin’ilay tany nototofana. Ka manahy mafy izy hoe raha tena misy fitrandrahana tokoa eo amin’ny taniny, na rehefa voatototra aza ny lavaka – dia tsy hamokatra intsony ny tany.

Tany amin’ny farany ny fanadihadiana tsirairay dia lasa adi-hevitra momba ny ahiahy sy ny faniriana. Matahotra ny olona sao ho very tanteraka ny taniny izany hoe ny antom-pivelomany. Matahotra ny ahavoaloto ny rano anatin’ny renirano izy. Nisy olona sasany nilaza taminay mivantana fa matahotra izy fa raha manomboka ny fitrandrahana, dia ho potika ny saha fambolena, ka tsy hisy sakafo hohanina intsony, ary ho faty izy. Loza anefa, fa tsy azo lazaina ho tsy mitombina ny ahiahiny, misy ohatra maromaro-na tanana ambanivohitra any Azia rava tanteraka noho ny fitrandrahana « terres rares ».

Inona no tena tadiavin’ny mponina? Raha ny marina dia ny hialàn’ny TREM no tadiaviny saingy fantany fa efa tara loatra izao. Ka mangataka onitra ara-bola izy noho ny fampiasàna ny taniny, na ho an’ny olona tsy manana taratasy manaporofo ny maha-tompon’ny tany azy aza.

Ankoatr’izay dia mangataka onitra ho an’ny vondrom-piarahamonina izy, toy ny sekoly, trano fitsaboana, ary farafaharatsiny làlana azo handehanana tsara kokoa, mba hanamora ny fivezivezeny mankany amin’ny tsena sy ny tanàna manodidina.

Fa ambonin’ny zava-drehetra dia mangataka ny hanana anjara fitenenana momba ny ho aviny izy, mangataka ny fahefàna ahafahana miady ho an’ny zony.

Aparitao ny tantarany ary iangavio sy poreto ny TANTALUS (na ilay mpividy azy, dia APPHIA MINERALS SOF PTE) sy ny governemanta malagasy mba hihaino ny feon’ny mponina any Ampasindava fa tsy hanampin-tsofina tsy handre ny kiakin’ny mponina!

 

Mis à jour ( Mercredi, 07 Septembre 2016 09:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...