COMMUNIQUE A L’ISSUE DU PREMIER CONGRES NATIONAL DU PARTI « ANTOKO MALAGASY MIARA-MIAINGA – AM3 »
Lors de son Congrès Constitutif, le 27, 28 et 29 octobre 2016 à Ankadikely Ilafy au siège FOFIKRI, à Antananarivo-Avaradrano, le Congrès National recommande l’Antoko Malagasy Miara-Miainga de :
* Promouvoir et défendre les droits universellement reconnus et les valeurs qui constituent l’âme de la nation malagasy, pour réaliser la refondation de la Nation Malagasy. Il fait siens les principes républicains, ceux de la démocratie et de la bonne gouvernance ;
* Développer, notamment dans ses actions politiques et de gouvernance, la culture du dialogue et de la « redevabilité », et la promotion du genre
* Encourager la création d’entreprise engendrant des plus-values et pourvoyeuses d’emploi de qualité pour tous, et de la bonne répartition des revenues, pour un meilleur un développement harmonieux et équitable ;
* Travailler de concert avec le pouvoir central, les collectivités décentralisées, le secteur privé et la société civile pour la confection d’une vision économique et de sa réalisation ;
* Accorder une attention particulière à la compétence et au « génie » national, pour la mobilisation des forces vives afin de réaliser la refondation de la Nation ;
* Veiller à utiliser raisonnablement ses richesses naturelles pour les besoins du présent et des générations futures, tout en respectant ses valeurs humaines et culturelles ;
Ce qui ne pourrait être réalisé si :
- On ne procède pas au renforcement de l’unité nationale à travers un système de décentralisation réelle et multidimensionnelle ;
- On n’exige pas de tous, surtout des dirigeants le respect des lois votées d’une façon démocratique d’une part, et que d’autre part de revendiquer à l’État le rôle de garant pour que chaque citoyen puisse bénéficier et de jouir de sa liberté d’expression ;
- On ne cadre pas nos relations internationales avec notre vision sociale, politique et économique ;
Le CONGRES NATIONAL CONSTITUTIF, après avoir analysé et observé la situation nationale pense que le pays est en déperdition, que la confiance n’existe plus entre le pouvoir et ses gouvernés et que l’économie de Madagascar ne cesse de se dégringoler entrainant la paupérisation de citoyen ;
Aussi, il est décidé par le CONGRES NATIONAL CONSTITUTIF que le PARTI MALAGASY MIARA-MIAINGA SE CONSTITUE EN PARTI D’OPPOSITION et fera face à toutes ses responsabilités légales y afférentes.
Le CONGRES CONSTITUTIF, en plus de ses attributions définies par le Statut, exprime sa confiance au Bureau Politique pour la recherche de toutes les possibilités pour faire valoir les principes et la vision du Parti.
****************************
****************************
FANAMBARANA
ZAIKABE VOALOHANY NY ANTOKO MALAGASY MIARA-MIAINGA
Ny Antoko Malagasy Miara-Miainga rehefa nanatanteraka ny Zaikabe Fanorenana ny 27, 28, 29 Oktobra 2016 tao Ankadikely Ilafy FOFIKRI Antananarivo Avaradrano dia manao izao fanehoan-kevitra izao :
* Manamafy fa ny fiarovana sy ny fanandratana ireo zon’olombelona ekena manerantany ary ny fikolokoloina ireo soa toavina mandrafitra ny fanahy maha-olona ny malagasy, no fototra hiangana sy tokony hanorenana ny Firenena. Noho izany dia manaiky ny sata repoblikana ny Antoko AMMM, ny Demokrasia ary ny fitondrana tsara tantana.
* Ny Zaikabe dia Resy Lahatra fa tokony ho beazina ny olom-pirenena ho zatra hifanakalo hevitra ary hahatsapa fa ny fananana zo dia mitaky adidy, mitaky « tamberin’andraikitra ». Foanana ny fanavakavahana eo amin’ny lahy sy vavy.
* Manoritra mazava ny Zaikabe fa ny fampandrosoan mirindra isam-paritra dia miara-miainga amin’ny famporisihana ny fandraharahana mitera-bokatsoa sy miteraka asa mendrika sy maharitra ho an’ny rehetra ary hifampizarana ara-drariny ireo vokatra.
* Hifarimbona ka hiara-misalahy amin’ny fanjakana Foibe ny vondrom-bahoaka isam-paritra, ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena ny vinam-pampandrosoana sy ny fanatanterahana izany.
* Omen’ny zaikabe lanja manokana ary hanaingany ireo hery velona eto amin’ny Firenena ny Fahaiza-manao Malagasy (« Génie National »). Tsy azo ekena intsony ny fanaovana zinona ny fahaiza-manao Malagasy fa omena ny toerany mba hanarenana haingana ny Firenena.
* Ho voalanjalanja ara-drariny ihany koa ny fitrandrahana ireo otrikarena voajanahary mba hifanandrify amin’ny filan’ny mponina rehetra miaina amin’izao fotoana izao kanefa hitsinjo ny ho avin’ireo taranaka ary hirindra amin’ny tontolo iainana.
Tsy ho vita anefa izany raha tsy:
* Hapetraka ho foto-pisainana, ho fitsipim-pitantanana sy fitondrana ary hampiharina amin’ny sehatra rehetra, isa-tsokajiny sy isan’ambaratonga ny Fitsinjaram-pahefana. Izany no antoka voalohany hanamafisana ny Firaisam-pirenena.
* Hajain’ny rehetra, indrindra fa ireo mpitondra, ireo Lalà na rehefa nolaniana tamin’ny fomba demokratika; ary hiantohan’ny fitondrana ny fahafahana sy ny fahalalahan’ny isam-batan’olona amin’izany.
* Harindra hifanaraka amin’ny Vina sy ny Tetika fampandrosoana ny Firenena ny fifandraisana amin’ny any ivelany. Hofanina noho izany ireo Malagasy misehatra eo anivon’ny Diplomasia.
Ny ZAIKABE FANORENANA, rehefa nandinika sy namakafaka ny toe-draharaham-pirenena, nahatsapa fa very hasina ny firenena, tsy misy intsony ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ary mikoroso fahana ny toe-karenan’I Madagasikara ka miha-mahantra hatrany ny mponina;
Dia, lany tao anaty ny ZAIKABE FANORENANA fa HITSANGANA HO MPANOHITRA NY ANTOKO MALAGASY MIARA-MIAINGA ka hiantsoroka ny andraikitra rehetra araka ny voalazan’ny lalà na momba izany.
Ny ZAIKABE FANORENANA, ankoatra ireo andraikitra voalazan’ny Fitsipika momba azy, dia: mametraka ny fitokisany amin’ireo Birao Politika ny amin’ny fikarohana ireo tetika rehetra entina mampanjary ireo foto-kevitra sy Vinan’ny Antoko.
ANTOKO AM3