Tonon-kiranâi JĂ©rĂŽme Randria, namorona ny tarika Ny Railovy io nataoko lohaten'ity lahatsoratra fahatsiarovana ity namako ity. Ary hirainâi Doudou Michel ho fahatsiraovana an'i Ra-Jeroma. Fa nanomboka taminâny Alatsinainy 31 Oktobra 2016 dia niatrĂ taminâi Doudou Michel izy io satria dia nandao ity tany fandalovana ity ny namako Andriamparany Michel na i Doudou Michel izay afantarana azy eo aminâny sehatry ny kanto tena malagasy.
Mifankahalala tsara izahay ary saika niara-vita ny aminay tao Ankazobe, taona maro lasa izay fa tsy noresahinay mihitsy. I Papaye ao aminâny tarika Iraimbilanja no vavolombelona izany loza fifamoivozana izany. Taxi-brousse io. Avy tany Mahajanga izahay nandamina ilay seho sehatra hoe «Fitiavana marina». Natory ilay mpamily ary nifatratra tany anaty tatatra ny fiara. Raha teny aminâilay ilany ankavan-dalĂ na aloha -izay antsana be- dia tsy eto aho mitantara izany. Tsy izay anefa ny lahatra fa dia ny 31 Oktobra teo izany i Doudou Michel no nialoha ahy. Ka na inona ny antony naha lasa azy dia izay ny tena lahatra, na dia mbola nanantena daholo isika rehetra.... Fa be ny vitany teto an-tany na tsy dia re sy fantatra firy aza. Zokiko telo taona izy ary misaotra an'Andriamanitra isika rehetra izay mba afaka nifanerasera taminy teto an-tany, teo amin'ny lafiny rehetra, na tsara na ratsy.
Mponina ao Besarety izy. Be ny tokony atao eo aminâny lafiny ara-sosialy ao aminâio fatitra ao anatinâny boriboritany faha-3 eto Antananarivo io. Ka dia nanangana ny AFABE i Doudou Michel. Io fikambanana io dia «Association Familiale de Besarety» no dikany. Be ireo asa soa vitany ary maro no afaka mitsangana vavolombelona aminâizany. Tsapany anefa fa tsy ampy izay sehatra izany afahana mitondra ny teninâireo vahoaka tsy mba misy mpiahy firy. Ka dia niditra teo aminâny sehatry ny politika izy. Tsiahivina eto, na dia mirediredy lava ny mpitondra ankehitriny fa ny atao hoe politika dia midika hoe fomba fitantanana araky ny teny latina «politicus» sy teny grika «politikos» mifandray aminâny fomba itantĂ nana tanĂ na («Cité») sy ny mponina ao aminy. Taty aoriana dia nivelatra eo aminâny fomba fitondrana firenena iray manontolo. Izany hoe rehefa mpitondra dia manao politika fa tena resaka adala ity hoe âmisy ambadika politikaâ isaky ny miteny sy manohitra ny olona. Ry zareo ao aminâio antoko Hvm io no tsy mahay izany ka dia tena miteniteny foana tokoa.
Tsetsatsetsa tsy aritra avy aty amiko manokana iny, fa raha iverenena ny mikasika anâi Doudou Michel dia taminâny taona 2007 izy no nirotsaka ho kandida solombavambahoaka ka ilay AFABE tam-boalohany dia lasa antoko «Asa Fanabeazana ho an'ny Besinimaro». Tsy lany moa izy taminâizay fa nitohy foana ny asa soa nataony hatraminâizay. Rehefa tonga moa ny revolisiona volomboasary taminâny taona 2009 ka lasa fitondrana fiaraha-mitantana hanatontosaina ny fifidianana filoham-pirenena dia tafiditra mpikambana tao aminâny CT sy CST ny antoko AFABE izay nisandrahaka manerana ny nosy ankehitriny. I Doudou Michel no vy sy angady nanĂ nana aminâny fambolena « sorgho » na apemba. Toerana miisa 27 izao no mamboly izany.
Eo aminâny lafinâny fanatanjahantena, tsy adino koa fa anisanâny mpikarakara fifaninana baolina kitra ho anâny vehivavy ka sivy ny ao atany ekipa (« football fĂ©minin Ă 9 ») ao Atsimondrano ao. Santionany daholo izany fa izy moa tsy dia tia sehoseho. Na izany aza iza no tsy mahalala anâi Doudou Michel mpamoron-kira sy mpihira («auteur-compositeur-interprĂšte»)? Vitsy ny olona mahalala fa anisanâny mpikambana tao aminâny tarika OdĂ©am Rakoto -papanâi Doly Odeamson- i Doudou Michel. Izany hoe efa ela izy no tao aminâity sehatry ny kanto. Ary kanto tena malagasy satria nandalo tao anatinâny tarika Ny Valiha ihany koa izy.
Sylvia
Tsy nanakana azy mihira ireo hiranâny mpanakanto tena ankafiziny toa an-dry Gilbert BĂ©caud, Charles Azanavour, Michel Fugain, Christophe, Dick Rivers, Georges Moustaki, sns. Izany hoe ireo mpihira frantsay nalaza taminâny taona 1960-1970.Fa nitana ny maha-Malagasy azy hatrany i Doudou Michel.
Sylvia zanany moa dia efa kely dia nandimby anâny rainy eo aminâny sehitry ny fihirana. Asa raha hanohy... Ity manaraka ity ny mba any fahatsiarovana apetrako ho anâny fianakavianâi Doudou Michel tsy an-kanavaka. Dia veloma namako, any ankoatra indray no hihaona.
Jeannot Ramambazafy â 2 Novambra 2016
Ny nampalaza anâi Gilbert BĂ©caud dia ireo fehi-tendany misy pitipoa («cravates Ă pois»)
LâABSENCE
Qu'elle est lourde Ă porter l'absence de l'ami,
L'ami qui tous les soirs venait Ă cette table
Et qui ne viendra plus, la mort est misérable,
Qui poignarde le cĆur et qui te dĂ©construit.
Il avait dit un jour : "Lorsque je partirai
Pour les lointains pays au-delĂ de la terre,
Vous ne pleurerez pas, vous lĂšverez vos verres
Et vous boirez pour moi à mon éternité."
Dans le creux de mes nuits, pourtant, je voudrais bien
Boire Ă son souvenir pour lui rester fidĂšle,
Mais j'ai trop de chagrin et sa voix qui m'appelle
Se plante comme un clou dans le creux de ma main.
Alors je reste là au bord de mon passé,
Silencieux et vaincu, pendant que sa voix passe
Et j'Ă©coute la vie s'installer Ă sa place,
Sa place qui pourtant demeure abandonnée.
La vie de chaque jour aux minuscules joies
Veut remplir Ă tout prix le vide de l'absence
Mais elle ne pourra pas, avec ses manigances,
Me prendre mon ami pour la seconde fois.
Qu'elle est lourde Ă porter l'absence de l'ami.
Qu'elle est lourde Ă porter l'absence de l'ami !
Paroles: Louis Amade. Musique et interprĂšte : Gilbert BĂ©caud 1960