]
Les quotidiens du 29 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Razafindrakoto Gérard «Randrenja». Lasa ny «rôle» fa ny sarimihetsika notontosainy hitoetra mandrizay

Razafindrakoto Gérard «Randrenja». Lasa ny «rôle» fa ny sarimihetsika notontosainy hitoetra mandrizay

Razafindrakoto Gérard

Niady mafy amin'ny firongatry ny piraty i Razafindrakoto Gérard

Efa tamin’ny volana Jona tany no fantatra mazava fa misy homamiadana («cancer») ao amin’ny tsinainy i Razafindrakoto Gérard fantatry ny mpijery sarimihetsika rehetra amin’ny anarana hoe Randrenja.

Indrisy anefa: na dia natao ny tolo-tanàna nafahana niala nenina dia nandao antsika izy ny 08 Desambra 2016, tao aminy HJRA, teo aminy 56 taonany. Mafy loatra ny fikikisan’io aretina nahalavo an’i Ikotoniaina vao tsy ela.


Ny 17 Novambra, tao amin’ny Espace «Mon Goûter» etsy Andrefan’Ambohijanahary, dia natao ny antso tolo-tanàna ka maro tokoa ny olona nanampy an-kitsim-po.


Ny 04 Desambra indray, nisy ny kaonseritra lehibe «Gasy mifanome tànana» tao amin’ny coliseum ao Antsonjombe. Natao daholo, hoy aho, ny ala-nenina fa Andriamanitra ihany no mandahatra ny fahataperan’ny fandalovana eto an-tany.


Mpilalao («acteur»), mpamorona/mpanatontosa («réalisateur») sy mpamokatra («producteur») sarimihetsika («film») i Randrenja. Iza ny Malagasy no tsy mahalala ilay tantara «Malok’Ila»? Ao koa «Andrebabe», «Jiaby jiaby» sns. Ny orinasa mpamokatra sarimihetsika «Scoop digital» no niasany tam-boalohany. Taty aoriana dia natsangany ny orinasa «Horizon» izay ny fianakaviany no tena mandrafitra azy. Feno dimy taona tamin'ity taona ity ny «Horizon» ary efa namoaka sarimihetsika toa ny «Tsindry aloka» sy «Tampody».


Sary nalaina avy tao amin’ny sarimihetsika «Malok’ila». Randrenja (Razafindrakoto Gérard) sy Marianne (Volamasy Olga) mivady ary ny Dokotera Johary (Randrianarison Benjamina Andriamanalina na i Ali) zanany. Ary lasa maloka tanteraka satria samy nodimandry izy telo mianaka ireo amin’izao fotoana izao


Inona intsony moa no ho lazaina eto? Vita ny asany tety ary any ankoatra tsy taka-maso isika mihaona daholo e ! Izahay ao aminy madagate.org dia miombona alahelo amin’ny fianakavian’i Razafindrakoto Gérard -izay namela kamboty dimy mianadahy sy mpiahy tena iray- sy ny fianakaviam-ben'ny sarimihetsika eto Madagasikara. Mbola ho lazaina eto ihany ny andro hanasitriana ny nofo mangatsiak’ity andrarezin'ny kolontsainan'ny sarimihetsika ity.

Jeannot Ramambazafy – 09 Desambra 2016

Mis à jour ( Vendredi, 09 Décembre 2016 07:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA