]
Les quotidiens du 04 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Jeneraly Randriamahavalisoa Girard: vonona toa ireo nialoha azy, mandrapaha…

Jeneraly Randriamahavalisoa Girard: vonona toa ireo nialoha azy, mandrapaha…

Anarana tsy re firy ny azy eo amin’ny Tantaram-pirenena. Zandary izy ary notendrena handimby ny Jeneraly Paza Didier Gérard izy. Izy izany no Sekreteram-panjakana vaovao ao amin’ny ministeran’ny Fiarovaram-pirenena misahana ny Zandarimariam-pirenena (ZP) na koa SEG.

Ny 25 Aprily 2017 dia nampiantso ny mpanao gazety izy tao amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy ao Betongolo. Izao ny fanambarana sy toro-marika nataony, izay tsy mivoana tamin’ireo fanambarana izay nataon’ireo rehetra nialoha azy, kanefa tsy dia hita firy ny fiovana fa toa vao maika aza nivaralila ny lafin’ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Koa dia miandry fatratra izany isika vahoaka: hamely sa tsy ity Jeneraly Girard ity? Sa ho kofehy hanara-panjaitra fotsiny ihany...?

 

Miarahaba sy misaotra anareo mpanao gazety ny tenako.

Niantso anareo ny tenako satria ianareo mpanao gazety no maso mampahita ny vahoaka sy sofina mampandre azy. Raha misy teny hampitaina amin’ny vahoaka dia tsy maintsy mandalo aminareo.

Mitaraina mafy ny tantsaha amin’izao fotoana izao noho ny antony roa:

1- Ao ny fandravana feno habibiana ataon’ny malaso ;

2- Ao koa ny ataon’ny zandary sasantsasany manao asa mifanohitra amin’ny asa maha zandary azy.


Ka eto ny tenako dia milaza mba ahafahantsika mandamina an’ity tanintsika ity dia tsy maintsy ny ato anatiny aloha no alamina.

Samy mahalala isika fa ny asan’ny zandary dia ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Ary heloka bevava ho an’ny zandary ny minia manao asa mifanohitra amin’izany, sady mandoto ny zandary rehetra.

Averiko indray mandeha, fa ny ZP dia miaramilan’ny lalàna. Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Ka izay mihoa-pefy mandika an’io dia efa vonona ny tsy ho isan’ny fianakaviam-ben’ny Zandary intsony. Tsy natao ho fitadiavam-bola ny asan’ny Zandarimaria, na natao hanaporetana ny tantsaha, handravana ny fananany amin’ny fomba tsy mendrika.

Koa ambarako etoana fa manomboka mason’andro anio, izay minia manao asa mandoto ny ZP dia efa nisafidy ny ho tsy anisan’ny fianakaviam-ben’ny zandary intsony.
Ny malaso no tsy azo tenenina, fa ny zandary manao ny asan’ny malaso kosa efa fantany ny hiandry azy.

Tsy maintsy averina sy porofointsika zandary fa olona nisafidy hiaro ny vahoaka isika fa tsy natao hampijaly azy. Namany fa tsy fahavalony, atokisany ary ho mamy hoditra aminy. Tsy hisy intsony avy any ambanivolo ny teny hoe « aleo mifanena amin’ny malaso toy izay mifanena amin’ny zandary ».

Tsy misy afa-tsy izay ny fomba hiadiantsika amin’ity malaso ity. Ho mpirahalahy mianala isika. Ny vahoaka hatoky zandary ary ny zandary koa hatoky vahoaka.

Jeneraly RANDRIAMAHAVALISOA RAZAFINDRAMAITSO Girard

Sekreteram-panjakana ao amin’ny ministeran’ny Fiarovaram-pirenena

misahana ny Zandarimariam-pirenena

Mis à jour ( Mercredi, 26 Avril 2017 09:39 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...