]
Les quotidiens du 29 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ratsefa. Hafatra napetrany ho an’ireo mora kivy

Ratsefa. Hafatra napetrany ho an’ireo mora kivy

Anisan’ny mpanjakan’ny vazo miteny i Rastefa na i Rakotonirina Setefana. Tsy dia fantatr’ireo tanora malagasy amin’izao fotoana izao izy. Nodimandry izy ny 22 Mey lasa teo ary efa nalevina tamin’ny 25 Mey 2017.

Ity manaraka ity misy asa-sorany, tsy ho faty mandrakizay. Raha sendra kivy ianao io dia vakio sy henohy tsara ary aza manaiky resy mora foana. I Ratsefa no lasa fa ny asa kanto nataony mitoetra mandrakizay. Ary izy dia mandry am-piadanàna eo am-piandrasana ny fitsanganan'ny tenany amin'ny maty araka ny finoana krisitianina rehetra maneran-tany mino an'Andriamanitra iray sy tokana ihany.

Jeannot Ramambazafy

TSY KIVY

Fa ny hariva, harivan'ny ririnina, mamirifiry mila tsy ho tanty
Ny fahoriana sy ny adim-piainana mavesatra toa mila tsy ho zaka
Ny tenanao manify dia manify tsy mahita e, ny fiadanana mba revinao
Fa tandra vadin-koditra mipetaka madity ny adin-tsaina izay mangeja anao

Izay rehetra aleha toa sahona maneno, ny vita mila hanenenanao
Ny feo miantso ts'isy mba mihaino e, tsy misy valiny io hatramin'izao
Tsy kivy anefa ianao fa mikaroka hatrany, ny lalana izay mba hizoranao
Ny lasanao rehetra tsy mba maty akory izany, fa hitarafana ny ho avinao

Iza no tia, ka iza no tsy tia? Ezaho ka fantarinao hatrany
Iza no afaka mba hiara-dia e, hialao pa akia izay be vinany
Ka ny safosafo, safosafon'olon-tiana e, hitondra hafanana ho anao
Fa ny tsikitsiky, tsikitsikin'olon-tiana e, hanaisotra ny hatezeranao.

Ny lambolambo sy ny tampi-maso e, fomba efa fanao hatramin'izay
Ka nampitomany nandatsa-dranomaso, tonga saina ianao ka aoka izay
Ny vintana ny lahatra ny anjara sy ny sisa e, ianao tsy mba mivaky loha amin'izany
Tsy manaiky resy, tsy manaiky akia ra sipa e, araho tsikitsiky ny tomany.

RASTEFA

Mis à jour ( Vendredi, 26 Mai 2017 06:02 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA