]
Les quotidiens du 29 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo. FAFI V tarihin’i Naivo Raholdina : feno 10 taona ny fikambanana

Antananarivo. FAFI V tarihin’i Naivo Raholdina : feno 10 taona ny fikambanana

Asabotsy 1 Jolay 2017. Nankalazaina tamin’ny fomba manetriketrika tao amin’ny « La Résidence » Ankerana niaraka tamin’ny solotenan’ny mpikambana sy olona nasaina 1000 mahery teo ny faha-10 taonan’ny Fikambanana Mpanao asa soa FAFI V (Fikambanana Mpanao asa soa ho Fampandrosoana ny Firaisana isam-pokontany eto amin’ny Boriboritany fahadimy) tarihin’ny Filoha mpanorina Andriamatoa Naivo Raholdina.


Notoloran’ny Fanjakana Malagasy mariboninahitra roa sosona izy dia:

- Chevalier de l’Ordre National

- Commandeur des Arts, des Lettres et de la Culture, de la Littérature nohon’ny asa vitany teto amin’ny firenena, indrindra ny fanandratana ny Kabary Malagasy sy ny Asa soratra Malagasy.


Azo lazaina fa reharehan’ny Mpikabary Malagasy ny Filoha mpanorina ny FAFI V, izay misahana ny sampana Kolotsaina FIMPIDIMY (Fiaraha-mientan’ny Mpikabary boriboritany fahadimy), hoy Andriamatoa Rabenirina Jean Jacques, Ministre de la Culture, de la Promotion de l’Artisanat et de la Sauvegarde de la Patrimoine, raha nandray fitenenana sy nampisalotra izany mariboninahitra izany, amin’ny alàlan’ny Fitondram-panjakana, izay niahy ny lanonana ary nitsodrano sy nankahery amin’ny asa mafy tanterahina ho tratry ny folo taona manaraka indray.

Ny Fikambanana Mpanao asa soa FAFI V dia manana sampana telo :

Ny sampana Sosialy Fanantenana izay tarihin-dRamatoa Hanitriniala Raholdina ;

Ny sampana Kolontsaina isian’ny FIMPIDIMY ;

Ny sampana Fanatanjahantena.


Nandritra ny lanonana dia nampahafantarina teo imason’ireo olona nasaina ireo birao vaovao hitantana ny FAFI V ao anatin’ny 5 taona manaraka. Betsaka ireo asa soa vitan’ny fikambanana tao anatin’izay 10 taona nijoroany izay no naseho tamin’ny horonantsary nandritra ny ora iray latsaka, ary nanamarika ny Filohan’ny fikambanana tamin’ny kabary izay nataony fa aleo ny horonan-tsary no hilaza azy satria amin’ny alalan’ny KABARY ARAHIN’ASA NO AHITANA VOKATRA, no fomba fiasan’ny Fikambanana anatanterahana ny filamatra hoe “MIARO sy MANASOA VAHOAKA”.

Nanamafy ny Filohan’ny fikambanana FAFI V Naivo Raholdina fa hoamafisina ary ho tohizana avo folo heny araka izay tratra ny “ADY amin’ny tsindrihazolena, ADY amin’ny fahantrana, ADY amin’ny fitiavan-tena sy fitsetsefana ny madinika”, satria ny filamatry ny sampana Sosialy FANANTENANA ao anatin’ny FAFI V dia ny hoe “AZA MANAO KELY TSY MBA MAMINDRA”.

Mba ahafahan’ny vahoaka mahafantatra ny asa soa ataon’ny Fikambanana sy izay mpanao asa soa rehetra satria ny “soa fianatra dia anisan’ny asa miandry ny fikambanana amin’ny folo taona manaraka ihany koa ny ADY, amin’ny fahalalahan’ny vahoaka mihaino vaovao tena marina”, ka manohana ny fahalalahan’ny mpanao gazety haneho hevitra ny tenany.


Anisan’ny nanamarika io lanonana io koa ny seho tsy nampoizina toy ny rindran-kira sy ny fampisehoan’i Poon and Co, izay fantatry ny tanora teo amin’ny sehatry ny Pazzapa, namelomany ny kalon’ny fahiny sy ankehitriny sy ny nipoitran’i Abel Ratsimba izay ray aman-dreny mponina eny amin’ny boriboritany fahadimy, fantatry ny zokiny tamin’ilay hira tsy afaka am-bavany teo aloha, “Tsy nofiko intsony”.


Ary araka ny maha lanonana azy dia nisy ny mofomamy sy koba mitam-pihavanana sy fiarahana miala hetaheta ary mbola samy nahaazo ny anjarana nentina nody ihany koa niaraka tamin’ny vatomamy amin’ny maha mamy ny fankalazana ireo mpanotrona 1000 mahery.


Ary anisan’ny tena zava-dehibe nisongadina ny fanambarana nataon’ny FAFI V (Fikambanana Mpanao asa soa ho Fampandrosoana ny Firaisana isam-pokontany eto amin’ny Boriboritany fahadimy) sy ny FAFI (Fampandrosoana Antoky ny Fiandrianam-pirenena), ny fiantsoana ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenana ny taona 2018, ary nilaza tamin’ny fomba ofisialy ity fikambanana sy ny antoko miaraka aminy ity fa hanohana azy hatraminy farany noho ny zava-bitany teto amin’ny firenena nandritra ny Tetezamita na dia voasazy tsy nisy mpamatsy vola aza ny Fanjakana tamin’izany, dia mbola nahavita nampiakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, nahaloa trosa ny tany ivelany, indrindra moa ny nahavitany ny Coliseum lehibe manara-penitra eny amin’ny Boriboritany fahadimy ka ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny sampan Kolotsaina ao amin’ny fikambanana FAFI V.


www.madagate.org

Mis à jour ( Mercredi, 05 Juillet 2017 07:18 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA