FANAMBARANA
Ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra) Sampana Antananarivo, manoloana ny toe-draharaha miseho eto amin’ny tanindrazana iombonana izao dia:
- Mahatsapa fa voahitsakitsaka matetika ny Lalà m-panorenana, tsy voahaja ny tany tan-dalà na; tsy matoky ny mpitandro filaminana intsony ny vahoaka satria mihorohoro ny tambanivohitra noho ny afitsoky ny asan-dahalo, mandry andriran’antsy ny mponina andrenivohitra manoloana ny asa fandrobana, vono olona, fanendahana ary vaky trano ataon’ireo andian-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika; mihatafiditra any anaty kizon’ny fahantrana ny vahoaka maro an’isa ary zary lasa ankila-bao ny tera-tany malagasy raha mitaha amin’ireo vahiny ; tsy misy ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana; manjaka tanteraka ny gaboraraka ary minia mikipy maso sy manao be marenina ny mpitondra isan’ambaratongany manoloana ny fitrandrahana tsy ara-dalà na ireo harem-pirenena, ny fakà na an-keriny sy amin’ny fomba tsy mazava ny tanin’ireo valalabemandry ataon’ireo tera-tany vahiny mpila ravinahitra.
Koa amin’ny maha Vato nasondrotry ny tany ny SECES dia manao antso avo izahay ho tombontsoam-pirenena sy ho an’ny ny taranaka fara aman-dimby:
- Andraikitry ny mpitondra isan’ambaratongany ny miantoka ny zo fototra ananan’ny tsirairay, ny fahalalahana maneho hevitra am-pilaminana, ny fahafahana mivezivezy manerana ny tanin’ny Repôblikan’i Madagasikara, ny fiantohana ny fandriam-pahalemana, na an-tsaha izany na an-tanà na ary ny fampiharana tsy mitanila ny lalà na velona amin’ireo rehetra mandika izany;
- Takianay ny fampodiana an-tanindrazana an’ireo rehetra nandositra ny raharaham-pitsarana sy voarohirohy amina fanodinkodinam- bolam-bahoaka, ny fanenjehana araka ny lalà na ireo mpanondrana tsy ara-dalà na ny harem-pirenena avy eto Madagasikara;
- Mila havaozina sy ampahafantarina ny besinimaro ireo didy aman-dalà na mikasika ny fananan-tany, ny fitrandrahana ireo harena, na ambanin’ny tany izany na ambonin’ny tany mba hisorohana ny fanaovana tantely afa-drakotra ireo harem-pirenena, ny famelana ireo tera-tany vahiny hanao rapa-dango ka haka an-keriny ny tany voajary efa an-taonany maro, hitrandraka amin’ny fomba tsy ara-dalà na ireo harena ankibon’ny tany sy an-dranomasina eto Madagasikara, toy ny ao Ambatolampy kaominina Ambinaninony Brickaville, Marolambo, Soamahamanina, Fandriana, Bealanana ny sy faritra maro manerana ny Nosy.
- Foin’ny Mpahary ho nosy i Madagasikara sy ireo nosy manodidina, koa masimandidy eto amin’ny tanindrazany, izay tsy azo amidy na sandaina vola amin’ireo vahiny ny vahoaka malagasy. Tsy azo ekena noho izany ny mety hisiana fifindra-monina faobe ataon’ireo teratany vahiny aty amintsika, na avy aiza na avy aiza fiaviany. Miantso sy manentana hatrany kosa an’ireo mpandraharaha vahiny mba hampiasa ny volany araka ny lalà na velona mba ho fanoitry ny lafiny toekarena sy ho fampananan’asa an’ireo malagasy tandrify izany.
- Na inona na inona fananganana na fanitarana fotodrafitrasa goavana eto amin’ny tany sy ny firenena dia tsy azo hatao tompon-trano mihono ny vahoaka eny ifotony. Tsy misy asa azo tanterahina raha manohintohina ny tombontsoan’izy ireo, ohatra : ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ;
- Manantitrantitra etoana ny tokony hanaovana fikaonandoham-pirenena handinihana ny fanovana ny Lalampanorenana sy ireo lalana mifehy ny fifidianana mba hialana @ olana na fikatsoana aorian’ny fifidianana.
Mankahery sy miray fo tanteraka amin’ny malagasy tsy vaky volo mba samy hisikim-ponitra ary hampanjaka ny fahamarinana, hitandro hatrany ny firaisan-kinam-pirenena ary hahay hisintona lesona eo anatrehan’ny fahadisoam-panantenana nohon’ ny afitsok’ireo mpitondra sasantsasany.
Ny mita be tsy lanin’ny mamba
Ny Biraon’ny SECES, Sampana Antananarivo
Natao teto Antananarivo androany, faha 11 septambra 2017