]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche AKAMMA. Fikambanan’ireo Ben’ny Tanàna Ambanivohitr’i Madagasikara

AKAMMA. Fikambanan’ireo Ben’ny Tanàna Ambanivohitr’i Madagasikara

Nijoro tamin’ny fomba ofisialy ny 10 Oktobra 2017 ny Fikambananny Ben’ny Tanàna Ambanivohitra (Ainga ny KAominina Mitambatra eto MAdagasikara na AKAMMA) rehefa natsangana ny 04 oktobra 2017, ary nampafantarina tao amin’ny hotely Colbert ny 16 Novambra 2017. Ny AKAMMA dia fikambanana izay hivondronan’ny Ben’ny Tanàna Ambanivohitra rehetra, ary malalaka ho an’ireo izay mbola tsy tafiditra ka maniry ho mpikambana.

Tanjona hijoroany dia ny fampandosoana ny firenena hafahana hitondra hevitra; hanatsarana ny fitantanana, fandrindrana ny fomba fiasan’ny vondrom-bahoaka isam-paritra eo amin’ny tontolo ambanivohitra. Izany dia hiaraha-miasa amin’ny fitondrana mahefa sy ny mpiara-miombon’antoka.

Ny fikambanana dia mikendry ny fanamafisana ny firahalahiana ao anatin’ny firaisankina izay hery. Natao izao firaisankinan’ny Ben’ny Tanàna izao mba hafahana mampitombo ny farim-pahalalahana eo amin’ny fitantanàna ny kaominina , ary eo ny dinika izay hiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka.

Ity fikambanana AKAMMA ity dia ahitana Ben’ny Tanàna miisa 300 efa mpikambana ao. Ny fanirian’izy ireo amin’ny izay fitantanàna izay dia ny fampahafantarana ny andraikitra sahanin’izy ireo; ny ady amin’ny kolikoly izay notsipiana fa tokony ho hampahafantarina ny vahoaka misimisy kokoa, indrindra ireo any ambanivohitra, raha toa ka nisy foana ny fankalazan ny androm-pirenena amin’ny sehatra hafa eto amintsika toy ny androm-pirenena ny fahasalamana ohatra, dia tokony ho asiana ihany koa ny androm-pirenena momban’ny ady amin’ny kolikoly.

Ohatra napetrak’ireto Ben’ny Tanàna ireto ny hoe: iray volan’ny tsy fisian’ny kolikoly; ny volana faharoa dia fanasaziana amin’ireo manao kolikoly, ny iray volana faha telo hanafoanana ny kolikoly. Ankoatra io dia noresahin’izy ireo ny lafin’ny fandriampahalemana izay heno matetika ny fahoriana mahazo ireo mponina any ambanivohitra.

Ny fanatsaràna ny fomba fiasa miaraka amin’ny mpitondra, indrindra fa ny loholona ka hametrahana fomba fiasa mazava tsara.

Momba ny fanampiana ara-bolan’ny kaominina dia nitatitra ny Ben’ny Tanàna sasany fa tsy mba anisany nahazo izany, indrindra moa fa ny mikasika ny FLD. Misy ihany anefa ny nahazo… Raha ny taona 2017 dia nitatitra izy ireo fa efa nampanantena ny mpitondra fa omena amin’ity volana Novembra ity izany.

Sary sy soratra: Rakotonirainy Andry

Mis à jour ( Lundi, 20 Novembre 2017 17:42 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...