]
Les quotidiens du 29 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche INSPNMAD. HANANGANA ONIVERSITE LEHIBE IRAY AMIN’NY TAONA 2018

INSPNMAD. HANANGANA ONIVERSITE LEHIBE IRAY AMIN’NY TAONA 2018

Mankalazana ny faha-10 taonan’ny sehatra fampianarana ny paramedicaly ny INSPNMAD (Institut des Paramédicaux Novateurs de Madagascar), ary ny faha-5 taonan’ny Master politeknika sy ny Master paramedikaly.


Ny 20 Desambra 2017 no nanomboka ny fankalazana. Ny INSPNMAD dia anisan’ireo sekoly lehibe indrindra eto Madagasikara raha ny sehatra ny Paramedikaly no resahina. Maro ny mpianatra no efa tafita amin’ny sehatra ambony nivoaka tamin’ity sekoly ity hatrany ivelany. Teo koa ny eto an-toerana izay miely eran’ny Nosy, indrindra moa fa eran’ireo Distrika miisa 100 mahery.


ILAINA NY FIKIRIZANA VAO TAFARINA

“Làlana sarotra ary tsy mora no nodiavina”, hoy indrindra Andriamatoa Razanadrakoto Roland Albert, Filoha tale jeneralin’ny INSPNMAD. Olana anisan’ny nosedraina ny fomba fahazoana taratasy ara-dalàna avy amin’ny fanjakana. Isaky ny misy fiovana governemanta dia saika miova foana ny anaran’ny ministera miandraikitra azy io, ary dia miezaka ny sekoly manaovao foana ny antonta-taratasy ao aminy.


Eo amin’ny lafiny fitaovana dia noezahina ny fanarahana ny fitaovana hifanaraka amin’ny toe-andro, ary ny fametrahana ireo tanora ho mendrika rehefa mivoaka ao amin’ny sekoly. Voizina amin’izany ny fahaizana amam-pahalalàna ary amin’ny maha tomponandraikitra ilay mpianatra rehefa mivoaka ao.


Anisan’ny tsangam-bato lehibe hiorina amin’ny taona ho avy ny fisian’ny Oniversite ho an’ny INSPNMAD, araka ny fanazavana nomen’ny Filoha Tale Jeneraly izay notolorana ny mari-boninahitra Chevalier de l’Ordre national io 20 Desambra io noho ezaka vitany teo amin’ny lafin’ny fanabeazana.

Tonga nisolotenan’ny Filoham-pirenena nanolotra izany teny Alakamisy ny Lehiben’ny Distrikan’Ambohidratrimo, Andriamatoa Andriamboavonjy Tahiry, notronin’ireo mpampianatra eo anivon’ny INSPNMAD sy ireo mpianatra rehetra ao.


RAKOTONIRAINY Andry

Mis à jour ( Samedi, 23 Décembre 2017 09:38 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA