]
Les quotidiens du 22 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Joseph Raseta. Iza moa io Dokotera nampitondraina ny anaran’ny Hopitaly ao Befelatanana io ?

Joseph Raseta. Iza moa io Dokotera nampitondraina ny anaran’ny Hopitaly ao Befelatanana io ?

Efa nosoratako ombieny ombieny fa ny firenena tsy manana Tantara dia tsy azo atao ho firenena fa faritra tsy misy fotony (tsy teny ratsy mihitsy io fa milaza fa tsy manana fototra niaingana). Ary ny Firenena kosa dia ny vahoaka mifandimby monina ao aminy. Amin’ireo mponina ireo dia misy ny misongadina ary nandrafitra, mandrafitra ary handrafitra ny Tantaram-pirenena malagasy amin’izay nataony tamin’ny androm-piainany.

Amin’izao fotoanan’ny coronavirus mitondra ny aretina Covid-19 izao dia voaresaka matetika ny hopitaly Joseph Raseta ao Befelatànana ao. Androany ary dia mba ampahafantarako ananareo mpamaky, ary koa anareo tanora malagasy amin’izao fotoana izao sy ireo ho avy hoe : iza moa io olona io ? Mialoha izany anefa dia tsy mety raha tsy tantaraina eto amboalohany ny anarana nifandimby mikasika io hopitaly ao Befelatànana io. Andaoa ry ô !

Tamin’ny fanjanahan-tany dia «Hôpital indigène» no anarany. Izany hoa natokana ho an’ny vahoaka malagasy. Ny Jeneraly Joseph Gallieni no namorona azy io, ny 20 Avrily 1899 fampiarana ny hoe AMI na «Assistance médicale indigène». Rehefa niverina ny Fahaleovantan’ny firenena malagasy dia natao hoe « Hôpital Principal de Befelatànana» ny anaran’io toerana fitsaboana olona marary. Avy aiza koa moa io hoe « Befelatànana » io ? Anarana karazan-javamaniry be ravina izy io ary naniry tao amin’io toerana io. Borassus madagascariensis sy Medemia nobilis no anarany ara-siantifika.


Ny taona 1978 indray dia niova ho « Hopitaly Général d’Antananarivo » io hopitaly io. Ny taona 1986 kosa, rehefa nisokatra ny CHU («Centre hospitalier universitaire ») Joseph Ravoahangy Andrianavalona, ao Anosy Ampefiloha, dia maro ireo sampanana nafindra tany ary dia lasa CHU koa i Befelatànana ka ny sampana ORL sisa no nampiavaka azy. Ny taona 1999 anefa dia nafindra eny Anosy Ampefiloha ihany koa ny ORL any ka ny fitsaboana ankepobeny («Médecine générale») sisa no tao Befelatànana. Aza adino kosa fa mbola tao amin’io toerana io foana ny Toeram-piterahana («Maternité») sy ny Toerana fianarana ho dokotera («Ecole de médecine»). Ny taona 2003 vao raikitra fa lasa «CHU-Hôpital Joseph Raseta de Befelatànana» ny anarany ka ny 29 Marsa 2004 no natao andro fitokanana azy. 29 Marsa… Tsy tonga tonga ho azy io daty io. F’iza marina moa io Malagasy nampitondrana ny anaran’io Hopitaly io ? Lasa izao !

I Joseph Delphin Raseta dia teraka tany Marovay, Faritra Boeny, ny 9 Desambra 1886, talohan’ny nanjanahan’ny Frantsay an’i Madagasikara. Ny rainy dia Deka («Aide de camp») ny Praiminisitra Rainilaiarivony, sady Governora tany Boina. Ny raibeny kosa dia manamboninahitra tao amin’ny Lapan’i Manjakamiadana ary nandray anjara tamin’ny ady tamin’ny mpananim-bohitra frantsay, ny taona 1883 ka hatramin’ny taona 1885.

Rehefa avy nianatra tao amin’ny sekolin’ny «Frères des écoles chrétiennes» sy tao amin’ny kolejy «Friends Foreign Mission Abroad» i Joseph-Delphin dia niditra mpianatra ho dokotera tao amin’ny Ecole de médecine ao Befelatànana ka ny taona 1908 izy no nahazo diplaoma manamarika fa dokotera feno ny tenany. Ny taona 1909 ka hatramin’ny taona 1922 dia dokotera mpiasam-panjakana tao amin’ny «Assistance médicale indigène» na AMI (efa noresahina teo ambony) teto Antananarivo izy. Ny taona 1915 dia nanomboka niditra teo amin’ny sehatry ny politika izy ka lasa mpikambana tao amin’ny VVS (Vy, Vato, Sakelika) izay fikambanana miafina malagasy naorina mpianatra mpitsabo maromaro tamin'ny taona 1912, hanetsika ny fitiavan-tanindrazana. Ny taona 1916 dia vosambotra daholo ireo lohandoham-pisorona tao amin’ny VVS ary voaheloka higadra fa nanomana teti-dratsy hanohitra ny fanjakana («complot contre l’Etat»).

Ny taona 1922 dia nifindra monina tany Toliara ny Dokotera Raseta ary tsy niasa ho an’ny fanjakana intsony fa ho an’ny tenany («Médecin libre»). Ny taona 1926 izy dia lasa mpanao gazety satria solotenan’ny gazety «l’Opinion de Diego Suarez» izay manohitra ny fanjanahana. Teo anelanelan’ny taona 1927 sy 1935 ny Dokotera Raseta dia im-pito kely ny nenjehin’ny fanjakana mpanjanaka amina antony tsy dia mitomba loatra satria afaka foana izy teo anatrehin’ny tribonaly. Anisan’ny nampiangana azy, ohatra, ny hoe : nanangom-bola ho fanampiana an’i Jean Ralaimongo izay mpitolona tia tanindrazana tsy nanam-paharoa, hatreto, teto Madagasikara… Tantara hafa ihany koa izany…

Nanomboka ny taona 1934 dia tena niseho tamin’ny endriny maro ny fomba nitoloman’ny Dokotera Raseta ho an’ny tanindrazana. Ireto ny fikambanana nidirany mpikambana : «Secours rouge international» izay misolo ny antoko kaominisita frantsay («Parti communiste français») izay misy rafitra ao amin’ireo tany voazanaka ; «Ligue anti-impérialiste en France». Nanoratra ihany koa izy ho an’ireto gazety ireto : «L’Aurore malgache », «Nouvelle Opinion», «L’Humanité» sy «Prolétariat malgache ». Ity farany ity dia gazetin’ny Antoko Kaominista faritra Madagascar («Parti Communiste, Région Madagascar - PCRM»). Fa na dia mpitolona mafana fo («Militant») aza ny Dokotera Raseta, fa tsy kaominista velively, dia nogadraina roa taona tao Moramanga izy rehefa avy noravan’ny fanjakana kôlônialy io PCRM io.

Ny taona 1943 ny Dokotera Raseta no nafahana tamin’ny fanagadrana azy ary dia notohiziny hatrany ny tolony ho fanafahana an’i Madagasikara. Nahomby izany fikelezan’aina izany satria indroa miantaona izy no voafidy ho Depiote tamin’ny alalan’ny «Assemblée constituante» na Antenimiera misahana ny fandrafetana Lalampanorenena. Dia tamin’ny taona 1945 sy ny taona 1946 izany. Ary ny 22 Febroary 1946 dia tao Parisy, renivohitry Frantsa, no nananganany, ny MDRM («Mouvement démocratique de la rénovation malgache») izay izy no lasa filohany ihany koa. Anisan’ny mpikambana tao amin’io MDRM io, ohatra : ny Dokotera Joseph Ravoahangy Andrianavalona, ny mpanoratra Jacques Rabemananjara, ny Dokotera Joseph Rakotonirainy, ny mpanao gazety Ranaivo Paul, Talen’ny gazety «La Nation malgache» … Ny 9 marsa 1947 dia nody aty an-tanindrazana ny Dokotera Raseta rehefa voatendry hisahana ny kaomisiona momban’ny finakaviana, ny Vahoaka sy ny Fahasalamam-bahoaka («Commission de la famille, de la population et de la santé publique») ao amin’ny Antenimieram-pirenena.

NY MARINA TAMIN’NY RAHARAHA 29 MARS 1947 SY NY MDRM

Nivory tao amin’ny biraony teto Antananarivo ireo mpikambana ao amin’ny MDRM ny andron’ny 27 martsa 1947. Niompana tamin’ny fanomanana ny kongresy saika hatao ny 6, 7, 8 aprily ny fivoriana. Nisy anefa vaovao voaray tamin’izay fa misy korontana hiseho eto Madagasikara mba hiampangana ny MDRM ho mpanohintohina ny filaminam-bahoaka. Nanoratra telegrama haingana i Jacques Rabemananjara mba hampitandrina sy handidy ny mpikamban’ny antoko ho tony sy tsy hamaly izay mety ho fiantsiana atao amin’izy ireo. Toy izao no vakin’izany telegrama izany :

« Prière diffuser et afficher, ordre impératif est donné à toutes les sections, à tous les membres du MDRM. Garder calme et sang-froid absolu devant manœuvre et provocation de toute nature destinées à susciter troubles sein population malgache et à saboter politique pacifique MDRM ».

Raseta, Ravoahangy, Rabemananjara

Bureau politique MDRM

Nisy nanafika ny toby miaramila tao Moramanga ny alin’ny 29 martsa 1947. Maro ny miaramila senegaly maty tamin’izany ka dia namaly faty izy ireo; novonoiny ny olona tao Moramanga, nodorany ny trano…

Noraisin’ny Frantsay ho fikomiana ny zava-niseho. Tsy nipetra-potsiny izy ireo fa avy hatrany dia nanao haza lambo ny mpikamban’ny MDRM sy ireo mpitarika izay voampanga ho tompo-marik’izao hetsika izao.

Toa tsy niely firy anefa io telegrama io kanefa fantatry ny fitondrana kôlônialy… Ary dia niazakazaka ny fandehan-javatra… Taorian’ny raharaha 29 mars 1947 dia nangataka fanazavana tamin’ny governemanta frantsay ny Depiote Joseph Raseta momba ireny vonon’olona nahatsiravina ireny. Inona no setrin’izany ? Izy indray no nanaovana famotorana teo anivon’ny Parlemanta («Enquête parlementaire») ny 20 Mey 1947. Ary ny 4 Jona 1947 dia nesorina taminy ny « Immunité parlmentaire ». Nosamborina izy ary nogadraina niaraka tamin-dry Ravoahangy sy Rabemananjara sy ny hafa voatonona anarana ary ny 4 Oktobra 1948 izy ireo no voaheloka ho faty, tamin’ny fitsarana naharitra telo volana mahery izay natao tao Andafiavatra.

Ny 7 Jolay 1949 dia novain’ny Filoha frantsay, Vincent Auriol, ho fanagadrana mandrapahafaty izany fanamelohana ho faty izany. Nalefa tany Comores aloha ny Dokotera Joseph Raseta ary avy eo tany Calvi (Nosy Corse) ny volana Oktobra 1950. Noho ny antony ara-pahasalamana dia nafahana izy ny 6 Aogositra 1955 ka nalefa tany Grasse ary farany tany Cannes (Frantsa). Ny taona 1956, tany izy no nitolona tamin’ny fanohanana an’i Stanislas Rakotonirina (Dadaben’i Désiré Razafindrazaka Madajazzcar) izay voafidy ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo malagasy voalohany, ny taona 1956). Ny taona 1957 indray dia niaraka tamin’i Jacques Rabemananjara ny Dokotera Raseta sy ny tia tanindrazana rehetra mba hanao hetsika tokana sy ao anatin’ny firaisan-kina amin’ny fifidiana provinsialy tamin’izany fotoana izany. Ny taona 1958 dia nanampy be an’ny Pastora Richard Andriamanjato izy, tamin’ny fanorenena ny antoko AKFM (Antoko'ny Kongresin'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara) izay nanohatra an’i Philibert Tsiranana sy ilay hoe Firaisam-be Frantsay («Communauté française»).

Ny volana Jolay 1959, rehefa nikasa hody antsokosoko aty Madagasikara ny Dokotera Raseta dia tratra tao Djibouti ary naverina tany Frantsa. Herintaona katroka taorian’izay, ny 19 Jolay 1960, taorian’ny niverina ny fahaleovantenan’i Madagasikara (26 Jona 1960) dia afaka nody soa aman-tsara izy. Ny volana Aogositra 1960 dia niditra mpikambana ao amin’ny AKFM izy ary dia lany ho Solombavam-bahoakan’Antananarivo. Ny taona 1963 dia niala tao amin’ny AKFM izy ary nanorina ny antoko FIPIMA (Firaisankina nasionaly malagasy). Tamin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, ny 30 Marsa 1965, dia nandray anjara ny Dokotera Raseta. Izao manaraka izao no vokatra azo : Philibert Tsiranana : 97%- ny vato manan-kery. Joseph Raseta : vato 54.814 izany hoe 2%-ny totalim-bato manan-kery ; Alfred Razafiarisoa : vato 812 tamin’ireo mpividy 2.583.051 voasoratra anarana tamin’izay fotoana izany. Ny totalin’ny mponina tamin’izany dia 5.764.000.

Nanomboka teo dia nisintaka tanteraka tamin’ny resaka sy raharaha politika ny Dokotera Raseta. Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Didier Ratsiraka dia nasandratra ho Mahery fon’ny Revolisiona («Héros de la révolution») izy ary dia nomen’ny mari-boninahitra « Grand Officier de l’Ordre des combattants de la révolution malgache ». Ny 5 Oktobra 1979 no nandao ity tany fandalovana ity ny Dokotera Joseph-Delphin Raseta. Misy làlana mitondra ny anarany any Tanambao Toliara sy eto Andraharo Antananarivo.

Nandalo tokoa ny Dokotera Joseph-Delphin Raseta fa ny tantarany kosa tsy ho voafafa na oviana na oviana. Ary ny anao ry mpamaky, ry tanora, ry ?

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mardi, 25 Août 2020 14:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024